Daniela

Toko faha-5

14 Efa reko ny momba anao fa entanin'ny fanahin'ireo andriamanitra ianao ary hita ao aminao ny fahazavan-tsaina sy ny fahalalana ary fahendrena tena fatratra.

15 Ary vao teo no nentina teto anatrehako ny olon-kendry sy ny mpisikidy mba hamaky io soratra io sy hampahafantatra ahy ny heviny, nefa tsy nahalaza izany ireo.

16 Nandre ny momba anao aho, fa ianao no mahalaza hevi-javatra sy mamaha olana; ankehitriny raha mahay mamaky io soratra io sy mampahafantatra ahy ny heviny ianao, dia hampiakanjoina jaky; sady hasiana volamena ny vozonao ary ho isan'ny telo lahy mpiara-mitantana eto amin'ny fanjakana ianao.

17 Dia namaly i Daniela ka nanao teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Ry mpanjaka o, aoka ho anao ihany ny fanomezanao, ary omeo ny hafa ny valim-pitianao; fa ny soratra dia hovakiko aminao ihany ary hampahafantariko anao koa ny heviny.

18 Ry mpanjaka o, Andriamanitra Avo Indrindra no efa nahatonga an'i Nebokadnetsara rainao ho mpanjaka lehibe heni-boninahitra sy laza.

19 Ary noho io fahalehibiazana izay nomen'Andriamanitra azy io dia natahotra sy nangovitra avokoa teo anatrehany ny foko sy firenena ary ny olona samy hafa fiteny rehetra; fa nahafaty izay tiany ho faty izy ary namelona izay tiany ho velona, nanandratra izay tiany hasandratra izy ary nampietry izay tiany haetry.

20 Kanjo nony niavonavona ny fony ary feno fireharehana ny fanahiny, dia naongana teo amin'ny seza fiandrianany izy ary nesorina taminy ny voninahiny.

21 Noroahina hiala teo amin'ny olombelona izy, nanam-pironana tahaka ny an'ny biby, niara-nonina tamin'ny borikidia ary nihinana ahitra toy ny omby; sady kotsan'ny ando ny tenany, ambara-piekeny fa Andriamanitra Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olombelona ary manendry izay tiany hanjaka aminy.

22 Ary ianao Belsatsara zanany lahy dia tsy mba nampietry ny fonao na dia efa fantatrao aza izany rehetra izany.

23 Fa nihantsy ny Tompon'ny lanitra ianao, raha nampaka ny tsatokaty voababo tao an-tempoliny ho eo anatrehanao; ka ny tenanao sy ny olo-manan-kajanao ary ireo vadinao mbamin'ny vaditsindranonao no nisotro divay taminy. Nankalazainao ireo andriamanitra volafotsy sy volamena, halimo sy vy ary vato aman-kazo izay tsy mahita na mandre na mahalala akory, fa ilay Andriamanitra Izay mihazona ny ainao sy miahy ny lalanao rehetra kosa tsy mba nomenao voninahitra.

24 Noho izany dia Andriamanitra no niavian'ny rantsan-tanana izay nanoratra io soratra io.

25 Ary izao no teny voasoratra: MENE MENE TEKELA sy PARSINA.

26 Izao no hevitry ny teny: MENE: Voaisa, voaisan'Andriamanitra ny nanjakanao ka taperiny amin'izao;

27 TEKELA: Voalanja, voalanja tamin'ny mizana ianao ka hita fa maivan-danja;

28 PERESA: Voazara, voazara ny fanjakanao ka omena ny Medianina sy ny Persianina.

29 Niaraka tamin'izay dia nanome baiko i Belsatsara mba hampiakanjoina jaky i Daniela sady hasiana rojo volamena ny vozony. Ary nasainy nambara am-pahabemaso koa fa i Daniela dia isan'ny telo lahy mpiara-mitantana eo amin'ny fanjakana.

