Ezekiela

Toko faha-28

25 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Hangoniko avy any amin'ny firenen-kafa izay nanelezako azy ny Israelita, ka hasehoko eo imason'ireo hafa firenena fa Izaho no Andriamanitra masina. Honina ao amin'ny taniny izy, dia ny tany izay efa nomeko an'i Jakoba mpanompoko."

26 Ao izy no honina am-pilaminana ka hanorina trano sy hamboly voaloboka; eny, honina am-pilaminana izy satria hampiharako famaizana ireo rehetra manodidina azy ka nanao tsinontsinona azy. Amin'izay dia hiekeny fa Izaho no TOMPO Andriamaniny. "

Toko faha-29

1 Tamin'ny taona fahafolo taorian'ny fahababoana, nony andro faha-12 tamin'ny volana fahafolo , dia nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

2 "Ry ilay taranak'olombelona, mitodiha manandrify ny Farao mpanjakan'i Ejipta ianao, ka ijoroy ny maha mpaminany anao mba hamelezana azy sy ny tany Ejipta manontolo.

3 Ambarao aminy fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Hirotsaka hamely anao Aho, ry Farao mpanjakan'i Ejipta, fa toy ny fanano goavana mamitsaka eo afovoan'ireo sakeli-dranon'i Neily ianao. Nolazainao fa anao io ony io satria ianao no namorona azy."

4 Koa hasiako farango vy ny valanoranonao sady haraikitro amin'ny kiranao ny trondro eo amin'ny oninao. Hampiakariko avy ao Neily ianao sy ireo trondro miraikitra amin'ny kiranao.

5 Hatsipiko any an-taniefitra ianao sy ireo trondro rehetra ireo. Ho faty mitsitra amin'ny tany ianao, ka tsy hisy hanangona ny taolambalonao na handevina azy. Homeko ho hanin'ny voromanidina sy ny bibidia ianao.

6 Amin'izay dia hoeken'ny mponina rehetra any Ejipta fa Izaho no TOMPO. "Ny fanampiana izay nomenao an'ireo Israelita dia marefo tahaka ny volotara.

7 Nitehina taminao izy, kanjo vaky tao an-tanany ianao, ka nandratra azy tamin'ny sorony sy nampitolefika ny tehezany.

8 Koa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Hahatonga tafika mirongo fiadiana hamely anao Aho, ka hofongorako tsy ho amin'ny taninao ny olona sy ny biby.

9 Ho tany rava sy lao i Ejipta; amin'izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO. "Nolazainao fa anao i Neily ary ianao no namorona azy.

10 Noho izany dia hirotsaka hamely anao sy ny oninao Aho. Horavako i Ejipta, hataoko lao manomboka eo an-tananan'i Migdola any avaratra ka hatrany an-tananan'i Asoana sy ny sisin-tanin'i Etiopia any atsimo.

11 Tsy misy olona na biby handia any intsony, fa ao anatin'ny efapolo taona dia tsy hahita na zava-miaina mihitsy any.

12 Hataoko tany lao dia lao i Ejipta; ary ho rava dia ho rava ireo tananany. Haharitra efapolo taona izany mba hanereko ny Ejiptianina hiely any amin'ny firenen-kafa sy hiparitaka any an-tany hafa.

13 "Kanefa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Rehefa afaka efapolo taona, dia hangoniko avy amin'ny firenen-kafa izay nielezany ny Ejiptianina.

14 Hatsahatro izay manjo ny Ejiptianina, ka haveriko any Ejipta ambony tany niaviany izy, ary hanorina fanjakana osaosa any;

15 ho osa noho ny fanjakana rehetra izy, ka tsy hisandratra ho ambonin'ny firenen-kafa intsony. Hahenako ny isany mba tsy hanjakazakany amin'ny firenen-kafa intsony.

16 Tsy ho tokin'ny Israelita intsony i Ejipta, ka tsy hampanao heloka azy hiantso vonjy any aminy. Amin'izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO. "

17 Tamin'ny taona faha-27 taorian'ny fahababoana, nony andro voalohan'ny volana voalohany , dia nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

18 "Ry ilay taranak'olombelona, nanery ny tafiny hanao ezaka lehibe hamelezana ny tananan'i Tiro i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona, hany ka efa sola avokoa ny lohan'ny miaramilany sady rotidrotika ny sorony. Nefa na izy mpanjaka na ireo miaramilany dia samy tsy nahita tombontsoa tamin'i Tiro ho setrin'ny famelezany azy.

19 Koa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: 'Hatolotro eo an-tanan'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona i Ejipta. Horobainy sy hobaboiny avokoa izay ao; ka ny hareny rehetra dia hoentiny ary hataony karaman'ny miaramilany.

20 Homeko azy ny tany Ejipta ho valin'ny asa nataony tao Tiro, satria ho Ahy no niasan'ny tafiny; teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany."

21 Rehefa tonga izany andro izany, dia ho havaoziko ny tanjaky ny Israelita. Ary ianao, ry Ezekiela, homeko fahefana hiteny eo aminy ; ka dia hoekeny fa Izaho no TOMPO.

