Ezekiela

Toko faha-27

11 Vatan-dehilahy avy any Arvada no niambina ny mandanao niaraka tamin'ny miaramilanao, ary olona avy any Gamada no niaro ny tilikambonao. Nanantona ny ampingany teny amin'ny manda manodidina anao izy. Ireo rehetra ireo no nahatonga anao ho tsara tarehy fatratra'. "

12 "Ny olon'i Tarsisy no nifanao varotra taminao momba ny harena zavon-tany isan-karazany. Volafotsy sy vy sy vifotsy ary firaka no natolony ho takalon'ny entanao.

13 Ny olona avy any Gresy sy Tobala ary Meseka ihany koa dia nifanao varotra taminao, ka olona sy fanaka halimo no natolony ho takalon'ny entanao.

14 Ny terak'i Bety-Togarma no nanolotra ny soavaly hoenti-miasa sy ny soavaly ho enti-miady ary ny boriky ho takalon'ny entanao.

15 Nifandray ara-barotra taminao koa ny olona avy ao Dedana. Nitatra tamin'ireo nosy maro ny tsenam-barotrao, ka tandroka ivoara sy hazo mainty no natakalony ny entanao.

16 Nividy entana betsaka taminao koa ny Edomita , ka vato emeralda sy lamba miloko volomparasy, lamba vita peta-kofehy sy rongony fotsy madinika ary koa akorandriaka sy vato robisy no natolony ho takalony.

17 Nifandray ara-barotra taminao koa ny vahoakan'i Joda sy i Israely ka varimbazaha avy any Minita sy ampemba sy tantely sy diloilo ary balsama no natolony ho takalon'ny entanao.

18 Ny mponin'i Damasy dia nifanao varotra taminao momba ny taozavatrao sy ny harenao zavon-tany isan-karazany. Divay avy any Helbona sy volonondry avy any Tsahara no nataony takalony.

19 Avy ao an-tananan'i Ozala ny mponin'i Vedana sy i Javana no manolotra ny vy voatefy sy ny kanela ary ny veromanitra ho takalon'ny entanao.

20 Ny olona avy any Dedana kosa nifandray ara-barotra taminao ka nitondra lamba fandrakofan-tsoavaly.

21 I Arabia sy ireo mpitondra rehetra any Kedara dia nifanao varotra taminao. Zanak'ondry sy ondrilahy ary osilahy no natakalony ny entanao.

22 Ny mpivarotra avy any Sabasy Rahema ihany koa dia nifandray ara-barotra taminao ka zava-manitra ambony karazana sy vatosoa ary volamena no natolony ho takalon'ny entanao.

23 Ny ao an-tananan'i Harana sy i Kane ary i Hedena koa dia nifandray ara-barotra taminao toy ireo mpivarotra avy any Saba mbamin'ireo tananan'i Asora sy i Kilmady.

24 Nivarotra fitafiana mihaja taminao izy, ka entiny eny an-tsenanao ny fitafiana miloko volomparasy sy ny lamba vita peta-kofehy, karipetra misoratsoratra ary tady voarandrana mafy.

25 Ireo sambo vaventy no mpitatitra ny entam-barotrao. Toa sambo feno entana ianao ka navesatra dia navesatra, teny anivon'ny ranomasina.

26 Nentin'ireo mpivoinao teny amin'ny ranobe ianao ka ny rivotra avy any atsinanana no nahavaky anao teny anivon'ny ranomasina.

27 Ny fanananao sy ny vokatrao mbamin'ny entam-barotrao rehetra, ny tantsambonao sy ny mpanampy azy,ireo mpanamboatra ny simba amin'ny vatan-tsambonao, ireo mpivarotra mpanondrana entana, ny miaramila rehetra niasa tao aminao, ary ny vahoaka rehetra nandeha taminao,dia samy nilentika any an-dranomasina tamin'ny andro naharendrika anao.

28 Noho ny fidradradradran'ireo tantsambonao dia mangovitra ny mponina amoron-tsiraka.

29 Miala ny sambony avy ireo mpivoy rehetra sy ireo tantsambo rehetra eny an-dranomasina ka samy maka toerana eny an-tanety.

30 Heno migogogogo noho ny manjo anao izy, sady manao fidradradradrana mafy. Mandraraka vovoka amin'ny lohany izy,ary mihosinkosina amin'ny lavenona.

31 Manaratra loha sady mitafy gony noho ny aminao izy, ka mitomany anao fa mangidy ny manjo ary mangidy ny fisaonany.

32 Tamin'alahelo no niventesany hiram-palahelovana ny aminao, dia hiram-pisaonana manao hoe: Iza no tahaka an'i Tiro izay tonga mangina ankehitriny eo anivon'ny ranomasina?

33 Rehefa tonga avy any an-dranomasina any ianao ka nampidinina ny entam-barotrao, dia firenena maro no voavatsy tamin'izany. Ny habetsahan'ny harenao aman'entanao no nampanan-karena ireo mpanjakan'ny tany.

34 Ankehitriny novakin'ny onjan-dranomasina ianao ary tafalentika ao anaty rano lalimbe. Ny entanao sy ny vahoaka rehetra nandeha taminao dia niaraka rendrika taminao avokoa.

