Daniela
Toko faha-7
5 Ary indro ny biby hafa faharoa mitovy amin'ny orsa, miainga ny ila-tenany, misy taolan-tehezana telo teo am-bavany tanelanelan'ny nifiny; dia nilazana izy hoe: Mitsangana ka mihinana nofo be dia be.6 Taorian'izany dia mbola nijery aho, ka indro nisy iray hafa koa tahaka ny leoparda, nanana ela-borona efatra tao an-damosiny. Nanana loha efatra ilay biby sady nomena azy ny fanapahana.
7 Taorian'izany dia mbola nijery ny fahitako tamin'ny alina ihany aho ka indro nisy biby fahefatra mahatahotra sy mahatsiravina sady matanjaka aoka izany. Nanana nify vy lehibe izay nihinanany sy namiravirany izy, fa izay sisa tsy laniny dia nohoseny; ary hafa noho ireo biby rehetra teo alohany izy fa nanana tandroka folo.
8 Raha mbola nandinika ireo tandrony aho, indro nisy tandroka kely hafa nipoitra teo anivon'ireo ka nahongotra ireo tandroka telo teo anoloany; io tandroka io dia nanana maso roa toy ny mason'olona sy nanana vava miteny avonavona mihoa-pampana.
9 Mbola nijery ihany aho, ka indreo nisy sezafiandrianana napetraka; ary nisy Antidahy iray tonga nipetraka. Ny fitafiany dia fotsy tahaka ny oram-panala; ny volon-dohany dia tahaka ny volon'ondry madio; ny sezafiandrianany dia lelafo; ary ny kodiarany dia afo mivaivay.
10 Ony afo no nipoitra sy nikoriana avy teo anatrehany. An-tapitrisa ireo nanompo azy ary an-jato tapitrisa no nitsangana teo anatrehany. Dia nipetraka ireo mpitsara ary nosokafana ny boky.
11 Tamin'izay dia mbola nijery ihany aho noho ny fireondreon'ny teny avonavona mihoa-pampana navoakan'ilay tandroka kely; nefa raha mbola nijery aho, dia novonoina ho faty ilay biby fahefatra ka ny tenany dia natsipy sy nolevonina tao anaty afo mahamay aoka izany.
12 Nesorina tamin'ireo biby hafa ny fanapahany, kanefa nohalavaina ihany ny fahavelomany mandritra ny fotoana voafetra.
13 Dia mbola nijery ny fahitana azoko tamin'ny alina ihany aho, ka indro nisy tahaka ny zanak'olona tonga teny amin'ny rahon'ny lanitra; ary nankeo amin'ilay Antidahy izy sady nampanakaikezina azy.
14 Ary nomena azy ny fanapahana sy ny voninahitra ary ny fanjakana, mba hanompo azy ny foko sy firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra. Ny fanapahany dia haharitra mandrakizay ka tsy hanam-petra, ary ny fanjakany tsy ho rava na oviana na oviana.
15 Izaho Daniela dia nitebiteby hatramin'ny aty fanahiko fa nampitahotra mafy ahy ny fahitana.
16 Dia nanatona ny anankiray tamin'izay nitsangana teo aho ary nanontany azy ny tena hevitr'ireo rehetra ireo. Koa nambarany tamiko sady nampahafantariny ahy ny dikany.
17 Ireo biby efatra lehibe dia mampiseho fanjakana efatra hipoitra avy amin'ny tany.
18 Aorian'izany dia ho lasan'ny olo-masin'ny Avo Indrindra ny fanjakana ho fananany mandrakizay mandrakizay.
19 Dia niriko ho fantatra mazava ny amin'ilay biby fahefatra izay hafa noho ny rehetra sady nahatsiravina loatra fa nanana nify vy sy hoho halimo izay nihinanany sy namiravirany, ka ny tongony no nanosihosy izay sisa tsy laniny;
20 niriko ho fantatra mazava ny amin'ireo tandroka folo teo an-dohany sy ilay tandroka iray izay nipoitra ka nampianjera ny telo teo anoloany; io tandroka io dia nanana maso sy nanana vava niteny avonavona mihoa-pampana ary ny fijery azy dia lehibe noho ny namany.
