Ezekiela

Toko faha-47

7 Rehefa tafaverina teo aho, dia hitako fa nisy hazo marobe teny amoron'ny ony an-daniny roa.

8 Ary hoy ralehilahy tamiko: "Mizotra hankany amin'ny faritra atsinanana ity ony ity ka midina ny lohasahan'i Jordana ary mivarina eo amin'ny Ranomasina Maty. Rehefa tonga eo an-dranomasina izy, dia manavao ny ranony hanjary hahasalama.

9 Hifanaretsaka ny zava-miaina isan-karazany ary hitombo marobe ny trondro, na aiza na aiza hivarinan'ilay ony. Fa hanadio ny ranomasina izany; ka any amin'izay hivarinany dia hitondrany aina.

10 Ary manomboka eo Haina-Gedy ka hatrany Haina-Heglaima, dia hisy mpanarato hanahy ny haratony eny amoron'io ranomasina io. Fa hahitana trondro marobe isan-karazany ao tahaka ny any amin'ny Ranomasina Mediteranea.

11 Nefa kosa ireo heniheny sy honahona eo amoron-tsiraka dia tsy hodiovina fa havela ho fakana sira.

12 Ary eny amoron'ny ony an-daniny roa dia hanirian'ny hazo fihinam-boa isan-karazany.Tsy halazo na oviana na oviana ny raviny ary tsy hitsahatra ny voany, fa hamoa isam-bolana izy satria voatondrak'ilay rano mivoaka avy ao amin'ny tempoly. Ny voany dia hatao sakafo, ary ny raviny hatao fanafody."

13 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Toy izao no faritry ny tany izay hifampizaran'ny foko israelita 12 ka hahazoan'ny fokon'i Josefa anjaran-droa.

14 Samy hanana anjara faritany mitovy ny foko tsirairay. Efa nianiana manko Aho fa homeko ny razanareo ity tany ity, ka ho azonareo ho fanananareo.

15 Toy izao no faritry ny tany: Ny sisin-tany avaratra dia hiainga eo amin'ny Ranomasina Mediteranea, ka hanaraka ny lalana mankany Hetlona sy Lebo-Hamata ary Tsedada;

16 avy eo dia mandalo ny tanana Berota sy Sibraima anelanelan'ny fanjakan'i Damasy sy fanjakan'i Hamata ary mandalo ny tanana Hatsara-Henona ao akaikin'ny sisin-tanin'i Haorana.

17 Izany sisin-tany izany dia miainga eo amin'ny Ranomasina Mediteranea ka hatrany Hatsara-Henona any atsinanana. Any avaratra izy dia voafefin'ny fanjakan'i Damasy sy i Hamata. Izay no sisin-tany avaratra.

18 Ny sisin-tany atsinanana kosa dia hiainga eo Hatsara-Henona anelanelan'i Damasy sy i Haorana, ka hanaraka ny lohasahan'i Jordana eo anelanelan'ny faritanin'i Gilehada sy ny tanin'i Israely, ary hipaka any Tamara eo amoron'ny Ranomasina Maty. Izay no sisin-tany atsinanana.

19 Ny sisin-tany atsimo dia hiainga eo Tamara ka hipaka hatrany amin'ny ranon'i Meriba any Kadesy, ary hanaraka ny ranon-driakan'iEjipta ka hipaka eo amin'ny Ranomasina Mediteranea. Izay no sisin-tany atsimo.

20 Ny sisin-tany andrefana kosa dia ny Ranomasina Mediteranea no mamaritra azy hatreo atsimo ka hatrany Lebo-Hamata any avaratra. Izay no sisin-tany andrefana.

21 "Hifampizaranareo foko israelita io tany io.

22 Antsapaka no hizaranareo azy ho anareo ary koa ho an'ny vahiny mipetraka sy efa miteraka eo aminareo. Ireny koa dia tokony hoentinareo tahaka ny Israelita ka ho valo votaka hahazo zaratany antsapaka eo anivon'ny fokon'i Israely.

23 Samy homenareo ny anjarany avy eo amin'ny foko izay hipetrahany ny vahiny. Teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany. "

Toko faha-48

1 "Ireto no anaran'ireo foko mbamin'ny anjarany avy. Ny anjaran'i Dana dia any amin'ny farany avaratra, hiainga eo amin'ny Ranomasina Mediteranea ka hanamorona ny lalana mankany Hetlona sy Lebo-Hamata ary Hatsara-Henona, akaikin'ny fanjakan'i Damasy sy i Hamata, dia hihazo ny sisin-tany atsinanana ka ho tafapaka eo amin'ny Ranomasina Mediteranea any andrefana.

2 Mifanolotra amin'ny faritanin'i Dana, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, no hisy ny anjaran'i Asera;

3 mifanolotra amin'ny faritanin'i Asera no hisy ny anjaran'i Naftaly;

4 mifanolotra amin'ny faritanin'i Naftaly no hisy ny anjaran'i Manase;

5 mifanolotra amin'ny faritanin'i Manase no hisy ny anjaran'i Efraima;

6 mifanolotra amin'ny faritanin'i Efraima no hisy ny anjaran'i Reobena;

7 ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Reobena no hisy ny anjaran'i Joda."

8 "Mifanolotra amin'ny faritanin'i Joda, hatreo amin'ny sisin-tany atsinanana ka hatrany amin'ny Ranomasina Mediteranea any andrefana, dia hanavahanareo zaratany iray mitovy halava amin'ny anjaran'ny foko tsirairay fa hirefy 12km sy sasany ny sakany; ary ao afovoany no hisy ny tempoly.

