Ezekiela
Toko faha-4
3 Maka takela-by ka apetraho izany ho toy ny manda manelanelana anao sy ny tanana. Banjino tsara ny tanana: voan'ny fahirano izy izao, ary ianao no manao fahirano azy. Izany dia ho marika fampitandremana ho an'ny taranak'i Israely.4 "Dia mandria ilika amin'ny ilanao havia ianao; fa araka ny haharetanao amin'izany fomba fandry izany no hivesaranao ny fahotan'ny fanjakan'i Israely, fa ianao no hivesatra azy.
5 Ferako hitovy isa amin'ny taona nanotan'i Israely no hanaovanao izany. Koa ho 390 andro no hivesaranao ny fahotany.
6 Rehefa mifarana izany fotoana izany, dia mivadiha ianao handry amin'ny ilanao havanana; ka mandritra ny efapolo andro no hivesaranao ny fahotan'ny fanjakan'i Joda. Ferako ho andro iray isaky ny taona iray nanotany no hanaovanao izany.
7 Aorian'izany dia banjino i Jerosalema voafahirano; ary ahinjiro manandrify azy ny sandrinao mihanjaka, ka lazao ny hafatra avy amiko hamelezana io tanana io.
8 Ary hafatotro ianao mandritra ny fanaovanao fahirano mba tsy hahafahanao mivadibadika.
9 Koa maka varimbazaha sy orza, tsaramaso sy voanemba ary ampemby sy vary henjana, dia ampifangaroy anaty vilia iray ireo mba hanaovanao mofo. Izany no ho sakafonao mandritra ny 390 andro izay handrianao amin'ny ilanao.
10 Fahefa-kilao isan'andro no sakafo hohaninao: ataovy ampy anao izany ambara-pahatongan'ny andro manaraka.
11 Ferana ho iray litatra isan'andro koa ny rano hosotroinao.
12 Hatao miendrika mofo orza ny sakafonao, ka dikin'olona no hataonao kitay hanendasanao azy eo imason'ny besinimaro."
13 Dia mbola nampian'ny TOMPO hoe:-Ho tahaka izany no hihinanan'ny Israelita sakafo maloto any amin'ny tanin'ny firenen-kafa izay handroahako azy.
14 Dia namaly aho hoe:-Adray, ry Tompo ANDRIANANAHARY o, tsy mbola voaloto mihitsy aho! Hatramin'ny fahazazako ka mandraka ankehitriny dia tsy mbola nihinana biby maty hoazy na voaviraviran'ny bibidia aho , ary tsy mbola nikasika ny vavako akory ny hena heverina ho maloto.
15 Ka hoy ny TOMPO tamiko:-Raha izany ary, dia tain'omby no omeko anao ho solon'ny dikin'olona; ka izany no hataonao kitay hanendasanao ny mofonao.
16 Ary hoy indray ny TOMPO tamiko:-Ry ilay taranak'olombelona, hitanao izao fa hosimbako ny tahiri-mofon'i Jerosalema. Tsy maintsy hametra mafy ny hanina sy ny fisotrony ny olona, ka ho azom-panahiana amin'izany.
17 Tsy hanana mofo sy rano ny olona, ka hivarahontsana sy hihalevona noho ny fahotany.
Toko faha-5
1 Hoy ny TOMPO tamiko: "Maka sabatra maranitra ianao, ry ilay taranak'olombelona, ka ampiasao ho toy ny hareza izany. Kikiso ny volondohanao sy ny volombavanao , dia lanjao izay voaharatrao ary tsinjarao telo.2 Rehefa tapitra ny fotoanan'ny fahirano, dia hodoranao amin'ny afo harehitrao eo afovoan-tanana ny ampahatelony. Ny ampahatelony hafa kosa hotetitetehinao amin'ny sabatra manodidina ny tanana. Ary ny ampahatelony sisa haelinao eny amin'ny rivotra, ka Izaho no hanatsoaka sabatra hoenti-manenjika azy.
3 "Kanefa hakanao ampahany kely ireo volo ireo ka hafeninao anaty paosin'akanjonao.
