Ezekiela
Toko faha-7
5 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Indro fa avy ny loza, dia loza tsy misy toa azy!6 Injao no farany; mby akaiky ny farany, ry tanin'i Israely. Mifoha hiantonta aminao izy, indro fa avy tokoa.
7 Ry mponina amin'ny tanin'i Israely, mby akaiky ny faharavana hanjo anareo, tonga ny fotoana, antomotra ny andro fitsarana. Sahotaka no hisolo ny horakora-pifaliana eny an-tendrombohitra.
8 Izao ankehitriny izao no hanosahako ny fahatezerako aminareo ka hanamparako ny fahavinirako. Ho tsaraiko araka ny fitondrantenanareo ianareo ary hovaliako aminareo ny asa maharikoriko rehetra nataonareo.
9 Tsy ho antra fijery anareo Aho ary tsy hamindrafo aminareo, fa hovaliako aminareo ny fitondrantenanareo sy ny asa maharikoriko izay mbola tohizinareo eo anivonareo. Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho TOMPO no mikapoka anareo.
10 "Indro ny andro fitsarana, ary mby akaiky sady miseho lany ny faharavana. Mitombo ny hetraketraka ary mahazo vahana ny avonavona.
11 Ny herisetra dia toy ny tsorakazo arangaranga hanafaizana ny haratsiana; koa tsy hisy tavela intsony eo aminareo na ny hamaroanareo na ny harenareo na ny zava-kantonareo.
12 Tonga ny fotoana ary akaiky ny andro fitsarana: aoka tsy hifaly ny mpividy ary aoka halahelo ny mpivarotra satria ny vahoaka rehetra no iharan'ny fahatezerako.
13 Ny mpivarotra tsy hiverenan'ny entany intsony na dia mbola velona aina aza. Ny fahitana manambara ny loza hanjo ny vahoaka rehetra manko dia ho tanteraka. Samy miaina anaty heloka ny olona tsirairay ka tsy hisy ho tafarina.
14 Hotsofina ny anjomara ary hatao ny fiomanan-kiady, fa tsy hisy olona handeha hiantafika satria ny vahoaka rehetra no iharan'ny fahatezerako."
15 "Hirongatra eny an-dalambe ny ady, ary ao an-trano kosa ny areti-mandringana sy ny mosary. Ho fatin'ny ady ireo olona any an-tsaha, ary ho ripaky ny mosary sy ny areti-mandringana ireo any an-tanana.
16 Handositra any an-tendrombohitra izay sisa velona; ka samy hitoloko toy ny voromahailala an-dohasaha izy rehetra noho ny heloka nataony.
17 Hiraviravy tanana daholo izy ary halemy lohalika avokoa.
18 Hisikina lamba fisaonana izy ka ho safotry ny horohoro. Hisoritra henatra ny endrika rehetra ary ho voaharatra avokoa ny loha rehetra.
19 Hariany eny an-dalambe ny volafotsiny ary hataony toy ny tain-drendrika ny volamenany satria na ny volafotsy na ny volamena dia samy tsy hahavonjy azy amin'ny androm-pahatezeran'ny TOMPO. Tsy hahafa-po azy na hahavoky azy izany satria ny volafotsy sy ny volamena no tonga fototry ny heloka ataony.
20 Ny firavany tsara tarehy dia niteraka avonavona tao aminy ka nisy namboarany sarivongan-tsampy maharikoriko sy mahatsiravina. Izany no nanaovako ireny firavany ireny ho zavatra mankaloiloy azy.
21 Havelako horobain'ny vahiny koa ireny sy ho faohin'ny olon-dratsy ho babo rehefa avy nozimbazimbainy.
22 Hiamboho tsy hiraharaha azy Aho ka ilay raki-tsoako no ho zimbazimbainy; fa hiditra ao ny jiolahy ka hanimbazimba azy.
23 Manamboara rojo fandrohizana fa feno vonoan'olona ny tany ary feno herisetra ny tanana.
24 Asaiko tonga ireo hafa firenena lozabe mba haka ny tranon'ny mponina. Hatsahatro ny avonavon'ireo mahery ary ho zimbazimbaina ny toeramasiny.
