JeremiĆ
Toko faha-22
23 Nilamina ery ianao niteronterona teny Libano, nanana akany tao anatin'ny sedera ; kanjo akory izato sentonao fa nahazo anao tampoka ny fanaintainana tahaka ny fahararin'ny vehivavy miteraka!"24 Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: "Velona Aho ka mianiana fa na dia toy ny peratra fanombohan-kase eo an-tanako havanana aza ianao, ry Konia zanakalahin'iJoiakima sady mpanjakan'i Joda, dia hoesoriko hiala eo.
25 Hatolotro ho eo an-tanan'ireo mitady hahafaty anao ianao, dia ireo olona atahoranao fatratra, izany hoe i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona sy ny andian-tafiny.
26 Horoahiko ianao sy ny reninao ho any amin'ny tany izay hafa noho ny tany nahaterahanareo, ka any no hahafatesanareo mianaka.
27 Haniry mafy hiverina aty amin'ny taninareo ianareo, nefa tsy ho tafaverina aty intsony."
28 Ao ny manontany hoe: "Moa vilany vaky tsy ilaina ve na fanaka tsy misy vidiny intsony ity lehilahy atao hoe Konia ity? Nahoana no nakifika izy sy ny taranany ka noroahina ho any amin'ny tany tsy fantany akory?"
29 -Ry taniko o, ry taniko o, ry taniko o, henoy ny tenin'ny TOMPO.
30 Izao no lazainy: "Aoka iny lehilahy iny ho soratana ho toy ny tsy niteraka sady tsy nahomby tamin'ny androm-piainany. Fa tsy hisy taranany hahazo hipetraka hanjaka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida na hifehy an'i Joda intsony."
Toko faha-23
1 Lozanareo mpitarika ny vahoakako, hoy ny teny hentitry ny TOMPO,fa mpiandry ratsy mamela ny andian'ondry ho reraka sy hihahaka ianareo.2 Koa izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely ny amin'ireo mpiandry ratsy ireo: "Navelanareo hihahaka sy naparitakareo ny ondriko fa tsy nokarakarainareo. Koa indro Aho hirotsaka an-tsehatra hamely anareo noho ny asa ratsinareo! Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
3 "Koa Izaho ihany no hanangona ireo andian'ondry sisa velona avy any amin'ny tany rehetra izay nanapariahako azy. Haveriko ao amin'ny saha firaofany izy ka hitombo sy hihamaro.
4 Hanendry mpiandry mahafatra-po ho azy Aho, ka tsy hanan-tahotra na horohoro intsony izy, ary tsy hisy ho banga amin'ny fiantsoana. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO."
5 "Indro avy ny andro izay hanapoirako taranaka marina ho an'i Davida.Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Mpanjaka hanjaka am-pahendrena izy, ka dia ny rariny sy ny hitsiny no hampihariny eo amin'ny tany.
6 Amin'ny andro hanjakany no hamonjena an'i Joda sy hiainan'i Israely am-pilaminana. Izao no anarana hiantsoana azy: Ny TOMPO no Fahamarinantsika."""
7 Eny, hoy ny teny hentitra avy amikoTOMPO, avy ny andro izay tsy hanaovam-pianianana intsony hoe Velona ny TOMPO Izay nampakatra ny Israelita hiala avy any Ejipta, ka mianiana aho...",
8 fa hatao hoe: "Velona ny TOMPO Izay nampakatra ny taranaka israelita avy any amin'ny tany avaratra sy ny faritany rehetra nanapariahany azy mba honina indray eo amin'ny tanindrazany, ka mianiana aho..."
9 Ny amin'ireo mpaminany.Torotoro ny foko ato anatiko, mangovitra ny tenako manontolo. Toy ny olona mamo sy lehilahy leon-divay aho noho ny TOMPO ary noho ny teny masina izay voalazany tamiko hoe:
10 "Feno olona mijangajanga ny tany. Mirohotra amin'ny faharatsiana izy ary feno fahasahiana hanao tsy rariny. Noho izany, misaona ny tany ary tonga maina ny kijana.
