EksĂ´dy
Toko faha-12
44 Ny mpanompo izay novidina dia mahazo mandray anjara amin'ny sakafo rehefa voafora.45 Ny vahiny sy ny mpikarama isan'andro dia tsy mahazo mihinana aminy.
46 Ao an-trano iray ihany no hihinana ny hena fa tsy azo avoaka any ivelany. Tsy hisy hotapahinareo ny taolan'ilay biby.
47 Ny fiangonana israelita tsivakivolo no samy hankalaza ny fety Paska.
48 Fa raha misy kosa vahiny valovotaka ao aminareo ka te hankalaza ny Paska ho an'ny TOMPO, dia tsy maintsy hoforana ny lehilahy rehetra ao aminy; avy eo dia mahazo mandray anjara amin'ny fankalazana ny Paska tahaka ny Israelita izy. Tsy misy mihitsy olona tsy voafora mahazo mihinana ny sakafo.
49 Fepetra mitovy no ampiharina amin'ny Israelita sy ny vahiny valovotaka eo amin'ny taninareo.
50 Dia nanatanteraka araka izay nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy sy i Aharona ny Israelita rehetra.
51 Ka tamin'io andro io indrindra no navoakan'ny TOMPO tamim-pilaminana avy tany Ejipta ny Israelita.
Toko faha-13
1 Dia niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO nanao hoe:2 -Atokany ho ahy ny lahimatoa rehetra ao amin'ny Israelita, na olona na biby fiompy, fa Ahy ireny.
3 Dia hoy i Mosesy tamin'ny vahoaka: -Tsarovy ity andro anio ity: Fa tamim-pahefana mahery no namoahan'ny TOMPO anareo hiala tany Ejipta izay toera-nanandevozana anareo. Koa rehefa mankalaza izany ianareo, dia aoka tsy hihinana mofo misy leviora.
4 fa tahaka izao andro amin'ny volana Abiba izao no niainganareo.
5 Koa hotsarovanareo hatrany hatrany izany zavatra izany amin'io volana io rehefa izay ianareo hampidirin'ny TOMPO ao amin'ny tanin'ny Kanahanita sy ny Hetita mbamin'ny Amorita sy ny Hivita ary ny Jebosita. Tany izay nianian'ny TOMPO tamin'ny razanareo fa homena anareo izany, tany tondra-dronono sy tantely.
6 Mandritra ny fito andro no hihinananareo mofo tsy misy leviora, ary ny andro fahafito no hanaovanareo fety firavoravoana ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO.
7 Mandritra io fito andro io dia aoka tsy hihinana mofo misy leviora ianareo, aoka tsy ho hita eo amin'ny faritaninareo rehetra na ny mofo misy leviora na ny leviora.
8 Mandritra io fety io no hitantaranareo amin'ny zanakareo hoe: Izao no ataonay dia noho izay nataon'ny TOMPO taminay fony izahay niala tany Ejipta.
9 Io fankalazana io dia ho solon'ny marika eo amin'ny sandrinareo sy ny handrinareo, ka hampahatsiaro fa tokony hambaranareo ny lalanan'ny TOMPO satria IZY no namoaka anareo hiala tany Ejipta tamim-pahefana mahery.
10 Isan-taona isan-taona, amin'ny fotoana voatondro, no hitandremanareo io fepetra io.
11 Ary hoy koa i Mosesy hoe: -Rehefa hampidirin'ny TOMPO ao amin'ny tanin'ny Kanahanita ianareo, ka homeny anareo ny tany araka izay efa nianianany taminareo sy ny razanareo,
12 dia atolory ho an'ny TOMPO ny voalohan-teraka rehetra; fa an'ny TOMPO ny lahy rehetra voalohan-teraky ny biby fiompinareo.
13 Ny voalohan-teraky ny boriky kosa dia soloy zanakondry lahy na zanakosy lahy; fa raha tsy izany, dia aolany hatoka izy ho faty. Ny lahimatoa rehetra amin'ny olona eo amin'ny taranakareo kosa dia havotanareo.
14 Koa rehefa manontany anareo ny zanakareo any aoriana hoe: Inona no anton'izao?, dia hovalianareo hoe: Tamim-pahefana mahery no namoahan'ny TOMPO anay hiala tany Ejipta izay toera-nanandevozana anay.
15 Niziriziry tsy nety nandefa anay ny Farao, ka naringan'ny TOMPO ny lahimatoa rehetra tany Ejipta, nanomboka tamin'ny voalohan-teraky ny olona ka hatramin'ny voalohan-teraky ny biby fiompy. Izany no anoloranay ho sorona amin'ny TOMPO ny lahy voalohan-teraka rehetra eo amin'ny biby; fa ny lahimatoa eo amin'ny zanakay kosa dia havotanay.
16 Ireo sorona ireo dia ho solon'ny marika eo amin'ny sandrinareo sy ny handrinareo, ka hampahatsiaro anareo fa ny TOMPO no namoaka anareo hiala tany Ejipta tamim-pahefana mahery.
17 Rehefa nalefan'ny Farao ny Israelita, dia tsy notarihin'Andriamanitra lalana hankany amin'ny tanin'ny Filistinina na dia akaiky aza io. Nanahy mantsy Andriamanitra fandrao hatahotra ny hahita ady ny vahoaka ka hiova hevitra, ary hiverina any Ejipta.
