EksĂ´dy
Toko faha-9
18 Noho izany, rahampitso amin'ny ora toy izao aho dia hampilatsaka havandra be dia be izay tsy mbola nisy toa azy hatramin'ny andro niorenan'ny Ejipta ka mandraka androany.'19 Koa ankehitriny ary, hoy i Mosesy, maniraha hampanangona ny biby fiompinao sy izay rehetra anao any an-tsaha. Fa ny olona rehetra sy ny biby rehetra izay hita any an-tsaha, fa tsy tafiditra ao an-tranony, dia ho tratry ny havandra ka ho faty.
20 Ny sasany tamin'ireo tandapan'ny Farao dia natahotra ny tenin'ny TOMPO ka nampialoka ny mpiasany sy ny biby fiompiny tany an-trano.
21 Ny sasany kosa tsy niraharaha ny tenin'ny TOMPO, ka namela ny mpiasany sy ny biby fiompy teny an-tsaha ihany.
22 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Atsangano manondro lanitra ny tananao! Aoka ny havandra hirotsaka amin'ny tany Ejipta manontolo, amin'ny olona sy ny biby fiompy ary amin'ny voly rehetra any an-tsaha.
23 Natsangan'i Mosesy nanondro lanitra ny tehiny, dia nampisy kotrokorana sy havandra ny TOMPO: nilatsaka ny varatra, ary nampirotsaka havandra tamin'ny tany Ejipta ny TOMPO.
24 Dia nisy havandra niaraka amin'ny tafiotra sy ny varatra, ka tsy mbola nisy havandra be toy izany manerana Ejipta manontolo hatramin'izay nahafirenena azy.
25 Nanerana an'i Ejipta manontolo ny havandra ka namely izay rehetra tany an-tsaha na olona na biby; nasiany koa ny voly rehetra ary nopotehiny ny hazo rehetra tany an-tsaha.
26 Ny faritany Gosena izay nonenan'ny Israelita ihany no tsy nisy havandra.
27 Dia nampiantso an'i Mosesy sy Aharona ny Farao ka nilaza taminy hoe: -Diso aho tamin'ity indray mandeha ity. Izao sy ny vahoakako no meloka, fa ny TOMPO dia manao ny marina.
28 Mangataha amin'ny TOMPO mba hitsahatra ny kotro-baratra sy ny havandra, dia halefako ianareo fa tsy hotazoniko intsony.
29 Dia namaly azy i Mosesy hoe: -Raha vao mivoaka ny tanana aho, dia hanandra-tanana amin'ny TOMPO hivavaka. Hitsahatra ny kotroka ary tsy hisy intsony ny havandra, mba hahafantaranao fa an'ny TOMPO ny tany.
30 Fantatro anefa izao fa ianao sy ny mpanomponao dia tsy mbola tena hatahotra ny TOMPO Andriamanitra ihany.
31 Simba avokoa ny rongony sy ny vary orza, fa efa niteraka ny orza ary efa mamony ny rongony.
32 Fa ny varim-bazaha sy ny ampemby voly aoriana, dia tsy maninona.
33 Dia niala teo anatrehan'ny Farao i Mosesy ary nivoaka ny tanana. Nanandra-tanana tamin'ny TOMPO izy ka nivavaka dia nitsahatra ny kotroka sy ny havandra, ary tsy nilatsaka intsony ny orana.
34 Nony hitan'ny Farao fa nitsahatra ny orana sy ny havandra ary ny kotroka, dia hadisoana toy ny teo aloha indray no nataony; fa samy nihadonto fo izy sy ireo tandapany.
35 Ary araka izay nambaran'ny TOMPO tamin'ny alalan'i Mosesy, dia manamafy fo ny Farao ka tsy nandefa ny Israelita.
Toko faha-10
1 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Mankanesa ao amin'ny Farao, fa Izaho no nanamafy fo azy sy ireo tandapany mba hahazoako manao ireo zava-mahagaga rehetra eo anivony.2 Ary mba hahazoanao mitantara amin'ny zanaka aman-jafinao ny nampijaliako ny Ejiptianina ka nanatanterahako ireo zava-mahagaga tao amin'ny taniny. Ho fantatrareo amin'izay fa Izaho no TOMPO.
3 Dia nankany amin'ny Farao i Mosesy sy i Aharona ka nanao taminy hoe: -Ny TOMPO Andriamanitry ny Hebreo dia manontany anao hoe: mandra-pahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? Alefaso handeha ny vahoakako mba hanao fanompoam-pivavahana amiko!
4 Raha manda ianao, dia handefasako valala ao amin'ny faritaninao rahampitso.
5 Ho rakotry ny valala ny tany ka tsy ho hita intsony. Hohaniny ny voly sisa tsy voan'ny havandra, ary tsy hasiany miangana ny hazo maniry rehetra any an-tsaha.
6 Ho feno valala ny lapanao sy ny tranon'ny mpanomponao mbamin'ny an'ny Ejiptianina rehetra. Loza tsy mbola fahita ny toy izany hatramin'ny andron'ny razanao ka mandraka androany. Dia niala teo anatrehan'ny Farao i Mosesy ka lasa.
7 Ary hoy ireo mpanompony tamin'ny Farao: -Mandra-pahoviana moa no mbola hamandrika antsika ilehiny? Alefaso handeha hanao fanompoam-pivavahana amin'ny TOMPO Andriamaniny any ny lehilahy israelita: Mbola tsy fantatrao ihany ve fa simba i Ejipta?
