Ezekiela

Toko faha-9

10 Noho izany dia tsy ho antra fijery azy Aho ary tsy hamindrafo aminy; fa hataoko mivesatra ny vokatry ny fitondrantenany izy.

11 Tamin'izay dia tonga nanao tatitra ilay lehilahy niakanjo rongony ka nanao tamin'Andriamanitra hoe:-Efa notanterahiko izay nandidianao ahy.

Toko faha-10

1 Ary nijery aho ka indro teo amin'ny habakabaka izay tambonin'ny lohan'ny kerobima fa nisy tahaka ny vato safira, ka mitovitovy amin'ny sezafiandrianana ny endriny; ary niseho teo ambonin'ireo kerobima ny TOMPO.

2 Ary hoy ny TOMPO tamin'ilay lehilahy miakanjo rongony: "Midira ao anatin'ny tadio anelanelan'ny kodiarana eo ambany kerobima. Fenoy vainafo avy eo afovoan'ny kerobima ny tananao, ka afafazo amin'ny tanana izany. "Dia hitako nandeha nankao anatin'ny tadio ralehilahy.

3 Fa raha mbola nankao izy, dia nijanona teo amin'ny ilany ankavanan'ny tempoly ireo kerobima, ary feno raho-matevina ny kianja anatiny.

4 Niakatra avy eo ambonin'ny kerobima hankeny amin'ny tokonam-baravaran'ny tempoly ny voninahitry ny TOMPO. Koa nanjary feno raho-matevina ny tempoly; ary ny kianja kosa dia namirapiratry ny voninahitry ny TOMPO.

5 Ary heno hatrany amin'ny kianja ivelany ny fikopakopaky ny elatry ny kerobima, tahaka ny feon'Andriamanitra Tsitoha raha miteny.

6 Nijoro teo anilan'ny kodiarana iray ilay lehilahy miakanjo rongony, izay nampakana afo teo anelanelan'ny kodiarana teo afovoan'ny kerobima araka ny baikon'Andriamanitra.

7 Nanatsotra ny tanany ho eo amin'ny afo izay teo anilany ny kerobima iray ka naka vainafo tao ary namenoany ny tanan-droan'ilay lehilahy. Noraisin-dralehilahy kosa izany, dia nivoaka ny tempoly izy.

8 Ary nisy toa tanan'olona roa niseho teo ambany elatry ny kerobima.

9 Hitako koa fa nisy kodiarana efatra, ka kodiarana iray avy no teo anilan'ny kerobima. Ireo kodiarana ireo dia nanjelanjelatra tahaka ny vatosoa krizolita.

10 Mitovy bika izy efatra ary toa samy voarafitra hifampidipiditra.

11 Afaka mandroso ho amin'ny lafiny efatra izy nefa tsy mila avily. Mizotra ho amin'izay itodihan'ny kerobima izy ary mandroso tsy mila avily.

12 Ny tenan'ny kerobima manontolo, indrindra ny lamosiny sy ny tanany ary ny elany, dia rakotra maso manjelanjelatra tahaka ireo kodiarana efatra.

13 Ary ireo kodiarana efatra dia reko nomena anarana hoe "tadio".

14 Samy nanana endrika efatra ny kerobima tsirairay: ny voalohany dia endrika kerobima, ny faharoa dia endrika olona, ny fahatelo dia endrika liona, ary ny fahefatra dia endrika voromahery.

15 Niakatra ho eny amin'ny habakabaka ireo kerobima, izay tsy hafa fa ireo zava-miaina izay hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany.

16 Rehefa mandroso izy, dia mandroso miaraka aminy koa ireo kodiarana; rehefa mikopaka elatra hiakatra hiala amin'ny tany izy, dia tsy misaraka aminy koa ireo kodiarana.

17 Raha mijanona izy, dia mijanona koa ny kodiarana; raha manidina miakatra ho eny amin'ny habakabaka izy, dia mba miakatra koa ny kodiarana, satria ny fanahin'ny zava-miaina no manetsika ireo kodiarana.

18 Niainga avy teo an-tokonam-baravaran'ny tempoly ny voninahitry ny TOMPO, ka nipetraka teo ambony kerobima.

19 Dia nikopaka elatra handeha ireo kerobima ka tsinjoko niakatra niala avy amin'ny tany, ary niara-niainga taminy koa ireo kodiarana. Nijanona teo anilan'ny vavahady atsinanana amin'ny tranon'ny TOMPO izy ka namirapiratra teo amboniny ny voninahitr'Andriamanitr'i Israely.

20 Teo amoron'ny ony Kebara no efa nahitako ireo zava-miaina ireo nijoro teo ambanin'Andriamanitr'i Israely, ka fantatro ankehitriny fa kerobima ireo.

21 Samy nanana endrika efatra sy elatra efatra ary karazana tanan'olona teo ambany elany avy ny tsirairay.

22 Nitovy tanteraka tamin'ny endrik'ireo zava-miaina teo amoron'ny ony Kebara ny endriny. Samy nandroso mahitsy tamin'izay tandrify azy avy ny kerobima.