18 Izany no antony nitondrany azy amin'ny lalana mihodidina ny taniefitra, mankany amin'ny Ranomasin'ny Volotara. Voalamina tsara ny Israelita fony niala avy tany Ejipta.
19 Nalain'i Mosesy ny taolambalon'i Josefa ka nentiny niaraka taminy satria efa nampianiana ny Israelita i Josefa hoe: Ho avy hanafaka anareo tokoa Andriamanitra, koa mianiana amiko ianareo fa hampakatra ny taolambaloko miaraka aminareo.
20 Niala tao Sokota ny Israelita, ka nandeha nitoby tao Etama, any an-tsisin'ny taniefitra.
21 Nialoha azy ireo ny TOMPO ka andry rahona no nitarihany lalana azy nony antoandro, ary andry afo no nanazavany azy nony alina, hany ka afaka nandeha andro aman'alina ny Israelita.
22 Tsy nitsahatra mialoha azy ireo ny andry rahona tamin'ny antoandro, na ny andry afo tamin'ny alina.
Toko faha-14
1 Niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO manao hoe:2 -Ilazao ny Israelita mba hiverina hitoby ao akaikin'i Pi-Hahirota eo anelanelan'i Migdola sy ny ranomasina. Ao no hanorenanareo toby, mifanatrika amin'i Bahala-Tsefona, eo akaikin'ny ranomasina.
3 Dia hiteny ny Farao hoe: voan'ny tamberintany ny Israelita, ka voahidin'ny taniefitra.
4 Ary hanamafy fo ny Farao Aho, dia hanenjika anareo izy. Kanefa hasehoko ny voninahitro amin'ny hanapotehako ny Farao sy ny tafiny manontolo, ka ho fantatry ny Ejiptianina fa Izaho no TOMPO. Notanterahin'ny Israelita izany araka ny torolalana.
5 Rehefa nambara tamin'ny mpanjakan'i Ejipta sy ny tandapany fa efa mandositra ny Israelita, dia niova hevitra ny momba azy ireo ny Farao sy ny mpanompony ka niteny hoe: Inona ity nataontsika? Nahoana no nalefantsika hiala tamin'ny fanompoana antsika ny Israelita?
6 Dia nasain'ny Farao noziogaina tamin'ny kalesy ny soavaliny, ary nentiny nanaraka azy koa ny tafiny.
7 Nindaosiny avokoa ny kalesin'i Ejipta, ka isan'izany ny kalesy voafantina eninjato miaraka amin'ny mpitaingina azy tsirairay avy.
8 Ary ny TOMPO dia nanamafy fo ny Farao, mpanjakan'i Ejipta, mba hanenjika ny Israelita izay niala tany Ejipta tamin-kalalahana.
9 Ny tafika ejiptianina niaraka amin'ny soavaliny rehetra sy ny kalesiny rehetra ary ny mpitaingina azy dia nanenjika ny Israelita, ka nahatratra azy teo akaikin'i Pi-Hahirota, mifanatrika amin'i Bahala-Tsefona, izay nitobiany teo akaikin'ny ranomasina.
10 Natopin'ny Israelita ny masony ka indreny ny Ejiptianina tamy manenjika azy, ary ny Farao dia efa mby akaiky. Raiki-tahotra loatra ny Israelita ka niantsoantso ny TOMPO
11 sady niteny tamin'i Mosesy hoe: -Moa tsy nisy fasana ve tany Ejipta no nentinao ho faty aty an-taniefitra izahay? Izao ve no namoahanao anay hiala tany Ejipta?
12 Moa tsy izao zavatra izao ve no efa nilazanay taminao tany Ejipta hoe: Avelao hilamina izahay hanompo ny Ejiptianina. Fa aleonay manompo ny Ejiptianina toy izay ho faty any an-taniefitra.
13 Fa namaly azy i Mosesy hoe: -Aza matahotra ianareo! Mahandrasa, fa ho hitanareo anio ny famonjena hataon'ny TOMPO aminareo! Satria ny Ejiptianina izay hitanareo androany dia tsy ho hitanareo intsony na oviana na oviana.
14 Ny TOMPO no hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina fotsiny.
15 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Nahoana no miantso vonjy amiko ianao? Ilazao ny Israelita mba handroso.
16 Ingao ny tehinao, ka ahinjiro eo ambony ranomasina ny tananao. Ary saraho ny rano, dia hamaky eo afovoan'ny rano eo amin'ny tany maina ny Israelita.
17 Fa Izaho hanamafy fo ny Ejiptianina ka hitsofoka hanenjika anareo izy. Dia hasehoko ny voninahitro amin'ny hanapotehako ny Farao sy ny andian-tafiny rehetra, ny kalesiny sy ny mpitaingina azy.
18 Ho fantatry ny Ejiptianina amin'izay fa Izaho no TOMPO rehefa asehoko azy araka izany ny voninahitro.
19 Ny anjelin'Andriamanitra izay nialoha ny Israelita hatrizay dia nandeha nifindra teo aorian'ny toby. Toy izany koa, ny andry rahona izay teo alohan'izy ireo dia lasa any aoriany.
20 Nifindra teo anelanelan'ny tobin'ny Ejiptianina sy ny tobin'ny Israelita ny andry rahona. Io andry rahona io dia maizina tany andaniny fa nanazava ny alina kosa taty ankilany. Koa tsy afaka nifanatona izy roa tonta nandritra ny alina.