JeremiĆ 

Toko faha-13

11 Toy ny amatoran'ny olona ny fehikibo amin'ny kibony, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, no nifatorako tamin'ny vahoakan'i Israely sy ny vahoakan'i Joda rehetra mba hahatonga azy ho vahoakako sy ho lazako, ho voninahitro sy ho firavako. Kanjo tsy nety nihaino Ahy izy. "

12 Ndeha lazao amin'ny vahoakan'i Israely sy amin'ny vahoakan'i Joda, ry Jeremia, ity hafatra ity: "Izao no lazain'ny TOMPO, Andriamanitr'i Israely: Ny siny rehetra dia natao ho fenoina divay! " Ary raha mamaly anao izy hoe: "Fantatray tokoa fa natao ho fenoina divay ny siny rehetra",

13 dia hitenenanao hoe: "Izao no lazain'ny TOMPO: Indro hataoko mamo tanteraka ny mponina rehetra amin'ity tany ity, dia ny mpanjaka izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, ny mpisorona, ny mpaminany ary ny mponina rehetra eto Jerosalema.

14 Hampifandrotehiko ny olona ka ny ray aman-dreny hamely ny zanany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Tsy hitsitsy na hiantra na hamindra fo Aho fa handringana azy. "

15 Mihainoa, ka mandrenesa tsara; aza miavonavona satria ny TOMPO no miteny.

16 Omeo voninahitra ny TOMPO Andriamanitrareo, dieny tsy mbola nahatonga haizina Izy ary dieny tsy mbola tafintohina ny tongotrareo eny an-tendrombohitra rakotry ny alina eny. Miandry ny mazava ianareo, kanjo hovany ho alo-pahafatesana izany sy hataony toy ny rahona mainty.

17 Raha tsy mihaino izany hafatra izany ianareo, dia hitomany ao amin'ny toera-mangina aho noho ny avonavonareo mihoa-pampana; eny, ny masoko dia hamarin-dranomaso, hamarin-dranomaso hijononoka be, satria lasan-ko babo ny andianondrin'ny TOMPO.

18 Lazao amin'ny mpanjaka sy ny reniny hoe: "Mipetraha manaova laditany ianareo, satria efa nianjera avy eny an-dohanareo ny satroboninahitrareo tsara tarehy.

19 Voahidy ny tanana any Negeba, ary tsy misy olona mamoha intsony, satria lasan-ko babo avokoa ny vahoakan'i Joda; eny, lasan-ko babo avokoa izy rehetra."

20 "Atopazo ny masonao, ry Jerosalema, ka jereo: tonga avy any avaratra ny fahavalonao! Inona ary no hanjo ny vahoaka izay nankiniko taminao, dia ny ondrinao tsara tarehy?

21 Ary inona no havalinao raha izay nozarinao ho namanao no nivadika hamely sy hanapaka anao? Ho tratry ny fanaintainana toy ny vehivavy miteraka ianao.

22 Amin'izay dia hanontany tena ianao hoe: Ahoana no nahatonga izao tamiko?"" Ny halehiben'ny fahadisoanao no nanaingana ny morontongotr'akanjonao ka nanaovana an-keriny taminao."

23 Afaka hanova ny volon-kodiny ve ny Etiopianina na afaka hanova ny sorany ve ny leoparda? Tsia! Dia toy izany koa ianareo, izay efa zatra manao ratsy: tsy afaka hanao ny tsara intsony ianareo!

24 Koa haeliko ianareo ho toy ny poti-mololo indaosin'ny rivotra avy any an-taniefitra.

25 Ry Jerosalema, izao no voatendry ho anao, dia ilay anjara nomaniko ho anao, hoy ny teny hentitra avy amikoTOMPO, satria nanadino Ahy ianao ka nifikitra tamin'ireo andriamani-tsiizy:

26 Izaho koa dia hanainga ny morontongotr'akanjonao hatreny amin'ny endrikao ka ho hita mitanjaka ianao.

27 Izato fanitsakitsaham-bady sy antsoantsom-pilana ary fijangajangana mahamenatra nafitsokao ! Teny amin'ny havoana sy teny an-tsaha teny no nahitako ireo sampinao maharikoriko. Lozanao, ry Jerosalema, fa tsy mety hidio ianao! Mandra-pahoviana no haharetan'izany?"