4 Hanalanao singam-bolo vitsivitsy amin'izany mba hatorakao ao anaty afo ka ho doranao: ireny no hamelona afo hanatratra ny vahoakan'i Israely rehetra.
5 Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY dia manambara hoe: Izany no hanjo an'i Jerosalema izay tanana napetrako eo anivon'ny hafa firenena sy voahodidin'ny tanin'ireo."
6 Tsy nankato ny fitsipiko aman-dalako anefa ny mponin'i Jerosalema fa nanao ratsy mihoatra noho ireo hafa firenena nifanila taminy ary mihoatra noho ireo tany nanodidina azy. Eny, nolaviny ny fitsipiko ary tsy narahiny ny lalanako.
7 Koa Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY no manambara aminy hoe: Nikomy tamiko mihoatra noho ireo firenena manodidina anareo ianareo. Tsy nitondra tena araka ny lalanako ianareo ary tsy nanatanteraka ny fitsipiko, fa nanaraka ny an'ireo hafa firenena manodidina anareo aza.
8 Koa hamafisiko indray fa Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY mihitsy no hamely anareo, ry mponin'i Jerosalema. Hampihariko eo afovoan-tanana ho hitan'ny hafa firenena ny didim-pitsarako.
9 Hataoko aminareo izay tsy mbola nataoko mihitsy sady tsy hataoko intsony any aoriana, satria maharikoriko ny fanompoan-tsampy rehetra vitanareo.
10 Koa ny ray aman-dreny hihinana ny zanany ary ny zanaka kosa hihinana ny ray aman-dreniny. Hampihariko ny didim-pitsarako momba anareo, ka haeliko amin'ny vazan-tany rehetra izay sisa tavela eo aminareo.
11 "Eny, velona Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY ka manao izao teny hentitra izao: Holevoniko tsy misy indrafo na fiantrana ianareo, satria nolotoinareo tamin'ny fanaonareo mahatsiravina sy ny sampinareo maharikoriko ny tempoliko.
12 Ny ampahatelonareo ho fatin'ny areti-mandringana sy mosary ao an-tanana; ny ampahatelo ho fatin'ny sabatra eny manodidina; ary ny ampahatelo haeliko any amin'ny vazan-tany rehetra ka hanatsoaka sabatra Aho ho enti-manenjika azy.
13 Hampihariko hatramin'ny farany ny fahatezerako ary hanaranako fo ny fahavinirako ka hampariko aminareo ny valifatiko. Amin'izay dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO no niteny izany taminareo satria tsy zakako ny fivadihanareo, ka nampihariko taminareo hatramin'ny farany ny fahavinirako.
14 Ny mponin'ireo tany manodidina sy ireo mpandalo rehetra dia hahita fa nataoko tanana lao sy fandatsa i Jerosalema.
15 Hampihariko ny didim-pitsarana hamelezana io tanana io amim-pahatezerana sy amim-pahavinirana ary amim-panakianana mivaivay. Amin'izay ny hafa firenena manodidina azy dia hanao azy ho fandatsa sy ho fihomehezana ary koa ho fampitandremana sy ho fampitahorana. Izaho TOMPO no miteny izany aminareo.
16 Hampijaliako amin'ny mosary ianareo mba haharingana anareo. Hampahory anareo tahaka ny zana-tsipika mahafaty izany. Hosimbako ny tahiri-mofonareo ka ho faty mosary ianareo."
17 Ny mosary sy ny biby masiaka izay halefako hamely anareo no hahafaty ny zanakareo; ny areti-mandringana sy ny herisetra dia handroso eo aminareo ary ny ady kosa hataoko mihatra aminareo. Izaho TOMPO no miteny izany aminareo."
Toko faha-6
1 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:2 "Ry ilay taranak'olombelona, atodiho eny amin'ireo tendrombohitr'i Israely ny fijerinao ka ijoroy ny maha-mpaminany anao hamelezako an'ireo mponina eny.
