Ezekiela
Toko faha-31
2 Ry ilay taranak'olombelona, lazao amin'ny Farao mpanjakan'i Ejipta sy amin'ireo vahoaka maro izay feheziny hoe: Inona no azo anoharana anao fa lehibe tokoa ianao, ry Farao?3 Indro ianao tahaka ny sederan'i Libano izay misy rantsana mahafinaritra sady misandrahaka manalokaloka, dia sedera iray nisandratra avo ka mitehi-drahona ny tendrony.
4 Ny ranonorana no nahalehibe azy; ny ranobe ao ambany tany no nampitombo azy, satria namonto ony nanodidina ny fakany, vao nikoriana tamin'ny lakan-drano hankamin'ny hazo hafa rehetra any an-tsaha.
5 Izany no nisandratany ho avo be noho ny hazo rehetra any an-tsaha. Nihamaro ny sampan'ilay sedera sady nisandrahaka ny rantsany, satria ny ranobe any ambany any no nanesika azy hamoaka tsimoka.
6 Teo amin'ny sampany no nanao akany, ny voro-manidina isan-karazany; teo ambanin'ny rantsany no niterahan'ny bibidia rehetra; ary teo ambanin'ny alokalony no nipetrahan'ny firenena marobe.
7 Hazo goavana mahafinaritra izy, sady misandrahaka ny rantsany, satria hatrany amin'ny ranobe ambany any no nilentehan'ny fakany.
8 Tsy nisy sedera nitovy aminy tao an-jaridainan'Andriamanitra ; tsy nisy kipreso tsara sampana tahaka azy; tsy nisy platana mba nanan-drantsana toa azy; tsy nisy hazo nitovy hatsara aminy tao an-jaridainan'Andriamanitra.
9 Nataoko tsara tarehy izy noho ny habetsahan'ny rantsany; ka dia nialona azy ny hazo rehetra tao Hedena, zaridainan'Andriamanitra. "
10 "Koa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Nisandratra avo ilay sedera ka nitehi-drahona ny tendrony, dia nihaniavonavona ny fony.
11 Izany no hanolorako azy eo an-tanan'ny filohan'ireo firenena mba hamaliany azy araka ny faharatsiany.
12 Nokapain'ireo vahiny faran'izay masiaka amin'ireo firenena izy, dia nilaozany. Teny an-tendrombohitra sy teny an-dohasaha rehetra no nianjeran'ny sampany; ary teny amin'ny lalan-driaka rehetra amin'ny tany no nahatapatapaka ny rantsany. Ka ny sarambabembahoaka rehetra izay nipetraka teo ambany alokalony dia voatery niala sy nandositra.
13 Nipetraka teo amin'ny vatany nianjera ny voromanidina isan-karazany, ary nisitrika tanaty rantsany ny bibidia rehetra.
14 Izany no nataoko dia mba tsy hisy intsony hazo tsara tondraka sy vonton-drano, izay ho avo mijoalajoala ka hitehi-drahona ny tendrony, ary hiavonavona noho ny haavony. Fa ny hazo rehetra dia toy ny olona ka natao ho faty sy hankany ambanin'ny tany eo akaikin'ireo efa tafidina any.
15 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY : Tamin'ny andro izay nidinan'ilay sedera tany amin'ny toeran'ny maty, dia nataoko nisaona azy ny ranobe ao ambany tany. Noho ilay sedera no nanampenako ny renirano avy amin'ny ranobe ary nampijanonako azy tsy hikoriana amin'ny sakeliny. Nataoko nalahelo azy ny tendrombohitr'i Libano ary izany no nampalazo ny hazo rehetra teny an-tsaha."
16 Rehefa nataoko izay hianjeran'io hazo io mba hidinany any amin'ny toeran'ny maty ho tafaraka amin'ireo efa tafidina any, dia nampihorohoroiko ireo firenena nony nandre ny fianjerany. Fa tany ambanin'ny tany kosa dia samy afa-po avokoa ireo hazon'i Hedena, dia ireo hazo voafantina sady soa indrindra ary vonton-drano tao Libano.
