Ezekiela
Toko faha-23
25 Noho ny fahatezerako aminao dia havelako hanao herisetra aminao ireo: ho tapahiny ny oronao sy ny sofinao ary hovonoiny ho faty amin'ny sabatra ianao. Halainy ho babo ny zanakao lahy sy ny vavy fa ho levonin'ny afo kosa ireo olona sisa tavela aminao.26 Horobainy ny fitafianao sy ny firavaka fihaingoanao.
27 Hatsahatro ny filibanao amam-pijangajangana izay natombokao tany Ejipta. Tsy hangata-maso olona intsony ianao ary tsy hahatsiaro ny Ejiptianina intsony.
28 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY aminao: Indro hatolotro eo an-tanan'ireo halanao ianao, dia ireo namparikoriko anao."
29 Hamely anao amim-pankahalana izy ka haka ny vokatry ny asanao. Havelany hitanjaka sy hiboridana ianao ary hiharihary eo imason'ny rehetra toy ny vehivavy janga. Ny filibanao sy ny fanaranam-batanao
30 no nahatonga anao toy izany. Nijangajanga tamin'ireo lehilahin'ny tany hafa ianao ary nandoto tena tamin'ny fanompoana ireo sampiny.
31 Nanaraka ny lalana nalehan'ny rahavavinao ianao; ka dia hampisotroiko amin'ny tsatokatim-pahatezerako tahaka azy.
32 "Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY aminao: Ny tsatokaty hisotroanao dia mitovy amin'ny an-drahavavinao,dia tsatokaty lehibe sady lalina. Hihomehezana sy hoesoina ianao noho ny tsatokatinao feno mihatihaty.
33 Hahatonga anao ho leom-pahoriana io tsatokatin'ny tahotra amam-pijaliana io, izay efa nisotroan'i Samaria rahavavinao.
34 Hosotroinao hatramin'ny farany izy ary hovakinao amin'ny nifinao; ka ny vakivakiny no handratranao ny nononao. Izaho no manambara izany,hoy ny teny hentitra avy amikoTompo ANDRIANANAHARY.
35 Izao manko no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: 'Satria nanadino Ahy ianao ka niodina tamiko, dia hizaka ny vokatry ny filibana amam-pijangajanganao'. """
36 Ary hoy ny TOMPO tamiko: "Ry ilay taranak'olombelona, miomana hitsara an'i Ohola sy i Oholiba. Vakio bantsilana ireo asany maharikoriko.
37 Fa vehivavy mpanitsakitsa-bady sy mpamono olona ireo. Nanitsakitsa-bady tamin'ny fanompoan-tsampy izy sy namono olona ho faty tamin'ny nanaovany sorona ny zanany lahy izay efa naterany ho Ahy.
38 Sady izao koa no nataony tamiko: Andro iray ihany no nandotoany ny toerako masina sady nanimbazimbany ny sabatako.
39 Fa ny andro nanaovany sorona ny zanany lahy tamin'ny sampiny iny ihany no nidirany tao amin'ny toerako masina, teo anivon'ny tranoko, ka nandotoany azy.
40 Ankoatra izany, nandefa iraka hanasa lehilahy avy any an-tany lavitra izy. Raha vao naharay hafatra ireny, dia nirohotra ho aty amin'i Ohola sy i Oholiba izay samy efa nandro sy nandoko maso ary nametaka firavaka rahateo.
41 Dia nipetraka tamina farafara mirenty izy roa vavy, ary namelatra latabatra nametrahany vovo-javamanitra mifangaro sy ilomanitra izay samy avy amiko.
42 Marobe ny olona tonga tao aminy, ka re tao ny kotaban'olona tsy manana ahiahy. Tonga tao koa ireo lehilahy avy amin'ireo toerana rehetra any an-taniefitra, ary nametaka haba teny amin'ny hato-tanan'izy mirahavavy sy nametraka satroboninahitra mahafinaritra teny an-dohany.
43 Dia hoy Aho anakampo: 'Na dia izay efa tontan'ny fanitsakitsaham-bady hatry ny ela aza, dia mbola mirotsaka hijangajanga ihany ankehitriny!'
44 Misy lehilahy mankao aminy toy ny ankanesana amin'ny vehivavy mpivarotena. Toy izany no ankanesany tao amin'i Ohola sy i Oholiba izay vehivavy janga!
45 Fa hisy kosa lehilahy marina hanameloka ireo vehivavy roa ireo ho mpanitsakitsa-bady sy mpamono olona,satria mpanitsakitsa-bady tokoa izy sady misy ra eny an-tanany.
46 Izao manko no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Anaingao famoriam-bahoaka hanafay azy roa, ary aoka hatolotra hampihorohoroina sy horobaina izy.
47 Torahy vato izy ary tetiteteho amin'ny sabatra, vonoy ho faty ny zanany lahy sy vavy ary doroy ny tranony.
48 Hatsahatro ny filibana mihanaka eo amin'ity tany ity. Hahazo fampitandremana ny vehivavy rehetra ka tsy hanahaka ny filiban'izy roa vavy intsony.
