EksĂ´dy

Toko faha-14

21 Nahinjitr'i Mosesy teo ambony ranomasina ny tanany. Ary ny TOMPO nampitsoka rivo-mahery avy any atsinanana nandritra ny alina manontolo ka nanosika ny ranomasina hanamaina azy. Nisaraka ny ranomasina,

22 ary nita teo am-povoany nandia tany maina ny Israelita, fa nisavovona toa tamboho teo ankavanany sy ankaviany ny rano.

23 Nanenjika azy ny Ejiptianina; ny soavalin'ny farao rehetra mbamin'ny kalesiny sy ny mpitaingina azy dia samy nitsofoka nanaraka azy ireo tao afovoan'ny ranomasina avokoa.

24 Ary nony efa nadiva haraina dia nijery ny tobin'ny Ejiptianina avy teo amin'ny andry afo sy rahona ny TOMPO, ka nanakorontana azy.

25 Nohidiany ny kodiaran'ny kalesy ka nihisatra ny fitarihana azy. Dia hoy ny Ejiptianina hoe: -Andao handositra ny Israelita isika, fa ny TOMPO no miady ho azy ireo amintsika!

26 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Ahinjiro eo ambony ranomasina ny tananao mba hiverenan'ny rano eo amin'ny Ejiptianina sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny.

27 Dia nahinjitr'i Mosesy teo ambony ranomasina ny tanany. Niverina ho amin'ny toerany ny ranomasina rehefa ho maraina ny andro ka nifanehatra taminy ireo Ejiptianina nandositra, dia narian'ny TOMPO tao afovoan'ny ranomasina ny Ejiptianina.

28 Nikatona ny ranomasina ka nandrakotra ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly; izay tafiky ny Farao manontolo nanenjika ny Israelita tao an-dranomasina dia tsy nisy afa-nitsoaka na iray aza.

29 Fa ny Israelita kosa dia niampita ny ranomasina nandia tany maina, fa ny rano dia nisavovona toa tamboho teo ankavanany sy ankaviany.

30 Namonjy ny Israelita teo an-tanan'ny Ejiptianina ny TOMPO tamin'izany andro izany, ka ny Israelita dia nahita ny fatin'ny Ejiptianina teny amoron-dranomasina.

31 Hitan'ny Israelita ny hery lehibe izay nampiasain'ny TOMPO hamelezana ny Ejiptianina. Izany no nanajan'ny Israelita ny TOMPO, ka nitokiany AZY sy nitokiany an'i Mosesy mpanompony.

Toko faha-15

1 Noho izany dia nihira izao hira izao ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO i Mosesy sy ny Israelita ka nanao hoe: Hihira ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO aho; fandresena miezinezina no azony, natsipiny any an-dranomasina ny soavaly sy ny mpitaingina azy!

2 Ny TOMPO no heriko ka hataoko an-kira, tonga namonjy ahy Izy, Izy no Andriamanitro, ka hoderaiko; Izy no Andriamanitry ny razako, ka hankalazaiko.

3 Mpiady mahery ny TOMPO; mandia ny anarany hoe TOMPO.

4 Fa navariny ao an-dranomasina ny kalesy sy ny andian-tafiky ny Farao, ireo manam-boninahiny voafantina nasitriny ao an-dranomasin'ny Volotara.

5 Nandrakotra azy ny ranobe: nilentika any amin'ny farany ambany toy ny vato alatsaka izy.

6 TOMPO o, malaza ho mahery ny sandrinao ankavanana, ka manorotoro fahavalo!

7 Mahatalanjona ny fahalehibiazanao fa manapotika ny mpanohitra Anao. Alefanao ny fahatezeranao ka mandoro azy toy ny mololo.

8 Noho ny hamafin'ny fofonainao dia nisavovona ny ranobe; nivangongo toa rindrina ny onjan-drano; teo amin'ny fanambanin'ny ranomasina no nifitsaka ny alon-drano.

9 Dia hoy ireo fahavalony hoe: Hoenjehintsika ireny ka hotratrarintsika, halaintsika ho babo ka hanaranantsika fo; hotsoahantsika ny sabatra, ka hamongotra azy ny tanantsika.

10 Saingy natsokanao ny rivotrao, dia norakofan'ny ranomasina ireo. Nilentika ao anaty ranomody toy ny vongam-piraka izy.

11 TOMPO o, iza moa no andriamanitra tahaka Anao? Iza no malaza amin'ny fahamasinana tahaka Anao, mahatahotra, mendri-piderana, afaka manao zava-mahagaga?

12 Nahinjitrao ny tananao ankavanana, dia natelin'ny tany ireny.

13 Tarihinao amin'ny fitiavanao ny vahoaka izay navotanao. Amin'ny herinao no itondranao azy ho amin'ny fonenany masina.

14 Mandre izany ny firenena maro ka mihorohoro; mihoron-koditra ny Filistinina,

15 raiki-tahotra ireo lehiben'i Edoma ary mangovitra ireo andriandahin'i Moaba; kivy ny mponina rehetra any Kanahana.

16 Tahotra sy horohoro no mahazo azy ireo! Manoloana ny halehiben'ny herinao, ry TOMPO, dia tsy nihetsika toy ny vato izy ambara-pahatafita ilay vahoakanao, dia ny vahoaka izay navotanao.

