Ezekiela
Toko faha-45
6 Manaraka ny halavan'io faritra izay natokana ho an'ny TOMPO io, dia hamaritana vakim-paritra iray hafa koa izay mirefy 12 km sy sasany ny lavany ary 2 km sy sasany ny sakany mba hanorenana tanana iray ahazoan'ny Israelita tsirairay monina.7 Ny printsy filoha dia homena tany iray eo anelanelan'ny faritra voatokana ho an'ny TOMPO sy ny toerana misy ny tananan'ny Israelita. Izany tany izany dia hitohy miankandrefana hatrany amin'ny Ranomasina Mediteranea ary miantsinanana hatrany amin'ny sisin-tanin'i Israely any atsinanana. Hitovy halava amin'ny zaratanin'ny foko tsirairay izy.
8 Koa ireo printsy dia hanana ny anjarataniny manokana ao Israely ka tsy hampahory ny vahoakan'ny TOMPO intsony izy, fa hamela ny faritra sisa amin'ny tany ho an'ireo fokon'i Israely."
9 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY:"Tafahoatra loatra ny nataonareo, ry printsy filohan'i Israely. Koa ialao ny herisetra sy ny fitondrana jadona, manaova ny rariny sy ny hitsiny, atsaharo ny fandrobanareo ny vahoakako. Teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany.
10 "Aoka samy hampiasa mizana sy fandrefesana marina.
11 Ny efa ho an'ny voamadinika ary ny bata ho an'ny ranon-javatra, hitovy fatra ireo famarana roa ireo ka samy hahalany ampahafolon'ny homera avy, fa ny homera no ho fatra fototra.
12 Ny sekela volafotsy dia ho gera roapolo , ary ny sekela enimpolo kosa no homina iray.
13 Toy izao no ampahany havahanareo amin'ny fanatitra ataonareo: ampahenimpolon'ny vokatra varimbazaha na vary orza,
14 ary ampahazaton'ny vokatra diloilo no homenareo. Ny bata iray misy ampahafolon'ny homera sy ampahafolon'ny kora no hamaranareo ny diloilo.
15 Ary farany momba ny biby fiompy eny amin'ny kijanan'i Israely: iray isaky ny ondry na osy roanjato no havahanareo. Ka izay navahanareo dia hatolotrareo ho fanatitra vokatry ny tany na ho sorona dorana manontolo na ho sorom-pihavanana mba hahazoanareo famelan-keloka. Teny hentitra avy amikoTOMPO ANDRIANANAHARY izany.
16 Ny olona rehetra eo amin'ny tany no hanefa izany tolotra izany ho an'ny printsy filohan'i Israely."
17 Io printsy filohan'i Israely io kosa no hiantoka ny sorona dorana manontolo ary ny fanatitra lafarinina sy divay mandritra ny fety, indrindra fa amin'ny voaloham-bolana sy ny andro sabata ary ny fotoana hafa rehetra fivorian'ny vahoakan'i Israely. Eny, ny printsy filoha no hiantoka ny sorona fanalana ny ota sy ny fanatitra vokatry ny tany ary ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana mba hahazoana famelan-keloka ho an'ny vahoakan'i Israely."
18 Izao koa no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Amin'ny andro voalohan'ny volana voalohany dia hatao sorona ny ombilahy iray tsy misy kilema mba hanadiovana ny Toeramasina.
19 Hangalan'ny mpisorona ny ran'ilay biby natao sorona ka hatentiny amin'ireo tolam-bavahadin'ny tempoly sy amin'ireo zoro efatry ny marin-tampon'ny alitara ary amin'ireo tolam-bavahadin'ny kianja anatiny.
20 Tahaka izany koa no hatao amin'ny andro fahafiton'io volana io ho an'izay olona nanota tsy nahy na tsy amim-pahalalana. Toy izany no hanadiovana ny tempoly.
21 "Ny andro faha-14 amin'ny volana voalohany no hanombohanareo mankalaza ny fetin'ny Paska. Haharitra fito andro izany, ka mandritra izany no hihinananareo mofo tsy misy leviora.
22 Ny andro voalohany amin'ny fety no hanoloran'ny printsy filoha ombilahy iray hatao sorona fanalana ny ota ho an'ny tenany sy ho an'ny vahoakany rehetra.
