Ezekiela

Toko faha-36

23 Nefa na dia nanimbazimba Ahy teo imason'ireny aza ianareo, dia hasehoko azy kosa fa Andriamanitra lehibe sy masina Aho, ary ianareo no hampiasaiko hanehoako izany. Amin'izay dia hoeken'ireo fa Izaho no TOMPO; teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany.

24 "Fa halaiko avy any amin'ny firenen-kafa ianareo ary hangoniko avy any amin'ny tany rehetra any, dia haveriko ao an-tanindrazanareo.

25 Ho fafazako rano madio ianareo, dia hadio; eny, hodioviko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny fanompoan-tsampinareo rehetra ianareo.

26 Homeko fo vaovao ianareo ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo. Hoesoriko aminareo ny fo tsy miraika toy ny vatoka hosoloiko fo mora anarina.

27 Ny Fanahiko mihitsy no hapetrako ao anatinareo, ka hataoko manaraka ny lalanako ianareo, ary hitandrina sy hanatanteraka ny fitsipiko.

28 Dia honenanareo ny tany izay nomeko ny razanareo; ka ho vahoakako ianareo ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo.

29 Ho vonjeko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra ianareo. Tsy handefasako mosary intsony ianareo fa hampaniriako sady hataoko vokatra be ny varinareo.

30 Hataoko vokatra koa ny hazo fihinam-boa sy ny voly eny an-tsaha, ka tsy ho voalatsan'ny hafa firenena amin'ny mosary intsony ianareo.

31 Dia hotsaroanareo ny fitondrantena ratsy sy ny asa tsy mendrika nataonareo, ka hankaloiloy anareo ny helokareo sy ny zavatra maharikoriko vitanareo.

32 Nefa aoka ho fantatrareo fa tsy noho ny aminareo no hanaovako an'izany, ry Israelita; teny hentitra avy amikoTOMPO ANDRIANANAHARY izany. Koa aoka hahamenatra sy hampangaihay anareo ny fitondrantenanareo, ry Israelita!

33 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Rehefa voadioko ho afaka amin'ny helokareo rehetra ianareo, dia hamponeniko indray ao amin'ireo tanana; ka haorina indray izay efa rava."

34 Hasaina indray ny tany lava volo ka tsy hahita tany nilaozana intsony ny mpandalo.

35 Dia ho lazainy hoe: "Nanjary toy ny zaridainan'i Hedena ity ilay tany efa lava volo. Ireo tanana efa tonga korontam-bato sady foana sy rava dia voamboatra sy misy mponina indray.

36 Amin'izay dia hoeken'ireo firenena sisa tavela manodidina anareo, fa Izaho TOMPO no manorina indray ny tanana rava sy mamboly indray ny tany lava volo. Izaho TOMPO no miteny sady hahatanteraka izany."

37 "Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Havelako hiantso vonjy amiko indray ny Israelita mba hanasoavako azy; ka hohamaroiko tahaka ny andianondry ny olony.

38 Feno biby natokana hatao sorona i Jerosalema taloha rehefa tonga ny fety manetriketrika, fa biby amin'andiany no nentina tao; ary ho maro toy izany koa ny olona honina indray ao an-tanananareo izay rava ankehitriny. Amin'izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO.

Toko faha-37

1 Ary ny herin'ny TOMPO nanindry ahy; ka ny Fanahiny no nitondran'ny TOMPO ahy ary nametrahany ahy tao amin'ny lohasaha midadasika iray rakotra taolana.

2 Ary nentiny nandehandeha nanodidina an'ireo aho tao amin'izany lohasaha izany; ka indreo maro dia maro ny taolana sady maina tanteraka.

3 Dia nanontany ahy ny TOMPO hoe:-Ry ilay taranak'olombelona, moa mety ho velona indray ve ireo taola-maina ireo? Ka novaliako hoe:-Ry Tompo ANDRIANANAHARY o, Ianao irery ihany no mahalala.

4 Ary hoy indray Izy tamiko:-Ijoroy ny maha-mpaminany anao manoloana ireo taola-maina ireo ka mitenena aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin'ny TOMPO ianareo!"

5 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY aminareo: Hasiako fofonaina indray ianareo, dia ho velona.

6 Hasiako hozatra ianareo ary hampaniriko nofo sy ho saronako hoditra; dia hasiako fofonaina ianareo ka hovelona. Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO."

7 Dia nilaza ny hafatra araka izay nandidian'ny TOMPO ahy aho. Fa raha mbola nampita ilay hafatra aho, dia nisy feon-javatra nifanaretsaka: nihetsiketsika sady nifanatonkatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy.

8 Ary hitako naniry hozatra sy nofo sady nisarona hoditra izy, nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy.

9 Dia hoy ny TOMPO tamiko: "Ry ilay taranak'olombelona , ijoroy ny maha-mpaminany anao ny amin'ny fofonaina, eny, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka mitenena aminy hoe: "Ry fofonaina, mandidy anao ny TOMPO ANDRIANANAHARY mba ho tonga avy amin'ny vazan-tany efatra ianao ka hitsoka amin'ireo faty ireo mba ho velona indray izy.

10 Dia nilaza ilay hafatra araka izay nandidian'ny TOMPO ahy aho. Koa nidiran'ny fofonaina ireo faty ireo, dia velona indray. Nitsangana tamin'ny tongony izy ary nanjary tafika iray lehibe dia lehibe.