21 Mbola nijery ihany aho, ary hitako nanoto ny vahoakan'Andriamanitra io tandroka io ka nandresy azy,
22 ambara-piavin'ilay Antidahy ka nanomezany rariny an'ilay vahoakan'ny Avo Indrindra. Rehefa tonga ny fotoanandro, dia ho azon'io vahoaka io ny fanjakana.
23 Izao no nambarany: Ny biby fahefatra dia fanjakana fahefatra eto an-tany izay hafa noho ireo fanjakana rehetra, fa hihinana ny tany tontolo izy ka hanosihosy sady hanorotoro azy.
24 Ary ny tandroka folo dia mampiseho mpanjaka folo izay hifandimby hifehy io fanjakana io; ary hisy mpanjaka iray hafa noho ireo teo alohany hitsangana manaraka an'ireo, rehefa avy handresy mpanjaka telo.
25 Hilaza teny manohitra ny Avo Indrindra izy, hampahory ny vahoakan'ilay Avo Indrindra sady mihevitra hanova ny fankalazana sy ny lalana; ary hatolotra eny an-tanany nandritra ny telo taona sy tapany io vahoakan'Andriamanitra io ireo.
26 Avy eo dia ho avy ny fitsarana any an-koatra ka hesorina amin'io biby io ny fiandrianany izay horavana sy holevonina hatramin'ny farany.
27 Ny fahefa-manjaka sy ny fiandrianana ary ny fahalehibiazan'ny fanjakana rehetra eny ambanin'ny lanitra dia homena ny vahoakan'ilay Andriamanitra Avo Indrindra; ka ny fahefa-manjakan'io vahoaka io dia haharitra mandrakizay ary ny fiandrianana rehetra dia hanompo sy hankato azy.
28 Mifarana eo ilay tantara. Fa ny amiko Daniela kosa dia nampitebiteby mafy ahy ny eritreritro ka nivaloarika ny tarehiko; nefa notehiriziko tao am-poko izany zavatra izany.
Toko faha-8
1 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Belsatsara mpanjaka, izaho Daniela dia nahazo fahitana indray taorian'ilay hitako teo aloha.2 Nojereko ilay fahitana, ka indro aho nahita ny tenako tao Sosana, tanana mimanda tao amin'ny faritanin'i Helama; ary hitako tamin'ny fahitana koa fa teo amoron'ny renirano Olay aho.
3 Dia nampifantoka ny masoko hijery aho ka indro nisy ondrilahy iray nitsangana teo amoron'ilay renirano sady nanana tandroka roa. Lava ireo tandroka ireo, nefa ilay nitsimoka taoriana no lava kokoa noho ny anankiray.
4 Hitako ilay ondrilahy fa nanoto niankandrefana sy nianavaratra ary nianatsimo, ka tsy nisy biby nahatohitra azy ary tsy nisy naharombaka izay tao an-tanany; fa nanao araka izay sitrapony izy sady nitombo hery hatrany.
5 Raha mbola nieritreritra ny amin'izany aho, dia indro nisy osilahy iray nipoitra avy any andrefana ka nitety ny tany manontolo, nefa tsy nikasi-tany akory; nanana tandroka tokana goavana izy teo anelanelan'ny masony.
6 Ary izy io dia nankeo amin'ilay ondrilahy nanana tandroka roa izay hitako nitsangana teo amoron'ny renirano, ka niantoraka taminy araka ny firongatry ny heriny.
7 Ary hitako izy tafapaka teo akaikin'ilay ondrilahy, dia nisafoaka taminy ary namely azy ka nahamontsana ny tandrony roa; tsy nanan-kery hoenti-manohitra azy intsony ilay ondrilahy ka dia natrosony tamin'ny tany sady nohosihoseny; ary tsy nisy naharombaka ilay ondrilahy teo an-tanany.
8 Ary nitombo fatratra ny herin'ilay osilahy; saingy nony efa tena natanjaka izy, dia tapaka ilay tandrobeny, ka nisy tandroka efatra goavana nipoitra nisolo azy nifanandrify tamin'ny vazan-tany efatra.
