Fitomaniana

Toko faha-4

10 Ny reny tokony ho feno fitiavana aza no nirotsaka nahandro ny zanany; dia izany no nataony sakafo tamin'ny fandringanana nahazo ny vahoakako.

11 Nanampatra havinirana ny TOMPO ka nampitosaka ny fahatezerany mirehitra. Namelona hain-trano tao Tsiona Izy handevonana ny fanorenany.

12 Tsy nanampo na ny mpanjakan'ny tany na ny mponina rehetra amin'izao tontolo izao fa hiditra ao an-tananan'i Jerosalema ny fahavalony ama-mpandrafy azy.

13 Fahotan'ny mpaminaniny sy heloky ny mpisorony izay nahafaty ny mpivavaka marina tao an-tanana no nahatonga izany fahavoazana izany.

14 Toy ny jamba eny an-dalambe ry zareo no niraparapa fandeha sady voahosin-dra; hany ka voarara ny mikasika ny fitafiany.

15 Rehefa tonga izy, dia misy miantsoantso hoe: Mihataha ianareo fa maloto izy, mihataha fa aza manatona azy. Raha mandositra izy nefa tsy mahita izay haleha dia hoy ny firenen-kafa hoe: Tsy mahazo mijanona ela aty amintsika ireo!

16 Ny TOMPO mihitsy no nampiely azy fa tsy te hahita azy intsony. Koa tsy nohajaina ny mpisorona ary tsy niantrana ny zokiolona.

17 Mbola vizana ny masonay miandry foana ny famonjena. Nitazana teo an-tilikambo izahay nanantena firenena tsy hahavonjy.

18 Arahi-maso ny fihetsikay: Tsy afa-mankeny an-kianjanay akory izahay. Manakaiky ny fiafaranay, tapitra ny andronay; eny, migadona ny fiafaranay.

19 Ny mpanenjika anay kosa haingam-pandeha noho ny voromahery eny an-danitra. Manenjika anay hatrany an-tendrombohitra izy, ary manotrika hamely anay any an-taniefitra.

20 Ilay niankinan'ny fiainanay, ilay mpanjaka nohosoran'ny TOMPO ka mba efa nilazanay hoe: Eo ambany fiarovanao no hanananay toerana eo anivon'ny firenen-kafa, dia indro voafandriky ny longoam-pahavalo!

21 Mifalia sy miravoa ianareo, ry mponin'i Edoma, izay mitoetra ao amin'ny tanin'i Hotsy; saingy handalo aminareo koa ny tsangambavam-panamelohana ka ho mamo sy hiboridana ianareo!

22 Efa tapitra ny famaizana anao, ry Tsiona, ka tsy hoentina ho babo intsony ianao. Fa ianao kosa, ry Edoma, hovalian'ny Tompo ny fahadisoanao, hovakiny bantsilana ny helokao.

Toko faha-5

1 TOMPO o, tsarovy izay nanjo anay, diniho sy jereo ny fandatsana anay.

2 Lasan'ny hafa ny tanindrazanay, lasan'ny vahiny ny tranonay.

3 Efa tsy eo intsony ny rainay ka tonga kamboty izahay, ary mpitondratena ny reninay.

4 Na dia ny lavaka fantsakanay aza dia tsy maintsy andoavanay vola vao azonay isotroana rano; ary vidinay koa ny kitainay vao azonay ampidirina.

5 Avy eo an-damosina ny mpanenjika anay ka trotraka izahay fa tsy manam-pitsaharana.

6 Nanolo-tanana tamin'i Ejipta sy i Asiria izahay mba ho voky hanina.

7 Nanota ny razanay kanefa tsy eo intsony izy; fa izahay no mivesatra ny helony.

8 Mpanompo no manapaka anay nefa tsy misy manafaka anay amin'ny fahefany.

9 Manao vy very ny ainay izahay hahazoan-kanina noho ireo dahalo mirongo fiadiana any an-taniefitra.

10 Mahamay toy ny lafaoro ny hoditray satria ampijalijalian'ny mosary izahay.

11 Misy manolana ireo vehivavy ao Tsiona mbamin'ireo virijiny any an-tananan'i Joda.

12 Nahantona tamin'ny tanany ireo mpitondra; ary tsy mba nohajaina ny zokiolona.

13 Ny zatovo mitondra ny vato fikosoham-bary; ary ny ankizy mivembena mivesatra ny hazo.

14 Ny loholona nitsaha-nanao antenimiera; ary ny zatovo nitsaha-nitendry valiha.

15 Nitsahatra ny hafalian'ny fonay; niova ho fisaonana ny dihin-karavoanay.

16 Nianjera ny satroboninahitra teny an-dohanay; idiran-doza izahay satria efa nanota!

17 Matoa rera-po izahay matoa jembin-dranomaso ny masonay,

18 dia noho ny tendrombohitr'i Tsiona efa lao ka nanjary fonenan'ny amboadia.

