Ezekiela
Toko faha-33
2 "Ry ilay taranak'olombelona, mitenena amin'ny Israelita ka lazao azy ny zava-mitranga rehefa manetsika ady hamelezana tany anankiray Aho. Ny mponina amin'io tany io dia hifidy lehilahy iray ao aminy ka hanendry azy ho mpitiliny.3 Raha vao mahita ny tafika fahavalo tamy ilay mpitily, dia mitsoka ny anjomara mba hanaitra ny mpiray firenena aminy.
4 Koa raha misy olona mandre ny feon'anjomara ihany nefa tsy miraharaha izany fanairana izany, ka tonga ny fahavalo ary mandripaka azy, dia ny tenany ihany no TOMPOn'andraikitra amin'ny fahafatesany.
5 Nandre ny feon'anjomara manko izy, saingy tsy niraharaha ny fanairana azy ka dia TOMPOn'andraikitra amin'ny fahafatesany. Fa raha niraharaha fanairana izy, dia ho namonjy ny ainy.
6 Raha tahiny kosa hitan'ilay mpitily fa tamy ny tafika fahavalo, nefa tsy nitsoka ny anjomara izy, dia tsy nahazo fanairana ireo mpiray firenena aminy. Koa raha tonga ny fahavalo ary nahafaty olona iray, dia an'ny mpitily ny fahadisoana; izy no hotanako hoTOMPOn'andraikitra amin'izany fahafatesana izany.
7 Ry ilay taranak'olombelona, ianao no efa notendreko ho mpitily hanaitra ny vahoaka Israely. Hihaino ny teny aloaky ny vavako ianao ka hampita ny fampitandremako amin'ny Israelita."
8 Andeha hataontsika hoe misy olon-dratsy iray tiako hilazana fa hahafaty azy tokoa ny afitsony: raha tsy mampitandrina azy ianao hialany amin'ny toe-dratsiny, dia ho fatin'ny heloka vitany tokoa izany olon-dratsy izany, nefa ianao no tazoniko ho TOMPOn'andraikitra amin'ny fahafatesany.
9 Raha ohatra kosa ka mampitandrina azy ianao mba hialany amin'ny toe-dratsiny saingy izy no tsy nety niova, dia ho fatin'ny heloka vitany tokoa izy, fa ianao kosa hahavonjy ny ainao."
10 Ry ilay taranak'olombelona, mitenena amin'ny Israelita izay milaza hoe: Vesaran'ny fahadisoanay sy ny fahotanay izahay, ka mila ho levona mihitsy. Koa ahoana moa no hahavelomanay?"
11 Ambarao aminy hoe: Velona Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy sitrako ny hahafatesan'ireo olon-dratsy; fa ny tena tadiaviko dia ny hiovany mba hahavelona azy. Koa ialao mihitsy ny toe-dratsinareo, ry Israelita,fa nahoana moa no te ho faty ianareo?
12 Ianao, ry ilay taranak'olombelona, lazao amin'ny mpiray firenena aminao koa izao: Raha misy olo-marina iray manao ratsy, ny soa izay nataony taloha dia tsy hahavonjy azy. Raha misy olon-dratsy miala amin'ny faharatsiany, ny ratsy izay nataony taloha dia tsy hahavoa azy. Eny, raha misy olo-marina iray manota, ny soa izay nataony taloha dia tsy hahavelona azy.
13 Andeha hataontsika hoe misy olo-marina iray nilazako fa ho velona tokoa izy. Raha tahiny mitoky amin'ny fahamarinany taloha izy ka manao heloka, dia ho hadinoina ny soa rehetra vitany, ka ho fatin'ny heloka nataony izy.
14 Ohatra kosa misy olon-dratsy iray nilazako fa hahafaty azy tokoa ny afitsony. Raha miala amin'ny fahotany izy ka manao ny rariny sy ny hitsiny, dia tsy ho faty izy.
15 Raha mamerina ny zavatra natao tsatoka izy sady mampody izay nangalariny, raha tsy manao ratsy intsony fa mankato ny lalana izay manome fiainana, dia tsy ho faty izy fa ho velona tokoa.
