Daniela

Toko faha-2

29 Raha natory ianao, ry mpanjaka, dia lasan'eritreritra ny amin'izay hiseho rahatrizay; koa Ilay mampiseho ny zava-miafina dia nampahafantatra anao izay hiseho rahatrizay.

30 Ary raha naseho tamiko io zava-miafina io, dia tsy hoe manam-pahendrena mihoatra noho ny miaina rehetra aho akory, fa mba hahazoana mampahalala anao ny hevitry ny nofinao, ry mpanjaka, ka hahafantaranao izay eritreritry ny fonao.

31 Ry mpanjaka o, izao ary no hitanao: Nisy sarivongana iray tena lehibe nijoro teo anoloanao ary namirapiratra sady nahatahotra ny endriny.

32 Volamena madio ny lohan'io sarivongana io, volafotsy kosa ny tratrany sy ny tanany, halimo ny kibony sy ny feny,

33 vy ny ranjony; ary ny tongony dia vy ny ampahany ary tanimanga ny ampahany.

34 Dia nijery tsara io sarivongana io ianao mandra-piendaky ny vato iray tamina tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana; namely an'ireo tongotra vy sy tanimanga tamin'ilay sarivongana io vato io ka nahatorotoro ny tongony roa.

35 Ary torotoro avy hatrany koa ny vy sy tanimanga mbamin'ny halimo sy volafotsy ary volamena, ka tonga toy ny akofa eny am-pamoloana fahavaratra; dia nopaohin'ny rivotra ireo, ka tsy hita intsony izay nitoerany. Ary ilay vato izay namely ny sarivongana dia tonga tendrombohitra lehibe ka nameno ny tany manontolo.

36 Izany ilay nofinao, ry mpanjaka, ary ny heviny koa dia holazaina eto anatrehanao.

37 Ry mpanjaka o, ianao no mpanjakan'ny mpanjaka fa nomen'ilay Andriamanitry ny lanitra ho anao ny fanjakana sy ny hery ary ny tanjaka sy ny voninahitra.

38 Napetrany eo ambany fifehezanao koa ny olombelona sy ny biby eny an-tsaha ary ny voro-manidina; eo ambany fifehezanao ireny, na aiza na aiza itoerany, ka ianao no nataon'Andriamanitra ho mpanjakan'izy rehetra; ianao izany no ilay loha volamena.

39 Hisy fanjakana malemy kokoa noho ny anao, hitsangana aorianao; avy eo dia hisy fanjakana fahatelo izay ambaran'ny halimo ka hitatra amin'ny tany manontolo.

40 Ary ny fanjakana fahefatra dia ho mafy tahaka ny vy. Tahaka ny anorotoroan'ny vy sy anapotehany ary anamontsanany ny zavatra rehetra no hanorotoroan'io fanjakana io sy hanamontsanany ireo fanjakana rehetra talohany.

41 Ary, araka ny hitanao, ny tongotr'ilay sarivongana sy ny rantsan-tongony dia tanimanga ny ampahany ary vy ny ampahany, izany hoe hizara io fanjakana io. Hisy fahamafisana toy ny an'ny vy ao aminy, satria hitanao fa ny vy dia nifangaro tamin'ny tanimanga;

42 kanefa ny rantsan-tongotra, izay vy ny ampahany ary tanimanga ny ampahany, dia maneho tahaka izany koa fa ny ampahan'io fanjakana io dia hatanjaka ary ny ampahany kosa halemy.

43 Ny vy izay hitanao nifangaro tamin'ny tanimanga dia mampiseho ihany koa fa hifangaro amin'ny fanambadiana ireo mpanjaka; nefa tsy ho mafy io fitambarana io tahaka ny tsy mahamafy ny fitambaran'ny vy amin'ny tanimanga.

44 Amin'ny andron'ireo mpanjaka ireo ilay Andriamanitry ny lanitra no hanangana fanjakana izay tsy ho rava na oviana na oviana; ary ny fiandrianany tsy ho lasan'ny firenen-kafa. Io fanjakana io no hanorotoro sy handevona ireo fanjakana rehetra talohany, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.

45 Izany no ambaran'ilay vato izay hitanao niendaka tamina tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana, ka nanapotika ny vy sy halimo mbamin'ny tanimanga sy volafotsy ary volamena. Nampahafantarin'Andriamanitra lehibe anao, ry mpanjaka o, izay hiseho amin'ny hoavy. Tena marina ny nofinao ary azo antoka ny heviny.

