EksĂ´dy

Toko faha-18

12 Nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana tamin'Andriamanitra i Jetrao. Koa tonga i Aharona sy ny loholon'i Israely rehetra hihinana ny sakafo masina niaraka tamin'ny rafozan'i Mosesy teo anatrehan'Andriamanitra.

13 Nony ampitso dia nipetraka mba hitsara ny adin'ny vahoaka i Mosesy. Nanomboka ny maraina ka mandra-paharivan'ny andro dia nijajirika teo ny olona mba hahazo miseho eo anatrehan'i Mosesy.

14 Koa raha nahita ireo zavatra rehetra tsy maintsy hataony amin'i vahoaka ny rafozany, dia niteny tamin'i Mosesy hoe: -Inona izao zavatra ataonao amin'ny vahoaka izao? Nahoana no ianao irery no manao ny asa, ka mahatonga ny olona hijajirika manomboka ny maraina ka mandra-paharivan'ny andro rehefa hiseho eo anatrehanao?

15 Fa namaly an-drafozany i Mosesy hoe: -Satria ireo olona ireo dia tonga aty amiko mba hitady ny fitsarana avy amin'Andriamanitra.

16 Rehefa misy raharaha mampifanolana azy, dia tonga aty amiko izy ireo: mitsara ny raharaha mampifanolana azy aho, ary mampahafantatra azy ny fitsipik'Andriamanitra sy ny lalanany.

17 Dia hoy indray ny rafozany: -Tsy tsara ny fomba anaovanao ny raharaha!

18 Samy ho reraka mihitsy na ianao na ireto olona tonga aty aminao. Mavesatra loatra aminao izao andraikitra izao ka tsy ho vitanao samirery!

19 Henoy ary ny torohevitro aminao, ka homba anao anie Andriamanitra: Ny anjaranao dia ny misolotena ny vahoaka amin'Andriamanitra, ka mitondra eo anatrehan'Andriamanitra ny raharaha mampifanolana.

20 Ianao koa no hampianatra azy ny fitsipik'Andriamanitra sy ny lalanany, ka hampahalala azy ny lalana tokony hizorany sy ny asa tokony hataony.

21 Fa ny amin'ny sisa, dia mifidiana lehilahy be herimpo ao amin'ny vahoaka, dia lehilahy fatra-panaja an'Andriamanitra, tia fahamarinana sady tsy mandray tsolotra; ka tendreo ireo ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo.

22 Ireo no hitsara ny vahoaka isan'andro, ka ny raharaha lehibe no hoentiny any aminao, fa ny raharaha madinika dia halaminy ihany. Amin'izay dia hihamaivana ny andraikitrao fa miara-mitondra aminao ireo.

23 Raha ataonao izany zavatra izany, ka izay no andidian'Andriamanitra anao, dia tsy ho reraka ianao; ary ny olona koa dia ho afaka mody any aminy vita fihavanana.

24 Narahin'i Mosesy avokoa ny torohevitry ny rafozany:

25 nifidy lehilahy be herimpo teo amin'ny Israelita izy, ka nanendry azy ho tompon'andraikitra amin'ny vahoaka, ho mpifehy arivo sy mpifehy zato na ho mpifehy dimampolo sy mpifehy folo.

26 Ireo no nitsara ny vahoaka isan'andro amin'ny zavatra madinika mampifanolana azy; ny raharaha lehibe dia nentiny tany amin'i Mosesy, fa ny raharaha madinika dia nalaminy ihany.

27 Dia nalefan'i Mosesy nandeha nody any amin'ny taniny ny rafozany.

Toko faha-19

1 Ny andro voalohany tamin'ny volana fahatelo taorian'ny nialan'ny Israelita tany Ejipta no nahatongavany tao an-taniefitr'i Sinay.

2 Niala tao Refidima manko izy ireo ka nitsofoka tao an-taniefitr'i Sinay, dia nitoby tao an-taniefitra, tandrifin'ny tendrombohitra Sinay.

3 Ary niakatra ny tendrombohitra i Mosesy hihaona amin'Andriamanitra. Dia niantso an'i Mosesy avy tao an-tampon-tendrombohitra ny TOMPO ka nanao taminy hoe: -Izao no hambaranao amin'ny taranak'i Jakoba, dia ny Israelita.

4 Efa hitanareo izay nanaovako ny Ejiptianina, efa hitanareo koa ny nitondrako anareo aty ho eto anilako toy ny itondran'ny voromahery ny zanany eo amin'ny elany.

5 Koa ankehitriny, raha mihaino tsara izay lazaiko ianareo ka manaja ny fanekempihavanako, dia hanjary vahoaka sarobidy manokana ho Ahy eo amin'ny firenena rehetra. Fa Ahy manko ny tany manontolo,

6 saingy ianareo kosa dia ho fanjaka-mpisorona ho Ahy, ho firenena voatokana hanompo Ahy. Ireo no teny izay hambaranao amin'ny Israelita.

7 Niverina teo an-toby i Mosesy, nampiantso ny loholon'i Israely ary nampita tamin'izy ireo ny zavatra rehetra izay nandidian'ny TOMPO azy.

