Ezekiela

Toko faha-22

6 Ao aminao dia samy manampatra fahefana ny mpitondra ary mamono olona."

7 Ao aminao dia tsy hajaina ny ray sy reny, tsentsefina ny vahiny, ampahorina ny kamboty sy ny mpitondratena ,

8 atao tsinontsinona ny toerana voatokana ho Ahy ary zimbazimbaina ny andro sabatako.

9 Ao aminao dia misy mpanaratsy mba handrisika amin'ny famonoana olona; ary ny mponinao dia misy mihinana sakafom-panompoan-tsampy eny an-tendrombohitra. Ao aminao dia fanaovam-pijangajangana :

10 misy mandry amin'ny vadin-drainy, misy manolana vehivavy voan'ny fadimbolana ,

11 misy manao zava-maharikoriko amin'ny vadin'ny namany, misy nanery ny vinantovaviny hijangajanga ary misy manolana ny anabaviny, dia ny zanakavavin-drainy.

12 Ao aminao misy manaiky ho tambazam-bola mba hamono olona, misy mampindram-bola hakana zanany tafahoatra sy mangoron-karena tamin'ny fandrobana ny namany, ka manadino Ahy mihitsy. Teny hentitra avy amikoTOMPO ANDRIANANAHARY izany.

13 "Koa indro Aho hamely mafy anareo, ry mponin'i Jerosalema, noho ireo harena nangoninareo tsy an-drariny sy ireo vonoan'olona nataonareo.

14 Moa hanan-kery sy fahasahiana hahatohitra ve ianareo, amin'ny andro hamelezako anareo? Fa IzahoTOMPO dia milaza sady manatanteraka izany.

15 Haeliko sy haparitako any amin'ireo firenena any an-tany samy hafa ianareo ka hataoko mifarana hatreo ny asa maloto fanaonareo.

16 Ny nataonareo no hanimbazimbana Ahy eo imason'ny firenen-kafa; kanefa amin'izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.

17 Dia nisy indray tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

18 Ry ilay taranak'olombelona, amiko ny Israelita dia toy ny tain-drendrika metaly: Izy rehetra, na volafotsy na varahina na vifotsy na vy na firaka, dia samy tonga tain-drendrika tao anaty lafaoro."

19 Koa Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY dia milaza hoe: "Efa tonga tain-drendrika ianareo rehetra ka hatobiko eo afovoan'i Jerosalema.

20 Fa avangongo ao anaty lafaoro ny volafotsy sy varahina sy vy ary firaka na vifotsy, dia tsofina mafy ny afo ao ambany handrendrehana azy. Koa noho ny fahatezerako amam-pahavinirako dia toy izany no hanangonako anareo; kahavangongoko ao anaty lafaoro ianareo mba harendrika.

21 Ao Jerosalema no hanangonako anareo handorako anareo amin'ny afom-pahatezerako izay handrendrika anareo tahaka ny metaly.

22 Ho tahaka ny volafotsy miempo ao anaty lafaoro no handrendrehana anareo ao Jerosalema. Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho TOMPO no mampitosaka ny fahavinirako aminareo."

23 Dia mbola nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

24 "Ry ilay taranak'olombelona, ambarao amin'i Jerosalema fa sahala amin'ny tany tsy nilatsahan'ny ranonorana izy , ka ho tahaka ny tany tsy misy rano mihitsy amin'ny androm-pahatezerako.

25 Tahaka ny liona mierona mamiravira haza ireo mpitondra azy ka mandripaka olona sy maka ny vola amam-pananan'ny hafa ka mahatonga vehivavy maro ho mpitondra tena.

26 Mandika ny lalanako ireo mpisorony sady manimbazimba ny toeramasiko. Mampifangaro ny zava-masina sy ny tsy masina izy, tsy mampianatra ny olona hanavaka ny madio sy ny maloto, ary minia tsy mahalala ny andro sabatako. Izany no animbazimbany Ahy.

27 Lian-dra tahaka ny amboadia mamiravira haza ireo mpitondra ny vahoaka, ka mamono olona ho faty mba hangoronan-karena tsy an-drariny.

28 Ary ny mpaminaniny kosa manarona izany rehetra izany amin'ny lalotra fotaka. Fahitana manodoka ary fanambarana mamitaka nolazainy. Mihambo ho mampita hafatra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izy nefa Izaho TOMPO tsy niteny taminy akory.

29 Manao herisetra ny olona eo amin'ny tany ka mangalatra sady mampahory ny mahantra sy ny fadiranovana, mitsentsitra tsy an-drariny ny vahiny.

30 Nokarohiko izay vonona hanangana ny manda na izay vonona hijanona eo amin'ny bangan'ny manda mba hifona eo anatrehako ho an'ny tany sy hisakana Ahy tsy handrava azy; nefa tsy nahita Aho.

