EksĂ´dy

Toko faha-16

14 Rehefa nisava ny ando dia indro nisy zavatra mivaingana nijanona teny an-taniefitra, boriborikely toy ny fanala nifafy tamin'ny tany.

15 Hitan'ny Israelita ireny nefa tsy fantany, ka nifanontany izy hoe: -Inona itony? Fa novalian'i Mosesy hoe: -Itony no mofo izay nomen'ny TOMPO hohaninareo.

16 Ary izao no zavatra nandidian'ny TOMPO anareo: Samia manangona izay tokony ho sahaza azy avy; manangona ankevitry ny inefatry ny zingan-drano isan'olona, araka ny isan'ny olona miara-belona ao amin'ny isan-dainy avy.

17 Notanterahin'ny Israelita izany, ka nisy nanangona betsaka, ary nisy kosa nanangona kely.

18 kanefa rehefa nafatra tamin'ny famarana, dia tsy nanana tombony ireo nanangona be, ary tsy nanana ny tsy ampy ireo nanangona kely, fa samy nahazo ny sahaza hohaniny avy ny tsirairay.

19 Dia hoy i Mosesy tamin'ny Israelita: -Aoka tsy hisy olona hamela sisa ho tra-maraina.

20 Nisy ihany anefa olona tsy nankato an'i Mosesy ka namela sisa ho tra-maraina, saingy nivoaka olitra ireny ka maimbo; koa tezitra tamin'ireo i Mosesy.

21 Hatreo dia nanangona izay sahaza hohaniny avy isa-maraina ny olona; ary rehefa nafana ny andro dia nitsonika ireny.

22 Tamin'ny andro fahenina dia sakafo indroa heny no nangonin'ny olona, izany hoe imbalon'ny zingan-drano isan'olona. Dia lasa nanao tatitra tamin'i Mosesy ireo mpitarika ny vahoaka,

23 ka hoy i Mosesy hoe: -Izany indrindra no nandidian'ny TOMPO anareo. Rahampitso dia sabata, andro fitsaharana voatokana ho an'ny TOMPO; koa andrahoy izay tokony handrahoina, ary ampangotrahy izay tokony hampangotrahina, fa ny ambiny kosa dia tehirizo ho tra-maraina.

24 Dia navahan'izy ireo hotahirizina mandra-maraina ny ambiny araka izay nodidian'i Mosesy, nefa tsy maimbo na feno olitra.

25 Ary hoy i Mosesy taminy: -Hano izany anio, fa sabata ho an'ny TOMPO anio, ka tsy hahita an'ireny eny an-tsaha ianareo androany.

26 Andro enina no ahazoanareo manangona sakafo; fa amin'ny andro fahafito, andro sabata, dia tsy hisy.

27 Tamin'ny andro fahafito anefa dia mbola nisy ihany Israelita sasany nivoaka ny toby mba hanangona, fa tsy nahita na inona na inona.

28 Ka hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalanako?

29 Fantaro tsara fa ny nanomezako anareo ny sabata dia ny mba hitsaharanareo. Izany no antony anomezako mofo sahaza ny indroa andro amin'ny andro fahenina; ka amin'ny andro fahafito dia samia mitoetra ao an-tranony avy, fa aoka tsy hisy olona hiala tao.

30 Dia nitsahatra ny vahoaka Israelita tamin'ny andro fahafito.

31 Nataon'ny Israelita hoe mana ny anaran'izany sakafo izany. Mitovy amin'ny voarafy izy sady fotsy, ary tahaka ny mofo misy tantely ny tsirony.

32 Hoy i Mosesy tamin'ny Israelita: -Izao no zavatra nandidian'ny TOMPO: Fenoy mana ny vata homera iray mba hotehirizina ho an'ny taranakareo. Amin'izay dia mba ho hitany ny mofo izay nomeko hohaninareo tany an-taniefitra fony Aho namoaka anareo hiala tany Ejipta.

33 Dia hoy i Mosesy tamin'i Aharona: -Maka siny tany ka asio mana inefatry ny zingan-drano, dia apetraho eo anatrehan'ny TOMPO mba hotahirizina ho an'ny taranakareo.

34 Araka izay nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy dia teo anoloan'ny Raki-tsoratry ny fanekempihavanana no napetrak'i Aharona ilay siny tany misy mana mba hotahirizina.

35 Nandritra ny efapolo taona no nihinanan'ny Israelita ny mana, ambara-pahatongany tany amin'ny tany misy mponina, izany hoe mandra-pidirany teo amin'ny sisin-tanin'i Kanahana.

36 Ny fatran'ny mana fanangona dia efatra zingan-drano eo ho eo, izany hoe ampahafolon'ny famarana mahazatra.

Toko faha-17

1 Araka ny baikon'ny TOMPO dia niala tao an-taniefitr'i Sina ny fiangonana Israelita manontolo mba hanohy ny diany. Nitoby tao Refidima izy, kanefa tsy nisy rano hosotroin'ny vahoaka tao.

2 Dia nila ady tamin'i Mosesy ny Israelita ka nanao taminy hoe: -Omeo rano hosotroina izahay! Fa nanontany azy ireo i Mosesy hoe: -Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy ny TOMPO ianareo?

3 Fa rehefa main'ny hetaheta mafy ny vahoaka, dia nimonomonona tamin'i Mosesy ka nanao taminy hoe: -Nahoana moa ianao no nampiakatra anay niala tany Ejipta? Moa ny hahatonga anay ho fatin-ketaheta eto miaraka amin'ny zanakay sy ny bibinay ve?