46 Dia niankohoka i Nebokadnetsara mpanjaka, ka nanome voninahitra an'i Daniela ary nampanolotra fanomezana sy zava-manitra ho azy.

47 Izay ny mpanjaka vao namaly an'i Daniela ka nanao hoe: Marina tokoa fa ny Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon'ny mpanjaka ary mpanambara ny zava-miafina, matoa afaka nanambara tamiko izany zava-miafina izany ianao.

48 Tamin'izay ny mpanjaka dia nanandratra an'i Daniela ka nanome azy zava-tsarobidy marobe ary nanendry azy ho mpifehy amin'ny faritanin'i Babilona manontolo sy ho lehiben'ireo olon-kendry rehetra ao Babilona.

49 Noho ny fangatahan'i Daniela tamin'ny mpanjaka dia i Sadraka sy i Mesaka ary i Habeda-Negao no voatendrin'i Nebokadnetsara hitondra ny faritanin'i Babilona; fa i Daniela kosa lasa mpanolotsainan'ny mpanjaka.

Toko faha-3

1 Ary Nebokadnetsara mpanjaka nampanao sarivongan'olona volamena; telopolo metatra ny haavony ary telo metatra ny sakany. Ka nasainy natsangana teo amin'ny tany lemaka Dora, tao amin'ny faritanin'i Babilona,izany.

2 Avy eo izy dia nampamory ny solotenan'andriamanjaka, ny mpifehy faritany, ny governora, ny mpanolotsaina, ny mpitahiry volam-panjakana, ny mpahay lalana sy ny mpitsara, ary ny mpiasam-panjakana hafa rehetra isam-paritany, mba ho avy hitokana ilay sarivongana efa nasain'i Nebokadnetsara mpanjaka natsangana.

3 Dia vory avokoa ireo manampahefana ireo mba hanao ny fitokanana, ka naka toerana teo anoloan'izany sarivongana izany.

4 Dia niantso tamin'ny feo mahery ny mpikabary nanao hoe: Izao no baiko lazaina aminareo vahoaka avy amin'ny foko sy firenena ary samy hafa fiteny rehetra:

5 Raha vao renareo ny feon'ny trompetra sy sodina ary kabosy aman-dokanga mbamy valiha sy farara ary zava-maneno isan-karazany, dia miankohofa ka mivavaha amin'ny sarivongan'olona volamena izay natsangan'i Nebokadnetsara mpanjaka.

6 Ary na iza na iza tsy miankohoka sy tsy mivavaka aminy dia hatsipy miaraka amin'izay ao anaty lafaoro misy afo mivaivay.

7 Koa tamin'ny fotoana izay nandrenesana ny feon'ny trompetra sy sodina ary kabosy aman-dokanga mbamy valiha sy zava-maneno isan-karazany, dia niankohoka sy nivavaka tamin'ny sarivongana volamena izay efa natsangan'i Nebokadnetsara mpanjaka ireo vahoaka avy amin'ny foko sy firenena ary samy hafa fiteny rehetra.

8 Tamin'izay fotoana izay dia nisy lehilahy babilonianina sasany tonga hiampanga ny Jiosy.

9 Nandray fitenenana ireo ka nilaza tamin'i Nebokadnetsara mpanjaka hoe: Ho ela velona anie ianao, ry mpanjaka!

10 Namoaka didy ianao, ry mpanjaka, nanao hoe: Ny olona rehetra dia hiankohoka sy hivavaka amin'ny sarivongan'olona volamena rehefa mandre ny feon'ny trompetra sy sodina ary kabosy aman-dokanga mbamy valiha sy farara ary zava-maneno isan-karazany.

11 Fa na iza na iza tsy miankohoka sy tsy mivavaka dia hatsipy ao anaty lafaoro misy afo mivaivay.

12 Misy anefa lehilahy jiosy izay voatendrinao hitondra ny faritanin'i Babilona, dia i Sadraka sy i Mesaka ary i Habeda-Negao; ireo lehilahy ireo dia tsy nanaja ny didinao, ry mpanjaka, tsy mety manompo an'ireo andriamanitrao, ary tsy mivavaka amin'ny sarivongana volamena izay natsanganao.

13 Tezitra sy nisafoaka mafy i Nebokadnetsara ka nampanalainy i Sadraka sy i Mesaka ary i Habeda-Negao. Rehefa tonga teo anatrehan'ny mpanjaka ireo lehilahy ireo,

14 dia nanontany azy i Nebokadnetsara hoe: Marina ve ry i Sadraka sy i Mesaka ary i Habeda-Negao fa tsy mety manompo ireo andriamanitro ianareo ary tsy mivavaka amin'ny sarivongana volamena izay natsangako?

