Ezekiela

Toko faha-34

19 Voatery hihinana ny ahitra voahosihosinareo sy hisotro ny rano voalotonareo ireo sisa amin'ny andianondriko."

20 Koa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY amin'ny andianondriny: "Izaho mihitsy no hitsara ny adinareo ondry matavy sy ondry mahia.

21 Natositosikareo matanjaka tamin'ny sorokareo sy ny tehezanareo ireo ondry osaosa rehetra, ary nototoin'ny tandrokareo ambara-pandroakanareo azy ho any ivelan'ny tanim-bilona.

22 Koa tonga Aho hamonjy azy mba tsy ho lasan'ny mpangalatra intsony, ary ho tsaraiko ny adin'ny ondry samy ondry.

23 Mpiandry tokana no hatsangako hitarika azy, ka izy no hiandry azy, dia i Davida mpanompoko izany. Izy no hikarakara azy ary ho mpiandry azy tokoa.

24 Izaho TOMPO no ho Andriamaniny ary i Davida mpanompoko no ho filoha eo anivony. Izaho TOMPO no miteny izany."

25 "Hanao fanekem-pihavanana amin'ny andianondriko Aho: Hofoanako tsy ho eo amin'ny tany ny biby masiaka ka honina am-pilaminana any an-taniefitra izy ary handry any an'ala aza.

26 Avelako honina eny amin'ny manodidina ny tendrombohitra voatokana ho Ahy izy. Harotsako ara-potoana ny ranonorana ka hitondra fitahiambe izany.

27 Hamoa ny hazo eny an-tsaha ary hahavokatra ny tany; ka ny vahoakako hilamina eo amin'ny taniny. Hotapahiko ny gadra izay mampahory ny vahoakako, ka hafahako eo an-tanan'ny mpanandevo azy izy. Amin'izay hoekeny fa Izaho no TOMPO.

28 Tsy ho babon'ny hafa firenena na ho rembin'ny bibidia intsony izy, fa honina am-pilaminana, ka tsy hisy hampatahotra azy.

29 Hampaniry ny voly hiadanany Aho, ka tsy hisy olona ho ripaky ny mosary intsony eo amin'ny tany; ary tsy ho vesaran'ny latsan'ireo hafa firenena intsony izy.

30 Amin'izay dia hoeken'ny hafa firenena fa Izaho TOMPO Andriamaniny no miaraka aminy ary izy Israelita no vahoakako; teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany.

31 Ianareo no oloko, andian'ondry fiandriko, ary Izaho no Andriamanitrareo; teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany. "

Toko faha-35

1 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

2 "Ry ilay taranak'olombelona, mitodiha manatrika ny tendrombohitr'i Sehira ianao , ka mijoroa ho mpaminany ny amin'ny hamelezako azy,

3 ary ambarao aminy fa izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY: Hirotsaka an-tsehatra hamely anao Aho, ry tendrombohitra Sehira. Hanamparako ny heriko ianao, ka hataoko rava sy lao."

4 Hataoko tonga korontam-bato ireo tanananao, ry Edoma, ary ho lao ny taninao; ka amin'izay dia hoekenao fa Izaho no TOMPO.

5 Hatry ny ela no nankahalanao ny Israelita. Tamin'ny fotoana naharesy azy, fony nihoa-pampana ny heloka vitany , dia nataonao ripaky ny ady izy.

6 Noho izany, velona Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa hampihosin-dra anao Aho satria fandatsahan-dra no setry hanjohy anao. Noho ianao tsy niahotra nandatsa-dra, dia fandatsahan-dra no setry hanjohy anao.

7 Hataoko rava sy lao ianao, ry tendrombohitr'i Sehira ary haringako izay mandalo any.

8 Hofenoiko faty eny an-tendrombohitrao, ry Edoma, ary hiampatrampatra eny an-kavoananao sy eny an-dohasahanao sy eny amin'ny lalan-driakanao rehetra ireo maty an'ady.

9 Hataoko taniefitra mandrakizay ny taninao, ka tsy honenana intsony ny tanananao. Amin'izay dia hoekenao fa Izaho no TOMPO."

10 Noho ny nitenenanao hoe: Ndeha halaiko ho fananana ireo firenena roa sy tany roa, dia i Israely sy i Joda izay samy onenan'ny TOMPO",

11 dia izao no lazaiko aminao: "Velona Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa arakaraka ny herisetra sy ny fialonana ary ny fankahalana izay nasehonao tamin'ny Israelita ihany no hataoko aminao. Hampahafantariko ny Israelita ny maha Izaho Ahy, rehefa hanafay anao Aho.

12 Amin'izay dia hoekenao fa Izaho TOMPO dia efa nandre ny teny fanarabiana nataonao hoe: "Anay ny tendrombohitr'i Israely! Efa rava ireny ka nomena anay hivelomanay!"

13 Nanao teny miavonavona nankaloza Ahy ianao, ary efa reko ireo teny maro nanoheranao Ahy."

14 "Koa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Satria nifaly ny taninao manontolo, ry Edoma, dia hataoko taniefitra ho anao izy.