9 Ny faritra hatokanareo ho Ahy TOMPO dia hirefy 12km sy sasany ny lavany ary 10km ny sakany.

10 Ny ampahan'io faritra voatokana io dia homena ny mpisorona, ka hirefy 12km sy sasany ny lavany avy any atsinanana no miankandrefana, ary 5km ny sakany avy any avaratra no mianatsimo; ary eo afovoany no hisy ny tempolin'ny TOMPO.

11 Izany faritra izany dia ho an'ny mpisorona voatokana avy amin'ny taranak'i Tsadoka izay nitandrina an-tsakany sy an-davany ny fanompoana Ahy TOMPO, fa tsy mba nivily nanaraka ny lalan-dison'ny Israelita tahaka ny nataon'ny levita.

12 Noho izany, dia ho anjarany ny faritra masina tokoa amin'izay natokana ho an'ny TOMPO; ary mifanolotra amin'ny faritanin'ny Levita izany.

13 Ny anjaran'ny Levita dia hitovy amin'ny an'ny mpisorona. Samy hahazo anjara izay mirefy 12km sy sasany ny lavany ary 5 km ny sakany izy roa tonta.

14 Tsy azo atakalo na amidy na afindra ny tany amin'io faritra izay manan-danja indrindra io, satria voatokana ho an'ny TOMPO. "

15 "Amin'io faritany voatokana ho an'ny TOMPO io dia mbola hisy tany sisa izay hirefy 2km sy sasany ny sakany ary 12 km sy sasany ny lavany. Ho tany tsy masina io fa avela ho an'ilay tanana; ny manodidina dia hisy ireo zana-bohitra sy ny kijana fiandrasam-biby, fa eo afovoany no hisy ilay tanana.

16 Ho efamira ny tanana ka hirefy 2250 metatra ny lafiny tsirairay.

17 Isaky ny lafiny tsirairay amin'ny tanana dia hisy toera-malalaka izay mirefy 125 metatra ny sakany.

18 Manaraka ny halavan'ny faritra voatokana ho Ahy TOMPO dia mbola hisy tany iray mirefy 5 km ny lavany eo atsinanan'ny tanana, ary koa tany iray mitovy refy amin'izany eo andrefany. Ireo tany ireo no hanome sakafo ho an'ny mpiasa ao an-tanana.

19 Izay mpiasa ao amin'io tanana io dia ho avy amin'ny foko israelita rehetra; ary izy ihany no hamboly ireo tany ireo.

20 Ny fitambaran'ny faritra voatokana ho Ahy TOMPO dia ho efamira izay mirefy 12km sy sasany ny lafiny tsirairay avy; ary hakanareo ampahefany izany ho zaratany ho an'ilay tanana.

21 Ny sisa dia ho an'ny printsy filoha. Ny anjarataniny kosa dia ho eo an-daniny roa amin'ny faritra voatokana ho Ahy TOMPO sy ny zaratany ho an'ilay tanana. Mifanolotra amin'ireo anjaran'ny sasany izany, ka mirefy 12 km sy sasany manomboka eo amin'ny faritra voatokanaka hatrany amin'ny sisin-tany atsinanana ary manomboka eo amin'ny faritra voatokana ka miankandrefana hatrany amin'ny Ranomasina Mediteranea. Ny faritra voatokana ho Ahy TOMPO sy ny tempoly amin'izay dia ho ao afovoany.

22 Ny zaratanin'ny levita sy ny zaratany ho an'ilay tanana no hampisaraka roa ny tanin'ny printsy filoha izay ho tafatsofoka eo anelanelan'ny faritanin'i Joda eo avaratra ary ny faritanin'i Benjamina eo atsimo."

23 "Ny amin'ireo foko sisa mbamin'ny anjarany dia toy izao manaraka izao: ny anjaran'i Benjamina dia miainga eo amin'ny sisin-tany atsinanana ka hatrany amin'ny Ranomasina Mediteranea any andrefana.

24 Mifanolotra amin'ny faritanin'i Benjamina, avy any atsinanana ka hatrany andrefana, no misy ny anjaran'i Simehona;

25 mifanolotra amin'ny faritanin'i Simehona ny anjaran'i Jisakara,

26 mifanolotra amin'ny faritanin'i Jisakara ny anjaran'i Zebolona,

27 mifanolotra amin'ny faritanin'i Zebolona ny anjaran'i Gada.

28 Ary mifanolotra amin'ny faritanin'i Gada kosa dia ny sisin-tany atsimo, hanomboka ao Tamara any atsinanana, dia hankany amin'ny ranon'i Meriba any Kadesy ary hanaraka ny ranon-driakan'i Ejipta hatrany amin'ny Ranomasina Mediteranea.

29 Izany no tany izay hozarainareo antsapaka ho fananan'ireo foko israelita, ary izany no ho anjarany avy. Teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany."

30 "Ireto no fidirana 12 hankao amin'ny tananan'i Jerosalema, fidirana izay samy hitondra ny anaran'ny foko iray avy amin'i Israely. Amin'ny lafiny avaratra izay mirefy 2250 metatra dia hisy vavahady telo:dia ny an'i Reobena sy ny an'i Joda ary ny an'i Levy.

32 Amin'ny lafiny atsinanana izay mirefy 2250 metatra dia hisy vavahady telo: dia ny an'i Josefa sy ny an'i Benjamina ary ny an'i Dana.

33 Amin'ny lafiny atsimo izay mirefy 2250 metatra dia hisy vavahady telo: dia ny an'i Simehona sy ny an'i Jisakara ary ny an'i Zebolona.

34 Ary amin'ny lafiny andrefana izay mirefy 2250 metatra dia hisy vavahady telo: dia ny an'i Gada sy ny an'i Asera ary ny an'i Naftaly.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9845