30 Tamin'io alina io ihany dia novonoina ho faty i Belsatsara mpanjakan'i Babilona.

Toko faha-6

1 Ary i Dariosa, ilay Medianina, no nandray ny fanjakana teo amin'ny faha-62 taonany.

2 Sitrak'i Dariosa ny hanendry solotenan'andriamanjaka 120 izay hanapaka manerana ny fanjakana.

3 Ary teo ambonin'ireo dia nisy telo lahy mpitantan-draharaha, ka i Daniela ny anankiray; izy telo lahy no hanaovan'ireo solotenan'andriamanjaka tatitra mba tsy hisy hanimba ny tombon-tsoan'ny mpanjaka.

4 Ary nihoaran'io Daniela io avokoa ireo mpitantan-draharaha anankiroa sy ireo solotenan'andriamanjaka tamin'ny fananany fanahy tena fatratra, koa nokasain'ny mpanjaka hatao lehibe eo amin'ny fanjakana manontolo izy.

5 Noho izany ireo mpitantan-draharaha ambony sy ireo solotenan'andriamanjaka dia nikaroka izay hiampangana an'i Daniela momba ny raharaham-panjakana; kanefa tsy nahita izay fahadisoany na tsininy akory ireo, satria nahatoky izy, fa tsy nisy mihitsy lesoka na tsiny teo aminy.

6 Tamin'izay dia hoy ireo lehilahy ireo: Tsy ho hitantsika mihitsy izay hiampangantsika io Daniela io raha tsy zavatra momba ny lalanan'ny Andriamaniny ihany.

7 Dia dodona nankany amin'ny mpanjaka ireo mpitantan-draharaha ambony sy solotenan'andriamanjaka, ary nanao taminy hoe: Ho ela velona anie ianao, ry Dariosa mpanjaka!

8 Ny mpitantan-draharaha ambony ato amin'ny fanjakana sy ny mpanapaka sy ny solotenan'andriamanjaka sy ny mpanolotsaina ary ny governora dia nifanaraka fa tokony hamoaka lalam-panjakana ianao, ry mpanjaka, fa ato anatin'ny telopolo andro, na iza na iza manao fivavahana na amin'Andriamanitra na amin'olona, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka o, dia hatsipy ao an-davaky ny liona izy.

9 Ankehitriny, ry mpanjaka o, avoahy ny didy ka asio sonia mba tsy ho azo ovana, araka ny lalanan'ny Medianina sy ny Persianina izay tsy azo foanana.

10 Koa dia nosoniavin'i Dariosa mpanjaka izany didy aman-dalana izany.

11 Ary nony fantatr'i Daniela fa nosoniavin'ny mpanjaka ny didy, dia nody tany an-tranony izy; ary novohany ny varavarankeliny tany ambony rihana nanandrify an'i Jerosalema. Intelo isan'andro izy no nandohalika nivavaka sy nidera an'ilay Andriamaniny satria efa fanaony hatry ny taloha izany.

12 Dodona ery ireo lehilahy ireo nitsikilo ka nahita an'i Daniela nivavaka sy nitalaho tamin'ny Andriamaniny;

13 dia nanatona ny mpanjaka izy ary niteny teo anatrehany momba ilay didy ka nanao hoe: Ry mpanjaka o, moa tsy nisy didy nosoniavinao va fa ato anatin'ny telopolo andro, na zovy na zovy no hanao fivavahana na amin'Andriamanitra na amin'olona, afa-tsy aminao ihany, dia hatsipy ao an-davaky ny liona? Dia namaly kosa ny mpanjaka nanao hoe: Marina tokoa izany, dia araka ny lalanan'ny Medianina sy ny Persianina izay tsy azo foanana.

14 Fa niteny indray ireo ka nanao teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: I Daniela, isan'ireo babo avy any Joda, dia tsy mba miraharaha anao na ny didy izay nosoniavinao, ry mpanjaka o; fa intelo isan'andro izy no manao fivavahana amin'ny Andriamaniny.

15 Nalahelo mafy ny mpanjaka raha nandre izany zavatra izany; dia nisaintsaina ny hanavotra an'i Daniela izy ary nitady izay hamonjena azy mandra-pilentiky ny masoandro.

