JeremiĆ
Toko faha-15
12 Moa mety ho tapaka ve ny vy, dia ny vy avy ao avaratra na ny13 "Ry Joda, ny harenao sy ny zava-tsoanao dia hatolotro horobaina; ho valin'ny heloka rehetra nataonao manerana ny taninao manontolo izany.
14 Hampanompoiko ny fahavalonao ianao any amin'ny tany tsy fantatrao; fa mipoitra ny afom-pahatezerako ka handoro anao no irehetany."
15 TOMPO o, fantatrao tsara ny amiko. Tsarovy aho ary mirotsaha an-tsehatra hamaly faty ireo mpanenjika ahy. Aza andeferana izy, fandrao ho faty aho. Satria aoka ho fantatrao fa noho ny aminao no itondrako latsa.
16 Vao tonga ireo teninao, dia nohaniko; ny teninao no fifaliako sy firavoravoan'ny foko, satria efa natokana ho Anao aho, ry TOMPO Andriamanitr'izao rehetra izao.
17 Tsy nipetraka hamalifaly ny tenako teo amin'ny fivorian'ny mpikorana aho, fa noteren'ny herinao hitoetra irery satria nofenoinao ny fahatezeranao.
18 Nahoana no mitohy ny fijaliako? Nahoana no tsy mety sitrana ny feriko sady tsy andairam-panafody? Ho tonga mamitaka ahy Ianao toy ny mason-dranotrambo ka tsy azo antoka hisy rano.
19 Momba izany, dia izao no lazain'ny TOMPO: "Raha miverina amiko ianao, dia horaisiko indray ka hanompo eo anatrehako. Raha milaza izay tokony ho lazaina ianao fa tsy miteniteny foana, dia ho mpitondra teniko. Hiverina aminao indray ireo olon'i Joda, fa tsy ianao no hiverina any aminy.
20 Hataoko manda halimo mafy ianao manoloana ity vahoaka ity. Hiady aminao izy fa tsy hahatohitra anao, satria miaraka aminao Aho mba hamonjy sy hanafaka anao, hoy ny teny hentitra avy amikoTOMPO.
21 Eo an-tanan'olon-dratsy ianao no hafahako ary eo an-tanan'ny mpampahory no havotako."
Toko faha-16
1 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:2 "Tsy hanam-bady ianao ary tsy hanan-janakalahy na zanakavavy eto amin'ity tany ity.
3 Fa izao no lazaiko ny amin'ireo zanakalahy sy ireo zanakavavy izay ho teraka eto amin'ity tany ity ary koa ny amin'ny rainy sy reniny niteraka azy:
4 Ho fahafatesana mahatsiravina no hahafatesany ka tsy hitomaniana na halevina izy fa hijanona ho toy ny zezika eo amin'ny velaran-tany. Haripaky ny ady sy ny mosary izy, ka ny fatiny ho sakafon'ny voromahery sy ny bibidia."
5 Izao koa no voalazan'ny TOMPO tamiko: "Aza miditra amin'ny tranom-paty na manatrika fandevenana na mitsapa alahelo akory, fa efa nesoriko tamin'ity vahoaka ity ny fihavanako sy ny fitiavako ary ny fangorahako; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
6 Fa na mpanankarena na mahantra no maty amin'ity tany ity, dia tsy halevina na hitomaniana na hanehoana alahelo amin'ny fitetehan-tena na hiboriana volo.
7 Tsy hisy hanome hanina ny fianakaviana misaona na hampionona azy, ary tsy hisy hampigoka fisotro fampiononana an'izay maty ray na maty reny.
8 "Aza miditra ao amin'ny trano misy fanasana koa ianao, na mipetraka hihinana sy hisotro miaraka amin'izay nasaina.
9 Satria Izaho TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely no efa milaza hoe: Indro hatsahatro amin'ity tany ity eo imasonareo sy amin'ny andronareo ny kotabam-pifaliana amin'ny fety sy ny horakora-piravoana ary ny hiran'ny mpanambady."""
10 Ary rehefa mampita izany hafatra izany amin'io vahoaka io ianao, ka hanontaniany hoe: Nahoana ny TOMPO no namoaka izany teny mandoza lehibe izany hamelezana anay? Fa inona no heloka na fahadisoana nataonay tamin'ny TOMPO Andriamanitray?"
11 Ny havalinao kosa dia hoe: "Satria nahafoy Ahy ny razanareo ka nifikitra tamin'ny andriamani-kafa ary nanompo azy sy niankohoka teo anatrehany. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Nahafoy Ahy izy ary tsy nitandrina ny lalanako.
12 Ary ianareo koa vao mainka manao ratsy mihoatra noho ny razanareo aza, fa samy mikiribiby amin'ny ditram-pony avy, ka tsy mihaino Ahy.
13 Noho izany dia horoahiko hiala amin'ity tany ity ianareo hankany amin'ny tany izay tsy fantatry ny tenanareo na ny razanareo. Any no hanompoanareo andriamani-kafa andro aman'alina, fa tsy hiantra anareo intsony Aho."
14 Hoy ny teny hentitry ny TOMPO: "Ho avy ny andro izay tsy hanaovana fianianana intsony hoe: "Velona ny TOMPO Izay nanafaka ny Israelita hiala tany Ejipta, ka mianiana aho",
15 fa hoe: "Velona ny TOMPO Izay nanafaka ny Israelita avy any amin'ny tany avaratra sy avy any amin'ny tany hafa rehetra izay nandroahany azy, ka mianiana aho! Eny, haveriko eo amin'ny taniny izay efa nomeko ny razany izy."