Toko faha-11

1 Ary ningain'ny Fanahin'ny TOMPO aho ka nentiny hankeo amin'ilay vavahady atsinanana amin'ny tranon'ny TOMPO. Tazako teo anilan'ny fidirana ny lehilahy 25 ka anisan'ireny ireo roa lahy lehiben'ny vahoaka, dia i Jazania zanakalahin'i Hazora, sy i Pelatia zanakalahin'i Benaia.

2 Ary hoy ny Fanahy tamiko: "Ry ilay taranak'olombelona, ireo no lehilahy manomana asa ratsy sy manolo-tsaina mandoza eto Jerosalema.

3 Lazainy hoe: "Tsy hanorenana trano intsony eto ao anatin'ny fotoana elaela ! Fa ho toy ny vilany ity tanana ity ary isika no ho hena tahirizina ao anatiny."

4 Koa ianao, ry ilay taranak'olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao, eny, ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hanohitra azy.".

5 Dia nilatsaka tamiko ny Fanahin'ny TOMPO ka nandidy ahy hanambara hoe: "Izao no lazain'ny TOMPO: Fantatro izay teneninareo, ry olon'i Israely, fantatro ny eritreritra tonga ao an-tsainareo!

6 Efa nahafaty olona maro teto amin'ity tanana ity ianareo; ary namenoanareo ny lalambe ny fatiny.

7 Koa hoy Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY aminareo: toy ny vilany ity tanana ity, ary ny hena dia ireo efa novonoinareo ho faty teo anivony. Ianareo kosa anefa dia horoahiko tao.

8 Matahotra ny ady ve ianareo? Raha izany, dia halefako aminareo ny ady. Teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany!

9 Horoahiko hiala amin'ity tanana ity ianareo, ka hatolotro ho eo an-tanan'ny firenen-kafa; ary ho tanterahiko ny didim-pitsarako ny aminareo.

10 Hampihariko aminareo ny fitsarako ato anatin'ny faritr'i Israely, ka ho vonoiko ho faty amin'ny ady ianareo. Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.

11 Tsy ho toy ny vilany ho anareo ity tanana ity ary tsy ho toy ny hena tahirizina ao anatiny ianareo; fa hampihariko aminareo ny fitsarako ato anatin'ny faritr'i Israely.

12 Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO Izay tsy nankatoavinareo lalana sy tsy narahinareo fitsipika, satria nanaraka ny fomban'ireo firenena nanodidina ianareo."

13 Raha mbola nampita izany faminaniana izany aho, dia maty i Pelatia zanakalahin'i Benaia. Koa nianjera nihohoka nitehi-tany aho ary niantso mafy hoe: "Adray, ry TOMPO ANDRIANANAHARY o, haringanao avokoa ve ny Israelita sisa?"

14 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

15 Ry ilay taranak'olombelona, ny mpiray firenena aminao, ireo havanao israelita rehetra aty, dia ilazan'ny mponina eto Jerosalema izao torohevitra izao: Mijanona lavitry ny TOMPO any ianareo, satria izahay no nomeny ity tany ity ho fanananay. "

16 Noho izany, ambarao amin'ireo namanao babo fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Na dia nalefako any an-tany lavitra sy naeliko any anivon'ny firenen-kafa aza ianareo, dia manatrika anareo Aho tahaka ny ao amin'ny Toeramasina ihany."

17 Ambarao aminy koa fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Hangoniko avy any amin'ny firenena sy ny tany izay nanelezako anareo ianareo, ka homeko ny tanin'i Israely indray.

18 Rehefa tafaverina any ianareo, dia hanaisotra ny fanao mahatsiravina sy maharikoriko rehetra momba ny fanompoan-tsampy izay misy ao.

19 Homeko fo iray ihany ianareo rehetra, ary hametrahako fanahy vaovao ao anatinareo; hoesoriko aminareo ny fo tsy miraika toy ny vato ka hosoloiko fo mora anarina.

20 Amin'izay dia hizotra araka ny lalanako rehetra ianareo ary hitandrina ny fitsipiko ka hampihatra azy, dia ho vahoakako ianareo ary Izaho ho Andriamanitrareo.

21 Fa ho an'izay manana fo mirona amin'ny fanao mahatsiravina sy maharikoriko momba ny fanompoan-tsampy dia hataoko mivesatra ny vokatry ny fitondrantenany izy. Teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany."

22 Nikopaka elatra ireo kerobima, dia niara-nihetsika taminy koa ireo kodiarana, ary namirapiratra teo amboniny ny voninahitr'ilay Andriamanitr'i Israely.

23 Avy eo dia niakatra niala teo afovoan'ny tanana ny voninahitry ny TOMPO ka nijanona teo amin'ilay tendrombohitra atsinanan'i Jerosalema.

24 Dia tsaroako ho ningain'ny Fanahin'Andriamanitra aho, ka naveriny ho eo anilan'ireo babo tany Babilona. Tamin'izay dia nitsahatra ny fahitana azoko;

25 ary notantaraiko tamin'ireo babo ny zavatra rehetra nasehon'ny TOMPO ahy.

Toko faha-12

1 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9665