Fitomaniana

Toko faha-3

26 Tsara ny manantena mangina ny famonjen'ny TOMPO.

27 Tsara ho an'ny lehilahy ny mitondra zioga amin'ny fahatanorany.

28 Aoka izy hipetraka mitokana sy hangina, rehefa mizaha toetra azy ny Tompo.

29 Aoka hanohoka vava am-bovoka izy, ndrao mba hisy fanantenana.

30 Aoka izy hanolotra ny takolany amin'izay mikapoka azy, ka ho voky latsa!

31 Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo.

32 Fa raha mampahory Izy, dia mamindrafo araka ny halehiben'ny fitiavany.

33 Fa tsy sitrany ny mampahory na mampijaly ny olombelona.

34 Rehefa hosihosena avokoa ny mpigadra eo amin'ny tany,

35 rehefa ny zon'olombelona no hitsakitsahina eo anatrehan'ilay Avo Indrindra,

36 rehefa ny rariny no avadika eo amin'ny fitsarana, dia tsy ho hitan'ny Tompo ve izany?

37 Iza moa no miteny, dia mampisy zavatra? Moa tsy ny Tompo va no mandidy?

38 Moa tsy ny tenin'ilay Avo Indrindra ve no mampisy ny loza sy ny soa?

39 Koa inona ary no imenomenonan'ny olona izay mbola velona sy tomady, na dia eo aza ny fahotany?

40 Dinihontsika sy fantaro ny fitondrantenantsika, ka miverena amin'ny TOMPO isika.

41 Aoka hasandratsika miaraka ny fo aman-tanana, rehefa mivavaka amin'Andriamanitra any an-danitra isika.

42 Efa nanota sady nikomy izahay; ary Ianao, Tompo o, tsy namela heloka anay.

43 Nisarom-pahatezerana Ianao no nanenjika anay, ka nandringana anay tsy nisy fiantrana.

44 Nisaron-drahona Ianao mba tsy ho takatry ny vavakay.

45 Nataonao fakofako sy fanary teo anivon'ny firenen-kafa izahay.

46 Nanoka-bava hamely anay ny fahavalonay rehetra.

47 Horohoro sy fanina no mahavoa anay, ary koa fandringanana sy faharatrana.

48 Rano mandriaka no avoakan'ny masoko noho ny faharatrana nanjo ny fireneko.

49 Mikoriana ranomaso tsy mety ritra ny masoko satria tsy misy fitsaharanay mihitsy.

50 Andrasako ny hitsinjovan'ny TOMPO ka hijereny avy any an-danitra.

51 Fijaliana ho ahy ny mahita izay manjo ny zazavavy rehetra ao an-tananako.

52 Ireo fahavaloko tsy amin'antony manenjika ahy toy ny fanenji-boronkely.

53 Nanidy ahy velona tao an-davaka izy ary nanjera vato teo amboniko.

54 Nandifotra ny lohako ny rano, ka hoy aho hoe: Very aho ity!

55 Avy tany am-paran'ny lava-drano aho no niantso vonjy taminao, TOMPO o.

56 Renao ny feoko manao hoe: Aza anampenan-tsofina ny fitarainako miantso vonjy aminao.

57 Nanatona Ianao tamin'ny andro niantsoako Anao, ka nanao tamiko hoe: Aza matahotra!

58 Tompo o, niady ho ahy Ianao ka nanavotra ny aiko.

59 TOMPO o, hitanao ny fiangarana natao tamiko ka notsarainao ara-drariny aho.

60 Hitanao avokoa ny valifaty nataony tamiko, dia izay rehetra nokasainy hamelezana ahy.

61 TOMPO o, efa renao ny latsa nataony, dia izay rehetra nokasainy hamelezana ahy.

62 Izay lazain'ny mpanohitra ahy sy eritreretiny dia kendreny hamelezana ahy tontolo andro.

63 Jereo izy na mipetraka na mitsangana fa izaho ihany no ambentin-dresany.

64 TOMPO o, araka izay nataony tamiko no hamalianao azy koa.

65 Hataonao donto ny fisainany; ary hiharan'ny ozonao ireo.

66 Hoenjehinao amim-pahatezerana izy ka haringanao tsy ho ety ambonin'ny tany.

Toko faha-4

1 Indrisy! Nihavasoka ny volamena; efa nihamatroka ilay metaly tsara; ireo vatosoa voatokana ho an'ny Tompo dia niparitaka teny an-dalambe rehetra teny.

2 Indrisy! Ireo vaton'i Tsiona izay sarobidy sady manan-danja toy ny volamena madio dia tonga mitovy vidy amin'ny siny tany, asan-tanan'ny mpanefy tanimanga?

3 Na ny amboadia aza dia manolotra nono mba hampinonoana ny zanany; fa ny zanakavavin'ny fireneko kosa tsy mifaditra ovana tahaka ny vorombe any an-taniefitra.

4 Main'ny hetaheta ireo zaza minono ka miraikitra amin'ny lanilany ny lelany. Mitaky mofo ireo ankizy madinika nefa tsy misy mizara ho azy.

5 Ireo mpihinana hanim-py dia mitofezaka eny an-dalambe. Ireo nobeazina tamin'ny fitafiana jaky dia mihosinkosina eny an-tobim-pako.

6 Lehibe noho ny heloky ny tao Sodoma ny fahotan'ny vahoakako; nefa noravana indray mipi-maso io tanana io ka tsy nisy nihetsehana akory.

7 Ny printsiny dia nangatsakatsaka noho ny oram-panala; fotsy noho ny ronono ny fihodirany, mavokely noho ny akoran-driaka ny tenany, ary manga toy ny safira ny lalan-drany.

8 Fa izao kosa dia mainty noho ny arina ny endriny; ka tsy fantatra intsony izy eny an-dalambe. Miraikitra amin'ny taolany ny hodiny, dia hoditra maina toy ny kitay.

9 Aleo lavitra aza matin-tsabatra toy izay matin'ny mosary sy mitofezaky ny harerahana satria tsy misy vokatry ny saha.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.0025