15 Ankehitriny, mivonona ianareo, fa amin'ny fotoana izay handrenesanareo ny feon'ny trompetra sy sodina ary kabosy aman-dokanga mbamin'ny valiha sy farara ary zava-maneno isan-karazany, dia hiankohoka sy hivavaka amin'ny sarivongana izay nataoko ianareo; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin'izay ao anaty lafaoro misy afo mivaivay; ary iza no andriamanitra hahafaka anareo amin'ny fahefako?

16 Dia namaly i Sadraka sy i Mesaka ary i Habeda-Negao ka nanao hoe: Ry Nebokadnetsara, tsy misy tokony hamalianay anao akory momba izany.

17 Fantaro fa afaka mamonjy anay ny Andriamanitray, dia ilay Andriamanitra izay tompoinay; eny, hanafaka anay amin'ny lafaoro misy afo mivaivay sy amin'ny fahefanao Izy, ry mpanjaka.

18 Ary na tsy hataony aza izany, dia aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa ireo andriamanitrao dia tsy hotompoinay ary ny sarivongana volamena izay natsanganao dia tsy hivavahanay.

19 Dia feno fahatezerana i Nebokadnetsara ka niova endrika tamin'i Sadraka sy i Mesaka ary i Habeda-Negao. Nasainy nafanaina impito mihoatra noho ny famana azy ny lafaoro.

20 Ary ireo lehilahy matanjaka indrindra tamin'ny miaramilany no nasainy namatotra an'i Sadraka sy i Mesaka ary i Habeda-Negao sy nanipy azy tao anaty lafaoro misy afo mivaivay.

21 Avy hatrany dia nafatotra niaraka tamin'ny lobany sy patalohany ary akanjony sy satrony ireo lehilahy ireo, ka natsipy tao amin'ny lafaoro misy afo mivaivay.

22 Ary satria hentitra ny tenin'ny mpanjaka dia voafana izaitsizy ny lafaoro, ka matin'ny lelafo mbamin'ny miaramila izay nanipy an'i Sadraka sy i Mesaka ary i Habeda-Negao.

23 Fa izy telo lahy ireto kosa dia voatsipy am-patorana tao amin'ny lafaoro misy afo mivaivay.

24 Talanjona anefa i Nebokadnetsara ka nitsangana faingana, ary nanontany ireo mpanolotsainy hoe: Moa tsy lehilahy telo mifatotra va no natsipintsika tao anaty afo? Dia hoy ny navalin'ireo: Izany tokoa, ry mpanjaka!

25 Ary hoy indray ny mpanjaka: Koa nahoana ary aho no mahita lehilahy efatra tsy mifatotra, mandehandeha ao anaty afo, nefa tsy misy maratra akory; sady ilay fahefatra dia mitovy endrika amin'ny zanak'ireo andriamanitra?

26 Dia nanatona ny varavaran'ny lafaoro misy afo mivaivay i Nebokadnetsara ka niantso hoe: Ry i Sadraka sy i Mesaka ary i Habeda-Negao mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra o, mivoaha tao ianareo ka avia aty! Niaraka tamin'izay dia nivoaka avy tao anaty afo i Sadraka sy i Mesaka ary i Habeda-Negao.

27 Dia nitangorona ireo solotenan'andriamanjaka sy ny mpifehy faritany ary ny governora sy ireo mpanolotsain'ny mpanjaka mba hijery ireo lehilahy ireo; ka hitany fa tsy nampaninona ny tenan'izy ireo akory ny afo, tsy may ny volon-dohany, tsy simba ny fitafiany sady tsy maimbo afo akory.

28 Dia loa-bolana i Nebokadnetsara ka nanao hoe: Hisaorana anie Andriamanitr'i Sadraka sy i Mesaka ary i Habeda-Negao; naniraka ny anjeliny manko Izy mba hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy, ka nandika ny baiko nataoko. Fa naleon'ireo kosa nanolo-tena hampijalina toy izay hanompo sy hitsaoka andriamani-kafa ankoatra ilay Andriamaniny.

29 Noho izany dia mamoaka izao didy izao ho an'ny foko sy firenena ary samy hafa fiteny rehetra aho hoe: Izay manao teny tsy voahevitra ny amin'ny Andriamanitr'i Sadraka sy i Mesaka ary i Habeda-Negao dia hotetitetehina ary hatao fanariam-pako ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9635