Ezekiela
Toko faha-20
37 Hampandaloviko eo ambany tehina maha mpiandry ahy ianareo ka hampidiriko ho anisan'ny ondry.38 Hoesoriko tsy ho eo aminareo ireo nikomy sy niodina tamiko. Hoentiko miala amin'ny tany izay ivahiniany izy, nefa tsy hiverina intsony any amin'ny tanin'i Israely. Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho noTOMPO.
39 Ary ny aminareo Israelita kosa dia izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Samia miroso manompo ny sampiny avy ianareo! Nefa any aoriana any dia hankato Ahy mihitsy ianareo, ary tsy hanimbazimba ny anarako masina intsony amin'ny fanolorana fanatitra ho an'ny sampinareo.
40 Fa teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izao: ny Israelita rehetra eo amin'ny tany dia hanao fanompoam-pivavahana Amiko eo an-tendrombohitra voatokana ho Ahy, dia ilay tendrombohitra avo any Israely. Eo no handraisako tsara anareo sy hiangaviako hitondranareo izay rehetra voatokanareo ho Ahy, dia ny fanomezana sy fanatitra amin'izay tsara indrindra anananareo.
41 Miaraka amin'ny sorona manetona hanitra ankasitrahiko no handraisako tsara anareo, rehefa havoakako avy eo anivon'ny firenen-kafa ianareo sy ho voriko avy any amin'ny tany izay nampielezako anareo. Ka ny hataoko aminareo nohanehoako ny maha Andriamanitra Masina Ahy eo imason'ny firenen-kafa.
42 Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho noTOMPO, rehefa tafaveriko ao amin'ny tanin'i Israely izay nianianako homeko ny razanareo.
43 Ao ianareo no hisaintsaina ny fitondrantenanareo tamin'ny lasa sy ireo asa nampahaloto anareo. Haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra efa nataonareo.
44 Tsy araka ny toe-dratsinareo sy ny asa tsy mendrika nataonareo no havaliko anareo, ry Israelita, fa mba ho fitandroako ny lazako. Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO. Teny hentitra avy amikoTOMPO ANDRIANANAHARY izany. "
Toko faha-21
1 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:2 -Ry ilay taranak'olombelona, atodiho mianatsimo ny fijerinao, ka mitenena manandrify ny atsimo ary ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hamelezana ny alan'i Negebao.
3 Asaivo mihaino ny tenin'ny TOMPO izy, satria izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY aminy: "Indro Aho handrehitra afo izay handevona ny hazonao rehetra na ireo mirobona maitso na ireo efa maina. Tsy hisy afaka hamono ny lelafo midedadeda fa hihanaka avy any atsimo ka hatrany avaratra izany,ka ho may avokoa ny tarehin'ny olona rehetra.
4 Dia ho hitan'ny olona rehetra fa Izaho TOMPO no nandrehitra io afo io ka tsy misy afaka hamono azy."
5 Fa namaly Azy aho hoe: -Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY o, efa mimenomenona amiko ny olona ka manao hoe: "Tsy miteny afa-tsy ankamantatra izy!"
6 Fa nisy indray tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:
7 -Ry ilay taranak'olombelona, atodiho mankany Jerosalema ny fijerinao, ka mitenena miantefa amin'ny Toeramasiny, ary ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hamelezana ny tanin'i Israely.
8 Ambarao amin'ny tanin'i Israely fa izao no lazain'ny TOMPO: "Hirotsaka an-tsehatra hamely anao Aho, ary hanatsoaka ny sabatro amin'ny fitoerany ka haringako na ny olo-marina na ny olon-dratsy eo aminao.
9 Ny handringanako ny olo-marina sy ny olon-dratsy eo aminao no hanatsoahako ny sabatro amin'ny fitoerany, hamelezany ny olona rehetra hatreo atsimo ka hatrany avaratra.
10 Dia hoeken'ny olona rehetra amin'izay fa Izaho TOMPO no efa nanatsoaka ny sabatro tamin'ny fitoerany ka tsy hampiditra azy ao intsony."
11 Ary ianao, ry ilay taranak'olombelona, mitolokoa noho ny havesatry ny fahadisoam-panantenana; eny, mitolokoa eo imason'izy rehetra.
12 Dia hanontaniana anao ny antony itolokoanao ka hovalianao hoe: "Vaovao ratsy no reko ary ho tonga izany. Ho kivy fo sy hiraviravy tanana ny besinimaro ary ho ketra-panahy sy halemy lohalika. Indro tonga izany ary tanteraka, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY."
13 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:
14 "Ry ilay taranak'olombelona, ijoroy ny maha mpaminany anao ka ambarao amin'ny olona fa izao no lazain'ny TOMPO: Indro misy sabatra,dia sabatra voaranitra sady mangirana!
15 Noranitina handringanana olona izy natao mangirana hanjelanjelatra.
16 Nomeko hatao mangirana izy mba ho azo arangaranga; noranitina sy natao mangirana izy mba hatolotra ny mpandringana.
17 Miantsoa vonjy ianao ary midradradradra, ry ilay taranak'olombelona, satria izany sabatra izany dia mihatra amin'ny vahoakako; iharan'io sabatra io koa ny mpitondra rehetra eto Israely, ka ho ringan-tsabatra miaraka amin'ny vahoakako ireo. Koa aoka ianao handondon-tratra
18 noho ny alahelo aterak'izao fitsapana izao. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.
