Daniela

Toko faha-8

27 Ary izaho Daniela dia reraka sy nandraiki-narary andro vitsivitsy. Avy eo dia nitsangana aho ka nanao ny raharahan'ny mpanjaka. Gaga tamin'izany fahitana izany aho satria tsy no fantatro ny heviny.

Toko faha-9

1 Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Dariosa zanakalahin'i Kserksesa, avy amin'ny taranaky ny Medianina, izany hoe tamin'ny taona voalohany nanjakany tamin'ny fanjakana babilonianina,

2 izaho Daniela dia nandinika tao amin'ireo boky masina ny hevitr'izay efa nambaran'ny Tompo tamin'i Jeremia mpaminany, dia momba ny fitopolo taona haharetan'ny faharavan'i Jerosalema.

3 Ary nitodika tamin'ny Tompo Andriamanitra aho mba hanao vavaka fitarainana sy fifonana omban'ny fifadian-kanina sy ny fitafiana lamba fisaonana ary ny fihosoran-davenona.

4 Ary nivavaka tamin'ny Tompo Andriamanitro aho sady niaiky heloka hoe: Indrisy, Tompo o, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra Ianao ka mitandrina ny fanekempihavanana sy ny fitiavana amin'izay tia Anao sy mankato ny didinao.

5 Nanota izahay ka diso, nanao ratsy sy nikomy ary niala tamin'ny didy sy ny fitsipikao;

6 tsy nohenoinay ireo mpaminany mpanomponao, izay niteny tamin'ny anaranao tamin'ny mpanjakanay sy ny mpifehy anay sy ny razanay ary ny vahoaka rehetra.

7 Anao ny fahamarinana, Tompo o, ary anay kosa ny fahamenarana tahaka ny amin'izao anio izao, dia anay olon'i Joda sy mponin'i Jerosalema ary an'ireo Israelita hafa rehetra na ny lavitra na ny akaiky, any amin'ny tany rehetra izay efa nandroahanao azy noho ny fahadisoana vitany taminao.

8 Eny, Tompo o, anay ny fahamenarana, dia an'ny mpanjakanay sy ny mpifehy anay ary ny razanay, satria efa nanota taminao izahay.

9 Fa Anao Tompo Andriamanitray kosa ny famindrampo sy ny famelan-keloka, satria efa nikomy taminao izahay.

10 Tsy nihaino ny feonao Tompo Andriamanitray izahay mba hanaraka ny lalanao izay naroson'ireo mpaminany mpanomponao taminay.

11 Nandika ny lalanao i Israely manontolo, ary nihodina tsy hihaino ny feonao; ka dia natosakao taminay ny ozona sy ny fianianana voasoratra tao amin'ny lalanan'i Mosesy mpanomponao, satria nanota taminao izahay.

12 Ary notanterahinao, Andriamanitra o, ny teny nambaranao hamelezana anay sy ny mpitondra izay nitondra anay, ka nahatonga taminay tao Jerosalema loza lehibe izay tsy mbola nisy tahaka izany taty ambanin'ny lanitra.

13 Araka izay voasoratra tao amin'ny lalanan'i Mosesy, ireo loza rehetra ireo dia tonga taminay, kanefa tsy nifona teo anatrehanao Tompo Andriamanitray izahay mba hialanay amin'ny helokay sady tsy niraika akory tamin'ny fahamarinanao.

14 Koa izany, Tompo o, no nitahirizanao ny loza ka nampiharanao izany taminay; fa marina Ianao Tompo Andriamanitray amin'ny asa rehetra nataonao, saingy izahay no tsy nihaino ny feonao.

15 Ary ankehitriny, Tompo Andriamanitray o, Ianao efa nitondra ny vahoakanao niala tany Ejipta tamim-pahefana mahery, sady nanao ny anaranao ho malaza tahaka ny amin'izao anio izao; izahay kosa efa nanota sady nanao heloka.

16 Tompo o, araka ny asa soa rehetra vitanao dia aoka re mba hisinda ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao amin'i Jerosalema tanananao sady tendrombohitrao masina. Noho ny fahotanay sy ny heloky ny razanay, dia miteny ratsy an'i Jerosalema sy ny vahoakanao ireo firenena manodidina rehetra.

17 Ary ankehitriny, ry Andriamanitray o, henoy ny vavaka amam-pifonako; ka jereo amin-katsarampo ny Toeramasinao efa simba, satria Ianao no Tompo.

