Ezekiela
Toko faha-38
7 Ry Goga, miomana ary mivonona ianao sy ireo vahoaka rehetra voaangonao ho eo ambany fifehezanao.8 Ary any aoriana any, rehefa afaka taona maromaro, dia ianao no hasaiko maka an-keriny ny tanin'i Israely. Fa rehefa afaka tamin'ny ady ny mponina tao, dia niala tamin'ny firenena maro nielezany ary novorina teo an-tendrombohitr'i Israely izay efa lao hatry ny ela. Fa rehefa navoaka avy tany amin'ireo firenen-kafa izy rehetra, dia niaina tamim-pilaminana.
9 Fa ianao sy ireo antoko miaramilanao ary ireo firenena maro momba anao no hanafika azy, ka ho tonga eo aminy tahaka ny fiavian'ny rambon-danitra ary handrakotra ny taniny toy ny andian-drahona matevina.
10 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Amin'izany andro izany dia hisy hevitra maro ho tonga ao an-tsainao ka hamorona teti-dratsy ianao."
11 Hanapa-kevitra ianao fa hiakatra hamely ireo olona finaritra miaina am-pilaminana avokoa ao amin'ny tany izay tsy mba misy tanana voahodidina manda na manana vavahady mihidy.
12 Hankao ianao mba handroba sy handravarava ary hamely ireo tanana izay efa rava taloha saingy onenana indray ankehitriny; hankao ianao hamely vahoaka iray nangonina avy any amin'ny firenen-kafa, ka nihary biby fiompy sy fananana indray, ary monina eo amin'ny foiben'izao tontolo izao.
13 Hanontany anao ny mponina ao Seba sy Dedana ary koa ireo mpandranto rehetra any Tarsisy na any amin'ireo tanana akaikiny ka hanao hoe : Moa handroba sy handrava ve no namorianao ny tafikao? Moa hangorona volafotsy sy volamena ary handroba biby fiompy sy fananana ka hahazo babo betsaka ve no nahatongavanao?"
14 "Koa ijoroy ny maha-mpaminany anao, ry ilay taranak'olombelona, ary ambarao amin'i Goga fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Amin'ny andro hiainan'i Israely vahoakako am-pilaminana no hiainganao ;
15 ary ho tonga avy any amin'ny taninao any am-parany avaratra ianao, arahin'ny miaramila avy amin'ny firenena maro; samy mitaingin-tsoavaly avokoa ianareo ka mivondrona ho tafika goavana sy mahery.
16 Hanafika an'i Israely vahoakako ianao, ka hanarona ny taniny toy ny andian-drahona matevina. Any aoriana be any no hisehoan'izany. Haniraka anao hanafika ny taniko Aho, ry Goga, mba hieken'ny hafa firenena fa Izaho no Andriamanitra masina; ary ianao no fitaovana hanehoako izany eo imasony amin'ny hamelezako anao.
17 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Ianao no ilay nambarako hatry ny fahiny elabe, fony Aho nandidy ireo mpanompoko, dia ny mpaminanin'i Israely, hilaza ny hafatro nandritra ny taona maro; ianao no nasaiko tonga hamely ny fireneny."
18 Nefa amin'ny andro izay hamelezanao tokoa an'i Israely, ry Goga, dia ho romotry ny hatezerana Aho; teny hentitra avy amikoTOMPO ANDRIANANAHARY izany.
19 Noho ny fahasaro-piaroko sy ny fahatezerako mirehitra dia mianiana Aho fa amin'izay andro izay dia hisy horohoron-tany mahatsiravina hamely ny tanin'i Israely.
20 Koa na ny trondro any an-dranomasina na ny voro-manidina na ny bibidia na ny bibikely isan-karazany mihetsiketsika amin'ny tany na ny olombelona rehetra eny ambonin'ny tany dia samy hangorohoro eo anatrehako. Ny tendrombohitra hietry, ny harana hikoa ary ny manda hirodana.
21 Ary ianao dia hampihorohoroiko amin'ny fomba maro ; teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany. Hifamono ny miaramilanao.