8 Namaly indray miredona ny vahoaka manontolo nanao hoe: -Izay rehetra nandidian'ny TOMPO dia hataonay! Dia notaterin'i Mosesy tamin'ny TOMPO ny valin-tenin'ny Israelita.

9 Koa hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Indro hankeo aminao Aho, hiafina ao anatin'ny rahona matevina, mba handrenesan'ny Israelita Ahy miresaka aminao, ka hatokiany anao hatrany hatrany. Dia naverin'i Mosesy teo anatrehan'ny TOMPO ny valin-tenin'ny vahoaka.

10 Hoy indray ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Miverena any amin'ny vahoaka, ka ilazao izy mba hanoman-tena anio sy rahampitso; ary ampanasao azy koa ny fitafiany.

11 Aoka izy ho vonona ho amin'ny rahafakampitso, fa amin'io andro io dia ho hitan'ny vahoaka rehetra hidina eo an-tendrombohitra Sinay AHO.

12 Farito ny manodidina ny tendrombohitra, ka asaovy mitandrina ny olona mba tsy hianika ny tendrombohitra na hanatona ny sisiny akory, fa izay rehetra manatona ny tendrombohitra dia hatao maty.

13 Tsy havela ho velona na olona na biby; ary tsy hokasihina akory izy fa hotoraham-bato na hasiana tsipika. Fa rehefa maneno ny anjombona, vao mahazo miakatra eny an-tendrombohitra ny olona sasany.

14 Dia nidina avy tao an-tendrombohitra ho eny amin'ny vahoaka indray i Mosesy. Nasainy nanoman-tena sy nanasa ny fitafiany ireo.

15 Ary hoy izy taminy: -Miomana ianareo ho amin'ny rahafakampitso. Aza mikasika vehivavy akory!

16 Nony afakampitso, vao maraina be, dia nisy kotro-baratra sy tselatra ary rahona matevina teny an-tendrombohitra. Injany nisy feon'anjomara naneno mafy; koa tora-kovitra ny vahoaka rehetra tao an-toby.

17 Nasain'i Mosesy nivoaka avy teo an-toby ny Israelita mba hihaona amin'Andriamanitra, ka nijanona teo am-pototry ny tendrombohitra ireo.

18 Nidona-tsetroka ny tendrombohitra Sinay satria tanaty afo no nidinan'ny TOMPO nankeo amboniny; ary ny setroka dia niakatra toy ny avy ao amin'ny lafaoro lehibe ka nihovitrovitra ny tendrombohitra manontolo.

19 Nihamafy hatrany ny feon'ny anjomara sady nihalava reny. Ary rehefa niteny tamin'Andriamanitra i Mosesy, dia novaliany tao anaty kotroka.

20 Nidina nankeo an-tampon'ny tendrombohitra Sinay ny TOMPO, ary niantso an'i Mosesy hiakatra teo; dia niakatra i Mosesy.

21 Ary hoy ny TOMPO taminy: -Ndeha midina ianao hampitandrina ny vahoaka fandrao hirohotra hijery AHY izy ka ho maro no ho faty aminy.

22 Na dia ny mpisorona izay mahazo manatona AHY aza dia tsy maintsy hanoman-tena fandrao mahafaty azy AHO.

23 Ary hoy i Mosesy tamin'ny TOMPO: -Tsy afaka hiakatra eto Sinay ny vahoaka, satria Ianao ihany no efa nandidy anay mba hamaritra ny tendrombohitra ka hanavaka azy.

24 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Ndeha midina ianao, ka ento miakatra miaraka aminao i Aharona. Nefa aoka ireo mpisorona sy ny vahoaka tsy hirohotra hiakatra aty amiko, fandrao hamely azy ho faty Aho.

25 Dia nidina nankeo amin'ny vahoaka i Mosesy ary niteny taminy.

Toko faha-20

1 Dia nanambara ireto teny rehetra ireto tamin'ny Israelita Andriamanitra ka nanao hoe:

2 -Izaho no TOMPO Andriamanitrao, Izay namoaka anao hiala tany Ejipta, toera-nanandevozana anao.

3 Aza manana andriamani-kafa ianao, fa Izaho ihany.

4 Aza manao sarin-tsampy voasokitra ho anao, ampisehoanao endri-javatra izay eny amin'ny habakabaka ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay ao amin'ny rano ambanin'ny tany.

5 Aza miankohoka eo anatrehan'ireny sampy ireny ary aza manompo azy, satria Izaho TOMPO Andriamanitrao dia saro-piaro amin'ny maha Andriamanitra Ahy. Raha misy olona meloka amin'izany ka mankahala Ahy, dia hofaiziko izy sy ny taranany hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika;

6 nefa kosa izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko, dia hanehoako famindrampo hatramin'ny taranaka faharivo.

7 Aza manonom-poana ny anarako ianao fa Izaho TOMPO Andriamanitrao dia mitana ho meloka izay manao toy izany.

8 Tsarovy ny andro sabata mba hanokananao azy ho Ahy.

9 Enina andro no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9147