23 Ankoatra izany, isan'andro mandritra ny fito andro, dia hanolotra ombilahy fito sy ondrilahy fito tsy misy kilema hatao sorona dorana manontolo amikoTOMPO izy ary koa hanolotra osilahy iray isan'andro hatao sorona fanalana ny ota.
24 Ary farany dia hanao fanatitra varimbazaha telopolo kilao miampy diloilo enina litatra koa izy, isaky ny ombilahy sy ondrilahy natao sorona.
25 Ary ny amin'ilay fety, izay manomboka rehefa andro faha-15 amin'ny volana fahafito , dia tahaka ny amin'ny fetin'ny Paska ihany no hataon'ny printsy filoha, isan'andro mandritra ny fito andro: na ny sorona fanalana ny ota izany na ny sorona dorana manontolo na ny fanatitra varimbazaha sy diloilo."" "
Toko faha-46
1 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Ny vavahady atsinanana amin'ny kianja anatiny dia ho voahidy mandritra ny enina andro iasana, fa hivoha kosa izy amin'ny andro sabata sy amin'ny fetin'ny tsinambolana.2 Hiditra avy any an-kianja ivelany manko ny printsy filoha ka hamakivaky ny lalantsaran'ny vavahady. Dia hijoro eo an-tokonam-bavahady izy mandritra ny anoloran'ny mpisorona ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana nateriny. Dia hiankohoka eo an-tokonam-bavahady eo ny printsy vao handeha, ary tsy hohidina ny varavarana raha tsy efa hariva.
3 Fa amin'ny andro sabata sy amin'ny fetin'ny tsinambolana dia ho tonga eo anoloan'io vavahady io ny vahoaka mba hiankohoka amiko TOMPO.
4 "Amin'ny andro sabata dia zanak'ondry enina sy ondrilahy iray samy tsy misy kilema no haterin'ny printsy filoha amikoTOMPO mba hatao sorona dorana manontolo.
5 Ankoatra ireo dia hitondra fanatitra varimbazaha telopolo kilao isaky ny ondrilahy iray izy, ary varimbazaha araka izay heveriny ho mety isaky ny zanak'ondry; dia hampiany diloilo enina litara isaky ny varimbazaha telopolo kilao izany.
6 Amin'ny andron'ny tsinambolana dia hanolotra ombilahy iray sy zanak'ondry enina ary ondrilahy iray samy tsy misy kilema izy.
7 Hampanarahiny fanatitra varimbazaha telopolo kilao isaky ny ombilahy iray na ondrilahy iray, ary varimbazaha araka izay heveriny ho mety isaky ny zanak'ondry; dia hampiany diloilo enina litatra isaky ny varimbazaha telopolo kilao izany.
8 Lalana iray ihany no hidiran'ny printsy filoha sy hivoahany mamakivaky ny lalantsaran'ny vavahady.
9 Fa rehefa ny vahoaka kosa no tonga hiankohoka amikoTOMPO amin'ny fotoan-dehibe, izay miditra amin'ny vavahady avaratra dia hivoaka amin'ny vavahady atsimo; ary izay miditra amin'ny vavahady atsimo dia hivoaka amin'ny vavahady avaratra. Tsy hisy olona hiverina amin'izay vavahady nidirany fa samy hivoaka amin'ny vavahady an-daniny.
10 Ny printsy filoha koa dia tokony hiditra ny tempoly rehefa miditra ao ny vahoaka, ary tokony hivoaka ny tempoly rehefa mirava ny vahoaka."
11 "Amin'ny fotoan-dehibe sy ny andro fety dia varimbazaha telopolo kilao no hatao fanatitra isaky ny sorona ombilahy iray na ondrilahy iray, ary varimbazaha araka izay heverina ho mety isaky ny zanak'ondry; dia hampiana diloilo enina litatra isaky ny varimbazaha telopolo kilao izany.
12 Raha tahiny kosa ny printsy filoha no te hanao sorona an-tsitrapo amin'ny TOMPO, na sorona dorana manontolo io na sorom-pihavanana, dia tokony ho vohana ho azy ny vavahady atsinanana. Hanolotra ireo sorona tahaka ny fanao amin'ny andro sabata izy; ary rehefa tafavoaka izy, dia hohidina ny vavahady."
13 "Isan'andro isan'andro dia zanak'ondry iray taona tsy misy kilema no hatao sorona dorana manontolo amin'ny TOMPO, ka isa-maraina no hanolorana azy.
