Ezekiela

Toko faha-12

2 "Ry ilay taranak'olombelona, monina eo anivon'ny olona tena maditra ianao! Mana-maso hahitana izy fa tsy te hahita, manan-tsofina hihainoana fa tsy te hihaino, satria olona tena maditra.

3 Noho izany, fehezo ny entana izay ilain'ny babo anankiray ary omany antoandro eo imason'ny besinimaro ny fiainganao ho any am-pahababoana. Ialao ny toerana misy anao, ka mifindra any an-toeran-kafa, ary eo imason'ny besinimaro no anaovy izany; angamba mba ho tsapany fa tena maditra izy.

4 Amin'ny antoandro sady eo imasony no hamoahanao ny entanao avy ao an-tranonao toy ny entan'ny babo anankiray; ary amin'ny hariva kosa ianao no hiainga tahaka ny olona hankany am-pahababoana.

5 Gorobahy eo imasony ny manda, ka avoahy amin'io loaka io ny entanao.

6 Ataovy an-tsoroka eo imasony no fitondranao azy, ka ento miainga rehefa maizimaizina ny andro. Sarony ny endrikao mba tsy hahitanao izay tany alehanao, fa ianao dia nataoko ho famantarana mialoha ho an'ireo Israelita."

7 Dia nanao araka izay nandidian'ny TOMPO ahy aho, ka ny antoandro no namoahako avy ao an-tranoko ny entako toy ny entan'ny babo; ary ny hariva no nanagorobahako ny manda tamin'ny tanako. Ary nony efa maizimaizina ny andro, dia nentiko niainga ny entako ka teny an-tsoroko no nitondrako azy teo imason'ny besinimaro.

8 Nony ampitso maraina dia nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

9 "Ry ilay taranak'olombelona, tsy maintsy hanontany anao ireo Israelita maditra ireo ny amin'izay nataonao.

10 Koa ambarao aminy fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Izany hafatra fampitandremana izany dia ho an'izay andriamanjaka eto Jerosalema sy ho an'ny Israelita rehetra izay ao."

11 Ambarao aminy fa famantarana mialoha ho azy ianao, ka tahaka izay nataonao no hatao aminy; ho lasan-ko babo any an-tsesitany izy rehetra.

12 Izay andriamanjaka eo aminy dia hitondra ny entany an-tsoroka rehefa maizimaizina ny andro ka hivoaka ny tanana. Hogorobahana eo amin'ny manda mba hamoaha na azy, ka hisarona endrika izy mba tsy hahita izay tany halehany.

13 Izaho Tompo kosa dia hamelatra fandrika harato ka hisambotra azy. Dia hoentiko any amin'ny tanin'ny Babilonianina izy, ary tsy hahita izany kanefa ho faty any.

14 Haeliko any amin'ny vazan-tany efatra ireo rehetra nanodidina izany andriamanjaka izany, dia ireo mpiambina azy sy ireo antokon-tafiny, ka any no hanenjehako azy amin'ny sabatro.

15 Rehefa voahahako any amin'ny firenen-kafa sy voaparitako an-tany maro ireo, dia hiaiky fa Izaho no TOMPO.

16 Nefa hamelako olona vitsivitsy ihany izy, dia ny sisa tavela tsy ringan'ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana: ireo no hitantara amin'ny firenen-kafa misy azy ny zavatra rehetra maharikoriko nataony, ka hoeken'ny firenen-kafa koa fa Izaho no TOMPO."

17 Dia nisy indray tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

18 "Ry ilay taranak'olombelona, hano amin-kovitra ny mofonao ary sotroy amin-tahotra sy amin'ahiahy ny ranonao.

19 Avy eo dia ambarao amin'ny olon'ity tany ity fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Ny mponin'i Jerosalema izay tafajanona eto amin'ny tanin'i Israely dia hihinana sy hisotro amin'ahiahy sy amin-tahotra; ho ravana sy hatao fongana manko ny taniny, noho ny herisetran'ny mponina rehetra ao aminy."

20 Ho foana ny tanana onenany ary hanjary lao ny taniny. Amin'izay dia hiaiky ianareo fa Izaho no TOMPO. "

21 Ary nisy indray tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

22 Ry ilay taranak'olombelona, ahoana moa izao oha-pitenenana ataonareo momba ny tanin'i Israely izao hoe: Lasa ihany ny fotoana nefa toa tsy nisy tanteraka akory izay fahitana!"

23 Koa ambarao amin'ny Israelita fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Hatsahatro izany oha-pitenenana izany; tsy hotononina eto Israely intsony izany." Ambarao aminy kosa fa akaiky ny fotoana izay hahatanterahan'ny fahitana rehetra.

24 Tsy hisy intsony ny fahitana manodoka na fanambarana mamitaka.

25 Izaho TOMPO no hiteny; ary ny teny izay lazaiko dia hihatra tsy an-kiandry intsony. Eny, amin'izao andronareo izao, ry Israelita maditra, no hanatanterahako izay zavatra lazaiko. Teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany."

26 Avy eo dia nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

27 Ry ilay taranak'olombelona, lazain'ny Israelita fa ny fahitanao ankehitriny dia tsy ho tanteraka raha tsy afaka ela be, ary izay hafatra ampitainao dia momba ny vanim-potoana mbola lavitra.