16 Fa dodona niverina tany amin'ny mpanjaka ireo lehilahy ireo ka nanao taminy hoe: Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa araka ny lalanan'ny Medianina sy ny Persianina, ny didy aman-dalana izay navoakan'ny mpanjaka dia tsy azo ovana.

17 Tamin'izay dia nanome baiko ny mpanjaka mba halaina i Daniela ka hatsipy ao an-davaky ny liona. Dia niteny kosa ny mpanjaka ka nanao tamin'i Daniela hoe: Andriamanitrao, Izay tompoinao fatratra, no hany hamonjy anao!

18 Dia nisy vato natampina ny vavan-davaka; ary ny mpanjaka nanomboka izany tamin'ny tombokaseny sy tamin'ny an'ireo olo-manan-kajany mba tsy hisy hovana ny amin'i Daniela.

19 Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nihinan-kanina nandritra ny alina sady tsy nampiditra vehivavy teo anatrehany, na dia tsy nahita tory aza.

20 Fa raha vao nangiran-dratsy ny andro, dia nifoha ny mpanjaka ka nandeha faingana nankany amin'ny lavaky ny liona.

21 Ary raha nanatona ny lavaka izy, dia niantso an'i Daniela tamin'ny feo malahelo hoe: Ry Daniela mpanompon'Andriamanitra velona o, moa Andriamanitrao Izay tompoinao fatratra va afaka namonjy anao tamin'ny liona?

22 Dia niteny tamin'ny mpanjaka i Daniela hoe: Ho ela velona anie ianao, ry mpanjaka!

23 Ny Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny hanakombona ny vavan'ny liona tsy handratra ahy, satria hita tsy manan-tsiny teo anatrehany aho; ary tsy nanao ratsy teo anatrehanao koa aho, ry mpanjaka.

24 Tamin'izay dia faly tokoa ny mpanjaka, ka nasainy nakarina avy ao an-davaka i Daniela; rehefa tafakatra izy, dia tsy nahitana ratra akory satria natoky an'ilay Andriamaniny.

25 Ary nanome baiko ny mpanjaka mba halaina ireo lehilahy izay niampanga an'i Daniela ka hatsipy ao an-davaky ny liona izy mbamin'ny vady aman-janany. Fa raha tsy mbola nipaka tamin'ny vody lavaka akory izy mianakavy, dia nifandrombahan'ny liona ka nopotipotehiny ny taolany rehetra.

26 Taorian'izany i Dariosa mpanjaka dia nanoratra ho an'ny vahoaka avy amin'ny foko sy firenena ary samy hafa fiteny rehetra izay monina ambonin'ny tany tontolo hoe: Hitombo anie ny fiadananareo!

27 Mamoaka izao didy izao aho mba hangovitan'ny olona sy hatahorany eo anatrehan'ny Andriamanitr'i Daniela manerana ny fanjakako. Fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay; ny fanjakany tsy mety rava ary ny fanapahany haharitra tsisy farany.

28 Izy no mamonjy sy manafaka ary manao famantarana sy zava-mahagaga any an-danitra sy ety an-tany; Izy no namonjy an'i Daniela ho afaka tamin'ny vahohon'ny liona.

29 Ary izany Daniela izany dia nitana toerana ambony tamin'ny nanjakan'i Dariosa sy tamin'ny nanjakan'i Kirosa ilay Persianina.

Toko faha-7

1 Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Belsatsara tao Babilona dia nanonofy i Daniela ary nahazo fahitana teo am-pandriany. Nosoratany ny nofy ary notantarainy araka izao manaraka izao:

2 Hitako tamin'ny fahitana tamin'ny alina, fa indro ny rivotra avy amin'ny vazan-tany efatra nibosesika hampisamboaravoara ny ranomasina midadasika.

3 Ary nisy biby efatra lehibe samy hafa niakatra avy tao amin'ny ranomasina.

4 Ny voalohany dia tahaka ny liona ary nanana elatry ny voromahery; saingy raha mbola nijery aho dia nesorina taminy ny elany, ary ningaina avy amin'ny tany izy ka nitsangana tamin'ny tongony tahaka ny olona, sady nomena fisainan'olombelona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.0642