17 Fa ireo hazo ireo dia nidina niaraka tamin'ilay sedera ho any amin'ny toeran'ny maty eo akaikin'izay maty an'ady; satria ireo no hery manohana ilay sedera sy nivelona tambanin'ny alokalony teo anivon'ny firenen-tsamihafa.
18 Tsy nisy hazon'i Hedena nitovy famirapiratana sy fahalehibiazana taminao. Kanefa hazera any ambanin'ny tany miaraka amin'ireny hazon'i Hedena ireny ianao, ka hiampatra eo anivon'ireo olona tsy voafora izay maty an'ady. Izany no ho anjaran'ny Farao sy ny mponina marobe rehetra any Ejipta; teny hentitra avy amikoTOMPO ANDRIANANAHARY izany.
Toko faha-32
1 Tamin'ny taona faha-12 taorian'ny fahababoana, nony andro voalohan'ny volana faha-12 dia nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:2 Ry ilay taranak'olombelona, hirao ity hira fisaonana ny amin'ny Farao mpanjakan'i Ejipta ity ka ambarao aminy hoe: Tahaka ny liona tanora ianao teo anivon'ireo firenena. Nefa toy ny fanano ao anaty ranobe koa ianao ka nikofokofoka teny amin'ny oninao; nakobankobanao tamin'ny tongotrao ny rano ka izany no nandotoanao ny fikorianany.
3 "Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Rehefa tafangona ny firenena maro, dia hosaronako harato ianao, ka hakarin'ireo ho eny amoron-drano amin'io haratoko io.
4 Hatsipitsipiko eny an-tanety ary hazerazerako eny an-tsaha ianao, dia hampitangoronako ny voromanidina isan-karazany ianao ary homeko hivokisan'ny bibidia rehetra amin'ny tany.
5 Ary ny nofonao sisa dia haeliko eny an-tendrombohitra sy hamenoako ny lohasaha.
6 Hampisotroiko ny ranao ny tany, ka ho rakotra azy ny tendrombohitra ary ho feno azy ny lalan-driaka.
7 Rehefa maty ianao, dia ho hamaiziniko ny lanitra, ho saronako ny fahazavan'ny kintana, ho takonako rahona ny masoandro ary tsy hamirapiratra intsony ny hazavan'ny volana.
8 Noho ny aminao, dia hosaronako ny fahazavana rehetra eny an-danitra, ary horakofako haizina ny taninao; teny hentitra avy amikoTOMPO ANDRIANANAHARY izany.
9 Hataoko mitebiteby ny fon'ny firenena maro, hatrany amin'ny tany izay tsy fantatrao akory aza, rehefa hampandrenesiko azy ny faharavanao.
10 Ho talanjona ireo firenena maro ireo noho ny namelezako anao. Hipararetra noho ny aminao ny mpanjakany, rehefa harangarangako eny ambony lohany ny sabatro. Amin'ny andro haharavanao dia hangovitra tsy an-kitsahatra izy fa samy manahy momba ny ainy.
11 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY : Hibosesika ao aminao ny tafiky ny mpanjakan'i Babilona."
12 Ireo miaramila masiaka indrindra amin'ny samy tafi-pirenena no halefako hamono ho faty ireo vahoakanao marobe. Horavany i Ejipta fatra-pirehareha ka ho fongotra ny vahoakany marobe rehetra.
13 Haringako ny biby fiompy rehetra izay anananao eny amoron'i Neily, ary tsy hisy tongotr'olona na kitrom-biby fiompy hanakobana sy handoto intsony ny rano.
14 Hampandriko ho tony izy ka hikoriana milamina toy ny diloilo; teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany.
15 Hovako ho tany ngazana i Ejipta, ka ny zavatra nameno azy dia ho fongorako tsy hisy intsony ary haringako ny mponina rehetra ao aminy. Amin'izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO.'
16 Izany no hira fisaonana hohirain'ny vehivavin'ny firenen-drehetra ny amin'i Ejipta sy ny vahoakany marobe rehetra; teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany.
17 Tamin'ny taona faha-12 taorian'ny fahababoana, nony andro faha-15 tanatin'ny volana faha-12 , dia nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:
18 "Ry ilay taranak'olombelona, mitolokia ny amin'ny vahoaka maroben'i Ejipta. Izany no ampidino azy miaraka amin'ireo mponin'ny firenen-kafa ho any ambanin'ny tany, izay toerana fidinan'ny maty.