11 Ny mpaminany ama-mpisorona dia samy fangoloka avokoa. Na dia hatrany an-tranoko aza dia ahitako ny faharatsiany, hoy ny teny hentitra avy amikoTOMPO izany.
12 Noho izany, dia hanjary malama ny lalany. Hifandona anaty haizina izy ka hianjera, fa hataoko tonga aminy ny loza amin'ny taona hirotsahako hamely azy. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany. "
13 "Tao amin'ny mpaminanin'i Samaria no nahitako zavatra maharikoriko: naminany tamin'ny anaran'i Bahala izy ary nampivaona ny Israelita vahoakako.
14 Fa tao amin'ny mpaminanin'i Jerosalema dia nahitako zavatra mahatsiravina: sady mijangajanga izy no mivelona amin'ny lainga. Mampirisika ny mpanao ratsy izy hany ka misakana ny tsirairay hiala amin'ny faharatsiany. Izy rehetra amiko dia tonga tahaka ny olon'i Sodoma; ary ny mponin'i Jerosalema dia sahala amin'ny an'i Gomora."
15 Noho izany, ny TOMPOn'izao rehetra izao dia milaza ny amin'ireo mpaminany hoe: "Ho fahanako zava-mangidy izy ary hampisotroiko rano voapoizina, satria ny mpaminanin'i Jerosalema no ipoiran'ny faharatsiana rehetra izay mifindra amin'ny tany manontolo."
16 Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao: "Aza henoinareo ny teny izay ampitain'ireo mpaminany ireo; fa mamitaka anareo fotsiny izy. Ny fanambarana izay lazainy aminareo dia avy amin'ny eritreriny ihany fa tsy avy amin'ny vavako.
17 Ny olona maniratsira ny teniko dia sahiny ilazana hoe: "Hisy fiadanana ho anareo". Izay mikiribiby amin'ny ditram-pony dia anambarany hoe: "Tsy hahatratra antsika ny loza."
18 Iza moa no efa nanatrika tao amin'ny filankevitro, hoy IzahoTOMPO? Iza no nahita sy nandre izay nolazaiko tao? Ary iza no naharay sy nahatakatra ny teniko?"
19 Indro tamy ny rambon-danitra, dia ny fahatezeran'ny TOMPO. Toy ny rivo-doza mitambolimbolina no fiantontany eny an-dohan'ny olon-dratsy.
20 Tsy hitsahatra mirehitra ny fahatezeran'ny TOMPO, raha tsy efa nahatontosa sy nahatanteraka izay fandaharan-javatra notapahiny. Amin'ny andro any aoriana any vao tena ho takatrareo izany.
21 "Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho, kanefa nidodododo ihany izy, hoy ny Tompo.Tsy nilaza taminy na inona na inona Aho kanefa nanao fanambarana ihany izy.
22 Raha nanatrika ny filankevitro izy, dia ho afa-nampita ny teniko tamin'ny vahoakako ka ho nitarika azy hiala amin'ny toe-dratsiny sy amin'ny zava-mamohehatra fanaony."
23 Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: "Moa Andriamanitra tsy mahita afa-tsy ny akaiky ihany va Aho? Tsia, fa mahita ny lavitra koa Aho.
24 Raha misy olona miery ao anaty fiafenana, dia tsy ho hitako ve izy? Fanontaniana hentitra avy amikoTOMPO izany. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany ve Aho? Fanontaniana hentitra avy amikoTOMPO izany."
25 Izaho TOMPO efa nandre izay nolazain'ireo mpaminany mihambo miteny amin'ny anarako kanefa milaza lainga manao hoe: Nanonofy aho, eny, nanonofy aho."