18 Ry Andriamanitro o, atongilano ny sofinao ka mihainoa, ary ahirato ny masonao ka jereo ny faharavan'ity tanananay, dia ilay tanana izay niantsoana ny anaranao hitahiana azy; fa tsy noho ny asa soa vitanay no anaovanay fifonana eto anatrehanao fa noho ny halehiben'ny famindramponao.

19 Tompo o, mihainoa; Tompo o, mamela heloka; Tompo o, mandrenesa ka miasa; noho ny aminao aza ela Ianao, ry Andriamanitro o, satria ny tanananao sy ny vahoakanao dia efa niantsoina ny anaranao hitahianao azy.

20 Dia mbola niteny ihany aho ka nivavaka sady niaiky ny fahotako sy ny fahotan'i Israely fireneko, ka nitaraina teo anatrehan'ny Tompo Andriamanitro aho momba ny tendrombohiny masina.

21 Ary raha mbola niteny sady nivavaka toy izany aho, dia indro i Gabriela, ilay anjely hitako tamin'ny fahitana anikeheo, fa nanidina haingana nanatona ahy tamin'ny fotoanan'ny fanatitra hariva.

22 Ary nampianatra ahy izy ka niresaka tamiko nanao hoe: Ry Daniela, tonga aho ankehitriny mba hampahazava ny sainao.

23 Fa raha vao nanomboka ny vavakao, dia nisy hafatra navoakan'Andriamanitra ka tonga aho hampita azy aminao, satria fatra-pitia anao Andriamanitra. Koa diniho izany hafatra izany ary fantaro ny hevitr'ilay fahitana.

24 Fito taona impitopolo no voatendry ho an'ny firenenao ary ho an'ilay tanananao masina; ilaina izany mba hampijanona ny heloka bevava sy hampitsaharana ny ota, mba hamelana ny fahadisoana sy hisehoan'ny fahamarinana mandrakizay ary mba hahatanterahan'ny fahitana amam-paminaniana sy hanokanana indray ny Toeramasina indrindra.

25 Izao no aoka ho fantatrao sy ho azonao: manomboka amin'ny fotoana nivoahan'ny hafatra mampanamboatra indray an'i Jerosalema, ka hatramin'ny fotoana isehoan'ilay mpitarika voahosotra, dia hisy fito taona impito. Avy eo, mandritra ny fito taona in-62 dia hamboarina indray ny tanana sy ny hady, nefa ho androm-pahoriana izany.

26 Rehefa tapitra ny fito taona in-62, dia hisy lehilahy voahosotra iray hovonoina ho faty nefa tsy hisy hiaro azy. Ary tafika entin'ny mpitarika iray no handrava ny tanana sy ny toera-masina; kanefa hanam-piafarana io mpitarika io fa hitosahan'ny fahatezeran'Andriamanitra; saingy mandra-pahatapitry ny ady dia hisy fandravana araka ny efa voatendry.

27 Ary amin'ny fito taona farany dia hampihatra fanerena henjana amin'ny olona maro izy, ka afaka telo taona sy tapany monja dia hampitsahatra ny sorona sy ny fanatitra. Fanompoan-tsampy maharikoriko no hanesika izany mpandrava izany mandra-pigadon'ny famongorana izay voatendry hiantonta aminy.

Toko faha-10

1 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Kirosa mpanjakan'i Persia, dia nisy hafatra nambara tamin'i Daniela izay nantsoina koa hoe Beltesatsara. Izany hafatra izany dia azo antoka sady nilaza fa hisy fisedrana goavana. Nodinihin'i Daniela izany hafatra izany; ary tamin'ny alalan'ny fahitana no nahafantarany ny heviny.

2 Tamin'izany andro izany, izaho Daniela dia nisaona nandritra ny telo herinandro.

3 Tsy nihinana sakafo matsiro aho, ary tsy nanendry hena sy divay sady tsy nihosotra zava-manitra mandra-pahatapitr'ireo telo herinandro ireo.

4 Ny tenako tamin'ny volana voalohany, fony andro faha-24, dia teo amoron'ny ony lehibe, izany hoe i Tigra.

5 Ary nampifantoka ny masoko hijery aho ka nahita lehilahy iray niakanjo rongony fotsy sady nanao fehikibo volamena madio avy any Ofaza.