Toko faha-30

1 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

2 "Ry ilay taranak'olombelona, ijoroy ny maha- mpaminany anao ka ambarao fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Midradradradra ny amin'ny andro ho avy ianareo!

3 Fa antomotra izy, eny, antomotra ny androm-pamaizan'ny TOMPO. Ho andro vesaran-drahona izany, ary fotoana hifamelezan'ny firenena.

4 Hiditra any Ejipta ny ady, ka hampangorohoro hatrany Etiopia izany. Hiampatrampatra ny fatin'ny Ejiptianina, ary horobaina ny hareny ka hatao rava mbamin'ny fanorenany.

5 Ny olona avy any Etiopia sy Pota ary Loda, ny olona avy any Arabia manontolo sy Libia, mbamin'ny teraky ny vahoakako aza, dia hisy ho faty an'ady.

6 Izao no lazain'ny TOMPO: Hatreo Migdola any avaratra ka hatrany Asoana any atsimo dia ho faty an'ady ireo mpiaro an'i Ejipta, ary ho fefika ny tafiny miavonavona; teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany.

7 Ho rava dia ho rava ny taniny, ary ho lao dia ho lao ny tananany.

8 Ary rehefa ho dorako amin'ny afo i Ejipta sady haringako ireo rehetra mpiaro azy, dia hoekena amin'izay fa Izaho no TOMPO.

9 Amin'izany andro handravako an'i Ejipta izany, dia hisy iraka avy amiko handeha an-tsambo hampandre ny Etiopianina; ka izy no hampatahotra sy hampangorohoro ny Etiopianina izay mitoetra tsy manahy. Eny, indro avy izany andro izany.

10 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Hampiasaiko i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona mba handringana ny mponina maro ao Ejipta."

11 Ho avy handrava io tany io izy mbamin'ny miaramilany, izay loza indrindra raha samy tafi-pirenena. Hanatsoaka sabatra hamely ny Ejiptianina ireny ka hameno faty ny tany.

12 Horitiko ny sakeli-dranon'i Neily ary hatolotro an'ireo olon-dia i Ejipta. Hasaiko simban'ny vahiny izy, ka ho faohiny mbamin'izay rehetra ao aminy. Izaho TOMPO no miteny izany.

13 "Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Ho ravako tanteraka ireo sampy sy andriamani-tsiizy an'i Memfisa. Tsy hisy mpitondra intsony any Ejipta ary hataoko manenika io tany io ny tahotra.

14 Ho simbako i Ejipta ambony, ho dorako amin'ny afo ny tananan'i Tsohana ary hampihariko ny didim-pitsarako hamelezana ny tananan'i Nao.

15 Hatosako ao Sina izay tanana mimanda miaro an'i Ejipta ny fahatezerako ary ho fongorako ny mponina maro ao Nao.

16 Ho dorako amin'ny afo i Ejipta. Hisavoritaka ny mponina ao Sina; ary hisy vaky ny mandan'i Nao ka ho safotry ny rano ilay tanana.

17 Ho faty an'ady ny tovolahin'i Ona sy i Py-Beseta , ary ny mponina sisa dia ho entina ho babo.

18 Tsy hisy andro mihiratra intsony ao Tahapanehesa rehefa ho potehiko ny herin'i Ejipta ary hatsahatro ny fireharehany. Hisy rahona mainty handrakotra ny tanana, ary ho lasan-ko babo ny mponina amin'izany faritra izany.

19 Hampihariko ny didim-pitsarako hamelezana an'i Ejipta, ka hoekena amin'izay fa Izaho no TOMPO."

20 Tamin'ny taona faha-11 taorian'ny fahababoana, nony andro fahafiton'ny volana voalohany , dia nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

21 "Ry ilay taranak'olombelona, nopotehiko ny sandrin'ny Farao mpanjakan'i Ejipta. Tsy nisy nitsabo na nanome fanafody azy, tsy nisy namehy ny feriny mba hampody ny heriny hahatan-tsabatra indray.

22 Koa Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Hirotsaka hamely ny Farao mpanjakan'i Ejipta Aho. Ny sandriny roa mihitsy no hopotehiko, tsy ilay efa potika ihany fa ilay mbola matanjaka koa, ka hataoko latsaka avy eny an-tanany ny sabany!"

23 Ary haeliko any amin'ireo firenena sy haparitako any amin'ny tany samy hafa ny Ejiptianina.

24 Homeko tanjaka ny sandrin'ny mpanjakan'i Babilona ka ny sabatro mihitsy no hapetrako eo an-tanany. Ary ny Farao, izay efa nopotehiko ny sandriny, dia ho faty mitoloko toy ny voaratra eo anoloan'ny fahavalony.

25 Eny, hiraviravy tsy hanan-kery ny sandrin'ny Farao; fa homeko tanjaka kosa ny sandrin'ny mpanjakan'i Babilona, ka ny sabatro mihitsy no hapetrako eo an-tanany sy harangarangany hamelezana an'i Ejipta. Amin'izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO.

26 Haeliko any amin'ireo firenena sy haparitako any amin'ny tany samy hafa ny Ejiptianina; ka amin'izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO. "

Toko faha-31

1 Tamin'ny taona faha-11 taorian'ny fahababoana, nony andro voalohan'ny volana fahatelo , dia nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9487