31 Koa natosako teo aminy ny fahavinirako ary naripako tamin'ny afom-pahatezerako izy sady nampizakaiko ny vokatry ny fitondrantenany.Teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany. "

Toko faha-23

1 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

2 "Ry ilay taranak'olombelona, nisy vehivavy roa mirahavavy iray tampo.

3 Fony mbola tanora izy, dia efa lasa vehivavy janga tany Ejipta izay nonenany. Tany no nisafosafoana ny tratrany sy nitsapatsapana ny nonony somondrara.

4 I Ohola no anaran'ny zokiny ary i Oholiba no anaran'ny zandriny. Ny voalohany dia manondro an'i Samaria fa ity faharoa kosa manondro an'i Jerosalema. Samy nalaiko ho vady izy roa, ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy ho ahy.

5 Kinanjo nijangajanga i Ohola na dia efa Ahy aza. Maimay izy tamin'ireo lehilahy sakaizany, dia ny Asirianina

6 izay niakanjo jaky avokoa noho ny maha governora sy mpitsara azy, sady tovolahy bikana sy kinga fitaingin-tsoavaly.

7 I Ohola dia nanome tombony manokana ireo manampahefana asirianina ireo, ka tamin'izay nahamaimay azy dia nandoto tena tamin'ny fanompoana ny sampiny rehetra izy.

8 Notohizany ny fiainam-pijangajangana efa nataony tany Ejipta. Fa tany, fony mbola tanora izy, dia nisy lehilahy nandry taminy sy nitsapatsapa ny nonony somondrara ka nanaram-po nijangajanga taminy.

9 Noho izany dia navelako ho eo an-tanan'ny Asirianina sakaizany izay nahamaimay azy izy.

10 Koa naboridany tanteraka izy , ary novonoiny ho faty tamin'ny sabatra; fa ny zanany lahy sy vavy kosa nentiny. Niharan'ny famaizana izy mba hatao ohatra ho an'ny vehivavy hafa."

11 "Nahita izany i Oholiba rahavaviny, kanefa vao mainka ratsy kokoa noho i Ohola izy tamin'ny fahamaimaizany, ary dia nijangajanga manoatra azy.

12 Fa nahamaimay azy koa ireo Asirianina mpifanila aminy, dia ireo governora sy mpitsara mareva-pitafiana sady kinga fitaingin-tsoavaly; samy tovolahy bikana izy rehetra.

13 Ary nandoto tena tamin'izany koa izy; eny, hitako fa nitovy fitondrantena izy mirahavavy.

14 Kanefa lasa lavitra kokoa i Oholiba tamin'ny fanaranam-po. Indray andro izy dia nahita sarin-dehilahy voaloko mena teo amin'ny rindrina, dia sary nampiseho ny Babilonianina.

15 Samy nisy fehikibo teny an-tehezany ary fehiloha misoratsoratra teny an-dohany. Hoatry ny mpiady mahery no fijery azy; ary ny bikabikan'izy rehetra dia tahaka ireo Babilonianina miaina any Kaldea izay tany nahaterahany.

16 Maimay tamin'ny Babilonianina i Oholiba raha vao nahita ny sary ka nandefa iraka tany amin'ny taniny.

17 Koa tonga mba handry aminy ireo Babilonianina ary nandoto azy tamin'ny fanaranam-pijangajangany; saingy nony efa voalotony kosa i Oholiba, dia naharikoriko azy.

18 Niseho ampahibemaso ho vehivavy janga izy ary nampiseho ny fitanjahany; ka narikoriko azy aho tahaka izay namparikoriko ahy tamin'ny rahavaviny.

19 Kanefa vao mainka nijangajanga kokoa aza izy ka nahatsiaro ny androm-pahatanorana izay nijangajangany tany Ejipta.

20 Fa maimay tamin'ireo lehilahiny izy, dia lehilahy mitrifana sy mitroatra toa boriky na soavaly miandravavy."

21 "Niverina nijangajanga indray ianao, ry Oholiba, ka nanao toy ny tamin'ny fahatanoranao,fony ireo Ejiptianina nisafosafo ny tratranao sy nitsapatsapa ny nononao somondrara.

22 Koa izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY aminao: Indro hotairiko hamely anao ireo lehilahinao. Ankehitriny efa namparikoriko anao izy, ka hoentiko avy any amin'ny manodidina mba hamely anao.

23 Ho taomiko hikomy aminao avokoa ny mponin'i Babilona sy ny Kaldeanina rehetra, ny mponina ao Pekoda sy Soha ary Koha mbamin'ny Asirianina rehetra: Tovolahy bikana izy rehetra, dia governora sy mpitsara, mpiady voafantina sy olo-manan-kaja, samy kinga fitaingin-tsoavaly.

24 Ho tonga avy any avaratra izy, miaraka amin'ny kalesy sy fitaovana isan-karazany ary koa tafika goavana hamelezana anao. Hanemitra anao izy, mitondra ampinga lehibe sy kely ary fiarovan-doha; ho entiko eo anatrehany ny raharahanao ary hotsarainy araka ny fitsipiny ianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9176