6 Tahaka ny vatosoa no fijerena ny tenany ary tahaka ny tselatra no famirapiratry ny tarehiny, toy ny fanilo mirehitra ny masony, toy ny halimo manganohano ny tanany sy ny tongony, ary ny feony dia tahaka ny feon'olona marobe.

7 Ary izaho Daniela irery ihany no nahita ny fahitana, fa ireo olona izay niaraka tamiko dia tsy nahita izany; kanefa raiki-tahotra mafy izy ireo ka nandositra niery.

8 Ary izaho irery sisa nijanona ka nahita io fahitana lehibe io; dia tsy nisy hery intsony tato amiko, nivaloarika sy nihasimba ny tarehiko, fa tsy nanan-kery intsony aho.

9 Ary reko ihany ny tenin-dralehilahy; kanefa raha nandre ny feony aho, dia torana nihohoka tamin'ny tany.

10 Dia indro nisy tanana nanohina sy nampiarina ahy handohalika sy hitehin-tanana.

11 Ary hoy izy tamiko: Ry Daniela, fatra-pitia anao Andriamanitra, ka fantaro izao teny ambarako anao izao; ary mijoroa eo amin'ny toeranao, satria nirahina hankety aminao aho ankehitriny. Rehefa voalazany tamiko izany teny izany, dia nitsangana aho nefa mbola nangozohozo ihany.

12 Ary hoy koa izy tamiko: Aza matahotra, ry Daniela, fa hatramin'ny andro voalohany nanoloranao ny fonao hahafantatra izay niseho sy nanetrenao tena teo anatrehan'Andriamanitra, dia nohenoina ny tonombavakao ka tonga aho hitondra ny valiny.

13 Fa ny anjely mpiaro ny fanjakan'i Persia dia nanohitra ahy nandritra ny 21 andro; nefa indro i Mikaela, anankiray amin'ireo anjely lohalaharana indrindra, no tonga hanampy ahy; ka dia izaho sisa tafajanona teo anilan'ireo mpanjakan'i Persia.

14 Koa tonga aho ankehitriny hampahafantatra anao izay hanjo ny firenenao amin'ny andro farany, satria mbola hisy koa fahitana iray momba izany andro izany.

15 Raha mbola nilaza ireo teny ireo tamiko izy, dia niondrika tamin'ny tany aho fa tsy nahateny.

16 Fa indro nisy anankiray nanana endrik'olombelona nanendry ny molotro; dia nanoka-bava aho ka niteny tamin'ilay nitsangana teo anilako hoe: Noho ny fahitana, tompoko, dia nitebiteby aho ka tsy nanan-kery intsony.

17 Ahoana moa no hahafahako hiteny aminao, tompoko, kanefa izaho ankehitriny tsy manan-kery intsony sady tsy avy miaina?'

18 Ary ilay nanana endrik'olombelona mbola nanendry ahy indray ka nampahery ahy

19 sady nanao tamiko hoe: Aza matahotra! Fara-pitia anao Andriamanitra, ka fiadanana ho anao! Mahereza ary mahatanjaha!Koa arakaraky ny nitenenany tamiko no nampahatanjaka ahy, ka hoy aho taminy: Aoka ary hiteny ianao, tompoko, satria efa nampahery ahy?

20 Dia hoy indray izy hoe: Moa fantatrao ve ny antony nahatongavako aty aminao? Ny hanambara aminao izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny fahamarinana. Fa ankehitriny hiverina hiady amin'ny anjely mpiaro an'i Persia aho; ary iny aho hanainga iny, dia indro avy ny anjely mpiaro an'i Gresy. Nefa tsy misy manampy ahy hanohitra azy anankiroa afa-tsy i Mikaela anjely mpiaro anareo.

Toko faha-11

1 Fa izaho tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Dariosa, ilay Medianina, dia nitsangana teo anilan'i Mikaela ka nampahery sy nanohana azy.

2 Ary ankehitriny haharihariko aminao ny marina. Indro mbola hisy mpanjaka telo hifandimby hanjaka amin'i Persia; avy eo dia hisy iray fahefatra hangoron-karena be noho ireo talohany. Ary rehefa matanjaka tokoa izy noho ny hareny, dia hampirohotra ny hery rehetra ananany hamely ny fanjakana grika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9754