Ezekiela

Toko faha-48

35 Ny manodidina ny tanana dia mirefy sivy arivo metatra. Manomboka hatreo ny tanana dia hantsoina hoe 'Ny TOMPO no ao'."" "

Daniela

Toko voalohany

1 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Joiakima mpanjakan'i Joda dia tonga tany Jerosalema i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona ka nanao fahirano azy.

2 Dia natolotry ny Tompo teo an-tanany i Joiakima mpanjakan'i Joda ary ny ampahan'ireo fanaka tao an-tranon'Andriamanitra. Nentin'i Nebokadnetsara ho any Babilonia ireo olona babo; ny fanaka kosa nentiny ho ao an-tempolin'ireo andriamaniny ary napetrany tao amin'ny efitrano firaketan'io tempoly io.

3 Ary i Nebokadnetsara mpanjaka nandidy an'i Aspenaza lehiben'ireo tandapany mba hitondra tovolahy israelita avy amin'ny tarana-mpanjaka sy ny fianakavian'andriana sasany;

4 ireo tovolahy ireo tsy tokony hisy kilema ara-batana fa ho tsara tarehy sady ho feno fahendrena sy manam-pahalalana ary lalim-pahaizana, ka ho afaka hanompo ao an-dapan'ny mpanjaka. Hampianarina ny soratra sy ny fiteny babilonianina izy ireo.

5 Nasain'ny mpanjaka hanokanana sakafo sy divay isan'andro avy amin'ny hanina amam-pisotrony izy ireo ary koa hampianarina mandritra ny telo taona. Rehefa izany dia hanompo ny mpanjaka izy.

6 Anisan'ireo voafidy tao amin'ny fokon'i Joda i Daniela sy i Hanania ary i Misaela sy i Hazaria.

7 Nomen'ny lehiben'ny tandapa anarana vaovao izy ireo, ka i Daniela nantsoiny hoe Beltesatsara, i Hanania nantsoiny hoe Sadraka, i Misaela nantsoiny hoe Mesaka, ary i Hazaria nantsoiny hoe Habeda-Negao.

8 Hentitra ny fanapahan-kevitr'i Daniela fa tsy handoto tena amin'izay sakafon'ny mpanjaka na ny divay fisotrony izy; koa nangataka tamin'ny lehiben'ny tandapa izy mba tsy hanery azy handoto tena.

9 Ary nataon'Andriamanitra nahazo fitia sy indrafo teo anatrehan'ny lehiben'ny tandapa i Daniela.

10 Fa hoy ity lehiben'ny tandapa taminy: Ny andriamanjaka no efa nampanokana ny ho sakafonareo sy ho fisotronareo; koa matahotra aho fandrao ianareo hitany mahia endrika mitaha amin'ireo zatovo mitovy taona aminareo, ka dia hotapahiny ny lohako noho ny aminareo.

11 Dia hoy i Daniela tamin'ny mpiandraiki-draharaha izay voatendrin'ny lehiben'ny tandapa hikarakara azy sy i Hanania ary i Misaela sy i Hazaria:

12 Mba tsapao mandritra ny folo andro aloha izahay mpanomponao, ka anana sy rano ihany omena hohaninay sy hosotroinay.

13 Avy eo dia hojerenao ny endrikay sy ny an'ireo zatovo izay mihinana ny hanina fihinan'ny mpanjaka, ka araka izay ho hitanao no hataonao aminay.

14 Dia nekeny izany soso-kevitra izany, ka notsapainy nandritra ny folo andro izy efa-dahy.

15 Ary nony tapitra ny folo andro, dia hita fa tsara endrika sy natavy kokoa izy noho ny zatovo rehetra izay nihinana ny hanina fihinan'ny mpanjaka.

