Ezekiela
Toko faha-24
26 Amin'izany andro izany dia hisy olona iray handositra ka ho avy hampandre anao ny vaovao.27 Androtr'iny ihany dia hisoka-bava hiteny ianao, fa tsy ho moana intsony , ka hiresaka amin'io olona io. Ho famantaram-panairana ianao ho an'ny vahoakako, ka amin'izay dia hoekeny fa Izaho noTOMPO. "
Toko faha-25
1 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:2 "Ry ilay taranak'olombelona, mitodiha amin'ny Hamonita ary mijoroa ho mpaminany ny amin'ny hamelezana azy.
3 Asaovy mihaino izy fa izao no teny lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY aminy: Nihomehy ianareo fony nozimbazimbaina ny toerako masina ary nosimbana ny tanin'i Israely sady nentina ho babo ny olon'i Joda."
4 Noho izany, havelako halain'ireo mpifindrafindra monina avy any atsinanana ny taninareo : Hanorina toby eo amin'ny taninareo izy ka hamelatra ny lainy eo. Ireny no hihinana ny voankazo sy hisotro ny ronono izay anareo.
5 Hatao tonga fiandrasana rameva i Raba renivohitrareo,ary hanjary valan'ondry ny tany hamonita manontolo. Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO."
6 "Eny, izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: 'Nitehaka sy nitsinjaka ary nifaly tokoa ianareo tamin'ny loza nanjo an'i Israely. Izany no nanaovanareo tsinontsinona ny vahoakako.
7 Koa haneho ny heriko hamelezana anareo Aho, ary hanolotra anareo amin'ny firenen-kafa izay handroba anareo tanteraka. Hofoanako tsy ho firenena intsony ianareo, tsy hanan-tany intsony fa haringako tanteraka. Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO'. "
8 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Nilaza ny Moabita fa efa tonga tahaka ny firenena hafa rehetra izao i Joda.
9 Koa hasaiko tafihina ireo tanan-dehibe miaro ny fidirana any Moaba, hifanesy ho rava ireo tanana tsara indrindra toa an'i Bety-Jesimota sy i Bahala-Mehona ary i Kiriataima.
10 Ireo mpifindrafindra monina avy any atsinanana dia havelako haka an'i Moaba ankoatra izay nakany ny tanin'ireo Hamonita, ka tsy hahatsiarovana intsony ireo Hamonita any amin'ny firenen-kafa.
11 Hotanterahiko ny famaizana ny Moabita; amin'izay dia hoekeny fa Izaho no TOMPO."
12 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Nanao valifaty mahatsiravina tamin'ny vahoakan'i Joda ny Edomita, ary izany no mahameloka azy.
13 Koa Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY dia manambara fa haneho ny heriko hamelezana an'i Edoma. Haringako ny olona sy ny biby fiompy amin'io tany io; ary hataoko lao izy, manomboka eo an-tananan'i Temana ka hatrany Dedanao , ka ho faty an'ady ny mponina ao aminy.
14 Hankiniko amin'i Israely vahoakako ny famaizako an'ireo Edomita. Koa araka izay takin'ny fahatezerako amam-pahavinirako no hatao aminy mba hahatsapany ny ngidim-pamaizako.Teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany."
15 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Valifaty no nafitsoky ny Filistinina, dia valifaty mahatsiravina vokatry ny fanaovana tsinontsinona ireo ankahalainy hatry ny ela ka nahatonga azy handringana ireny.
16 Koa Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY dia manambara aminy fa haneho ny heriko hamelezana azy. Haringako ny Keretita ary horavako ny olon-kafa sisa izay namany mipetraka amin'iny moron-dranomasina iny.
17 Famaizana mangotraka no famaliana mahatsiravina hamelezako azy; ka rehefa hampihariko aminy tokoa izany, dia hoekeny fa Izaho no TOMPO."
Toko faha-26
1 Tamin'ny taona faha-11 taorian'ny fahababoana, nony andro voalohan'ny volana , dia nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:2 "Ry ilay taranak'olombelona, nandatsa an'i Jerosalema ny mponin'i Tiro ka manao hoe: 'Hia! Sakoa izay! Potika ilay tanana fandalovan'ny olona rehetra! Isika indray izao no hangoron-karena satria rava i Jerosalema!'
3 Koa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: 'Hirotsaka hamely anao Aho, ry tananan'i Tiro. Hasaiko manafika anao ny firenena maro, ka hifanesy hiady aminao tahaka ny onjan-dranomasina.
4 Horavany ny mandanao, ary harodany ny tilikambonao. Hofafako hatramin'ny vovotaninao ka vatolampy mangadihady no sisa havelako;
5 dia ho toerana fanahazan'ireo mpanarato ny haratony eny afovoan-dranomasina izany. IzahoTOMPO ANDRIANANAHARY no manambara; teny hentitra avy amiko izany. Fa ho avy ny firenen-kafa handroba anao, ry Tiro,
6 sy handringana amin'ny sabatra ireo tanana kely mifanila aminao eny amoron-tsiraka eny. Amin'izay dia hoekenao fa Izaho no TOMPO.
7 Izao koa no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY aminao: 'Hoentiko avy any avaratra hamely anao, ry Tiro, ny mpanjaka mahery indrindra, dia i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona. Ho avy hanafika anao izy, miaraka amin'ny soavaly sy kalesy ary mpitaingin-tsoavaly mbamin'ny miaramila betsaka navoriny."