19 Ianao kosa, TOMPO o, dia mipetraka mandrakizay eo amin'ny sezafiandriananao; ary ny fanjakanao no maharitra amin'ny taonjato mifandimby.

20 Koa ahoana no anadinoanao anay hatrany sy andaozanao anay mandritra ny andro-piainanay?

21 TOMPO o, ampivereno aminao izahay mba hiverenanay aminao tokoa; havaozy ny fiainanay ho toy ny fahiny.

22 Sa holavinao tanteraka ve izahay na hiharan'ny hatezeranao mihoa-pampana?

Ezekiela

Toko voalohany

1 Tamin'ny faha telopolon-taonako, fony andro faha dimin'ny volana fahefatra, izaho Ezekiela zanakalahin'i Bozy mpisorona dia tao anivon'ireo Jiosy babo teo amoron'ny ony Kebara ; nisokatra ny lanitra ary nahita fahitana avy tamin'Andriamanitra aho. Taona faha dimy taorian'ny nahalasan-ko babo an'i Joiakina mpanjaka tamin'izay. Koa teo amoron'io ony Kebara tany amin'ny tanin'ny Babilonianina io, no nisy tenin'ny TOMPO tamiko, sady nihazona ahy tamin'ny heriny izy.

4 Koa izao no hitako: tafio-drivotra tonga avy any avaratra, nitondra rahona matevina sady namoaka tselatra. Voahodidina hazavana ilay rahona, ary ny afovoany izay mivaivay dia nanjelanjelatra toy ny vy mangirana.

5 Hita miavaka tao amin'io ivon-drahona io ny endrika zava-miaina efatra izay toa olombelona no fijery azy.

6 Samy nanana tarehy efatra sy elatra efatra avy izy.

7 Mahitsy ny tongony; ary ny faladiany dia toy ny kitron'ombilahikely, ka mamirapiratra toy ny halimo voadio.

8 Teo ambanin'ny elatra efatra dia samy nisy tanan'olona iray avy; ary ireny tanana ireny dia nitodika ho amin'ny lafiny efatra nanaraka ny tarehy sy ny elany avy.

9 Nifanendry ny tendron'ny elany; ary samy nandroso ho amin'izay hitsiny avy izy, fa tsy niherika rehefa nandeha.

10 Samy nanana ireto tarehy ireto avy izy: tarehin'olona no teo anoloana, tarehina liona no teo ankavanana, tarehin'ombilahy no teo ankavia ary tarehina voromahery no teo ivoho.

11 Ny roa amin'ireo elany dia nitsotra miakatra ka nifanendry ny tendrony, fa ny roa kosa nanarona ny tenany.

12 Samy nizotra tamin'izay hitsiny avy ireo zava-miaina ireo, ary nandeha tamin'izay nitondran'ny Fanahy azy fa tsy niherika.

13 Teo anelanelan'ireo zava-miaina dia tazana ho nisy toy ny vainafo; ary nihetsiketsika toy ny fanilo no fijery azy. Namirapiratra ny afo, ary nisy tselatra nivoaka avy tao aminy.

14 Ireo zava-miaina ireo koa dia nifanaretsaka tetsy sy teroa sady nitsoriaka toy ny varatra.

15 Raha nandinika ny zava-miaina efatra aho, dia nahita fa teo anilan'ny tsirairay avy dia nisy kodiarana iray nitehika tamin'ny tany.

16 Nanana endrika manjelanjelatra toy ny vatosoa ireo kodiarana. Nitovy bika izy efatra ary toa samy voarafitra ho kodiarana mifampidipiditra.

17 Afaka mandroso ho amin'ny lafiny efatra izy nefa tsy mila mihodina.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9531