14 Isa-maraina koa no hanolorana amin'ny Tompo koba lafarinina dimy kilao vontosana diloilo roa litatra; fanatitra vokatry ny tany atao amin'ny TOMPO izany, ary lalana raikitra hatrany hatrany.
15 Ny zanak'ondry sy ny koba ary ny diloilo dia hatolotra ny TOMPO isa-maraina ho sorona dorana manontolo isan'andro."
16 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY:"Raha manome ampahan'ny taniny ho an'ny anankiray amin'ny zanany lahy ny printsy filoha, dia ho lovan'io zanany lahy io sady ho lovan'ny taranany koa izany.
17 Fa raha manome ampahan'ny taniny ho an'ny iray amin'ny mpanompony kosa ny printsy filoha, dia ho an'ilay mpanompo ambara-pahatongan'ny taona fanafahana izany, kanefa avy eo dia haveriny aminy ihany. Fa ny ampahan-tany nomen'ny printsy filoha ho an-janany ihany no lasa fananan'ireo.
18 Tsy mahazo maka izay anjara lovan'ny vahoaka ny printsy filoha ka hanaisotra azy amin'ny zarataniny. Fa izay ho anjaran'ny zanany lahy dia halainy eo amin'ny taniny manokana, mba tsy hisy olona anisan'ny vahoakako ho voaroaka amin'ny zarataniny."
19 Avy eo dia nentin-dralehilahy niditra tamin'ny fidirana teo akaikin'ny vavahady aho hankao amin'ireo efitrano mitodika mianavaratra izay voatokana ho an'ny mpisorona. Natorony ny toerana iray tery amin'ny farany andrefana aho,
20 sady nilazany hoe: "Io no toerana fampangotrahan'ny mpisorona ny henan'ireo biby natao sorom-panonerana sy sorona fanalana ny ota, ary eo koa no fandrahoany ireo fanatitra vokatry ny tany. Amin'izay dia tsy hisy zava-masina hoentina any amin'ny kianja ivelany mba tsy ho tandindomin-doza ny sarambabem-bahoaka."
21 Avy eo dia nentin-dralehilahy hankany amin'ny kianja ivelany aho ary nampandaloviny teo anoloan'ny zorony efatra; ary isaky ny zorony dia nisy tokotany iray avy.
22 Kely ireo tokotany efatra ireo ary efajoro mitovy refy ka roapolo metatra ny lavany ary 15 metatra ny sakany.
23 Samy voafefy rindrim-bato ny tokotany tsirairay avy; ary teo am-pototr'io rindrim-bato io dia nisy fatana maro naorina sady nifanohy manodidina.
24 Ary hoy ralehilahy tamiko: "Ireto no toerana fandrahoana, ka eo ny mpandraharahan'ny tempoly no mampangotraka ny henan'ireo biby aterim-bahoaka hatao sorona."
Toko faha-47
1 Ary nitondra ahy niverina ho eo am-pidirana amin'ny tempoly ralehilahy. Koa hitako fa nisy rano niboiboika avy tao ambanin'ny tokonana atsinanana, fa nitodika niantsinanana ny tempoly. Io rano io dia nidina teo ambanin'ny lafiny ankavanan'ny tempoly ka nandalo teo atsimon'ny alitara.2 Dia nitondra ahy nivoaka ny tempoly tamin'ny vavahady avaratra izy ka nampandeha ahy nanodidina tany ivelany hipaka amin'ny vavahady atsinanana. Ary indro avy teo ankavanan'ity vavahady ity no nikoriana ny rano.
3 Nandroso niantsinanana ralehilahy, nitana tady izay nandrefesany dimanjato metatra niantsinanana. Avy eo dia nampita ahy ny rano izy ka hatreny an-kitrokeliko izany.
4 Dia nandrefy dimanjato metatra indray izy, ary nampita ahy ny rano ka hatreny an-dohaliko izany. Nony afaka dimanjato metatra manaraka dia nampita ahy ny rano indray izy, ka hatreny andilako ny rano.
5 Nandrefy dimanjato metatra indray izy, ka ony tsy azoko niampitana intsony ny rano fa efa nihalalina. Eny, ony tsy azo iampitana intsony izy raha tsy amin'ny lomano.
6 Ary hoy ralehilahy tamiko: "Hitanao tsara ve izany, ry ilay taranak'olombelona?" Dia nentiny nihataka kely aho, vao naveriny indray hankeo amoron'ny ony.