19 Ankehitriny, ijoroy ny maha mpaminany anao,ry ilay taranak'olombelona, ka mitehafa tanana ho fanainganao :Ho indroa na intelo heny anie no hahaloza ny velin-tsabatra, dia ilay sabatry ny fandringanana goavana izay manemitra hatraiza hatraiza.
20 Mba hampivalaketraka ny fon'ny olona sy hampivembena ny besinimaro dia napetrako isam-bavahady ny sabatra fandringanana, ka manjelanjelatra toy ny tselatra sady efa voavoatra hamono.
21 Ry sabatra maranitra o, kapao mihodin-kavanana sy mihodin-kavia, na aiza na aiza voatendry hamelezanao.
22 Izaho koa dia hiteha-tanana ho fanaingana ary dia hanampatra ny fahatezerako. Izaho TOMPO no manambara izany'. "
23 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:
24 "Ry ilay taranak'olombelona, sorito ny lalana roa izay hahazoan'ny mpanjakan'i Babilona ho tonga omban-tsabatra. Ataovy samy miainga amin'ny tany iray ihany ireo lalana roa ireo. Isaky ny vava lalana dia mariho ny tanana izay halehany.
25 Ny iray amin'ireo lalana ireo dia hitondrany tafika babilonianina ho any Rabao , tananan'ny Hamonita; fa ny iray kosa ho any Jerosalema, tanana mimanda any Joda.
26 Hijanona eo am-bava lalana iaingan'ireo lalana roa ireo aloha ny mpanjakan'i Babilona mba hanao sikidy. Hahontsankontsany ny zana-tsipika, hanontaniany ny sampy ary ho hadininy ny atin-kenam-biby.
27 Ny zana-tsipika manondro an'i Jerosalema dia nianjera teo an-kavanany. Koa hanandra-peo hanao akoran'ady izy ary hampametraka ny kanonta be hamelezana ny vavahadin-tanana, hampanangana ny tovon-tany ary hampandavaka ireo hady fanafihana.
28 Hihevitra ny olona ao Jerosalema fa tsy misy dikany ny sikidy satria voaaron'ny fianianana natao izy. Nefa ny mpanjakan'i Babilona dia hampahatsiaro azy ny fivadihany ka mampandre fa hoentina ho babo ireo.
29 Koa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Mampahatsiaro Ahy tsy tapaka ny helokareo ianareo amin'ireo fikomianareo an-karihary; ary ny asa rehetra nataonareo no mampiseho ny fahotanareo. Noho ianareo nanao izay hahatsiarovana anareo toy izany, dia hosamborin'ny fahavalo tokoa ianareo!'
30 Ary ianao, ry printsy filohan'i Israely sady olon-dratsy mpamadika, tonga ny andro hifaranan'ny fanaovanao heloka."
31 Satria izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Halaina aminao ny marika maha mpanjaka anao, ary hoesorina ny satro-boninahitrao. Fa nivadika ny toe-javatra: ny olona ambany no hasandratra, ary ny olona ambony no haetry.
32 Faharavana, faharavana, faharavana: hataoko toy izany i Jerosalema. Ho potika tanteraka ny tanana, saingy tsy alohan'ny hahatongavan'ilay homeko fahefana hanafay azy. "
33 Dia nampian'ny TOMPO hoe: "Ary ianao, ry ilay taranak'olombelona, mijoroa ho mpaminany ka ambarao amin'ny Hamonita fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY hamelezana azy ary ho setrin'ny fandatsana nataony tamin'i Israely: Efa ao ny sabatra, dia sabatra voatsoaka hahafaty sy handringana ary sabatra natao mangirana hanelatselatra.
34 Raha fahitana manodoka sy fanambarana mamitaka no aroso aminareo, dia efa vonona hanapaka ny vozon'ny mpamadika sy ny olon-dratsy izany; satria tonga ny andro hifaranan'ny fanaovany heloka.
35 Ankehitriny ampidiro amin'ny fitoerany ny sabatrareo; fa eo amin'ny toerana izay namoronako anareo sy nahaterahanareo no hanafaizako anareo.
36 Hatosako aminareo ny fahavinirako ary hampihariko aminareo ny fahatezerako mirehitra, ka hatolotro eo an-tanan'ny olon-doza mpamorona fandravana ianareo.
37 Ho levon'ny afo toy ny kitay ianareo,handriaka amin'ny tany ny ranareo, ary dia tsy hisy hahatsiaro anareo intsony. IzahoTOMPO no manambara izany. "
Toko faha-22
1 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:2 "Ianao, ry ilay taranak'olombelona, miomana sy mivonona hitsara ity tananan'i Jerosalema lian-dra ity! Ampahafantaro azy ny zavatra rehetra maharikoriko nataony.
3 Ambarao aminy fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Tanana anjakan'ny famonoana olona ianao ka hahatonga ny fotoana handravana anao; ary ny mponinao koa dia manamboatra sampy maharikoriko sady mandoto ny faritrao.
4 Meloka ianao noho ireo vonoan'olona rehetra ireo ary nandoto tena tamin'izany fanamboaran-tsampy izany! Ny tenanao ihany no nampanakaiky ny fotoana handravana anao; ka tafapaka amin'ny fiafaran'ny andronao ianao. Noho izany dia atolotro ho fihomehezan'ny firenen-kafa ianao ka ho fanarabian'ny tany rehetra.
5 Vasoka ny lazanao, toerana be korontana ianao, ka na ny tany lavitra na ny akaiky dia samy manaraby anao.