Daniela
Toko faha-3
30 Dia nasandratry ny mpanjaka i Sadraka sy i Mesaka ary i Habeda-Negao ho amin'ny toerana ambony noho ny teo aloha tao amin'ny faritanin'i Babilona.31 Ary i Nebokadnetsara mpanjaka nampitondra teny ho an'ny foko sy firenena ary olona samy hafa fiteny rehetra izay monina amin'ny tany tontolo hoe: Hitombo anie ny fiadananareo!
32 Sitrako ny hanambara ireo famantarana sy zava-mahagaga izay nataon'Andriamanitra Avo Indrindra tamiko:
33 Lehibe aoka izany ireo famantarany, ary mahery tokoa ny zava-mahagaga vitany; maharitra mandrakizay ny fanjakany, ary tsy hanam-petra ny fanapahany.
Toko faha-4
1 Izaho Nebokadnetsara dia niadam-pinaritra tato an-dapako.2 Nanonofy zava-nampatahotra ahy aho ka nieritreritra teo am-pandriana; fa izay hitako dia nampitebiteby ahy.
3 Ary nanome baiko aho mba hoentina eo anatrehako avokoa ny olon-kendrin'i Babilona rehetra hampahafantatra ahy ny hevitry ny nofy. 4 Vao niditra ny mpanao majika aman-tsikidy sy ny mpanandro ary ny ombiasy, dia nambarako teo anatrehany ny nofiko, nefa tsy nisy afaka nampahafantatra ahy ny heviny ireo.
5 Nony farany, tonga teo anatrehako i Daniela izay atao hoe Beltesatsara araka ny anaran'ny andriamanitro sady entanin'ny fanahin'ireo andriamanitra masina; dia ny nofiko no nambarako teo anatrehany hoe:
6 Ry Beltesatsara, filohan'ny mpanao majika, fantatro fa entanin'ny fanahin'ireo andriamanitra masina ianao, ary tsy misy zava-miafina manahirana anao; koa ambarao ahy ny hevitr'izao zavatra hitako tamin'ny nofy izao.
7 Fa rehefa nandry teo am-parafara aho, dia izao no hitako: Indro nisy hazo iray teo afovoan'ny tany; ary fatratra tokoa ny haavony.
8 Nitombo sy nihanatanjaka io hazo io, ka ny haavony nahatakatra ny lanitra; ary tazana hatrany amin'ny faran'ny tany izy.
9 Tsara tarehy ny raviny ary betsaka ny voany, sady nisy sakafo ho an'ny rehetra teo aminy. Tao ambaniny no nialokaloka ny bibidia, ary tao amin'ny rantsany no nitoetra ny voro-manidina. Ary ny miaina rehetra nahazo sakafo avy aminy.
10 Fa raha mbola nandry teo am-pandriako aho, dia nisy anjely anankiray fatra-piahy hitako nidina avy tany an-danitra.
11 Niantso mafy izy ka nanao hoe: Kapao io hazo io, dia rantsano; ahintsano ny raviny, ary aparitaho ny voany! Aoka ny biby handositra lavitra azy ary ny voro-manidina hiala amin'ny rantsany.
12 Kanefa avelao ao amin'ny tany, eo anivon'ny ahi-maitso any an-tsaha, ny fotony sy ny fakany, ka hodidino fehy vy sy halimo. Aoka ho kotsan'ny ando io foto-kazo io; ary aoka izy hihinana ahitra tahaka ny biby.
13 Aoka ny fisainan'olombelona ao aminy hosoloina fironam-biby; ary aoka izy hitoetra toy izany mandritra ny fito taona!
14 Didin'ireo anjely fatra-piahy no anaovana izany zavatra izany mba hahafantaran'ny velona fa ilay Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olombelona ka manome izany ho an'izay tiany; ary mety ny olona farany ambany aza no asandrany eo.
15 Izany no nofy hitako, izaho Nebokadnetsara mpanjaka; ary ianao, ry Beltesatsara, no milaza ny heviny, fa tsy nisy afaka nampahafantatra ahy ny heviny ireo olon-kendry rehetra tao amin'ny fanjakako; fa ianao kosa no afaka manao izany satria entanin'ny fanahin'ireo andriamanitra masina.
16 Dia talanjona fotoana fohy i Daniela izay antsoina hoe Beltesatsara, ary nampitebiteby azy mafy ny eritreriny. Ka hoy ny mpanjaka taminy: Ry Beltesatsara, aoka tsy hampitebiteby anao ny nofy sy ny heviny. Fa namaly i Beltesatsara ka nanao hoe: Ry andriamanjaka o, enga anie ny nofy sy ny heviny ka ho an'ny mpankahala anao mbamin'ny fahavalonao!
