EksĂ´dy

Toko faha-11

4 Ka hoy i Mosesy tamin'ny Farao: -Izao no lazain'ny TOMPO: Rehefa tokony ho misasakalina dia hipoitra eo anivon'i Ejipta Aho.

5 Koa ho faty avokoa ny lahimatoa rehetra ao amin'ny tany Ejipta, manomboka amin'ny lahimatoanao Farao izay mipetraka eo amin'ny sezafiandrianany ka hatramin'ny lahimatoan'ny mpanompovavy mpanodina ny fikosoham-bary ary ny lahimatoan'ny biby fiompy rehetra.

6 Hanako eran'i Ejipta ny fidradradradrana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy, sady tsy hisy ho toa azy intsony.

7 Fa ao amin'ny Israelita rehetra kosa dia tsy handrenesana na inona na inona, na dia ny vovon'alika amin'ny olona sy amin'ny biby fiompy aza. Izay no hahafantaranareo fa Izaho TOMPO dia manavaka ny Ejiptianina amin'ny Israelita.

8 Ary ireo mpanomponao ireo dia ho avy hiankohoka eo anatrehako sady hiteny hoe: Mandehana any ianao sy ny vahoakanao! Dia handeha miaraka amin'izay aho. Dia niala tao amin'ny Farao i Mosesy sady feno hatezerana.

9 Ary hoy Koa ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Raha toa tsy mihaino anao ny Farao, dia ny mba hahazoako mampitombo ny zava-mahagaga hataoko eo amin'ny taniny.

10 I Mosesy sy i Aharona anefa dia efa nanao zava-mahagaga maro teo anatrehan'ny Farao, saingy ny TOMPO dia nanamafy fo ny Farao ka tsy nandefa ny Israelita hiala tao amin'ny taniny izy.

Toko faha-12

1 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy sy Aharona tany Ejipta hoe:

2 Ity volana ity aminareo no ho volana voalohany, ka izy no hataonareo fiandohan'ny taona.

3 Ambarao amin'ny fiangonana israelita manontolo hoe: Amin'ny fahafolon'ity volana ity dia samia maka zanakondry iray avy isan-trano na isam-pianakaviana.

4 Raha vitsy loatra ny iray trano tsy mahalany zanakondry iray, dia hiarahanareo maka amin'ny fianakaviana mifanakaiky aminareo izay araka ny isan'ny olona. Fidionareo ny biby araka izay mety ho lanin'ny tsirairay.

5 Zanakondry lahy na zanakosy lahy tsy misy kilema, herintaona, no halainareo.

6 Hotehiriziko hatramin'ny andro faha-14 amin'ity volana ity izany, ka ny harivan'io andro io dia samy hamono azy ny fiangonana israelita manontolo.

7 Hanalanareo ny rany ka hanosoranareo ny tolam-baravarana roa sy ny tataom-baravarana isan-trano hihinanana azy.

8 Atsatsiho amin'ny afo ny hena, ary hano amin'io alina io miaraka amin'ny mofo tsy misy leviora sy ny anamafaitra.

9 Aza haninareo manta na hahandroina ny hena, fa atsatsiho amin'ny afo manontolo miaraka amin'ny lohany sy ny tongony ary ny taovany.

10 Aza asiana sisa ho tra-maraina; fa raha misy sisa tavela, dia dory amin'ny afo.

11 Ary toy izao no hataonareo rehefa mihinana azy: asio sikina ny akanjonareo, anaovy ny kapanareo ary ataovy an-tanana ny tehinareo, dia hano faingana izany fa Paska ho an'ny TOMPO.

12 Hamakivaky ao amin'ny tany Ejipta Aho amin'io alina io, ka hamono ny lahimatoa rehetra ao aminy manomboka amin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy. Hotanterahiko ny didim-pitsarana hamelezana ny andriamanitry ny Ejiptianina rehetra. Izaho no TOMPO.

13 Fa ho anareo kosa, ny ra dia ho famantarana ny trano izay itoeranareo; koa raha mahita ny ra Aho, dia handalo fotsiny, ka ny areti-mandringana dia tsy hahazo anareo rehefa mamely an'i Ejipta Aho.

14 Hotsarovana hatrany hatrany io andro io, ka hotandremanareo amin'ny alalan'ny fety manetriketrika ho fankalazana Ahy TOMPO: ho lalana raikitra ho anareo izany.

15 Mandritra ny fito andro no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora. Raha vao amin'ny andro voalohany dia efa esory tsy ho ao an-tranonareo ny leviora. Fa na iza na iza mihinana mofo misy leviora, manomboka amin'ny andro voalohany ka hatramin'ny andro fahatelo, dia hofongorana tsy ho anisan'ny vahoaka israelita izy.

16 Amin'ny andro voalohany sy ny andro fahafito dia manaova fivoriana masina ho anareo, ka aza manao raharaha mihitsy ianareo amin'izany afa-tsy ny mamboatra izay hohanin'ny tsirairay ihany.

17 Hotandremanareo ny fetin'ny mofo tsy misy leviora ho fahatsiarovana fa tamin'io andro io mihitsy Aho no namoaka ny vahoakanareo hiala avy tany Ejipta. Hotandremanareo hatrany hatrany izany andro izany, ho lalana raikitra ho anareo sy ny taranakareo.

18 Manomboka ny harivan'ny andro faha-14 amin'ny volana voalohany ka hatramin'ny harivan'ny andro faha-21 amin'ny volana no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora.