16 Hohadinoina avokoa ny fahotana rehetra nataony ka ho velona tokoa izy, satria manao ny rariny sy ny hitsiny."
17 "Ireo mpiray firenena aminao kosa milaza fa Izaho TOMPO dia manao fitondra tsy marina; kanefa tsy ireo ve no manao fitondra tsy marina?
18 Raha misy olo-marina iray miala amin'ny fahamarinany ka manao heloka dia ho fatin'izany izy;
19 raha misy kosa olon-dratsy iray miala amin'ny faharatsiany ka manao ny rariny sy ny hitsiny, dia hahavelona azy izany.
20 Ianareo Israelita milaza fa Izaho TOMPO dia manao fitondra tsy marina, dia aoka ho fantatrareo fa araka ny fitondrantenanareo tsirairay avy no hitsarako anareo!"
21 Tamin'ny taona faha-11 taorian'ny fahababoana, nony andro fahadimin'ny volana fahafolo , dia nisy lehilahy iray afa-nandositra avy tany Jerosalema ary tonga tao amiko ka nanao hoe: "Azom-pahavalo ny tanana!"
22 Fa ny hariva nialoha ny andro nahatongavan'io lehilahy io, dia nataon'ny TOMPO tsapako ny heriny tamin'ny nanokafany ny vavako ho afa-miteny indray. Koa ny ampitso maraina, nony tonga teo amiko ilay nandositra, dia tsy moana intsony aho fa afaka niteny.
23 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:
24 Ry ilay taranak'olombelona, ireo mponina tavela amin'ireo tanana rava any an-tanin'i Israely dia nilaza hoe: I Abrahama irery aza nahazo ity tany ity ho fananany, mainka fa isika marobe izao dia homena ity tany ity ho fananantsika".
25 Koa ambarao aminy fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Mihinan-kena miaraka amin'ny ra ianareo , ary manompo ireo sampinareo sady mamono olona ho faty, koa ahoana no hahazoanareo io tany io ho fanananareo?
26 Miantehitra amin'ny sabatrareo ianareo ka manao zavatra maharikoriko, ary samy maka ny vadin'ny namany avy, koa ahoana no hahazoanareo io tany io ho fanananareo?"
27 Ambarao aminy fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Velona Aho ka mianiana fa izay sisa tavela ao amin'ireo tanana rava dia ho fatin'ny sabatra, izay any an-tsaha dia homeko ho rembin'ny bibidia, ary izay miery any an-tendrombohitra sy any an-dava-bato dia ho fatin'ny areti-mandringana.
28 Hataoko rava sy lao ny tany; hitsahatra ny hery izay mampirehareha ny mponina eo aminy; hilaozana ny tendrombohitr'i Israely, ka tsy hisy olona handalo any intsony."
29 Ary rehefa hataoko rava sy lao ny tany ho famaizana ny asa maharikoriko nataon'ny Israelita, dia hoeken'ireo fa Izaho no TOMPO.
30 Ry ilay taranak'olombelona, ireo mpiray firenena aminao aty am-pahababoana dia miresaka anao eny akaikin'ny mandan'ny tanana na eny am-baravaran'ny tranony, ka mifampilaza hoe: Andeha hihaino ny hafatra avy any amin'ny TOMPO isika."
31 Dia mivory eo aminao ireo olona anisan'ny vahoakako ka mipetraka eo anatrehanao mba hihaino anao. Mihaino ny teninao izy, fa tsy manatanteraka azy. Izay rendrarendra tiany hatao ihany no eo am-bavany; ary ny filan-dratsiny no ironan'ny fony.
32 Koa aminy ianao dia toy ny mpihira mahafinaritra tsara feo sady arahina mozika mahasondriana. Mihaino ny teninao izy fa tsy manatanteraka azy.
33 Rehefa ho tonga kosa ny zavatra ambaranao, fa madiva ho avy izany, dia hoeken'ireo fa efa nisy mpaminany tokoa teo aminy."
