Ezekiela
Toko faha-17
7 Kanjo nisy voromahery lehibe iray hafa koa , nanana elatra goavana sy volo matevina. Koa nalefan'ilay voaloboka nankany aminy ny fakany sady natodiny nankany koa ny rantsany, mba hahazo rano betsaka kokoa noho ny teo amin'ny tany nisy azy izy.8 Kanefa saha tsara teo amoron'ny rano mikoriana no nambolena azy mba handrobonan'ny rantsany sy hamoazany ka ho tonga voaloboka mahafinaritra.
9 Koa ambarao amin'ny Israelita fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Moa ho vonona ve izany voaloboka izany? Tsy hongotan'ilay voromahery voalohany ve ny fakany, hosimbany ny voany ary hataony izay hahamaina ny sakeliny ?Tsy mila hery lehibe na antokon-tafika maro akory izy hanongotana azy.
10 Voavoly tsara tokoa ny voaloboka kanefa tsy mety ho vanona. Raha vao tsofin'ny rivotra avy any atsinanana izy, dia ho maina tanteraka. Eo amin'ny tany tokony haniriany no hahamaina azy am-potony. "
11 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:
12 "Anontanio ange ireo olona maditra ireo raha mba fantany akory ny dikan'izany fanoharana izany e! Ampahatsiahivo azy ny fomba nidiran'ny mpanjakan'i Babilona tao Jerosalema, ny nisamborany ny mpanjaka sy ireo mpitondra ambony mbamin'ny nitondra ny azy tany Babilona.
13 Avy eo dia naka olona iray tamin'ny fianakavian'ny mpanjaka izy ka nanao fifanekena taminy, ary nampianiana azy. Nampanalaviriny ny tany ireo olo-maventy rehetra,
14 mba hampietry ny fanjakana, tsy ho afaka hitraka intsony fa hanaja tanteraka ny fifanekena.
15 Kanjo ity mpanjaka vaovao nikomy tamin'ny mpandresy, ary nandefa iraka tany Ejipta mba hangataka soavaly sy miaramila marobe. Hahomby sy ho tafavoaka ve izy raha nanao izany? Tsy ho tafavoaka mihitsy izy, satria tsy nitandro fifanekena!
16 Velona Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa ho faty any amin'ny tanin'ilay mpanjaka izay nahatonga azy hanjaka io mpanjaka io. Nanao tsinontsinona ny fianianana nataony ary tsy nitandro ny fifanekena vita izy, ka ho faty any Babilona."
17 Ary na dia miaraka amin'ny tafika goavana vory marobe aza ny Faraon'i Ejipta dia tsy afaka hanampy azy hiaro tena rehefa manangana tovon-tany sy manao hady ho enti-mamono ireo vahoaka betsaka ny Babilonianina.
18 Nanao tsinontsinona ny fianianana nataony io mpanjaka io raha tsy nitandro ny fifanekena. Nanao ireo hadisoana rehetra ireo izy ka tsy tafavoaka satria efa nanome toky tamim-pianianana.
19 "Koa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Velona Aho ka mianiana fa noho ny mpanjakan'i Israely nanao tsinontsinona ny fifanekena izay nianianany ho tandremana, dia hampihariko aminy ny vokatr'izany.
20 Hamelarako fandrika izy ka ho tratra. Ho entiko any Babilona izy ka any no hotsaraiko noho ny fivadihany tamiko.
21 Ho faty an'ady ireo miaramila kinga amin'ny andian-tafiny rehetra, ary izay sisa velona dia haely amin'ny vazan-tany efatra: Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho TOMPO no efa niteny taminareo. "
22 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Izaho mihitsy no haka rantsan-kazo tanora iray eny an-tendron'ny hazo sedera avo, ary hamboleko izany; eny amin'ny lohan'ny rantsany no hakako izany, ka hamboleko eny an-tendrombohitra avobe.
23 Eny an-tendrombohitra avon'i Israely no hamboleko azy. Handrobona ny rantsany ka hamoa, dia hanjary sedera mahafinaritra izy. Hanao akany eny amin'ny rantsany sy hitoetra eo ambany alony ny vorona isan-karazany.
24 Amin'izay dia ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho no TOMPO. Kapaiko ny hazo avo loatra ary ampaniriko ny kely indrindra. Hataoko maina ny hazo maitso milenodenoka, ka homeko aina indray ireo hazo efa maina. Izaho TOMPO no manambara sady manatanteraka izany."
Toko faha-18
1 Nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:2 Ahoana moa no amerimberenanareo izao ohabolana izao ao amin'ny tanin'i Israely hoe:Ny ray aman-dreny no nihinana voaloboka marikivy, ka ny zanany ve no hadilo nify?"
3 Velona Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY, ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy ho tononinareo any Israely intsony izany.
4 Fa samy Ahy avokoa ny ain'ny tsirairay avy, na ny an'ny ray aman-dreny na ny an'ny zanany; koa izay olona manota ihany no ho faty.
5 "Aoka hatao hoe misy lehilahy marina iray ka manao izay marina sy mahitsy.
6 Tsy mihinana amin'ny sakafom-panompoan-tsampy eny an-tendrombohitra izy na manompo ireo sampin'ny Israelita, tsy mandoto ny vadin'ny namany na matory amin'ny vehivavy voan'ny fadimbolana.
7 Tsy mitsentsitra na mangalatra izy fa mamerina ny antoka amin'ny mpitrosa, ary manome hanina ho an'ny noana sy fitafiana ho an'ireo tsy manana.