26 Mandra-pahoviana no ho toy izany? Fa inona no ao an-tsain'ireny mpaminany ireny, rehefa milaza lainga izy na milaza hevi-dravina ihany?
27 Nony mifampitantara nofy izy, dia tsy mikendry afa-tsy ny hanadinoan'ny vahoakako Ahy, tahaka ny nanadinoan'ny razany Ahy ka nanompoany an'iBahala.
28 Raha misy mpaminany manonofy, dia aoka izy hilaza ny nofiny! Fa raha mitondra hafatra avy amiko izy, dia aoka hanambara marina ny teniko! Aoka tsy hafangaro ny mololo sy ny vary, hoy ny teny hentitra avy amikoTOMPO.
29 Ny teniko dia toy ny afo mandoro, ary toy ny kanonta manorotoro vatolampy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.
30 "Noho izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, dia indro Aho hamely ireo mpaminany izay mifangalatra ny hafatro ireo.
31 Eny, hoy ny teny hentitra avy amikoTOMPO, indro Aho hamely ny mpaminany izay mampifangaro ny teniny amin'ny teniko.
32 Indro Aho hamely ny mpaminany mihambo ho mahita fahitana, hoy ny teny hentitra ambarako. Fa rehefa mitantara izany izy, dia mampivily ny vahoakako amin'ny lainga sy habobo ampitainy. Izaho anefa tsy naniraka azy na nanome baiko azy. Tsy mahasoa ny vahoakako akory izy, hoy ny teny hentitra ambarako. "
33 Ary hoy ny TOMPO tamin'i Jeremia: "Raha misy mpaminany na mpisorona na olona hafa manontany anao hoe: "Inona no hafatry ny TOMPO, inona no enta-mavesatra anereny antsika?", dia hovalianao hoe: "Ianareo no enta-mavesatra; noho izany, dia hariako ianareo, hoy ny teny hentitry ny TOMPO."
34 Raha misy mpaminany na mpisorona na olon-kafa miresaka ny hoe "enta-mavesatra aneren'ny TOMPO", dia hirotsaka an-tsehatra hamely izany olona izany sy ny ankohonany Aho.
35 Izay tokony hifanontanianareo dia ny hoe: "Inona no avalin'ny TOMPO?" na "Inona no voalazan'ny TOMPO?"
36 Ary ny hoe "enta-mavesatra aneren'ny TOMPO" dia tsy tokony hotononinareo intsony. Fa moa enta-mavesatra ho an'ny olona tokoa ve ny tenin'Andriamanitra? Tsia, fa raha izany dia avadikareo ny tenin'Andriamanitra velona, dia ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely.
37 Eny, izay tokony hanontanianareo ny mpaminany dia ny hoe: "Inona no navalin'ny TOMPO anao, inona no voalazan'ny TOMPO taminao?"
38 Fa raha mbola teneninareo ihany ny hoe "enta-mavesatra aneren'ny TOMPO", na dia efa nandrarako anareo aza,
39 dia hataoko toy ny enta-mavesatra eo an-tsoroko ianareo, ka hariako ny tenanareo sy ity tanana izay nomeko anareo sy ny razanareo ity.
40 Hatolotro ho amin'ny henatra sy ny fahafaham-baraka tsy ho hadinoina mandrakizay ianareo."
Toko faha-24
1 Ary ny TOMPO naneho tamiko aviavy roa sobika izay voapetraka teo anoloan'ny tempoliny. Taorian'ny nitondran'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona an'i Jekonia, zanakalahin'i Joiakima sady mpanjakan'i Joda, sy ireo mpifehy an'i Joda mbamin'ireo mpahay taozavatra sy mpanefy vy tao Jerosalema ho babo tany Babilona no nisehoan'izany.2 Ny sobika voalohany dia nisy aviavy tsara dia tsara toy ny aviavy masaka voalohany. Ny sobika faharoa kosa nisy aviavy ratsy loatra ka tsy azo hanina.