16 Koa nesorin'ilay mpiandraiki-draharaha ny anjara hanina sy divain'izy efa-dahy, ka anana no nomeny azy.

17 Ireo zatovo efa-dahy ireo dia nomen'Andriamanitra fahaizana amam-pahalalana amin'ny sehatra rehetra momba ny soratra sy ny fahendrena; ary i Daniela nahafantatra ny hevitry ny fahitana sy nofy rehetra.

18 Rehefa tonga ny andro voatendrin'ny mpanjaka hitondrana ireto zatovo rehetra hankeo anatrehany, dia nentin'ilay lehiben'ny tandapa teo anoloan'i Nebokadnetsara ireo;

19 ary niresaka tamin'ireo ny mpanjaka, ka tsy nisy hita izay tahaka an'i Daniela sy i Hanania ary i Misaela sy i Habeda-Negao. Koa dia nanompo ny mpanjaka izy efa-dahy.

20 Fony nanontany azy zavatra isan-karazany momba ny fahendrena sy fahaiza-manavaka kosa ny mpanjaka, dia nahatsapa fa nihoatra impolo heny noho ny mpanao majika aman-tsikidy rehetra tao amin'ny fanjakany manontolo ireo.

21 Ary i Daniela dia nahatratra ny taona voalohany nanjakan'i Kirosy.

Toko faha-2

1 Ary tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Nebokadnetsara, dia nanonofy izy. Nampitebiteby azy izany, hany ka tsy nahitany tory.

2 Dia nasain'ny mpanjaka nantsoina ny mpanao majika aman-tsikidy sy ny mpimasy ary ny mpanandro mba hanambara aminy ny hevitry ny nofiny. Nony tonga ireo ka niseho teo anatrehan'ny mpanjaka,

3 dia nilazany hoe: Nanonofy aho ka nampitebiteby ahy izany; liana te hahalala ilay nofy aho.

4 Namaly ny mpanjaka tamin'ny teny aramianina ireo mpanandro ka nanao hoe: Ho ela velona anie ianao, ry mpanjaka! Lazao aminay mpanomponao ny nofinao, dia hambaranay anao ny heviny.

5 Namaly an'ireo mpanandro kosa ny mpanjaka, ka nanao taminy hoe: Hentitra ny teniko fa raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy sy ny heviny, dia hotetitetehina ianareo, ary horavana ny tranonareo.

6 Fa raha mahalaza amiko ny nofy sy ny heviny kosa ianareo, dia hahazo fanomezana sy valisoa ary voninahitra lehibe avy amiko. Noho izany ambarao ahy ny nofy sy ny heviny.

7 Dia namaly azy indray ireo ka nanao hoe: Ry mpanjaka o, aoka holazainao aminay mpanomponao ny nofy, dia hasehonay ny heviny.

8 Fa namaly ny mpanjaka, ka nanao hoe: Fantatro marina izao fa mitady handany andro ianareo, satria tsapanareo fa hentitra ny teniko.

9 Fa raha tsy manambara amiko ny nofy ianareo, dia hitovy ny famaizana hatao aminareo rehetra; sady ianareo niray tetika hilaza lainga sy fitaka eto anatrehako mandra-piovan'ny toe-javatra. Koa ambarao ahy ny nofy, dia ho fantatro fa mahalaza ny heviny amiko ianareo.

10 Dia namaly teo anatrehan'ny mpanjaka indray ny mpanandro ka nanao hoe: Tsy misy olona eto ambonin'ny tany afaka hilaza izany nofinao izany, ry mpanjaka! Ary tsy mbola nisy mpanjaka, na dia izay lehibe sy mahery aza, ka nanontany zavatra toy izany tamin'ny mpanao majika aman-tsikidy sy ny mpanandro.

11 Ary ny zavatra izay angatahinao dia faran'izay lalina, ka tsy misy afaka manambara azy eo anatrehanao raha tsy ireo andriamanitra izay tsy miara-monina amin'ny olombelona.