17 Entinao izy ka hamponeninao ao an-tendrombohitrao, ao amin'ny toerana izay nataonao ho fonenanao, ry TOMPO, dia ny Toeramasina izay naorinao.

18 TOMPO o, Ianao no mpanjaka mandrakizay!

19 Rehefa niditra tao anaty ranomasina ny soavalin'ny Farao sy ny kalesiny ary ny mpitaingina azy, dia naverin'ny TOMPO hanafotra azy ireo ny ranomasina; fa ny Israelita kosa niampita teo afovoan'ny ranomasina nandia tany maina.

20 Naka ampongatapaka i Miriama, mpaminanivavy anabavin'i Aharona, ary lasa nanaraka azy avokoa ny vehivavy israelita rehetra ka nitondra ampongatapaka sady nandihy.

21 Ary niventy hira ho azy ireo i Miriama manao hoe: Mihira ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO: fandresena miezinezina no azony, natsipiny any an-dranomasina ny soavaly sy ny mpitaingina azy!

22 Notarihin'i Mosesy niala tao amin'ny Ranomasin'ny Volotara ny Israelita, ka nizotra nankany amin'ny taniefitra Sora. Telo andro nandehanana tany an-taniefitra izy ireo nefa tsy nahita rano.

23 Nony tonga tao Mara izy, dia tsy azony nosotroina ny rano tao satria nangidy. Koa izany no niavian'ny anarana hoe Mara, izay midika hoe mangidy.

24 Dia nimonomonona tamin'i Mosesy ny vahoaka nanao hoe: Inona no hosotroinay?

25 Niantso vonjy tamin'ny TOMPO i Mosesy, dia natorony rantsan-kazo iray. Natsipin'i Mosesy tao anaty rano izany ka nanjary mamy ny rano. Tao no nanomezan'ny TOMPO fitsipika sy fombafomba ho an'ny Israelita ary nizahany toetra azy ireo.

26 Hoy Izy taminy: Raha ankatoavinareo tokoa Aho TOMPO Andriamanitrareo, ka ataonareo izay heveriko ho marina, raha henoinareo ny didiko, ka tandremanareo ny fitsipiko dia tsy hisy hataoko aminareo ny aretina rehetra izay namelezako ny Ejiptianina, satria Izaho no TOMPO Izay manasitrana anareo.

27 Avy eo dia tonga tao Elima ny Israelita; nisy loharano 12 sy rofia fitopolo tao, ka nitoby teo akaikin'ny rano izy ireo.

Toko faha-16

1 Niala tao Elima ny vahoaka Israelita manontolo, ka tonga tao amin'ny taniefitra Sina, eo anelanelan'i Elima sy ny tendrombohitra Sinay, tamin' ny volana faharoa, andro faha-15 taorian'ny nialany tany Ejipta.

2 Nimonomonona tamin'i Mosesy sy i Aharona tany an-taniefitra ny fiangonana Israelita tsivakivolo,

3 ka nanao taminy hoe: -Inay anie izahay mba novonoin'ny Tompo ho faty tany Ejipta, fony izahay nanodidina ny vilanin-kena iny, ka nihinana araka izay lany! Fa izao dia nentinareo ho faty noana aty an-taniefitra aty izahay rehetra!

4 Ary hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo Aho. Hivoaka hanangona izay sahaza azy isan'andro ny Israelita mba hizahako toetra anareo na handeha araka ny lalanako ianareo na tsia.

5 Fa amin'ny andro fahenina rehefa hanomana izay hoentinareo ianareo, dia hahita indroa heny noho izay fanangonareo isan'andro.

8 Ary i Mosesy sy i Aharona dia niteny tamin'ny Israelita hoe: -Anio hariva ny TOMPO dia hanome hena hohaninareo, satria henony tokoa ny fimonomononanareo taminy; izany no hahafantaranareo fa Izy TOMPO no namoaka anareo tany Ejipta.

7 Ary rahampitso maraina dia hanome mofo hahavoky anareo Izy, ka izany no hahitanareo ny voninahiny. Ny aminay kosa, inona moa izahay no imonomononanareo? Raha manao izany manko ianareo, dia tsy izahay no imonomononanareo fa ny TOMPO.

9 Avy eo dia nanome baiko an'i Aharona i Mosesy hoe: -Ilazao avokoa ny vahoaka Israely mba ho tonga hiseho eo anatrehan'ny TOMPO, satria efa reny ny fimonomononan'izy ireo.

10 Raha mbola niteny tamin'ny vahoaka Israelita manontolo i Aharona, dia nitodika nanatrika ny taniefitra izy ireo, ka ny voninahitry ny TOMPO no hitany niseho teo amin'ny rahona.

11 Ary hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy:

12 -Reko ny fimonomononan'ny Israelita. Ilazao izy ireo hoe: Anio hariva dia hihinan-kena ianareo, ary rahampitso maraina dia ho voky mofo ianareo; amin'izay dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.

13 Nony hariva, dia tonga tokoa ny papelika ka nipetraka teny amin'ny toby; ary nony maraina, dia nisy ando matevina manodidina ny toby.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.8917