22 Ho faiziko amin'ny areti-mifindra sy amin'ny fandringanana ianao. Harotsako aminao sy amin'ny tafikao ary amin'ireo firenena maro mpomba anao ny oram-be mivatravatra sy ny havandra arahina solifara mivaivay.
23 Toy izany no hanehoako eo imason'ny firenen-kafa marobe fa Izaho dia Andriamanitra lehibe sady masina; amin'izay dia hoeken'ireo fa Izaho no TOMPO."
Toko faha-39
1 "Ianao kosa, ry ilay taranak'olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao manoloana an'i Goga, ka ambarao aminy fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Hirotsaka an-tsehatra hamely anao Aho, ry Goga, filoha faratampon'ny vahoakan'i Meseka sy i Tobala.2 Nentiko nirenireny ianao mba hamongorako anao. Nampialako avy any am-parany avaratra ianao hampanafihako ny tendrombohitr'i Israely.
3 Avy eo kosa hasiako ianao, ka ho tapaka eny an-tananao ankavia ny tsipikanao ary hianjera avy eny an-tananao ankavanana ny zana-tsipikanao.
4 Ho faty miampatrampatra eny an-tendrombohitr'i Israely ianao sy ny tafikao manontolo ary ireo firenena maro mpomba anao. Homeko hohanin'ireo vorona mpihaza isan-karazany sy ny bibidia ny fatinareo.
5 Eny an-kodahoda no hahafatesanao, satria Izaho no efa nilaza; teny hentitra avy amikoTOMPO ANDRIANANAHARY izany.
6 Handrehetako afo ao amin'ny tanin'i Magoga sy ao amin'ireo mponin'ny nosy izay mihevitra ho milamina. Amin'izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO.
7 Hataoko izay hahalalan'i Israely vahoakako fa tena masina, Aho ka tsy havelako hanazimbazimba Ahy intsony izy; amin'izay dia hoeken'ireo hafa firenena fa Izaho no TOMPO, Ilay Masina ao amin'i Israely.
8 Indro ho avy izany toe-javatra izany ary efa manomboka tanteraka. Izany no andro fitsarana nambarako; teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany.
9 Hivoaka ny tananany ny Israelita, dia handrehitra afo miledaleda handorana ireo fiadian'ny fahavalony. Koa ny ampinga sy ny tsipika ary ny zana-tsipika mbamin'ny lefona sy ny langilangy dia hisy hanaovany afo mandritra ny fito taona.
10 Tsy handeha hanangon-kitay any an-tsaha akory ny olona na hikapa hazo any an'ala, fa ireo fiadiana ireo no hataony kitay eo. Hamabo sy handroba ireo efa namabo sy nandroba azy izy; teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany.
11 Ary amin'ny andro hahatongavan'izany, dia homeko toerana iray handevenana azy any Israely i Goga, dia ny lohasahan'ny mpandalo ao atsinanan'ny Ranomasina Maty; ka hisakan-dalana ny mpandalo izany fandevenana azy eo izany. Any no handevenana an'i Goga sy ny tafiny marobe manontolo. Ary hantsoina hoe ""Lohasahan'ny tafika maroben'i Goga"" io toerana io."
12 Haharitra fito volana no handevenan'ny Israelita azy rehetra sy hanadiovany ny taniny.
13 Ny mponina rehetra amin'izany faritra izany dia hifarimbona handevina azy ao avokoa; ary ho rehareha ho azy izany amin'ny andro hanehoako ny voninahitro; teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany.
14 Rehefa afaka fito volana, dia hisy olona ho tendrena hitety tsy an-kitsahatra ny tany mba hanadio azy amin'ny fikarohana sy fandevenana ireo faty sisa tavela eny.
15 Hitety ny tany izy ka raha misy mahita taolan'olona, dia hametraka antontam-bato ho marika eo anilany mba hiavian'ny mpandevina haka azy sy handevina azy ao amin'ny Lohasahan'ny tafika maroben'i Goga.