11 Ary hoy indray ny TOMPO tamiko: "Ry ilay taranak'olombelona, ireo taola-maina ireo dia sarin'ny vahoaka israelita rehetra. Fa hoy ny Israelita hoe: "Tahaka ny taola-maina izahay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay."

12 Noho izany, ijoroy ny maha-mpaminany anao ka ambarao aminy fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Ho sokafako ny fasanareo, ry vahoakako, ka hampiakariko avy any ianareo, ary haveriko ao Israely tanindrazanareo.

13 Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO, rehefa voasokatro ny fasanareo, ry vahoakako, ka hampiakariko avy ao ianareo;

14 ary hapetrako ao anatinareo ny Fanahiko dia ho velona ianareo ka hamponeniko indray ao an-tanindrazanareo. Eny, amin'izay dia hoekenareo fa IzahoTOMPO no nampanantena sady nahatanteraka izany; teny hentitra avy amiko TOMPO izany".

15 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

16 Ianao, ry ilay taranak'olombelona, maka tapa-kazo iray ka asio soratra hoe: I Joda sy ny Israelita amin'io fanjakana io." Avy eo, maka tapa-kazo iray hafa ka asio soratra hoe: "I Josefa (na Efraima) sy ny Israelita amin'io fanjakana io.

17 Ampifanatony hifanohy ireo tapa-kazo anankiroa ireo mba hanjary tapa-kazo iray ihany eo an-tananao.

18 Hangataka ny hanazavanao izany ireo mpiray firenena aminao;

19 ka hambaranao aminy fa izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY: Halaiko ny tapa-kazo iray izay mampiseho an'i Josefa sy ny Israelita ao aminy mba hatohiko amin'ilay mampiseho ny fanjakan'i Joda, dia hatambatro ho tapa-kazo iray izy roa ka hanjary iray ihany eo an-tanako.

20 "Ary ianao, ry Ezekiela, dia hitazona tsara eny an-tananao ireo tapa-kazo izay nasianao soratra mba ho hitan'ny besinimaro.

21 Ary ambarao aminy fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Ry Israelita, halaiko eo anivon'ny firenena izay nalehanareo ianareo, hangoniko avy any rehetra any ka haveriko ao an-tanindrazanareo.

22 Ao no hamoriako anareo ho firenena iray eny an-tendrombohitr'i Israely. Ary mpanjaka iray ihany no hanjaka aminareo rehetra, ka tsy ho firenena roa intsony ianareo sady tsy hivaky ho fanjakana roa intsony.

23 Tsy handoto tena amin'ny fanompoan-tsampy intsony ianareo na amin'ny fanaovana zava-mahatsiravina na amin'ny fahadisoana hafa rehetra. Fa hafahako amin'ny fikomiana rehetra izay nanotanareo tamiko ianareo. Hodioviko ianareo, ka dia ho vahoakako ary Izaho ho Andriamanitrareo.

24 I Davida mpanompoko no ho mpanjakanareo ka izy irery ihany no ho mpiandry anareo rehetra. Dia hanaraka ny fitsipiko ianareo sady hitandrina ny lalanako sy hanatanteraka ireny.

25 Ary honenanareo ny tany izay nomeko an'i Jakoba mpanompoko sady efa nonenan'ireo razanareo. Ao no honenanareo hatrany, dia ny tenanareo sy ny zanakareo mbamin'ny taranakareo; ary i Davida mpanompoko no ho printsy filohanareo mandrakizay.

26 Hanao fanekem-pihavanana aminareo Aho, dia fanekem-pihavanana haharitra mandrakizay. Hataoko miorim-ponenana eo ianareo ka hampitomboiko ny mponina ao aminareo; ary hampitoeriko eo anivonareo mandrakizay ny tempoliko.

27 Hiara-monina aminareo Aho, ka Izaho ho Andriamanitrareo ary ianareo kosa ho vahoakako.

28 Amin'izay dia hoeken'ireo hafa firenena fa Izaho no TOMPO, Izay manokana an'i Israely hanompo Ahy rehefa tafaorina eo anivonareo mandrakizay ny tempoliko. "

Toko faha-38

1 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

2 "Ry ilay taranak'olombelona, mitodiha manandrify an'i Goga, filoha faratampon'ny vahoakan'i Meseka sy i Tobala, any amin'ny tanin'i Magoga , ka ijoroy ny maha-mpaminany anao manoloana azy.

3 Ambarao aminy fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Hirotsaka an-tsehatra hamely anao Aho, ry Goga filoha faratampon'ny vahoakan'i Meseka sy i Tobala.

4 Hasiako farango vy eo amin'ny valanoranonao mba hitarihako anao an-keriny. Hotereko hivoaka ny taninao ianao sy ny tafikao manontolo, dia ny soavaly sy ny mpitaingina azy samy mareva-pitafiana mbamin'ny miaramila marobe samy mirongo ampinga sy sabatra.

5 Hiaraka aminao ny miaramilan'i Persia sy i Etiopia ary i Poto , samy mirongo ampinga sy fiarovan-doha avokoa;

6 toy izany koa ny antoko miaramila rehetra avy any Gomerasy avy any Bety-Togarma any am-parany avaratra mbamin'ny vatan-dehilahy avy amin'ny firenena maro hafa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9406