15 Faly ianao nahita ny zaratanin'ny vahoaka Israely tonga taniefitra, koa toy izay nanjo azy no hataoko aminao: ho taniefitra ianao, ry tendrombohitr'i Sehira, izany hoe ry Edoma manontolo. Amin'izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO. "

Toko faha-36

1 "Ary ianao, ry ilay taranak'olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao ny amin'ireo tendrombohitr'i Israely. Asaovy henoiny ny teniko,

2 fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Nihomehy anareo ny fahavalonareo nanao hoe: Akory izay! Lasa fanananay izao ireo havoana fahagolan'i Israely."""

3 Ijoroy ny maha-mpaminany anao, ry Ezekiela, ary ambarao amin'ny Israelita fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Tsapako fa ny tany manodidina dia nifofotra handrava sy nitsiriritra ireo tendrombohitr'i Israely; ka efa lasa fananan'ny firenen-kafa izy ary efa nataony oha-pitenenana sy faneso!"

4 Noho izany, ry tendrombohitr'i Israely, henoy ny teniko fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY amin'ny tendrombohitra sy ny havoana, amin'ny renirano sy ny lohasaha, ary amin'ny toerana tonga korontam-bato sy ny tanana aolo izay voaroba sy latsain'ny vahoaka manodidina.

5 Eny, izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY: "Mianiana Aho fa mirehi-pahatezerana no miteny manohitra an'ireo firenen-kafa, indrindra fa i Edoma manontolo. Fo faly tokoa sy toe-panahy mamingavinga no nakany ny taniko ho fananany mba handrobany ny kijanany."

6 Noho izany, ry Ezekiela, ijoroy ny maha-mpaminany anao ny amin'ny tanin'i Israely, ka ambarao amin'ny tendrombohitra sy ny havoana ary amin'ny renirano sy ny lohasaha fa izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY: "Indro fa tezitra sy misafoaka Aho no miteny izao noho ny latsa natambesatry ny hafa firenena taminareo.

7 Koa Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY dia manambara sy mananga-tanana mianiana fa ireny firenena manodidina anareo ireny indray kosa no ho vesaran-datsa.

8 Amin'izay fotoana izay ny hazo eny an-tendrombohitr'i Israely dia handravina sy hamoa ho anareo, ry Israela vahoakako; fa efa antomotra ny hiverenanareo any an-tanindrazanareo.

9 Eny, hitodika aminareo Aho ka hanambina anareo, ary hahatonga ny taninareo ho voaasa sy ho voavoly indray.

10 Hohamaroiko ny mponina manerana ny tanin'i Israely. Honenana indray ireo tanana satria efa voaorina ny rava.

11 Hohamaroiko ny olona sy ny biby fiompy eo aminareo ka hitombo isa sy hiteraka. Ho betsaka tahaka ny taloha ny mponina ary hataoko mandroso kokoa noho ny fahizany. Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho noTOMPO.

12 Hampivoivoy anareo ao amin'ny tany Aho, ry Israelita vahoakako. Haka azy ho fanananareo ianareo; dia ho lasanareo izy ka tsy hahalany fara anareo intsony."

13 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Tany mandripaka olona hono ianao, ry Israely, ka mahalany fara ny firenenao.

14 Ankehitriny, tsy ho tany mandripaka olona izany intsony ianao ary tsy hahalany taranaka intsony ny firenenao; teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany.

15 Tsy hataoko renareo intsony ary tsy hitambesatra aminareo intsony ny fanarabiana sy sahato ataon'ny firenen-kafa satria tsy hamono ny zanakareo ho faty intsony ny taninareo; teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany". "

16 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

17 "Ry ilay taranak'olombelona, fony mbola teo amin'ny taniny ny Israelita dia nandoto izany tamin'ny fitondrantenany sy ny asany. Eny, teo imasoko ny fitondrantenany dia naloto tahaka ny fadim-bolan'ny vehivavy.

18 Fa nolotoiny tamin'ny vonoan'olona sy ny sampiny ny taniny, hany ka natosako tamin'ny Israelita ny fahatezerako.

19 Naeliko ho any amin'ireo firenena izy ary naparitako ho any amin'ny tany samy hafa. Izany no namaizako azy araka ny fitondrantenany sy ny asany.

20 Kanefa tany amin'ireo firenen-kafa izay nalehany dia nozimbazimbainy ny anarako masina noho ny fahadisoany. Fa nolazain'ny olona hoe: Vahoakan'ny TOMPO ireo, nefa voatery nandao ny taniny!"""

21 Koa nangoraka Aho nahita ny anarako masina nozimbazimbaina tany amin'ny firenen-kafa noho ny fahadisoan'ny Israelita lasa tany.

22 Koa ambarao amin'ny Israelita fa izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY: Izay hataoko, ry Israelita, dia tsy noho ny aminareo no hanaovako azy, fa mba hanajana ny anarako masina izay nozimbazimbainareo tany amin'ny firenena izay nalehanareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9555