28 Koa ambarao aminy fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Ny teniko rehetra dia hihatra tsy an-kiandry intsony; ny teny izay lazaiko dia ho tanteraka. Teny henitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany."

Toko faha-13

1 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

2 "Ry ilay taranak'olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hanohitra ireo mihambo ho mpaminany eto Israely ka maminany araka ny nahim-pony. Asaovy mihaino ny teniko izy.

3 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Hiharan-doza ny mpaminany adala, izay manaraka fotsiny ny eritreriny fa tsy manana fahitana akory."

4 Ry vahoaka israelita o, toy ny amboa dia mirenireny ao an-tanana aolo ny mpaminaninareo.

5 Tsy nandeha na namboatra ny banga tamin'ny manda ireo sady tsy nanangana manda hiarovana anareo amin'ny ady rehefa mby tonga ny andron'ny TOMPO.

6 Fa nilaza fahitana manodoka sy fanambarana mamitaka izy, ka nanao hoe: "Izao no teny hentitra avy amin'ny TOMPO"; nefa Izaho TOMPO tsy naniraka azy akory! Saingy manantena ny hanamafisako ny teniny izy.

7 Moa tsy fahitana manodoka ve ny anareo, hoy Aho? Moa tsy fanambarana mamitaka ve no ataonareo? Mihambo hilaza teny hentitra avy amin'ny TOMPO ianareo, kanefa Izaho tsy niteny taminareo akory!

8 Noho izany, izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Satria nilaza teny manodoka sy fahitana mamitaka ianareo, dia ho avy hamely anareo Aho. Teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany."

9 "Ny heriko no hamely ny mpaminany izay milaza fahitana manodoka sy fanambarana mamitaka. Tsy hanana anjara toerana ao amin'ny filankevitry ny vahoakako izy sady tsy ho voasoratra ao amin'ny lisitry ny vahoaka israelita ka tsy hiverina any amin'ny taniny. Amin'izay dia hoekeny fa Izaho no TOMPO ANDRIANANAHARY.

10 Mamitaka ny vahoakako ny mpaminany amin'ny filazana fa fiadanana no manjaka nefa tsy misy fiadanana akory. Manangana rindrina ny vahoakako fa ireo kosa mandalotra azy amin'ny fotaka."

11 Koa lazao amin'ireo mpandalotra ireo hoe: "Hirodana ny rindrina! Fa ho avy ny ora-mikija, hiraraka ny havandra vaventy, ary hifofofofo ny rivo-mahery.

12 Rehefa mirodana ny rindrina, dia hanontaniana anareo ny nilana ny fotaka nandaloranareo azy."

13 Noho izany, izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Hampifofofofo rivo-mahery Aho noho ny hatezerako; handefa ora-mikija Aho noho ny fahavinirako ary handraraka ny havandra vaventy mpandrava Aho noho ny fisafoakako.

14 Horavako ny rindrina izay nolalorinareo fotaka ka hazerako amin'ny tany, dia hiseho mbamin'ny fototra. Hirodana izy ka ho tototra ao ambaniny ianareo. Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.

15 Hanamparako ny hatezerako ny rindrina sy izay nandalotra fotaka azy, dia ho lazaina aminareo hoe: "Tsy misy intsony ny rindrina. Tsy misy intsony ny mpandalotra azy,

16 dia ireo mpaminany israelita izay maminany ny hoavin'i Jerosalema sy manam-pahitana manambara fiadanana ho azy nefa tsy misy fiadanana akory. Teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany. "

17 "Ary ianao, ry ilay taranak'olombelona, handrino ireo vehivavy israelita izay maminany araka ny nahim-pony ka ambarao ny hamelezana azy;

18 ambarao aminy fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Hiharan-doza ianareo izay manjaitra fehitanana ho an'ny hato-tanana rehetra, ary manjaitra fehivozona ho an'ny olona isan-karazany mba hangejanareo ny ainy.Tianareo ho gejaina ny ain'ny olona anisan'ny vahoakako mba hiarovana ny ainareo."

19 Manala baraka Ahy eo anatrehan'ny vahoakako ianareo noho izay vary eran'ny tanana ila na izay sombimofo vitsivitsy. Raha andainganareo ny vahoakako mora fahanan-dainga, dia mahafaty izay tsy tokony ho faty ianareo ary mamelona izay tsy tokony ho velona."

20 Koa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Hosimbako ny fehitanana izay angejanareo ny ain'ny hafa. Horovitiko ireny ka hoesoriko eny an-tanany, ary halefako malalaka ny aina izay nogejainareo.

21 Horovitiko ny fehivozony, dia hoafahako amin'ny fahefanareo ny vahoakako ary tsy hogejainareo intsony; amin'izay dia hoekenareo fa Izaho noTOMPO.

22 Ny lainganareo dia nahakivy ny olo-marina tsy tiako halahelo ary nampirisika ny olon-dratsy tsy hiala amin'ny toe-dratsiny mba hamelomana azy.

23 Noho izany dia tsy hisy intsony ny fahitanareo manodoka sy ny fanambaranareo mamitaka. Hoafahako amin'ny fahefanareo ny vahoakako. Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho noTOMPO. "

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9451