25 Ho avy ny tebiteby; hitady fiadanana izy fa tsy hisy.
26 Hifanesy tonga ny antambo ary hifanindry ny filazana loza. Ny mpaminany hitakiana fahitana fa tsy hisy; ny mpisorona tsy manana fampianarana intsony ary ireo loholona tsy manome tolo-kevitra.
27 Hisaona ny mpanjaka, tototra hakiviana ny andriana ary hangovi-tanana ny vahoaka. Hovaliako araka ny fitondrantenany izy ary hotsaraiko araka ny sahaza azy. Amin'izay dia hoeken'ireo fa Izaho no TOMPO. "
Toko faha-8
1 Tamin'ny taona fahenina taorian'ny fahababoana, nony andro faha dimin'ny volana fahenina, dia nipetraka tao an-tranoko aho ary nipetraka manoloana ahy ireo loholon'i Joda. Teo no voatsindrin'ny herin'ny TOMPO ANDRIANANAHARY aho.2 Hitako nisy toa miendrika olona no fijery azy. Tahaka ny afo ny tenany hatreo amin'ny tehezany no ho midina, ary mamirapiratra sy manjelanjelatra tahaka ny metaly mangirana kosa ny tapany ambony.
3 Nisy toa tanana natsotrany tamiko ka noraisiny tamin'ny volon-dohako aho. Tanatin'izany fahitana avy amin'Andriamanitra izany, dia tsaroako ho ningain'ny Fanahin'Andriamanitra ho eny ana habakabaka aho ka nentiny hankany Jerosalema. Mby teo amin'ny vavahadin-tanana izay mitodika mianavaratra aho, dia teo amin'ny toerana nisy ilay sarivongan-tsampy tsy zakan'Andriamanitra.
4 Ary indro niseho tamiko teo ny voninahitr'ilay Andriamanitr'i Israely, tahaka ny nahitako azy tao an-dohasaha.
5 Ary hoy Andriamanitra tamiko: "Atopazo mianavaratra ny masonao, ry ilay taranak'olombelona." Dia nataoko izany. Indro teo avaratry ny vavahady nisy alitara iray; ary ilay sarivongan-tsampy tsy zakan'Andriamanitra dia hitako teo akaikin'ny fidirana.
6 Dia hoy indray Andriamanitra hoe: "Ry ilay taranak'olombelona, hitanao tsara ve izay ataon'ny olona eo? Fa ny firenen'i Israely dia manao izay fomba maharikoriko mba hampanalavitra Ahy amin'ity toerako masina ity. Nefa mbola hahita fomba hafa maharikoriko toy izany ianao."
7 Ary nitondra ahy ho eo am-bavahadin'ny kianja ivelan'ny tempoly Izy, ka hitako fa nisy hirika teo amin'ny rindrina.
8 Dia hoy Andriamanitra tamiko: "Ry ilay taranak'olombelona, gorobahy ny rindrina." Dia nogorobahiko ny rindrina ka nasiako banga.
9 Ary hoy indray Izy tamiko: "Midira ianao ary jereo ny fomba ratsy maharikoriko ataon'ireo olona ireo eto."
10 Dia niditra aho ary izao no hitako: rakotry ny sary mampiseho ireo biby mandady sy biby hafa mahatsiravina rehetra ny rindrina manodidina ahy, ary hita teo avokoa ny sampin'i Israely.
11 Nitsangana teo anoloan'ireo sary ireo ny loholona fitopololahy tamin'ny vahoakan'i Israely, ka isan'ireny i Jazania zanakalahin'i Safana. Samy nitana lovia fandoroana vovo-javamanitra teny an-tanany avy izy ary nidonaka ny setrok'izany.
12 Dia nanontany ahy Andriamanitra hoe: "Ry ilay taranak'olombelona, hitanao tsara ve izao izay ataon'ny loholon'i Israely ao amin'ny miafina, fa samy manana toerana voatokana ho an'ny sampiny avy izy? Nefa manamarin-tena izy ka manao hoe: "Tsy mahita anay ny TOMPO fa efa nandao ny taninay Izy". "
13 Ary hoy koa Andriamanitra hoe: "Mbola hahita fomba ratsy hafa maharikoriko fanaony koa ianao."
14 Dia nentiny indray aho hankeo anoloan'ny vavahadin'ny tranony, izay mitodika mianavaratra. Nisy vehivavy maro nipetraka teo, ary nitomany ny fahafatesan'i Tamoza.