3 Aoka hihaino ny teniko izy! Fa Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY no milaza amin'ny mponina eny an-tendrombohitra sy eny amin'ny havoana ary eny amin'ny hadin-driaka sy ny lohasaha hoe: Indro hahatonga ady hamelezana anareo Aho mba handravana ny toeram-panasinanareo."
4 Hopotehiko ny alitaranareo ary hosimbako ny fitaovana fandoroanareo vovo-javamanitra mifangaro ka hataoko maty miampatrampatra eo anoloan'ny sampinareo ianareo.
5 Eny, hatsitrako eo anoloan'ny sarivongan-tsampiny ny fatin'ny Israelita; ary haparitako manodidina ny alitarany ny taolany.
6 Any amin'izay toerana rehetra nonenanareo dia ho lao ny tanana, ary ho ravana ny toeram-panasinana. Ho ravana koa ny alitaranareo ary tsy hilaina intsony ; hopotehina sy hofoanana ny sarivongam-tsampinareo, ary ho simbana ny fitaovana fandoroanareo zava-manitra mifangaro; ka dia ho levonina avokoa izay namboarinao.
7 Ho faty miampatrampatra ny ankamaroanareo; ka hiaiky amin'izay ianareo fa Izaho noTOMPO.
8 Nefa hitazonako sisa tavela ihany aminareo, dia ireo afaka tamin'ny ady teo anivon'ny hafa firenena rehefa voaely ho any an-tany hafa ianareo.
9 Hahatsiaro ahy izy eo anivon'ireo firenena nandefasako azy ho babo. Ho tadidiny ny fomba nanapotehako azy, noho izy tsy niraiki-po tamiko fa nivadika nanalavitra Ahy ary nampifantoka fijery tamin'ny sampiny. Dia harikoriko ny tenany izy noho ny asa ratsy rehetra sy fanompoan-tsampy rehetra nataony.
10 Hiaiky izy fa Izaho no TOMPO; ary tsy niteny foana Aho fa nampihatra taminy tokoa ny loza izay nandrahonako azy."
11 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY tamiko: "Mitehafa tanana ianao, ary migadogadona tongotra ka milaza hoe: "Vita toa ny amin'ny fomba rehetra maharikoriko sy mahatsiravina nataon'ny Israelita". Fa haringana amin'ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy ;
12 izay any lavitra ho fatin'ny areti-mandringana, ny ety akaiky ho fatin'ny ady ary izay sisa velona tamin'ny fahirano ho faty mosary. Hampariko aminy ny fahatezerako.
13 Hiampatrampatra eny anivon'ireo sampiny sy manodidina ny alitarany ny fatiny, eny an-tampon'ny tendrombohitra sy ny havoana, eny ambanin'ny hazo maitso sy matevina, dia eny amin'ny toerana rehetra nanolorany sorona ho an'ny sampiny. Amin'izay dia hoekeny fa Izaho no TOMPO.
14 Hampiseho ny heriko Aho hamelezana azy. Hosimbako ny taniny ka hataoko lao tsy misy mponina intsony ny toerana rehetra nonenany manomboka eo amin'ny taniefitra atsimo ka hatrany amin'ny tanana Ribla any avaratra. Amin'izay dia hoekeny fa Izaho no TOMPO."
Toko faha-7
1 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:2 "Mihainoa ianao, ry ilay taranak'olombelona. Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY dia milaza izao amin'ny tanin'i Israely: Injao no farany; mby akaiky ny farany ho an'ny vazan-tany efatra eo aminao tokoa, ry tanin'i Israely.
3 Ankehitriny no farany ho anao: hampihariko hamely anao ny fahatezerako. Ho tsaraiko araka ny fitondrantenany ny mponinao ka hovaliako aminy avokoa ny asa maharikoriko rehetra nataony.
4 Tsy ho antra fijery azy Aho ary tsy hamindrafo aminy, fa hataoko mivesatra ny vokatry ny fitondrantenany sy ny asa maharikoriko izay mbola tohiziny eo anivonao. Amin'izay dia hoekeny fa Izaho no TOMPO."