8 Koa naverina teo amin'ny Farao indray i Mosesy sy i Aharona ka nilazany hoe: -Mandehana manao fanompoam-pivavahana amin'ny TOMPO Andriamanitrareo, nefa iza sy iza avy moa no handeha aminareo?
9 Dia hoy i Mosesy hoe: -Izahay rehetra no handeha, na antitra na tanora, na lahy na vavy, miaraka amin'ny ondry aman'osy ary ny ombinay, satria hanao fety ho an'ny TOMPO izahay.
10 Namaly azy tamin'ny rabiraby kosa ny Farao hoe: -Aoka homba anareo anie ny TOMPO, raha izaho no handefa anareo sy ny fianakavianareo! Jereo fa mitady hanao ratsy ianareo.
11 Tsy raikitra izany. Ianareo lehilahy no aoka handeha hanao fanompoam-pivavahana amin'ny TOMPO, fa izay ihany no tadiavinareo. Dia noroahina hiala teo anatrehan'ny Farao izy roa lahy.
12 Ary hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Ahinjiro eo ambonin'ny tany Ejipta ny tananao mba hiantso ny valala, dia hiakatra ao Ejipta ireny ka hihinana ny zava-maniry rehetra sisan'ny havandra.
13 Nahinjitr'i Mosesy teo ambonin'i Ejipta ny tehiny, dia nampitsoka rivotra avy any atsinanana nandritra ny andro sy nandritra ny alina tao Ejipta ny TOMPO. Nony maraina dia nitondra valala ny rivotra.
14 Niparitaka nanerana an'i Ejipta ireny ka nipetraka tamin'ny faritra rehetra. Betsaka loatra ny valala ka tsy mbola nisy toa izany na tany aloha na taty aoriana.
15 Nandrakotra ny tany manontolo ireny ka maizina ny tany. Nohanin'ny valala ny ahitra rehetra tamin'ny tany sy ny voankazo rehetra sisan'ny havandra, koa tsy nisy zava-maitso tavela intsony nanerana an'i Ejipta manontolo na tamin'ny hazo na tamin'ny zava-maniry eny an-tsaha.
16 Niantso an'i Mosesy sy i Aharona haingana ny Farao ka nanao taminy hoe: -Diso tamin'ny TOMPO Andriamanitrareo sy taminareo aho.
17 Mba mamela ny heloko amin'ity indray mandeha ity, ary mangataha amin'ny TOMPO Andriamanitrareo mba hanesorany amiko izao loza mahatsiravina izao.
18 Dia niala teo anatrehan'ny Farao i Mosesy ary nangataka tamin'ny TOMPO.
19 Koa nampitsoka rivo-mahery avy any andrefana kosa ny TOMPO, rivotra izay nipaoka ny valala, ka namerina azy ireny tao amin'ny Ranomasin'ny Volotara; dia tsy nisy valala tavela intsony tao amin'ny tany Ejipta manontolo na iray aza.
20 Kanefa ny TOMPO mbola nanamafy fo ny Farao ka tsy nandefa ny Israelita izy.
21 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Atsangano manondro lanitra ny tananao hisian'ny haizina manerana an'i Ejipta, dia haizina mikitroka.
22 Natsangan'i Mosesy manondro lanitra tokoa ny tanany, dia nisy haizina mikitroka mandritra ny telo andro teo amin'ny tany Ejipta manontolo.
23 Tsy afaka nifankahita ny Ejiptianina nandritra ny telo andro, ka tsy nisy nihetsika tao an-tranony. Fa teo amin'ny fonenan'ny Israelita rehetra kosa dia nisy mazava.
24 Koa nampiantso an'i Mosesy ny Farao ary nanao taminy hoe: -Mandehana, manaova fanompoam-pivavahana amin'ny TOMPO. Mahazo mandeha miaraka aminareo koa ny ankizy, fa ny ondry aman'osy sy ny ombinareo kosa dia tsy maintsy mijanona eto.
25 Namaly azy i Mosesy hoe: -Tsia, fa ianao mihitsy no hanolotra eo an-tananay ny biby hataonay sorom-pihavanana sy sorona dorana manontolo amin'ny TOMPO Andriamanitray.
26 Ankoatra izany, hoentinay koa ny andiam-biby fiompinay, ka tsy hisy bibinay havela na iray aza. Tsy maintsy hakanay hatao fanatitra ho an'ny TOMPO Andriamanitray koa mantsy ireo; nefa tsy fantatray hoe iza amin'ireo no hataonay fanatitra, raha tsy efa tonga any an-toerana.
27 Ary ny TOMPO nanamafy fo ny Farao ka tsy nety handefa ny Israelita izy.
28 Fa hoy ny Farao tamin'i Mosesy: -Mandehana miala eto! Ary tandremo mba tsy hiseho eto amiko intsony; fa raha sanatria miverina eto amiko ianao dia maty!
29 Dia novalian'i Mosesy hoe: -Eny ary! Araka ny efa voalazanao, dia tsy hiseho eto anatrehanao intsony aho.
Toko faha-11
1 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Mbola asiako loza iray farany ny Farao sy ny Ejiptianina. Aorian'izany vao halefany handeha ianareo; ary horoahiny tanteraka aza ianareo hiala eto.2 Koa ambarao amin'ny Israelita fa ny tsirairay na lahy na vavy dia aoka samy hangataka firavaka sy volamena amin'ny Ejiptianina akaiky azy avy.
3 Nataon'ny TOMPO nahita sitraka teo imason'ny Ejiptianina ny Israelita. I Mosesy koa dia lehilahy najaina fatratra tany Ejipta na teo amin'ny tandapan'ny Farao na teo amin'ny vahoaka Ejiptianina.