49 Fa hovaliana aminy kosa ny filibany ary hozakainy ny vokatry ny fanompoan-tsampiny. Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO ANDRIANANAHARY. "
Toko faha-24
1 Tamin'ny taona fahasivy taorian'ny fahababoanao , nony andro fahafolon'ny volana fahafolo, dia nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:2 "Ry ilay taranak'olombelona, raiso an-tsoratra ny datin'andro anio, satria mitsingerina anio ny nanombohan'ny mpanjakan'i Babilona nanao fahirano an'i Jerosalema.
3 Arosoy amin'ny vahoakako maditra ity fanoharana ity, ka ambarao aminy fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Manomana vilany iray eo an-tokoana ka asio rano ao anatiny."
4 Ary vongan-kena no arotsahy ao, dia ny vongany tsara rehetra, na ny feny na ny sorony; ary fenoy taolana voafantina izany.
5 Ondry voafantina no akao ny hena. Ary tohofy kitay ao ambanin'ny vilany; dia ampangotrahy tsara ireo rehetra ireo,satria handrahoina mbamin' ny taolana."
6 Koa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: 'Lozan'ny tanana mpamono olona! Ny anoharana azy dia vilany misy harafesina ka harafesina tsy mety afaka ao anatiny.Loary tsirairay tao ny vongan-kena,fa aza misy anaovana antsapaka havela.
7 Eny, mbola ao an-tanana ny ra izay nalatsany; teo ambony vato mangadihady no nandrarahany azy, fa tsy naidiny teo amin'ny tany kosa mba ho voatototry ny vovoka.
8 Dia navelako tsy hitototra teo ambony vato mangadihady teo ny ra izay nalatsany, mba hampitroatra ny hatezerako ka hampiharana ny famaizako."
9 Koa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: 'Lozan'ny tanana mpamono olona! Izaho mihitsy no hanamboatra fatana goavana handoroana azy.
10 Atohofy betsaka ny kitay, dia areheto ny afo, andrahoy ho masaka tsara ny hena, ka asio zava-manitra ho fangarony; ary aoka ho may tanteraka ny taolana.
11 Eo ambonin'ny vainafo eo kosa no ataingeno ilay vilany foana mba hampafana azy sy hahatonga ny halimo ho mena; aoka ho levona amin'izay ireo loto ao anatiny ary aoka ho kila tanteraka ny harafesiny.'
12 Nefa very maina ny ezaka rehetra hanalana ny harafesina! Betsaka loatra ny harafesin'ilay vilany ka tsy afaky ny afo.
13 Ry Jerosalema, nandoto tena tamin'ny filibanao ianao. Te ho nanadio anao Aho, nefa tsy nety voadio ianao. Koa tsy hadio ho afaka amin'ny fahalotoanao ianao ambara-pialan'ny fahatezerako manontolo aminao.
14 Izaho TOMPO no miteny, ka ho tonga izany ary hampihariko tsy misy fisalasalana na nenina na indrafo. Araka ny toetranao sy ny asanao no hanamelohana anao. Teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany."
15 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:
16 "Ry ilay taranak'olombelona, halaiko tampoka tsy ho eo aminao ilay fifalian'ny masonao. Nefa tsy hitaraina na hitomany na handrotsa-dranomaso akory ianao.
17 Tano ho anao ny alahelonao fa aza manao fisaonana. Afehezo eny an-dohanao ny hamama ary manaova kapa toy ny mahazatra ianao, aza misarona endrika na mihinana ny mofo fanao amin'ny fisaonanao."
18 Dia niteny tamin'ny vahoaka aho ny maraina; ary ny harivan'iny ihany dia maty ny vadiko. Nony ampitso maraina dia nanao araka izay efa nandidian'ny TOMPO ahy aho.
19 Koa niangavy ahy ny olona mba hanazava aminy ny anton'izao fihetsiko izao.
20 Dia hoy aho taminy: "Nisy tenin'ny TOMPO tamiko niangavy ahy
21 hanambara aminareo Israelita fa izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY: 'Havelako holotoina ny toerako masina izay fireharehanareo fatratra sy fifalian'ny masonareo ary fanantenam-piainanareo. Ny zanakareo lahy sy vavy, izay tafajanona ao Jerosalema, dia ho fatin'ny sabatrao.
22 Dia hanao tahaka an'i Ezekiela ianareo, tsy hisarona endrika ary tsy hihinana ny mofo fanao amin'ny fisaonana.
23 Hofehezinareo eny an-dohanareo ny hamama, ary hanaovanareo ny kapanareo,tsy hitaraina ianareo sady tsy hitomany. Nefa hihareraka ianareo noho ny fahadisoanareo, ary hifampitoloko ianareo samy mpiray firenena.
24 Koa i Ezekiela dia ho famantaram-panairana ho anareo. Tahaka izay rehetra nataony no hataonareo koa; ary rehefa tonga ireo zavatra voalaza ireo,dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO ANDRIANANAHARY.'
25 "Ianao kosa, ry ilay taranak'olombelona, mihainoa: Indray andro any, dia hoesoriko tsy ho eo aminy ny toeramasina izay fiarovany sy fahafinaretan'ny voninahiny ary fifalian'ny masony sy hamamiam-piainany; hoesoriko aminy koa ny zanany lahy sy vavy.