Ezekiela
Toko voalohany
18 Mahatahotra ny refin'ny savaivony ary rakotra taratra mamirapiratra ny manodidina azy manontolo.19 Rehefa nandroso ireo zava-miaina, dia mba nandroso avy hatrany teo anilany koa ireto kodiarana; rehefa niakatra niala tamin'ny tany izy, dia mba niakatra koa ireto.
20 Nandeha tamin'izay nitondran'ny Fanahy azy izy ka nandroso niaraka taminy koa ireto kodiarana, satria ny fanoitran'ny zava-miaina no nanetsika ireo kodiarana ireo.
21 Koa isaky ny nandroso izy na nijanona na niakatra niala tamin'ny tany, dia niara-nanao fihetsika toy izany koa ireto kodiarana satria ny fanoitran'ireo zava-miaina no nanetsika azy.
22 Teo ambony lohan'ireo zava-miaina dia nisy toa andohalambo namirapiratra toy ny kristaly manjelanjelatra.
23 Teo ambanin'izany andohalambo izany no samy namelatra ny elany roa nifanitsy sy nifanendry ny zava-miaina tsirairay, fa ny elany roa sisa kosa nanaronany ny tenany.
24 Ary nandre ny fikopakopaky ny elany aho rehefa nanidina ireto zava-miaina, fa toy ny firohondrohon'ny ranomasina izany, sy tahaka ny feon'Andriamanitra Tsitoha na ny fireondreonan'ny tafika marobe. Rehefa nijanona kosa izy, dia nafihiny ny elany.
25 Avy tao ambonin'ny andohalambo izay teo ambony lohany dia naharenesako feo ihany koa.
26 Tazako tao fa nisy toa sezafiandrianana miendrika vato safira; ary teo ambonin'izany toa sezafiandrianana izany, tery an-tampon'ny andohalambo dia nisy hoatra endrik'olombelona.
27 Hitako fa namirapiratra tahaka ny vy mangirana izany endrika izany, sady toa voahodidina afo. Ary teo ambony sy teo ambanin'izay hoatra ny tehezany, dia tazako nisy toy ny afo nandrakotra hazavana azy.
28 Ny fahazavana manodidina azy dia tahaka ny an'ny avana izay mamirapiratra amin'ny andro manerika. Taratry ny voninahitry ny TOMPO izany. Nony nahita izany aho, dia nikarapoka nihohoka nitehi-tany, ary nandre feo niteny tamiko.
Toko faha-2
1 Ary hoy ilay feo tamiko: "Ry ilay taranak'olombelona , mitsangana ianao fa hiteny aminao Aho."2 Fa raha mbola niteny izany ilay feo, dia niditra tao amiko ny Fanahin'Andriamanitra ka nampitsangana ahy; dia nihaino Ilay niteny tamiko aho,
3 ary nilazany hoe: "Ry ilay taranak'olombelona, maniraka anao Aho ho any amin'ireo Israelita, dia ireo andia-mpikomy izay efa nikomy tamiko; fa tahaka ireo razany ihany izy, ka tsy nitsahatra namadika Ahy.
4 Ireo olona mafy loha sy be kirina ireo no anirahako anao, ka hitenenanao hoe: Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY.
5 Koa na hihaino anao izy na tsy hihaino, satria vahoaka maditra, dia ho fantany fa misy mpaminany eo anivony.
6 "Ary ianao, ry ilay taranak'olombelona, aza matahotra ny tenany na ny teniny. Hanohitra anao ireo, ka ho toy ny eo anivon'ny tsilo sy ny maingoka ianao; kanefa aza matahotra noho ny tenin'io vahoaka maditra io na mivadi-po noho ny fihetsiny.
7 Fa avereno aminy ihany izay hambarako anao na hihaino izy na tsy hihaino noho ny di-dohany.
8 Ary ianao, ry ilay taranak'olombelona, aza miseho ho maditra tahaka ireo, fa henoy izay lazaiko aminao. Sokafy ny vavanao ka hano izay homeko anao."""
9 Dia indro hitako nisy tanana iray nitsotra nanatona ahy sady nitana boky iray miendrika horonan-taratasy.
10 Noborahany teo anatrehako izany, ka voasoratra ny lafiny roa. Fitarainana sy toloko ary toreo no voasoratra tao.
Toko faha-3
1 Dia hoy Ilay niteny tamiko hoe: "Ry ilay taranak'olombelona , hano io horonan-taratasy izay naseho anao io, dia mandehana miteny amin'ny Israelita."2 Dia nosokafako ny vavako ary nafahany ahy ilay horonan-taratasy.
3 Ary hoy Izy tamiko: "Ry ilay taranak'olombelona, fenoy ny kibonao ary vokiso amin'io horonan-taratasy omena anao io ny tenanao." Dia nohaniko izany, ka tao am-bavako dia mamy toy ny tantely.
4 Ary hoy indray Izy: "Ry ilay taranak'olombelona, mandehana mankany amin'ny Israelita ka ampitao aminy ny teniko.
5 Tsy maniraka anao any amin'ny vahoaka izay miteny fiteny vahiny sarotra takarina Aho, fa any amin'ny vahoakan'i Israely.
6 Raha maniraka anao hankany amin'ireo firenen-kafa izay miteny fiteny vahiny sarotra sy mety tsy ho takatrao Aho, dia tsy isalasalana fa hihaino anao izy.