Toko faha-14

1 Tenin'ny TOMPO tamin'i Jeremia noho ny hain-tany.

2 "Misaona ny vahoakan'i Joda, simba ireo tanan-dehibeny; manjombona sy mipetraka manao laditany izy. Misandratra hatrany an-danitra ny fitarainan'i Jerosalema.

3 Irahin'ny lehibe mba haka rano ireo mpiasa madinika; tonga eo amin'ny lavaka fantsakana izy nefa tsy mahita rano intsony ka miverina mitondra siny foana, dia menatra sy mangaihay ary diso fanantenana.

4 Noho ny fangentan'ny tany fa tsy nisy orana latsaka taminy dia menatra sy diso fanantenana ny tantsaha.

5 Na ny diera vavy eny an-tsaha aza, dia mahafoy ny zanany vao teraka satria tsy misy ahi-maitso intsony.

6 Ny borikidia koa mijanona eny an-tendrombohitra mangadihady, ka mihanahana manambolo rivotra toy ny fanaon'ny amboadia. Jambena ny masony

7 TOMPO o, miampanga anay ny fahadisoanay; nefa miasa Ianao ho voninahitry ny anaranao. Niodina taminao matetika izahay; taminao no nanotanay."

8 Ry fanantenan'i Israely o, ry mpamonjy azy amin'ny androm-pahoriana, nahoana no dia toy ny vahiny eo amin'ny tany Ianao sy toy ny mpandeha milasy indray alina monja?

9 Nahoana no tahaka ny olona ankona ianao sy toy ny lehilahy mahery tsy afa-mamonjy? Kanefa dia eto afovoanay Ianao, TOMPO o; ary izahay dia natokana ho Anao, koa aza arianao. "

10 Izao no lazain'ny TOMPO ny amin'ity vahoaka ity: "Eny, tia mirenireny izy ka tsy mahajanona ny tongony". Tsy sitraky ny TOMPO anefa ity vahoaka ity. Ankehitriny dia ampahatsiahiviny azy ny hadisoany ary valiany ny helony.

11 Ary hoy ny TOMPO tamiko: -Aza mivavaka amiko mba hanasoa ity vahoaka ity intsony.

12 Fa na dia mifady hanina aza izy, dia tsy hihaino ny fangatahany Aho. Ary na manao sorona dorana manontolo sy fanatitra hanina aza izy, dia tsy sitrako fa haripako amin'ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana.

13 Fa namaly aho hoe:-Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY o! Indreo ny mpaminany milaza aminy hoe: "Tsy hiharan'ny ady na ny mosary ianareo, fa Andriamanitra mihitsy no hanome fiadanana marina ho anareo eto amin'ity toerana ity."

14 Dia hoy ny TOMPO tamiko: -Mandainga ireo mpaminany niteny tamin'ny anarako ireo, fa tsy naniraka nanandidy azy akory Aho ary tsy niteny taminy koa. Izay ambarany aminareo dia fahitana mandainga, vinavina tsy misy dikany, fitaka noforomporoniny.

15 Koa Izaho TOMPO no milaza ny amin'ireo mpaminany ireo hoe: Tsy naniraka azy Aho nefa nihambo haminany amin'ny anarako izy fa tsy hisy ady na mosary na areti-mandringana eto amin'ity tany ity. Koa ny ady sy mosary tokoa no handringana azy hatramin'ny farany.

16 Ary ny vahoaka izay naminaniany koa dia hitsitra eny an-dalamben'i Jerosalema noho ny ady sy ny mosary ka tsy hisy handevina ireo olona ireo, na ny vadiny na ny zanany lahy na ny zanany vavy. Izany no hanatsingerenako aminy ihany ny ratsy nataony.

17 Izao kosa no teny holazainao aminy: "Ny masoko anie hijononoka ranomaso andro aman'alina tsy an-kiato, satria goavana ny fahavoazan'ny vahoakako ary mafy dia mafy tokoa ny ratra nahazo azy.