9 Ary ny anankiray tamin'izy efatra ireo dia nipoiran'ny tandroka kely iray, izay nitatra nianatsimo sy niantsinanana ary hatrany any amin'ilay tany tsara indrindra.
10 Nitatra hatreny amin'ny tafiky ny lanitra aza izy; ka nazerany tamin'ny tany ny ampahan'izany tafika izany mbamin'ny kintana sasany izay nohitsakitsahiny.
11 Ary nitatra nihantsy hatramin'ilay Filohan'izany tafika izany aza izy, ka nanafoana ny sorona fanao isan'andro aminy sady nanimbazimba ny fiorenan'ny Toeramasiny.
12 Ary natolotra hanamparany halozana izany tafiky ny lanitra izany ary koa ny sorona fanao isan'andro. Dia nazeran'io tandroka io tamin'ny tany kosa ny fahamarinana; ary nahomby izy tamin'izay nataony.
13 Dia nandre anjely iray niteny aho; ary nisy anjely iray hafa nanontany azy hoe: Mandra-pahoviana no haharetan'izay zavatra nasehon'ny fahitana? Mandra-pahoviana no ho foana ny sorona isan'andro, no hanjaka ny halozana mahatonga fandravana ary ho voahosihosy ny Toeramasina mbamin'ny tafiky ny lanitra?
14 Dia namaly azy ny anjely voalohany hoe: Mandritra ny 2300 maraina sy hariva, ary avy eo dia haverina amin'ny laoniny indray ny Toeramasina.
15 Izaho Daniela kosa, raha mbola teo am-pijerena izany fahitana izany ka nitady hahafantatra ny heviny, dia indro nisy tahaka ny endrik'olona anankiray nijoro teo anoloako.
16 Ary nandre feon'olona teo afovoan'ny renirano Olay aho, dia feo niantso azy nanao hoe: Ry Gabriela, hazavao amin'ity lehilahy ity ny fahitana niseho taminy.
17 Dia nanatona ilay toerana nijoroako i Gabriela; ka rehefa tonga izy, dia natahotra aho ka nikarapoka tamin'ny tany. Fa hoy izy tamiko: Aoka ho fantatrao, ry ilay taranak'olombelona, fa iny fahitana iny dia momba ny fiafaran'ny fotoana.
18 Raha mbola niteny tamiko izy, dia nihohoka tamin'ny tany ihany aho sady safotra; fa nanohina ahy izy ary nampitsangana ahy.
19 Avy eo dia hoy i Gabriela tamiko: Indro hampahafantariko anao izay hiseho amin'ny fotoana voatendry hiafaran'ny fahatezeran'Andriamanitra.
20 Ny ondrilahy izay hitanao nanana tandroka roa dia manondro ny fanjakana medianina sy persianina.
21 Ny osilahy lava volo dia manondro ny fanjakana grika; ary ilay tandroka lehibe teo anelanelan'ny masony dia ny mpanjaka voalohany.
22 Rehefa tapaka ilay tandroka, dia nisy efatra naniry nandimby azy, izany hoe hisy fanjakana efatra hitsangana avy amin'io fanjakana tokana io saingy tsy hanan-kery toa azy.
23 Ary amin'ny fiafaran'ireo fanjakana ireo, rehefa hihoa-pampana ny otan'ireo mpanota, dia hitsangana ny mpanjaka iray mpirehareha sady fangoloka.
24 Hitombo hery hatrany izy, kanefa tsy avy amin'ny herin-tenany. Hanao fanimban-javatra mampitolagaga izy ary hahomby amin'ny hataony; haringany ireo mahery sy ireo olona voatokana ho an'Andriamanitra.
25 Noho ny hafetseny dia hamitaka ny hafa izy, ary noho ny avonavon'ny fony dia handringana olona maro mihevi-tena handry feizay; hitsangana hanohitra ny Tompon'ny Tompo, nefa kosa ho torotoro tsy kasihin-tanana akory.
26 Ary ny fivoasana momba ny hitanao ny amin'ny maraina sy hariva dia marina tokoa; saingy ahorony hiafina aloha izany fahitana izany, satria mbola ho amin'ny andro ela izany.