7 Fa ny Israelita kosa tsy hanaiky hihaino anao satria tsy te hihaino Ahy izy, fa olona mafy loha sady be kirina izy rehetra.
8 Kanefa hataoko sahy mifanatri-tava aminy ianao, ary hataoko mafy loha tahaka azy.
9 Eny, hataoko mafy lalandava ny lohanao ary mafy lavitra noho ny vatolampy aza. Ka aza matahotra azy ianao, ary aza mivadi-po noho ny fihetsika ataon'io vahoaka maditra io."
10 Dia notohizany hoe: "Ry ilay taranak'olombelona, raiso ao am-ponao ary henoy tsara ny teny rehetra izay ambarako anao.
11 Avy eo dia mankanesa any amin'ireo babo izay isan'ny mpiray firenena aminao, ka mitenena aminy hoe: "Izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY." Mitenena aminy na hihaino izy natsy hihaino."
12 Ary ny Fanahin'Andriamanitra nanainga ahy hiala amin'ny tany; dia nandre horakoraka mafy tao ivohoko aho nanao hoe: "Hoderaina anie ny TOMPO any amin'ny toerana izay isehoan'ny voninahiny."
13 Reko koa ny fikopakopaky ny elatr'ireo zava-miaina izay nifanendry sy ny feon'ny kodiarana teo anilany, ka kotaba moa izao!
14 Dia nentin'ny Fanahy izay nanainga ahy niala avy tamin'ny tany aho. Voasariky ny herin'ny TOMPO aho ka tsy nahatohitra, fa lasa nandeha tamin'ny fo nalahelo sady nangitakitaka.
15 Tonga tany Tela-Abiba aho ka mby teo anivon'ireo babo izay nipetraka teo amoron'ny ony Kebara; ary niara-nitoetra taminy tao fito andro aho sady talanjona aoka izany.
16 Nony afaka fito andro dia nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:
17 "Ry ilay taranak'olombelona, ataoko mpitily ho an'ny Israelita ianao; koa hohenoinao ny teniko ary hampitainao aminy ny fampitandremana avy amiko.
18 Andeha hataontsika hoe misy olon-dratsy iray tiako hilazana fa hahafaty azy tokoa ny afitsony: raha tsy mampitandrina azy ianao hialany amin'ny toe-dratsiny mba hahavelomany, dia ho faty noho ny otany tokoa izany olon-dratsy izany, nefa ianao no tazoniko ho tompon'andraikitra amin'ny fahafatesany.
19 Raha ohatra kosa ka nampitandrina azy ianao, nefa tsy nanaiky hiala tamin'ny fahadisoany sy ny toe-dratsiny izy, dia ho faty noho ny otany tokoa izy, fa ianao kosa hahavonjy ny ainao.
20 Andeha hataontsika hoe misy olo-marina iray miala amin'ny tsara ka manao ny ratsy: hataoko hampidi-doza aminy izany ka ho faty izy. Raha tsy mampitandrina azy ny amin'io loza io ianao, dia ho faty noho ny otany izy; fa tsy hisaiko ny asa soa nataony taloha ary ianao no tazoniko ho tompon'andraikitra amin'ny fahafatesany.
21 Fa raha nampitandrina io olo-marina io kosa ianao mba tsy hanao ratsy ka mifady ny ratsy tokoa izy, dia ho velona noho ny fampitandremana nataonao; sady hahavonjy ny ainao koa ianao. "
22 Ary voasariky ny herin'ny TOMPO indray aho, ka hoy Izy tamiko: "Mitsangana, mankanesa any an-dohasaha fa any no hitenenako aminao."
23 Dia nitsangana aho, ka nandeha nankany an-dohasaha. Ary indro ny voninahitry ny TOMPO niseho tao tahaka ilay efa nahitako azy teo amoron'ny ony Kebara, koa nikarapoka nihohoka aho.
24 Tamin'izay dia niditra tao amiko ny Fanahin'Andriamanitra ka nampitsangana ahy. Ary hoy ny TOMPO tamiko: "Mandehana mihidy ao an-tranonao.
25 Ao no ho tadina ianao, ry ilay taranak'olombelona, ka hafatotra tsy ho afa-mivoaka ny trano intsony hankeo amin'ny Israelita.
26 Hampiraiketiko amin'ny lanilaninao ny lelanao, ka hanjary moana tsy ho afa-mananatra io firenena maditra io ianao.
27 Nefa raha misy zavatra holazaiko amin'ny alalanao, dia hataoko afa-miteny ianao. Amin'izay dia hiteny aminy ianao ka hanao hoe: "Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY". Ny sasany dia ho vonona hihaino anao, fa ny sasany kosa tsy hanaiky hihaino anao satria vahoaka maditra izy."
Toko faha-4
1 Dia nampian'ny TOMPO hoe: "Ry ilay taranak'olombelona , maka takela-tanimanga iray ianao ary apetraho eo anatrehanao; dia manaova sarin-tanana eo aminy ho enti-maneho an'i Jerosalema.2 Asehoy fa voan'ny fahirano izy amin'ny fametrahana hady fanafihana sy tovon-tany ary tobim-pamelezana sy kanonta be manodidina azy.