19 Lazao azy hoe: Heverinareo angaha fa hanaovana fitondrana manokana noho ny hafa ianareo? Midina ianareo hiampatra miaraka amin'ireo tsy voafora hafa izay maty an'ady.
20 Fa ny Ejiptianina dia ho faty eo an-tany fiadiana. Efa voatsoaka ny sabatra; aoka izy handripaka ny tafika ejiptianina manontolo.
21 Any amin'ny toeran'ny maty ireo mpiady maherifo sy ireo mpanampy an'i Ejipta taloha dia hihorakoraka hoe: Midina hiampatra miaraka amintsika aty koa ireo tsy voafora maty an'ady ireo!"""
22 "Any koa no tafangona ny tafika asirianina manontolo sady voahodidin'ny fasany; samy voatrabaka sy maty an'ady avokoa izy rehetra.
23 Sehatra lalina indrindra amin'ny toeran'ny maty no misy ny fasany. Samy maty an'ady avokoa izy rehetra, dia ireo izay nampihorohoro taloha teny amin'ny tanin'ny velona.
24 Any koa no tafangona ny tafika helamita manontolo sady voahodidin'ny fasany; samy voatrabaka sy maty an'ady avokoa izy rehetra. Ireo tsy voafora ireo, izay nampihorohoro taloha teny amin'ny tanin'ny velona, dia naidina any ambanin'ny tany. Izao izy rakotry ny henatra miaraka amin'ireo efa tafidina any."
25 Teo anivon'ireo maty no nanomezana fandriana ho an'ny tafika helamita manontolo izay voahodidin'ny fasany. Olona tsy voafora izy rehetra ireo sady maty an'ady. Nampihorohoro taloha teny amin'ny tanin'ny velona izy, kanjo indreo fa miampatra rakotry ny henatra miaraka amin'ireo efa tafidina any an-davaka ambany any sady voapetraka eo anivon'ireo maty.
26 "Any koa ny terak'i Meseka sy i Tobala , dia ny tafiny manontolo voahodidin'ny fasany. Olona tsy voafora izy rehetra ireo sady maty an'ady, satria nampihorohoro taloha teny amin'ny tanin'ny velona!
27 Ireo tsy voafora ireo dia tsy mba nalevina niaraka tamin'ireo mpiady maherifo maty fahiny; ireto maherifo ireto, na dia nampihorohoro teny amin'ny tanin'ny velona aza, dia naidina tany amin'ny toeran'ny maty niaraka tamin'ny fitaovam-piadiany, ka ny sabany natao teo ambany lohany ary ny ampingany napetraka teo ambonin'ny vatany.
28 Ianareo Ejiptianina koa izao dia haripaka ary hiara-miampatra amin'ireo tsy voafora maty an'ady.
29 Any koa ny terak'i Edoma mbamin'ireo mpanjakany sy ireo rehetra mpifehy azy. Na dia nahery fo aza izy, dia atao tahaka ireo maty an'ady hafa rehetra, ka hiampatra any an-davaka ambany any miaraka amin'ireo rehetra tsy voafora izay tafidina any."
30 "Any koa ireo rehetra mpitondra ny vahoaka any avaratra mbamin'ireo Tsidonianina rehetra izay nidina ho any amin'ny maty. Nahery fo tokoa ireny ary nampihorohoro, fa ankehitriny ireny tsy voafora ireny dia miampatra rakotry ny henatra, miaraka amin'ireo hafa rehetra maty an'ady. Mitondra fahafaham-baraka izy miaraka amin'ireo rehetra tafidina any an-davaka ambany any.
31 Raha mahita ireo mpiady rehetra ireo any ny Farao, dia hionona ny amin'izay manjo ny tafiny manontolo; fa ny tenany dia ho faty an'ady koa miaraka amin'ny miaramilany rehetra; teny hentitra avy amikoTOMPO ANDRIANANAHARY izany."
32 Navelako hampihorohoro teny amin'ny tanin'ny velona ny Farao, fa ankehitriny kosa izy mbamin'ny tafiny manontolo dia halevina miaraka amin'ireo tsy voafora maty an'ady; teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany."
Toko faha-33
1 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe: