Ezekiela
Toko faha-16
20 Nalainao koa ireo zanakao lahy sy vavy izay naterakao ho Ahy ka nataonao sorona taminy. Tsy ampy anao angaha ny fijangajangana?21 Fa tsy maintsy novonoinao ho faty mba hatolotra ny sampy ny zanako!
22 Nandritra izany fiainanao nanaram-po sy nankaloiloy izany dia tsy mba nahatsiaro akory ny fahazazanao ianao, fony ianao nitanjaka sy niboridana sady nihosina tamin'ny ranao.
23 Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY dia manao teny hentitra hoe: Lozanao, lozanao, fa rehefa vitanao izany ratsy rehetra izany,"
24 dia nanorenanao lampihazo sy nanaovanao toeram-panasinana koa teny amin'ny kianja malalaka rehetra teny.
25 Isaky ny vava lalana dia nanorenanao toeram-panasinana; ary nandoto ny hatsaran-tarehinao teo ianao fa vao mainka nijangajanga bebe kokoa tamin'izay rehetra nandalo.
26 Nijangajanga tamin'ny Ejiptianina nofosana mpifanila aminao ianao ary nampisafoaka Ahy tamin'ny asam-pijangajangana maro.
27 Koa nanampatra ny heriko hamelezana anao Aho: notapahiko ny sakafonao sady natolotro hiaranan'ny fahavalonao ianao , dia ireo tanana filistinina izay menatra noho ny fitondrantenanao tsy mendrika.
28 Saingy tsy afa-po ny filanao fa nijangajanga tamin'i Asiria koa ianao. Kanefa mbola tsy afa-po ihany ianao.
29 Nanao fijangajangana maro tany amin'ny tanin'ny Babilonianina ianao, dia tamin'ireo mpivarotra; nefa mbola tsy nahafa-po anao izany.
30 Maimay ery ny fonao raha nanao ireny zavatra isan-karazany ireny, tahaka ny fanaon'ireo vehivavy janga tsivalahara.Teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany.
31 Nanorina lampihazo isaky ny vavalalana ianao sy nanao toeram-panasinana teny amin'ny kianja malalaka rehetra, nefa tsy nitaky tambiny akory tahaka ny vehivavy janga!
32 Ianao dia mitovy amin'ny vehivavy mpanitsakitsa-tokantrano izay tsy tia vady fa mitady ny an'ny hafa.
33 Ny vehivavy janga dia mila tambiny fa ianao kosa manome tambiny ho an'ireo lehilahinao; eny, nandoa vola taminy ianao mba hiaviany avy eny amin'ny manodidina handry aminao.
34 Hafa noho ireo vehivavy janga ianao raha mijangajanga, satria tsy mba notadiavina na nomena tambiny, fa ianao indray no mandoa vola; ka dia izany mihitsy no maha hafa anao.
35 "Noho izany, ry Jerosalema janga, henoy ny tenin'ny TOMPO.
36 Fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Nahanjahanjanao sy nasehonao tokoa ny fitanjahanao fony ianao nijangajanga tamin'ireo lehilahinao, dia ireo sampinao rehetra maharikoriko; eny, namono ho faty ny zanakao aza ianao ka nanao sorona azy tamin'ireo sampinao.
37 Noho izany, ho voriko mba hamely anao ireo lehilahinao rehetra izay nankamamy anao, na izay tianao na izay halanao. Rehefa vory avy amin'ny manodidina ireo, dia hasehoko azy ny fitanjahanao, ka ho hitany avokoa izany.
38 Hampihariko aminao ny sazy natokana ho an'ny vehivavy manitsakitsa-tokantrano sy mahafaty olona. Hataoko mihosin-dra ianao satria hampiharako ny fahatezerako sy ny hasarotam-piaroko.
39 Hatolotro ho eo an-tanan'ireo lehilahinao ianao, ka ho ravany ny lampihazonao ary harodany ny toeram-panasinanao; hendahany ny fitafianao, ary hesoriny ny firavakao soa ka havelany hitanjaka sy hiboridana ianao.
40 Avy eo dia hisy vahoaka hampirisihiny hikomy aminao ka hitora-bato anao sy hitetitetika anao amin'ny sabatra,
41 ary handoro ny tranonao. Hotanterahiny eo imason'ny vehivavy marobe ny didim-pitsarana famaizana anao. Ho faranako hatreo ny fiainam-pijangajanganao ka tsy handoa tamby amin'ny lehilahy intsony ianao.
42 Hanamparako ny fahatezerako ianao ambara-pahafaka ny hasarotam-piaroko; amin'izay vao hionona Aho ka tsy hisafoaka intsony.
43 Satria tsy nahatsiaro izay vitako taminao fony fahazaza ianao fa nampahatezitra Ahy tamin'ireo ratsy rehetra ireo, dia hatambesatro aminao ny vokatry ny fitondrantenanao! Teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany. Moa tsy nanao izany toetra tsivalahara izany ve ianao ho fanampin'ny fanompoan-tsampy rehetra vitanao?"
44 Ry Jerosalema, hamely anao ny mpanao ohabolana rehetra ka hiteny hoe: Manahaka an-dreniny ihany ny zanany vavy."
45 Hay tokoa moa ianao no zanakavavin-dreninao, dia ilay vehivavy nankahala ny vady aman-janany. Mitovy amin'ireo rahavavinao izay nankahala ny vady aman-janany ianao. Hetita ny reninareo ary Amorita ny rainareo.
46 I Samaria any avaratra mbamin'ireo zana-bohiny no zokinao vavy, ary i Sodoma ao atsimo mbamin'ireo zana-bohiny no zandrinao vavy.
47 Tsy nionona fotsiny tamin'ny fakana tahaka ny fitondrantenany sy ny fomba maharikoriko nataony ianao, fa kely ihany raha izany! Saingy ratsy lavitra noho ny azy ny fitondrantenanao manontolo.
48 Velona IzahoTOMPO ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa i Sodoma rahavavinao sy ireo zana-bohiny dia tsy mbola nanao ratsy tahaka anao sy ireo zana-bohitrao.
49 Ireto monja no hany fahadisoany: niaina tamin'ny avonavona sy ny fihinanam-be ary ny toetra bonaika tsy miraika izy fa tsy namonjy ny mahantra sy ny fadiranovana.
50 Niavonavona sy nanao zavatra maharikoriko teo anatrehako izy; ka nofoanako tsy ho eto ambonin'ny tany araka ny fantatrao.
51 Ary i Samaria ihany koa dia tsy nahavita ny antsasaky ny fahotana nataonao akory! Maharikoriko lavitra noho izay vitany no nataonao. Koa i Sodoma sy i Samaria rahavavinao dia toa tsy manan-tsiny raha ampitahaina aminao!
52 Koa zakao ny fahafaham-barakanao fa nanamarina ireo rahavavinao ianao tamin'ny nanaovanao fahotana maharikoriko kokoa noho ny azy, ka toa miseho ho marina eo anatrehanao izy izao. Mba menatra kosa ianao ka zakao ny fahafaham-barakanao noho ny nampisehoanao ireo rahavavinao ho toa marina!
53 Hamboariko ireo tanana ireo: haveriko amin'ny laoniny ny fiainana ao Sodoma sy ireo zana-bohiny ary ny ao Samaria mbamin'ny zana-bohiny; ary haveriko amin'ny laoniny tahaka azy koa ianao eo afovoan'ireo.
54 Hionona ireo rahavavinao raha mahita anao menatra sy afa-baraka tamin'izay rehetra nataonao.
55 Hiverina amin'ny laoniny taloha i Sodoma sy i Samaria mbamin'ireo zana-bohiny; ary ho tahaka izany koa ianao sy ireo zana-bohitrao.
56 Tamin'ny andro mbola nireharehanao dia fanarabiana no niresahanao an'i Sodoma rahavavinao.
57 Talohan'ny nisehoan'ny faharatsianao an-karihary izany. Anjaranao kosa izao no latsain'ireo tanana edomita sy ny zana-bohitra rehetra manodidina ary vingavingain'ireo tanana filistinina etsy sy eroa.
58 Izany no hizakanao ny vokatry ny fitondrantenanao tsivalahara sy maharikoriko. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
59 "Izao manko no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Tsy noraharahainao ny fianianana nataonao fa nivadika tamin'ny fanekem-pihavanako ianao; koa araka izany no hataoko aminao.
60 Izaho anefa tsy hivadika amin'ny fanekem-pihavanana izay nataoko taminao tamin'ny andron'ny fahatanoranao fa hanova azy ho fanekem-pihavanana maharitra mandrakizay.
61 Hahatsiaro ny fitondrantenanao ianao ka ho menatra rehefa mahita indray ireo zokinao vavy sy zandrinao vavy; fa hatolotro anao ho toy ny zanakavavy ireo na dia tsy anisan'ny zavatra nanaovako fanekem-pihavanana taminao aza izany.
62 Hohavaoziko ny fanekem-pihavanako aminao, ka dia hoekenao fa Izaho no TOMPO.
63 Amin'izay dia hahatsiaro ny lasa ianao ka ho menatra tsy hahateny, fa Izaho kosa hamela anao amin'izay ratsy rehetra nataonao. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany. "
Toko faha-17
1 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:2 "Ry ilay taranak'olombelona, manaova ankamantatra ary fanoharana ho an'ny Israelita,
3 ka ambarao aminy fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Nisy voromahery iray lehibe nanana elatra goavana sy volo lava sady matevina no misoratsoratra. Nanidina hatrany an-tendrombohitr'i Libano izy ary naka ny tendron'ny hazo sedera,"
4 nanapaka izay avo indrindra tamin'ny rantsany, dia nitondra azy ho any amin'ny tanin'ny mpandranto ary nametraka azy tao an-tananan'ny mpivarotra.
5 Nalainy koa ny voa famafy anankiray hafa tao amin'ny tanin'i Israely ka naleviny tao anaty saha lonaka. Avy eo dia nafindrany teo amoron'ny rano mikoriana ny tsimok'io voa famafy io, ka nataony araka ny fanao amin'ny zanaka hazo malahelo.
6 Ary naniry tokoa izany, dia tonga foto-boaloboka niroborobo sady nandadina. Nisandrahaka ny rantsany ka nitodika ho any amin'ilay voromahery ary ny fakany nitatra teo ambaniny. Tonga voaloboka izy ka nanome sakelika sy rantsana vaovao hatrany.