19 Fito andro no tsy tokony hahitana leviora ao an-tranonareo; fa na iza na iza mihinana sakafo misy leviora, na vahiny na Israelita, dia hofongorana tsy ho anisan'ny fiangonan'i Israely izy.

20 Koa tsy azonareo hanina ny sakafo misy leviora rehetra. Na aiza na aiza no hitoeranareo dia mofo tsy misy leviora no hohaninareo.

21 Niantso ny loholon'i Israely rehetra i Mosesy ka nanao taminy hoe: -Mandehana ianareo ka maka zanakondry na zanakosy ho an'ny fianakavianareo avy, dia vonoy ho sakafo Paska.

22 Maka rantsana hisopa iray fihina ka atsobohy ao amin'ny ran'ny zanakondry ao anaty koveta, dia hosory ra ny tolam-baravarana roa sy ny tataom-baravaran'ny tranonareo; ary aoka tsy hisy olona hivoaka ny tranony intsony ambara-pahamarainan'ny andro.

23 Fa handalo mba hanafay ny Ejiptianina ny TOMPO; koa raha mahita ny ra eo amin'ny tataom-baravarana sy ny tolam-baravarana roa ny TOMPO dia handalo ny varavaranareo fotsiny fa tsy hamela ny areti-mandringana hiditra ao an-tranonareo.

24 Tandremo io zavatra io mba ho lalana raikitra ho anareo sy ny taranakareo hatrany hatrany.

25 Koa rehefa tafiditra ao amin'ny tany izay efa nampanantenain'ny TOMPO homena anareo ianareo, dia tandremo io fanompoam-pivavahana io.

26 Ary raha manontany anareo ny anton'izany ny zanakareo,

27 dia hovalianareo hoe: Sorona atolotra ny TOMPO amin'ny andro Paska io. Fony mbola tany Ejipta manko ny Israelita, dia nanafay ny Ejiptianina ny TOMPO, fa nandalo fotsiny kosa teo anoloan'ny tranonay ka nanafaka ny fianakavianay. Dia niankohoka ny vahoaka israelita mba hivavaka amin'ny TOMPO.

28 Avy eo dia lasa izy ireo ka nanatanteraka araka izay rehetra nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy sy i Aharona.

29 Nony tamin'ny misasakalina dia namono ny lahimatoa rehetra tao amin'ny tany Ejipta ny TOMPO, nanomboka amin'ny lahimatoan'ny Farao izay nipetraka eo amin'ny sezafiandrianany ka hatramin'ny lahimatoan'ny babo tao an-tranomaizina mbamin'ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.

30 Tamin'io alina io dia nifoha ny Farao sy ny tandapany ary ny Ejiptianina rehetra fa nisy fidradradradrana mafy nanerana an'i Ejipta, satria ny trano rehetra dia nisy maty avokoa.

31 Koa tamin'io alina io ihany dia nampiantso an'i Mosesy sy i Aharona ny Farao ka nanao taminy hoe: -Mandehana, miala eto amin'ny taniko ianareo sy ny Israelita. Mandehana manao fanompoam-pivavahana amin'ny TOMPO araka izay efa nangatahinareo.

32 Ento avokoa ny biby fiompinareo araka ny teninareo, ka mandehana any. Ary mba tsofy rano koa aho.

33 Nandodona ny Israelita ny Ejiptianina ka nandroaka azy hiala faingana teo amin'ny tany, satria nihevitra izy ireo fa ho faty avokoa.

34 Noho izany, dia nentin'ny Israelita ny kobany efa voalona mbola tsy nisy leviora akory, ary nofonosiny lamba ny tavy mofo ka nataony an-tsoroka.

35 Dia nanao araka izay nolazain'i Mosesy ny Israelita ka nangataka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana tamin'ny Ejiptianina.

36 Nataon'ny TOMPO nahazo sitraka tamin'ny Ejiptianina ka nahazo izay rehetra nangatahiny; ary nofoanan'izy ireo mihitsy ny teo an-tanan'ny Ejiptianina.

37 Niala avy tao an-tanana Rahamsesa ny Israelita ka nizotra ho any Sokota; lehilahy mahery misy andiany eninjato eo ho eo no isany, afa-tsy ny zaza amam-behivavy sy ny antitra.

38 Nisy koa olona maro hafa fiaviana niara-nandeha tamin'izy ireo. Omban'ny ondry aman'osy sy omby amin'andiany be dia be.

39 Dia nendasiny ho mofo tsy misy leviora ny koba voalena izay nentiny nivoaka avy tany Ejipta; fa tsy mbola voaisy leviora akory ny koba dia noroahin'ny Ejiptianina ny Israelita, ka tsy afaka nitaredretra mba hanomana vatsy.

40 Nandritra ny 430 taona no nivahinian'ny vahoaka Israelita tany Ejipta.

41 Nony nifarana ny 430 taona, dia tamin'io andro io indrindra no nivoaka am-pilaminana avy tao Ejipta ny vahoakan'ny TOMPO.

42 Niari-tory ny TOMPO tamin'io alina io mba hamoahany ny vahoakany hiala tao Ejipta; koa tsy maintsy hiari-tory hatrany hatrany koa ny Israelita rehetra amin'io alina io, fa natokana ho an'ny TOMPO izany.

43 Ary hoy koa ny TOMPO tamin'i Mosesy sy i Aharona: -Izao no fepetra momba ny fetin'ny Paska: Tsy misy vahiny mahazo mihinana amin'ny sakafo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.8742