12 Dia tezitra nisafoaka mafy noho izany rehetra izany ny mpanjaka, ka nanome baiko mba handringanana ny olon-kendry rehetra ao Babilona.

13 Dia navoaka ny didy mampamono ho faty ireo olon-kendry; ary notadiavina koa i Daniela sy ny namany mba hovonoina ho faty.

14 Ary niainga tokoa i Arioka, lehiben'ny mpiambina ny mpanjaka, mba hamono ho faty ireo olon-kendrin'i Babilona. Kanefa teny feno fahamalinana sy fahendrena no nasetrin'i Daniela an'i Arioka;

15 nanontaniany momba ny antony nahahenjana ny didy navoakan'ny mpanjaka i Arioka, dia nampahafantatra azy ny toe-javatra.

16 Avy eo nankany amin'ny mpanjaka i Daniela ary niangavy azy mba hanome fotoana hahazoany manambara amin'ny mpanjaka ny hevitry ny nofiny.

17 Dia nody tany an-tranony i Daniela ka nampahafantatra an'i Hanania sy i Misaela ary i Hazaria namany ny toe-javatra;

18 ary nangatahiny izy telo lahy mba hitalaho ny famindrampon'ilay Andriamanitry ny lanitra momba ity zava-miafina ity, ka mba tsy haringana miaraka amin'ireo olon-kendrin'i Babilona sisa i Daniela sy ny namany.

19 Ary naseho an'i Daniela tamin'ny fahitana nandritra ny alina ilay zava-miafina; koa nidera an'ilay Andriamanitry ny lanitra izy.

20 Dia niteny i Daniela ka nanao hoe: Hisaorana anie ny anaran'Andriamanitra hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay, satria Azy ny fahendrena sy ny hery!

21 Izy no tompon'ny fotoana sy ny tantara; Izy no manonga-mpanjaka sy mananga-mpanjaka; Izy no manome ny fahendrena ho an'ny hendry ary ny fahaiza-manavaka ho an'ny mahira-tsaina.

22 Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina sady mahalala izay misy ao amin'ny maizina, satria ny mazava no miara-mitoetra aminy.

23 Misaotra sy midera Anao aho, ry Andriamanitry ny razako o, satria nomenao fahendrena sy hery. Ary ankehitriny nampahafantarinao ahy izay zavatra nangatahinay taminao, ka nambaranao anay ilay nofin'ny mpanjaka.

24 Teo anoloan'izany i Daniela dia nankany amin'i Arioka izay voatendrin'ny mpanjaka handringana ny olon-kendry rehetra ao Babilona, ka avy hatrany i Daniela dia niteny taminy hoe: Aza aringana ny olon-kendrin'i Babilona! Ento ho eo anatrehan'ny mpanjaka aho fa ny tenako no hanambara aminy ny hevitry ny nofiny.

25 Dia nitondra haingana an'i Daniela ho eo anatrehan'ny mpanjaka i Arioka sady niteny tamin'i Nebokadnetsara hoe: Nahita lehilahy isan'ny babo avy any Joda aho, ry mpanjaka; izy io no hanambara aminao ny hevitry ny nofinao.

26 Dia niresahan'ny mpanjaka i Daniela izay antsoina hoe Beltesatsara ka nanontaniany hoe: Moa afaka hampahalala ahy ny nofiko sy ny heviny tokoa va ianao?

27 Dia namaly ny mpanjaka i Daniela ka nanao hoe: Tsy misy olon-kendry na mpisikidy na mpanao majika na ombiasy afaka hanambara aminao ny zava-miafina izay anontanianao, ry mpanjaka!

28 Fa misy Andriamanitra any an-danitra ambony any Izay mampiseho ny zava-miafina, ka Izy no nampahafantatra an'i Nebokadnetsara mpanjaka izay hiseho amin'ny hoavy. Koa izao ary ny nofinao sy ny fahitana tao an-tsainao teo am-pandriana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9523