17 Nahita hazo iray lehibe sy matanjaka ianao, ka ny haavony nahatakatra ny lanitra; ary tazana hatrany amin'ny tany tontolo izy.
18 Tsara tarehy ny raviny, ary betsaka ny voany sady nisy sakafo ho an'ny miaina rehetra teo aminy; tao ambaniny no nialokaloka ny bibidia, ary tao amin'ny rantsany no nitoetra ny voro-manidina.
19 Ianao io hazo io, ry mpanjaka! Fa tonga lehibe sady matanjaka ianao; ny fahalehibeazanao dia nitombo ka nahatakatra ny lanitra, ary ny fanapahanao nipaka hatrany amin'ny faran'ny tany.
20 Avy eo ianao, ry mpanjaka, dia nahita anjely fatra-piahy nidina avy tany an-danitra sady nandidy hoe: Kapao io hazo io ka simbao! Kanefa avelao ao amin'ny tany, eo anivon'ny ahi-maitso any an-tsaha, ny fotony sy ny fakany, ka hodidino fehy vy sy halimo. Ary aoka ho kotsan'ny ando io foto-kazo io ary aoka hiombona anjara amin'ny biby eny an-tsaha izy mandritra ny fito taona.
21 Izao no hevitr'izany, ry andriamanjaka, araka ny tendrin'ny Avo Indrindra, izay mihatra aminao:
22 Horoahina hiala amin'ny olombelona ianao, dia hiara-mipetraka amin'ny biby eny an-tsaha, hihinana ahitra tahaka ny omby ary ho kotsan'ny ando! Fito taona no haharetan'izany aminao, mandra-piekenao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olombelona ka manome izany ho an'izay tiany.
23 Ary ny baiko hamelana ny foto-kazo sy ny fakany kosa dia midika hoe: Haverina aminao ny fanjakanao rehefa miaiky ianao fa ilay Andriamanitry ny lanitra no manapaka.
24 Noho izany, aoka ho sitrakao ny torohevitro, ry andriamanjaka: Mba atsaharo ny heloka amam-pahotanao, fa ny fahamarinana amam-piantrana kosa no ataovy; angamba hohalavaina ihany ny fotoan-kiadananao.
25 Dia tanteraka tamin'i Nebokadnetsara mpanjaka avokoa izay rehetra nambaran'ny nofiny.
26 Nony afaka roa ambin'ny folo volana dia nitsangantsangana teo an-tampon-tranon'ny lapany tao Babilona ny mpanjaka;
27 ary niteny izy ka nanao hoe: Tsy ity moa ilay Babilona lehibe izay naoriko ho fonenan'andriamanjaka? Porofo izao fa lehibe ny heriko izao ary heni-boninahitra ny fiandrianako.
28 Iny mbola niteny iny ny mpanjaka, dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ambara aminao, ry Nebokadnetsara mpanjaka, fa nesorina taminao ny fahefam-panjakana.
29 Horoahina hiala amin'ny olombelona ianao, dia hiara-mipetraka amin'ny biby eny an-tsaha, ary hihinana ahitra tahaka ny omby. Fito taona no haharetan'izany aminao, mandra-piekenao fa ny Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'olombelona, ka manome izany ho an'izay tiany.
30 Niaraka tamin'izay dia tanteraka tamin'i Nebokadnetsara izany teny izany: Noroahina niala tamin'ny olombelona izy ka nihinana ahitra toy ny omby, ary kotsan'ny ando ny tenany, hany ka ny volon-dohany dia tonga lava toy ny an'ny voromahery ary ny hohony dia tonga nifaraingo toy ny an'ny vorona.
31 Rehefa tapitra ny fetr'andro, izaho Nebokadnetsara dia niandrandra ny lanitra; ka nody tamiko indray ny saiko. Nisaotra ny Avo Indrindra Izay velona mandrakizay aho, ary nidera sy nankalaza Azy fa ny fanapahany dia maharitra mandrakizay ary ny fanjakany dia mihatra amin'ny taranaka mifandimby.
32 Ny mponina rehetra ety an-tany dia tsinontsinona ihany eo anoloany; araka izay sitrapony no ataony amin'ny anjely any an-danitra sy amin'ny mponina ety an-tany; tsy misy afaka manohitra ny fahefany na manome tsiny azy amin'izay ataony.