35 Nalahelo mafy ny aminao ny mponina rehetra amoron-tsiraka; raiki-tahotra ny mpanjakany ka tonga hatsatra ny endriny.

36 Ny mpivarotry ny firenen-kafa dia misiotsioka talanjona ny aminao, satria tonga fampitahorana ianao, sady tsy hisy intsony mandrakizay. "

Toko faha-28

1 Nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

2 "Ry ilay taranak'olombelona, ambarao amin'ny mpanjakan'i Tiro fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: 'Fo miavonavona no nilazanao ny tenanao ho andriamanitra sady mipetraka amina sezafiandrianana mendrika an'ireo andriamanitra, dia sezafiandrianana eo anivon-dranomasina. Nihevi-tena ho mitovy amin'ireo andriamanitra ianao nefa olombelona ihany fa tsy andriamanitra akory.

3 Nihambo ho hendry noho i Daniela ianao ka afaka mamantatra na dia ny zavatra miafina indrindra aza.

4 Nahazo harena ianao noho ny fahendrenao sy ny fahiratan-tsainao, ka nanangona raki-tsarobidy toy ny volamena sy ny volafotsy.

5 Nanangona tombom-barotra ianao noho ny fahaizanao ara-barotra; ary izany harena izany no niavonavonan'ny fonao."

6 "Koa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: 'Nihevi-tena ho mitovy amin'ireo andriamanitra ianao.

7 Koa indro hitondrako vahiny hamely anao, dia izay lozabe indrindra amin'ny hafa firenena; ka hopotipotehiny amin'ny sabatra izay zava-tsoan'ny fahendrenao ary hozimbazimbainy ny fiandriananao.

8 Havariny any an-davaka ianao, ka ho faty vokatry ny famonoana an-keriny anao eo anivon'ny ranomasina.

9 Mbola sahy hihambo ho andriamanitra ve ianao eo anatrehan'izay hamono hahafaty anao? Olombelona ihany ianao fa tsy andriamanitra, rehefa mby eo an-tanan'izay hamono hahafaty anao!

10 Fahafatesana mahafa-baraka toy ny an'ny olona tsy voafora no hahafaty anao eo an-tanan'ny vahiny. Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY no manambara; teny hentitra avy amiko izany'. "

11 Dia nisy indray tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

12 Ry ilay taranak'olombelona, manaova hira fisaonana ny amin'ny mpanjakan'i Tiro. Ambarao aminy fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Modely tonga lafatra ianao satria feno fahendrena sady tsara tarehy aoka izany.

13 Tao Hedena, zaridainan'Andriamanitra, no niainanao, dia ilay Hedena voahodidina tamboho rakotry ny vatosoa isan-karazany: robisy, topaza,diamondra, krizolita, berila, jaspa, safira,robina, emeralda. Firavaka sy haingo volamena voaomana hatramin'ny andro nahariana anao no nentinao.

14 Napetrako teo anilanao ny kerobima iray mpiaro goavana be ; dia niaina teo amin'ilay tendrombohitra voatokana ho an'Andriamanitra ianao ary nandehandeha teo anivon'ny vato manjelanjelatra.

15 Tsy nisy hokianina ny fitondrantenanao hatramin'ny andro nahariana anao ka mandra-pisehon'ny ratsy teo aminao.

16 Ny fandrosoan'ny varotrao no nampihanaka ny herisetra teo anivonao sy nampanota anao. Koa dia aetriko ho sarambabembahoaka ianao ary roahiko tsy ho eo amin'ilay tendrombohitr'Andriamanitra. Ny kerobima mpiaro no mandroaka anao lavitr'ireo vato manjelanjelatrao.

17 Ny hatsaran-tarehinao no nampiavonavona ny fonao,ary ny fahombiazanao mamirapiratra no nahasimba ny fahendrenao. Dia azerako amin'ny tany ianao ary atolotro hampitalanjona ireo mpanjaka.

18 Maro tokoa ny helokao satria tsifahamarinana no nitondranao ny varotrao ka voazimbazimbanao ireo toeram-pivavahanao. Izany no andrehetako afo ao an-tanananao handevona anao. Izay rehetra hijery anao dia hahita fa hataoko tonga lavenona ianao eto an-tany.

19 Ny firenena rehetra izay mahalala anao dia ho gaga ny aminao, satria ho tonga fampitahorana ianao, sady tsy hisy intsony mandrakizay'. "

20 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

21 "Ry ilay taranak'olombelona, mitodiha manandrify ny tanana Tsidona , ary ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hamelezako azy.

22 Ambarao aminy fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: 'Hirotsaka hamely anao Aho, ry Tsidona, ary homem-boninahitra eo afovoanao. Amin'izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO, rehefa hampihariko aminao ny didim-pitsarako ary hasehoko eo aminao ny maha Andriamanitra masina Ahy.

23 Halefako hamely anao ny areti-mandringana, ary handriaka eny an-dalambenao ny ra. Hananganana ady hatraiza hatraiza ianao, ka hiampatrampatra ao aminao ny fatin'ny mponina. Amin'izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO'. "

24 "Ireo firenena manodidina an'i Israely dia tsy hisy hanao tsinontsinona azy intsony. Tsy hamelively azy intsony ireo ka moa va tsy roy manindrona na tsilo mandrangotra. Amin'izay dia hoekena fa Izaho noTOMPO.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9747