16 Hisy koa aza tanana iray hantsoina hoe Hamona na hoe tafika marobe. Dia toy izany no hanadiovan'ireo ny tany."
17 Ary izao koa no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY tamiko: "Ianao kosa, ry ilay taranak'olombelona, antsoy ny voro-manidina rehetra sy ny bibidia rehetra, ka iteneno hoe: Mivoria eto avokoa avy any rehetra any ianareo, mba hahazo anjara amin'ny sorona izay omaniko ho anareo. Eny an-tendrombohitr'i Israely no hisy izany sorona lehibe izany, ka hihinananareo nofo sy hisotroanareo ra.
18 Hohaninareo ny nofon'ireo miaramila maherifo ary ho sotroinareo ny ran'ireo mpitondra an'izao tontolo izao, natolotra ho sorona ho solon'ny ondrilahy sy ny zanak'ondry ary ny osilahy mbamin'ny zanak'omby, izay samy biby natavezina tany Basana avokoa.
19 Io sorona io no anasako anareo, koa hihinana ny matavy eo ianareo ambara-pahavoky anareo; ary hisotro ny ra ianareo ambara-pahaleo anareo.
20 Ao amin'io fanasako io no hivokisanareo amin'ny soavaly sy ny mpitaingina azy ary ny miaramila maherifo mbamin'ny mpiady isan-karazany; teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany.
21 "Hasehoko amin'ny hafa firenena ny voninahitro. Ho hitan'izy rehetra ny didim-pitsarana izay hampihariko aminy sy ny fahefana izay hampiasaiko aminy.
22 Ary manomboka amin'izay andro izay dia hoeken'ny Israelita fa Izaho no TOMPO Andriamaniny. "
23 "Ho takatr'ireo firenen-kafa fa matoa nentina ho babo ireo Israelita dia noho ny heloka nivadihany tamiko, hoy ny TOMPO. Fa niafenako tava ireo, ka natolotro ho eo an-tanan'ny fahavalony mba ho faty an'ady izy rehetra.
24 Niafenako tava ireo ho setrin'ny asany maloto amam-pikomiany.
25 Kanefa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Ankehitriny dia hamindrako fo ny Israelita rehetra izay taranak'i Jakoba ka hampodiko avy amin'ny fahababoany; ary ho takiko ny hanajan'ny olona rehetra ny anarako masina."
26 Amin'izay dia hohadinoiny ny fahafaham-baraka nanjo azy noho ny hadisoana rehetra nataony tamiko. Hiaina indray am-pilaminana eo amin'ny taniny izy ka tsy hisy hanaitaitra azy.
27 Hampodiko avy any amin'ireo hafa firenena izy ary hangoniko avy any amin'ny tanin'ireo fahavalony. Ny ataoko amin'ny Israelita no hanehoako eo imason'ny firenena maro manodidina fa Andriamanitra masina Aho.
28 Amin'izay dia hoekeny fa Izaho no TOMPO Andriamaniny, rehefa hangoniko ho eo amin'ny taniny izy, ka tsy hisy havelako any amin'ireo firenena izay nanaovako sesitany azy na iray aza.
29 Ny Fanahiko no hatosako amin'ny Israelita, ka tsy hiafenako tava intsony ireo; teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany."
Toko faha-40
1 Tamin'ny fiandohan'ny taona faha-25 taorian'ny fahababoanay, ka ny andro fahafolon'ny volana, izany hoe 14taona katroka taorian'ny naharavan'i Jerosalema , dia notsindrian'ny herin'ny TOMPO aho, ka nentiny nankany.2 Tao anaty fahitana no nitondran'Andriamanitra ahy nankany amin'ny tanin'i Israely. Napetrany teo an-tampon'ny tendrombohitra iray avo dia avo aho, ka teo amin'ny ilany atsimo dia nisy andian-trano vaventy miendrika tanana.
3 Nentiny nankao aho, ka hitako nisy lehilahy iray mitarehina halimo, nitana tady rongony sy volotara fandrefesana sady nijoro teo akaikin'ny vavahady.
4 Ary hoy ralehilahy io tamiko: "Ry ilay taranak'olombelona , mijere tsara amin'ny masonao, mihainoa tsara amin'ny sofinao, ary aoka ny fonao handinika izay rehetra hasehoko anao satria ny hanehoako anao izao no nitondrako anao aty. Avy eo dia hotantarainao amin'ny Israelita izay rehetra hitanao."