18 Raha mivoaka eny an-tsaha aho, dia ireo matin-tsabatra no hitako; raha miditra an-tanana aho, dia ireo matin'ny mosary no hitako. Ny mpaminany sy ny mpisorona dia mivezivezy eo amin'ny tany, fa tsy mahalala na inona na inona."

19 "TOMPO o, efa narianao tokoa ve i Joda? Efa naharikoriko Anao ve i Tsiona? Nahoana no mikapoka mafy anay Ianao ka tsy misy mahasitrana anay? Nanantena fiadanana izahay kanjo tsy nisy soa akory, ary niandrandra fotoam-pahasitranana kanjo indro zava-mahatahotra.

20 TOMPO o, ekenay ny faharatsianay sy ny fahadisoan'ny razanay fa efa nanota taminao izahay.

21 Noho ny lazanao, dia aza hamavoina izahay ary noho ny sezafiandriananao be voninahitra dia aza atao tsinontsinona izahay. Tsarovy ka aza itsoahanao ny fanekem-pihavanana nataonao taminay.

22 Moa misy mahalatsaka orana ve ny sampin'ireo firenen-kafa? Moa ny lanitra va no mampirotsaka oram-baratra fa tsy Ianao, ry TOMPO Andriamanitray? Koa mitoky aminao izahay,satria Ianao no manao ireo rehetra ireo."

Toko faha-15

1 Ary hoy ny TOMPO tamiko: -Na dia i Mosesy sy i Samoela aza no mitsangana manelanelana eto amiko , dia tsy handefitra amin'ity vahoaka ity Aho. Roahy hiala eto anatrehako izy mba handeha any!

2 Ary raha misy manontany anao hoe: "Hankaiza ary izahay?", dia hovalianao hoe: Izao no lazain'ny TOMPO: Raha misy natao hasian'ny areti-mandringana, dia hasian'ny areti-mandringana izy; raha misy natao ho fatin'ny sabatra, dia ho fatin'ny sabatra izy; raha misy natao hiharan'ny mosary, dia hiharan'ny mosary izy; raha misy natao ho amin'ny fahababoana, dia hankany amin'ny fahababoana izy."

3 "Karazan-javatra efatra no hotendreko hamely azy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO: ny sabatra handringana azy, ny alika hitarika azy lavitra ary ny voromahery mbamin'ny bibidia hihinana sy handripaka azy;

4 hany ka ataoko mampivarahontsana izy any amin'ny fanjakana rehetra eran-tany. Noho ny amin'i Manase, zanakalahin'i Hezekia sady mpanjakan'i Joda, no nahatonga izany , dia vokatry ny ratsy nataony tao Jerosalema."

5 "Iza no hangoraka anao, ry Jerosalema? Iza no hitsetra anao? Iza no hisahirana hanantsafa anao?

6 Ianao no nandao Ahy sy niamboho Ahy, hoy ny teny hentitra avy amikoTOMPO. Koa nahinjitro hamely anao ny tanako mba handevona anao fa efa sasatry ny mandefitra Aho.

7 Naparitako tamin'ny fitaovana fikororohana ny tao amin'ny isan-tanana teo amin'ny tany, tsy nomeko zanaka fa naringako ny oloko, nefa tsy novany ny toe-dratsiny.

8 Ny mpitondra tenany dia nohamaroiko noho ny fasika amoron-dranomasina. Na dia mitataovovonana aza ny andro, dia nitondrako mpandringana tao aminy handripaka ny renin'ireo zatovo mpiantafika ary nazerako tampoka teo aminy ny hovitra noho ny tahotra

9 Nihareraka ilay niteraka fito, ka misefosefo fiaina; nilentika antoandro be ny masoandrony, ka menatra sy afa-baraka izy. Ary izay sisa velona dia hatolotro haringana eo anatrehan'ny fahavalony. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO."

10 Lozako, ry Neny nahitako masoandro! Tsy misy olona toherina sy ilana ady hoatra ahy eto amin'ny tany manontolo. Tsy nampanjana-bola aho na nisambotra volan'olona, nefa ozonin'ny olon-drehetra.

11 Eny, aoka ho voaozona aho, TOMPO o, raha tsy nanompo tsara Anao , raha tsy nitalahoako ho an'ny fahavaloko Ianao tamin'ny fotoanan'ny loza amam-pahoriany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.0093