8 Tsy mampindram-bola mba hahazoana zana-bola sy tombony izy , tsy miray tsikombakomba amin'ny tsy marina fa manao fitsarana tsy miangatra.
9 Manaraka ny lalanako sy mitandrina ny fitsipiko izy mba hanao izay mahitsy. Olo-marina io lehilahy io ka ho velona tokoa. Teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany.
10 Raha ohatra io lehilahy io manan-janakalahy mandroba sy mamono olona ho faty na manao zavatra mitovy karazana amin'izany."
11 Tsy nanao ireo zavatra ireo akory ny rainy, fa ity zanany no mihinana amin'ny sakafom-panompoan-tsampy eny an-tendrombohitra, mandoto ny vadin'ny namany,
12 mitsentsitra ny mahantra sy ny fadiranovana, mangalatra amin'ny olona, tsy mamerina ny antoka izay nomen'ireo mpitrosa azy, manompo sampy sady manao zavatra maharikoriko,
13 mampindram-bola mba hahazoana zana-bola sy tombony. Moa tokony ho velona ve io zanany lahy io? Tsia! Nanao ireo zava-dratsy rehetra maharikoriko ireo izy, ka ho faty tokoa ary ho tompon'andraikitry ny fahafatesany.
14 "Raha misy kosa lehilahy iray manan-janakalahy. Izany zanany lahy izany, rehefa nahita ny fahotana rehetra nataon-drainy, dia tsy manahaka azy.
15 Tsy mihinana amin'ny sakafom-panompoan-tsampy eny an-tendrombohitra izy na manompo ireo sampin'ny Israelita ary tsy mandoto ny vadin'ny namany.
16 Tsy mitsentsitra na mangalatra izy sady tsy mitaky antoka amin'ny mpitrosa ary manome hanina ho an'ny noana sy fitafiana ho an'ny tsy manana,
17 tsy miray tsikombakomba amin'ny tsy marina na mampindram-bola mba hahazoana zana-bola sy tombony. Manatanteraka ny fitsipiko sy manaraka ny lalanako, ka tsy ho faty noho ny fahadisoan-drainy fa ho velona tokoa.
18 Ny rainy izay nampahory sy nangalatra ary nampijaly ny vahoaka nanodidina azy ihany no ho faty noho ny fahadisoana nataony.
19 Nefa ianareo manontany hoe: Nahoana ny zanaka no tsy mba mizaka ny fahadisoan-drainy? Satria manao izay marina sy mahitsy izy ary mitandrina sy manatanteraka ny lalanako rehetra, ka dia ho velona tokoa."
20 Ny olona nanota ihany no ho faty. Ny zanaka tsy hizaka ny fahadisoan'ny ray aman-dreniny, ary ny ray aman-dreny tsy hizaka ny fahadisoan'ny zanany. Ny olo-marina dia hovaliana soa noho ny fahamarinany ary ny olon-dratsy kosa ho faizina noho ny faharatsiany."
21 "Raha misy olon-dratsy miala amin'ny fahotana rehetra nataony, ka mitandrina ny lalanako rehetra ary manao izay marina sy mahitsy, dia tsy ho faty izany olona izany fa ho velona tokoa.
22 Hohadinoina ny heloka rehetra vitany ka ho velona izy noho ny marina ataony.
23 Moa sitrako ve ny hahita ny olon-dratsy ho faty? Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY dia manao teny hentitra fa ny hiovany fitondrantena mba hahavelomany no sitrako.
24 Kanefa raha misy olo-marina miala amin'ny fahamarinany ka manao heloka araka ny zavatra rehetra maharikoriko izay fanaon'ny olon-dratsy, dia heverinareo ho velona ve izy? Tsia. Hohadinoina ireo asa tsara rehetra nataony, ka ho faty izy noho ny hadisoana amam-pahotana vitany.
25 Hoy ianareo hoe: Tsy marina ny fitondran'ny TOMPO!"" Henoy tsara Aho, ry Israelita: Ny fitondrako ve no tsy marina? Tsy ny fitondranareo ve no tsy marina?"
26 Raha misy olo-marina miala amin'ny fahamarinany, ka manao heloka ary maty amin'izany, dia maty noho ny heloka nataony ihany izy.
27 Raha misy kosa olon-dratsy miala amin'ny faharatsiana nataony, ka manao izay marina sy mahitsy, dia mamonjy ny ainy izy.
28 Ho velona tokoa izy fa tsy ho faty satria nahatsapa ny asa ratsiny ka niala tamin'izany.
29 Kanefa hoy ianareo Israelita hoe: "Tsy marina ny fitondran'ny TOMPO." Tsy ny fitondrako no tsy marina fa ny anareo!
30 Noho izany, IzahoTOMPO ANDRIANANAHARY dia hitsara anareo Israelita tsirairay avy araka ny fitondrantenany; teny hentitra avy amiko izany. Koa ovay ny toe-dratsy, ialao ny hadisoana rehetra fanaonareo, dia tsy hisy intsony zavatra hitarika anareo amin'ny heloka.
31 Esory ho afaka aminareo ny asa ratsy rehetra fanaonareo; ka mihavaoza fo amam-panahy ianareo. Ahoana no te ho faty ianareo, ry Israelita?
32 Fa tsy sitrako ny hahafaty ny olona. Teny hentitra avy amikoTOMPO ANDRIANANAHARY izany. Ovay ny toe-dratsy, dia ho velona ianareo."