16 Hoy ny teny hentitry ny TOMPO: "Haniraka mpanarato maro Aho mba hanarato azy; avy eo dia haniraka mpihaza betsaka koa Aho mba hihaza azy eny amin'ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra ary hatrany an-tsefatsefaky ny harambato.
17 Fa arahiko maso ny fitondrantenany rehetra ka tsy misy miafina amiko; eny, miharihary eo imasoko ny helony.
18 Koa, ho fanombohana, dia ho valiako indroa heny ny helony sy ny fahadisoany satria nandoto ny taniko tamin'ireo fatin-tsampiny maharikoriko izy sady nameno ny anjara fananako tamin'ny andriamani-tsiizy mahatsiravina."
19 -TOMPO o, Ianao no heriko sady mpiaro ahy, fialofako amin'ny androm-pahoriako. Hankany aminao ireo firenen-kafa avy any am-paran'ny tany sady ho loa-bolana hoe: "Tena fitaka ny fivavahana izay nolovanay tamin'ny razanay, fa tsinontsinona sady tsy mahasoa.
20 Ny olona ve dia mahay manao andriamanitra ho an'ny tenany? Tsia, tsy Andriamanitra ireny."
21 -Hoy kosa ny TOMPO hoe: "Koa amin'ity indray mandeha ity, dia hampahafantariko azy ny fahefako sy ny heriko ka ho fantany fa Izaho no TOMPO."
Toko faha-17
1 "Ny fahotan'ireo vahoakan'i Joda dia voasoratra tamin'ny vy na diamondra fanoratana. Tahaka ny voasokitra soratra amin'ny vato fisaka no mahavoasokitra izany ao am-pony sy eny an-joron'ny alitarany ;2 ka ho marika hiampangana azy tokoa ireo alitarany sy ireo tsatokazo fanajany an'i Asera, eny akaiky hazo maitso sy eny ambony havoana
3 ary eny an tampon-tendrombohitra any an-tsaha. Hatolotro ho robaina avokoa ny fanananao sy ny haren-tsarobidinao, mbamin'ireo toeram-tsampinao koa aza ho valin'ny ota nataonao tao amin'ny faritaninao manontolo.
4 Ary tsy maintsy hafoinao ny zaratany izay nomeko anao. Hampanompoiko ny fahavalonao any amin'ny tany tsy fantatrao ianao, satria narehitrao ny afom-pahatezerako izay hirehitra mandrakizay. "
5 Izao no lazain'ny TOMPO: "Voaozona izay mitoky amin'olombelona sy miantehitra amin'ny nofo ho heriny ka mampiala ny fony amiko.
6 Ho tahaka ny anjavidy ao an-tany hay izy ka tsy hahita ny soa ho avy ; hitoetra an-tsaham-bato any an-taniefitra izy dia eo amin'ny tanin-tsira tsy azo onenana.
7 Fa hotahina izay mitoky amiko ka manana Ahy TOMPO ho fialofany.
8 Toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy ka misandraha-paka eo akaikin'ny renirano. Tsy misy atahorany na avy aza ny hafanana, ary maitso hatrany ny raviny; Na dia amin'ny taonan'ny hain-tany aza, tsy manahy izy fa mamokatra hatrany.
9 "Tsy misy zavatra mamitaka hoatra ny fon'olombelona.Tsy azo sitranina izy, ary tsy misy mahafantatra ny aminy.
10 Izaho Tompo kosa dia mahita ny ao am-po sy mamantatra ny ao an'eritreritra. Koa araka ny fitondrantenany sy ny vokatry ny asany avy no hamaliako ny olona."
11 Tahaka ny akoho mikotrika atodin-gana , toy izany izay manangon-karena tsy ara-drariny: eo antenatenan'androny izy no ilaozan'izany hareny izany, ka ho lasa adala no iafarany."
12 sezafiandrianana be voninahitra sady miteronterona hatrany am-boalohany no tempoly masina ho antsika.
13 Ry TOMPO fanantenan'i Israely o, ho menatra izay rehetra mandao Anao. Voasoratra anarana eo am-bovoka izay nihataka taminao, noho izy efa nandao Anao, ry TOMPO loharano velona o.
14 TOMPO o, sitrano aho, dia ho sitrana; vonjeo aho, dia ho voavonjy, fa antony hiderako Anao izany.
15 Indreo ny besinimaro milaza amiko hoe: "Aiza ihany ity tenin'ny TOMPO? Aoka ho tanteraka amin'izay izany!"
16 Tsy izaho no nanery Anao hanafaingana ny loza , Tompo o, na nirary hiavian'ny antambo. Fantatrao tokoa izany, satria niharihary teo anatrehanao izay hafatra naloaky ny molotro.
17 Aoka tsy ho fampitahorana ahy Ianao, fa Ianao no fialofako amin'ny androm-pahoriana!
18 Aoka ireo mpanenjika ahy no ho menatra fa tsy ny tenako velively; aoka ireo no ho trotraka, fa tsy izaho. Ataovy tonga aminy ny andro mandoza, ary potipoteho tanteraka izy.
19 Izao no voalazan'ny TOMPO tamiko: "Mandehana, ka mijoroa eo amin'ny vavahadim-bahoaka izay fandalovan'ny mpanjakan'i Joda raha miditra sy mivoaka ny tanana izy; ary hanaovanao toy izany koa amin'ny vavahady rehetra eto Jerosalema.