8 Haringany amin'ny sabatra ireo tanana kely mifanila aminao eny amoron-tsiraka. Hamelezana anao dia handavaka hady sy hanangana tovon-tany ireo fahavalonao sady hampijoro rindrin'ampinga hiarovan-tena.
9 Homontsaniny amin'ny kanonta be ny mandanao, ary horavany amin'ny lapika ny tilikambonao.
10 Ho rakotry ny vovoka indaosin'ny soavaly betsaka ianao, ary hihovitrovitra ny mandanao noho ny firodorodon'ny mpitaingin-tsoavaly sy ny fingodongodon'ny kodiaran-kalesy. Tahaka ny ibosesehana eo amin'ny manda voabanga no hidiran'ny fahavalo eo amin'ny vavahadinao.
11 Ny kitron-tsoavaliny no hanitsakitsahany ny lalambenao rehetra; ny mponinao hovonoiny ho faty amin'ny sabatra ary ireo andrim-batonao hazerany amin'ny tany.
12 Hangalariny ireo harenao ary horobainy ireo tahirin'entanao. Harodany ny mandanao,ho ravany ny tranonao tsara tarehy; ka ny vato sy ny hazo ary ny ampiantany tamin'ireny kosa dia hariany any an-dranomasina.
13 Hatsahatro ny tabataban-kiranao, ary tsy ho re intsony ny feon-dokanganao.
14 Vatolampy mangadihady sisa no havelako ao aminao mba hanahazan'ny mpanarato ny haratony, ka tsy harenina intsony ny tanananao. Izaho TOMPO no manambara; teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany.'
15 "Izao koa no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY amin'ny tananan'i Tiro: 'Ny mponina any amoron-tsiraka lavitra any dia hangovitra raha mandre ny firodanao sy ny tolokon'ireo naratra tamin'ny fandringanana tao anatinao.
16 Hidina hiala amin'ny seza fiandrianany ny andriana rehetra mifehy ireo vahoaka any amoron-tsiraka any, ka hanaisotra ny fitafiany sy ireo akanjony mirenty. Ho raiki-tahotra sy hipetraka amin'ny tany izy ka tsy hitsaha-mangovitra,satria ory loatra noho ny manjo anao.
17 Ary hihira izao hira fisaonana izao ny aminao izy hoe: Indrisy! Rava tokoa ilay tanana malaza, fongotra teo an-dranomasina izy. Nahery teo an-dranomasina izy sy ny mponiny ka nampihorohoro ny besinimaro.
18 Ankehitriny kosa ny mponina amoron-tsiraka dia mangovitra noho ny andro nirodanany; ary ny mponin'ny nosy any an-dranomasina dia varahontsana noho ny nanjavonany.'
19 Fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: 'Hataoko tahaka ireo tanana rava tsy misy mponina ianao. Hampiakariko avy any amin'ny lalina ny ranobe hanafotra anao."
20 Hampidiniko any an-davaka misy ireo maty hatrizay ianao. Hamponeniko any ambanin'ny tany tahaka ireo sisan-drava fahagola ianao miaraka amin'ireo maty talohanao. Tsy ho afa-miakatra intsony ianao, ary tsy hanan-toerana eo amin'ny tanin'ny velona intsony.
21 Ho raiki-tahotra ny olona rehetra noho ny nanjoanao satria tsy ho eo intsony ianao. Hokarohina ny sisa momba anao, nefa tsy hisy hahita anao intsony na oviana na oviana; teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany'. "
Toko faha-27
1 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:2 "Ry ilay taranak'olombelona, manaova ianao hira fisaonana ny amin'ny tananan'i Tiro,
3 izay miorina eo amin'ny vava-ranomasina, ary manao varotra amin'ny firenena maro eny amoron-dranomasina. Ambarao aminy fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: 'Ry Tiro o, Ianao dia nilaza ny tenanao ho sambo tsara tarehy fatratra!
4 Eny anivon-dranomasina ny faritaninao,ary nataon'ireo mpandrafitra anao ho tsara tarehy fatratra ianao.
5 Hazo kipreso avy any Senira no nanamboarany manontolo ny vatan-tsambonao; hazo sedera avy any Libano no nalainy hanaovana ny andrin-tsambonao.
6 Hazo oaka avy any Basana no nanaovany ny fivoin-tsambonao. Hazo sedera avy any amin'ny nosy Kitima izay nasiana sisika ivoara no nanamboarany ny tokotanin-tsambonao.
7 Rongony madinika misoratsoratra avy any Ejipta no natao lain-tsambonao mba ho faneva hamantarana anao. Lamba miloko volomparasy sy jaky avy any amin'ny nosy Siprano natao labasy hiarovana ny entanao.
8 Mponina avy any Tsidona sy Arvada no nampiasainao ho mpivoy; ny olona havanana teo aminao no tantsambonao, ry Tiro o,
9 Mpahay taozavatra avy any Biblosy, izay za-draharaha sady kinga, no mpanamboatra ny simba amin'ny vatan-tsambonao. Ny sambo rehetra izay teny an-dranomasina dia nijanona avokoa teo aminao; ka ny tantsambony no mividy ny entanao..
10 Olona avy any Persia sy Loda ary Poto no miaramila nanompo tao amin'ny tafikao. Nahantony tao anatin'ny tobinao ny ampingany sy ny fiarovan-dohany, ka nanomezany laza anao izany.