15 Koa nanontany ahy Andriamanitra hoe: "Hitanao tsara ve izao, ry ilay taranak'olombelona? Mbola hahita fomba maharikoriko goavana kokoa noho izao aza ianao."
16 Dia nentiny indray aho hankao an-kianja anatiny amin'ny tranony. Manoloana ny varavaran'ny Toeramasina, dia nisy tokony ho 25 lahy teo anelanelan'ny Toeramasina sy ny alitara fisoronana. Niamboho ny Toeramasina ireo ary nitodika miantsinanana ka niankohoka mba hivavaka amin'ny masoandro.
17 Dia nanontany ahy indray Andriamanitra hoe: "Hitanao tsara ve izao, ry ilay taranak'olombelona? Nefa tsy afa-po amin'izao fomba maharikoriko ataony izao izy fa mbola fenoiny herisetra koa ny tany, ka manao izay mampahasosotra Ahy lalandava izy. Jereo izy izao fa mampakatra rantsan-kazo eo amin'ny orony.
18 Ary Izaho kosa dia hamely azy amin'ny fahatezerako; tsy ho antra fijery azy Aho ary tsy hamindrafo aminy. Ka na dia hikiakiaka hiantso vonjy amiko aza izy, dia tsy hohenoiko."
Toko faha-9
1 Avy eo dia reko niteny mafy tamiko ny TOMPO nanao hoe: "Manatona ianareo natao hanafay ny tanana ka samia mitondra ny fitaovam-pandravana eny an-tanany avy."2 Dia indreo lehilahy enina nipoitra teo amin'ny vavahady ambony, izay tamin'ny lafiny avaratry ny tempoly, sady samy nitondra ny fitaovam-pandravany avy. Nisy lehilahy iray niakanjo rongony teo afovoany sady mitondra fitaovam-panoratana teny amin'ny fehikibony. Niditra izy rehetra ka nijanona teo akaikin'ny alitara halimo.
3 Ny voninahitr'ilay Andriamanitr'i Israely izay niseho teo ambony kerobima dia niakatra ho eo amin'ny tokonam-baravaran'ny tempoly. Ary niantso ilay lehilahy niakanjo rongony izay nitondra fitaovam-panoratana ny TOMPO,
4 ka nanao taminy hoe: "Mandehana mamakivaky eran'ny tananan'i Jerosalema, ka asio marika eny an-kandrin'izay rehetra mitaraina sy malahelo noho ny fomba rehetra maharikoriko atao eo aminy."
5 Avy eo dia reko Izy nanome baiko ireo sisa hoe: "Manaraha io lehilahy io eran'ny tanana, ka vonoy ny mponina. Aza antra fijery azy ianareo, ary aza mamindrafo aminy.
6 Aringano na antitra na tanora, mbamin'ny tovovavy sy ny ankizy ary ny vehivavy. Kanefa aza kasihina izay mitondra ilay marika. Atombohy eto amin'ny Toeramasiko izany." Dia nanomboka namono ireo loholona izay teo anoloan'ny tempoly izy.
7 Ary ny TOMPO nibaiko azy hoe: "Lotoy ny tempoly, fenoy fatin'olona ny kianjany , dia mandehana."Dia lasa ireo ka nanohy ny fandringanana tao an-tanana.
8 Izaho irery sisa nijanona teo nandritra ny famelezana, ka niankohoka nitehi-tany ary niantsoantso hoe:-TOMPO ANDRIANANAHARY o, raha manampatra ny fahatezeranao amin'i Jerosalema ve ianao dia handringana hatramin'ny Israelita sisa?
9 Ary namaly ahy Izy hoe:-Tsy hita lany mihitsy ny heloka nataon'ny fanjakan'i Israely sy i Joda: feno vonoan'olona ny tany sady feno fitsarana miangatra ny tanana. Ary ny olona dia nifampiteny hoe: "Efa nandao ny tanintsika ny TOMPO ka tsy mahita antsika."