33 Tamin'izay fotoana izay dia nody tamiko tokoa ny saiko; ary mba ho voninahitry ny fanjakako, dia naverina tamiko ihany koa ny fiandrianako amam-pamirapiratako. Nitady ahy ireo mpanolotsaiko sy ireo olo-manan-kajako; ary naverina teo amin'ny fahefam-panjakako aho, ka haja mihoa-pampana no natolotra ahy.
34 Koa ankehitriny, izaho Nebokadnetsara dia midera sy mankalaza ary manome voninahitra ilay Mpanjakan'ny lanitra; fa marina izay ataony rehetra, mahitsy ny asany rehetra. Ary hainy aetry aza izay mitondra tena amim-piavonavonana.
Toko faha-5
1 Nanao fanasam-be ho an'ny olo-manan-kajany miisa arivo i Belsatsara mpanjaka, ka nisotro divay teo anatrehany.2 Rehefa avy niboboka divay i Belsatsara, dia nampaka ireo tsatokaty volamena sy volafotsy izay nalain'i Nebokadnetsara rainy tao an-tempolin'i Jerosalema; tiany hisotro amin'ireny manko ny tenany sy ny olo-manan-kajany ary ireo vadiny mbamin'ny vaditsindranony.
3 Dia nentina ireo tsatokaty volamena izay nalaina tao an-tempolin'i Jerosalema, izany hoe tao an-tranon'Andriamanitra; ka ireo fitaovana ireo no nisotroan'ny mpanjaka sy ny olona rehetra nasainy.
4 Rehefa avy niboboka divay izy rehetra, dia nankalaza ireo andriamaniny volamena sy volafotsy, halimo sy vy ary hazo sy vato.
5 Tamin'izay fotoana izay dia nisy rantsan-tanan'olona niseho teo akaikin'ny fitoeran-jiro, ka nanoratra teo amin'ny lalotra sokay tamin'ny rindrin'ny lapan'ny mpanjaka. Raha nahita ny rantsan-tanana nanoratra ny mpanjaka,
6 dia nivaloarika ny tarehiny; nampitebiteby azy ny eritreriny, nivahavaha ny famavan'ny vahiany ary nifampikitrana ny lohaliny.
7 Dia niantso tamin'ny feo mahery izy mba hampanalaina ny mpisikidy sy ny mpanandro ary ny ombiasy. Dia nitenenan'ny mpanjaka ireo olon-kendrin'i Babilona ka nataony hoe: Na iza na iza mahavaky io soratra io sady milaza ny heviny amiko dia hampiakanjoina jaky; sady hasiana rojo volamena ny vozony, ary ho isan'ny telo lahy mpiara-mitantana eto amin'ny fanjakana izy.
8 Dia niditra avokoa ireo olon-kendrin'ny mpanjaka, nefa tsy nisy nahavaky ny soratra na nampahafantatra ny heviny tamin'ny mpanjaka.
9 Nitebiteby mafy i Belsatsara mpanjaka sady vao mainka nivaloarika ny tarehiny, ary very hevitra koa ireo olo-manan-kajany.
10 Nahare ny antsoantson'ny mpanjaka sy ireo olo-manan-kajany ny renin'ny mpanjaka, ka niditra tao amin'ny efitrano fanasana ary niteny hoe: Ho ela velona anie ianao, ry mpanjaka! Aoka tsy hampitebiteby anao ny eritreritrao, ary aoka tsy hivaloarika ny tarehinao.
11 Fa ato amin'ny fanjakanao misy lehilahy iray entanin'ny fanahin'ireo andriamanitra masina; ary tamin'ny andron-drainao dia hita fa nisy fahazavan-tsaina sy fahalalana ary fahendrena toy ny fahendren'ireo andriamanitra tao aminy. Izany no nanendren'i Nebokadnetsara mpanjaka rainao azy ho lehiben'ny mpanao majika aman-tsikidy sy ny mpanandro ary ny ombiasy.
12 Fa fanahy tena fatratra no hita tao amin'i Daniela izay nantsoin'ny mpanjaka hoe Beltesatsara; nanana fahalalana sy fahiratan-tsaina izy ka afa-manazava ny hevitry ny nofy sady mahatakatra ny teny saro-pantarina, ary mamaha ny olana. Koa ankehitriny, aoka hampanantsoina i Daniela, fa izy no hanazava ny hevitry ny soratra.
13 Tamin'izay dia nentina teo anatrehan'ny mpanjaka i Daniela, ka nitenenany hoe: Ianao ve no Daniela, isan'ny Jiosy babo izay nentin'ny mpanjaka raiko avy any Joda?