4 Dia niantso vonjy tamin'ny TOMPO i Mosesy nanao hoe: -Inona no hataoko amin'ity vahoaka ity? Fa mila hitora-bato ahy mihitsy izy!

5 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy hoe: -Mandalova eo anoloan'ny vahoaka, maka vitsivitsy amin'ny loholon'i Israely hiaraka aminao. Ento eny an-tananao ilay tehinao izay nikapohanao ny ranon'i Neily ka mandehana.

6 Izaho kosa dia hijoro eo anoloanao, eo ambonin'ny harambato eny an-tendrombohitra Horeba; hokapohinao ny harambato, dia hamoaka rano hosotroin'ny vahoaka. Dia notanterahin'i Mosesy teo imason'ny loholon'i Israely izany baiko izany.

7 Nantsoina hoe Masa sy Meriba io toerana io, izany hoe fakana fanahy sy filana ady satria nila ady tamin'i Mosesy ny Israelita, ary naka fanahy ny TOMPO tamin'ny nitenenany hoe: Moa eto aminay tokoa ve ny TOMPO sa tsia?

8 Tonga hiady amin'ny Israelita tao Refidima ny Hamalekita.

9 Dia hoy i Mosesy tamin'i Josoa: -Mifidiana lehilahy afaka hiaro antsika, dia mivoaha hiady amin'ny Hamalekita. Izaho kosa rahampitso dia hijoro eo an-tampon'ny havoana miaraka amin'ny tehin'Andriamanitra eny an-tanako.

10 Dia lasa i Josoa niady tamin'ny Hamalekita araka izay efa nandidian'i Mosesy azy; fa i Mosesy sy i Aharona ary i Hora kosa dia niakatra teny an-tampon'ny havoana.

11 Ary raha mbola nasandratr'i Mosesy ny tanany, dia nahery ny Israelita; fa rehefa navelany hidina, dia nahery ny Hamalekita.

12 Ary nony vizaka ireo sandrin'i Mosesy, dia nalain'i Aharona sy i Hora ny vato ka napetrany teo anilan'i Mosesy, ary nipetraka teo ambonin'io i Mosesy. Dia avy i Aharona sy i Hora ka nanohana ny sandriny teo an-daniny sy an-kilany, dia naharitra tsy nidina ny tanany ambara-pilentiky ny masoandro.

13 Koa resin'i Josoa tanteraka tamin'ny lelan-tsabatra ny tafika hamalekita.

14 Ary hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Soraty ao amin'ny boky izany mba tsy hohadinoina; ary ambarao amin'i Josoa fa hofoanako tsy ho eto ambonin'ny tany mihitsy ny fahatsiarovana ny Hamalekita.

15 Dia nanamboatra alitara teo i Mosesy ka nomeny anarana hoe Ny TOMPO fanevako.

16 Ary hoy izy hoe: -Satria ny Hamalekita efa nanainga tanana hanohitra ny sezafiandrianan'ny Tompo, dia hiady amin'izy ireo hatrany hatrany ny TOMPO.

Toko faha-18

1 Ary ren'i Jetrao, mpisorona tao Midiana sady rafozan-dahin'i Mosesy, izay rehetra nataon'ny TOMPO ho an'i Mosesy sy ilay Israely vahoakany, dia ny namoahany azy niala tany Ejipta.

2 Taorian'ny nandefasan'i Mosesy an'i Tsipora telo mianaka tany amin'i Jetrao, dia nentin'i Jetrao i Tsipora zanany vavy, vadin'i Mosesy,

3 niaraka tamin'ny zanany roa lahy. Ny lahimatoa dia nantsoin'i Mosesy hoe Gersoma na Vahiny aty, fa hoy izy hoe: Efa vahiny aty an-tany hafa aho;

4 ary ilay zandriny kosa nantsoiny hoe Elihezera na Andriamanitro mamonjy ahy, fa hoy izy hoe: Ny Andriamanitry ny raiko no namonjy ahy, ka niaro ahy tamin'ny famelezan'ny Farao.

5 Dia lasa i Jetrao niaraka tamin'ny vady aman-janak'i Mosesy nankany amin'i Mosesy tany an-taniefitra, dia izay nitobiany teo anilan'ny tendrombohitr'Andriamanitra.

6 Nampilaza tamin'i Mosesy i Jetrao hoe: Izaho rafozanao no ho avy any aminao, miaraka amin'ny vadinao sy ny zanakao roa lahy.

7 Dia niainga hitsena azy i Mosesy, niankohoka teo anatrehany sady nanoroka azy. Ary rehefa avy nifampiarahaba izy dia niditra tao an-dain'i Mosesy.

8 Notantarain'i Mosesy tamin'ny rafozany avokoa izay rehetra nataon'ny TOMPO tamin'ny Farao sy ny Ejiptianina noho ny amin'i Israely; notantarainy koa ny zava-tsarotra rehetra niseho teny an-dalana sy ny nanafahan'ny TOMPO ilay vahoakany.

9 Nahafaly an'i Jetrao ny soa rehetra nataon'ny TOMPO tamin'ny Israelita izay nafahany tamin'ny famoretan'ny Ejiptianina,

10 ka hoy i Jetrao hoe: -Hoderaina anie ny TOMPO Izay nanafaka anareo tamin'ny famoretan'ny Farao sy ny Ejiptianina.

11 Fantatro izao fa ny TOMPO dia lehibe mihoatra noho ny andriamanitra hafa rehetra; ny zavatra izay nataony rehefa nisetrasetra taminareo ny Ejiptianina no nanehoany izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.8937