Toko faha-34
1 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:2 "Ry ilay taranak'olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hamelezako ireo lehibe mpiandry ny vahoaka Israely, eny, ijoroy ny maha mpaminany anao ka ampitao aminy fa Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY dia manambara hoe: Lozanareo mpiandry ny vahoaka Israely! Fa ny tenanareo ihany no karakarainareo! Moa tsy ny andian'ondry va no tokony ho karakarainareo?
3 Nefa tsy mpiandry nikarakara ny andian'ondry ianareo, fa naka ny ronono ho sakafonareo sy ny volon'ondry ho tafinareo sady namono ireo biby matavy.
4 Tsy nohatanjahinareo ny ondry osa, tsy nositraninareo ny narary na notsaboinareo ny naratra, tsy naverinareo ny niala tamin'ny andiany ary tsy notadiavinareo ny very, fa nanampatra ny fahefanareo tamin'ny herisetra sy ny fahasiahana ianareo.
5 Koa niparitaka ireny ondry ireny satria tsy misy mpiandry, ka tonga rembin'ny bibidia.
6 Ireo ondriko andiany dia nirenireny teny an-tendrombohitra sy teny amin'ny havoana; ary niparitaka teny amin'ny velaran-tany manontolo izy satria tsy nisy niahy na nandeha nitady azy.
7 Koa ianareo mpiandry ny vahoaka Israely, mihainoa ny teniko:
8 Velona Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy nisy mpiandry azy ny andian'ondriko ka lasan'ny mpangalatra sy zary rembin'ny bibidia rehetra. Ireo mpiandry ny ondriko manko tsy miraharaha ny ondry sady tsy mikarakara azy fa ny tenany no karakarainy.
9 Noho izany, dia henoinareo ny teniko, ry mpiandry ny vahoaka Israely.
10 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Mampitandrina anareo mpitondra Aho fa hisampotina hamely anareo; ka hampamoahiko ny amin'ny ondriko ianareo ary ho esoriko tsy hiandry azy intsony; tsy ianareo mpikarakara tena intsony no hikarakara azy. Hoesoriko eo am-bavanareo ny andianondriko ka tsy ho azonareo hatao sakafo intsony.
11 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Ny tenako mihitsy no hiandraikitra sy hikarakara ny andianondriko."
12 Himasoako ny hanangona azy tahaka izay ataon'ny mpiandry amin'ny andro iparitahan'ny ondry. Izaho handeha haka azy ireny any amin'ny toerana rehetra izay niparitahany tamin'ny andro mandrahona sy maizim-pito.
13 Havoakako avy any amin'ny firenena izy ary hangoniko avy any amin'ny tany samy hafa, dia haveriko ao amin'ny taniny; handrasako eny an-tendrombohitr'i Israely sy eny an-dohasahan-driaka izy ary koa eny amin'ny toerana rehetra azo honenana eo amin'ny taniny.
14 Hoentiko eny amin'ny tanim-bilona tsara izy, ka hanana kijana eny an-tendrombohitra avo amin'i Israely. Any no hialany sasatra amin'ny kijana tsara sy hiraofany amin'ny tanim-bilona milenodenoka.
15 Izaho no ho mpiandry ny andianondriko ka hampandry azy; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
16 Hotadiaviko ny ondry very, haveriko izay nisaraka tamin'ny andiany, ho tsaboiko izay naratra, ho hatanjahiko izay marary, ary ho kolokoloiko hatrany izay matavy sy matanjaka. Izaho no hiandry ny ondriko araka ny rariny. "
17 Ary ny amin'ny andianondriny, dia izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Indro hotsaraiko ny adin'ny ondry samy ondry sy ny ady ifanaovan'ny ondrilahy amin'ny osilahy.
18 Tsy ampy ny sasany eo aminareo angaha ny miraoka eny amin'ny tanim-bilona tsara no dia hosihosenareo koa ny ahitra sisa? Tsy ampy anareo angaha ny misotro ny rano madio no dia lotoinareo amin'ny tongotrareo koa ny rano sisa?