JeremiĆ 

Toko faha-17

20 Ka lazao amin'ny mpandalo hoe: "Mihainoa ny tenin'ny TOMPO ianareo mpanjakan'i Joda sy ianareo rehetra vahoakan'i Joda ary ianareo rehetra mponina eto Jerosalema izay miditra amin'ireto vavahady ireto.

21 Izao no lazain'ny TOMPO: Mitandrema tena ianareo mba tsy hitondra entana amin'ny andro sabata ka hampandalo azy amin'ireo vavahadin'i Jerosalema ireo.

22 Aza mitondra entana mivoaka ny tranonareo amin'ny andro sabata na manao raharaha akory amin'izany; fa atokany ho Ahy ny andro sabata tahaka izay efa nandidiako ny razanareo.

23 Nefa tsy nihaino izy na nampandry sofina fa nanamafy hatoka; eny, tsy nihaino izy fa nanda ny fampitandremako.

24 "Ianareo kosa, mihainoa Ahy tsara, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Aza mampandalo entana amin'ireo vavahadin'ny tanana ireo amin'ny andro sabata; fa atokany ho Ahy izany andro izany ka aza manao raharaha akory ianareo.

25 Amin'izay ireo mpanjaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida ka mandeha mitaingin-tsoavaly na kalesy sy ireo mpitondra sy ny vahoakan'i Joda ary ireo mponina rehetra eto Jerosalema dia hahazo hiditra amin'ireo vavahady ireo hatrany; ary ity tanana ity dia honenana mandrakizay.

26 Amin'izay dia ho avy ireo olona avy amin'ny tananan'i Joda sy ny manodidina an'i Jerosalema mbamin'ny faritanin'i Benjamina ary koa ireo olona avy eny amin'ny lemak'i Sefela sy ny tany be tendrombohitra mbamin'ny faritr'i Negeba; ka hankao an-tempoly izy hanolotra sorona dorana manontolo sy sorona hafa, hanolotra fanatitra hanina sy vovo-javamanitra nafangaro ary sorom-pisaorana.

27 Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy manokana ny andro sabata ho Ahy fa mbola mitondra entana mandalo amin'ireo vavahadin'i Jerosalema ireo amin'ny andro sabata ihany, dia handrehetako afo ao anaty tanana; ka handevona ireo tranony tsara tarehy izany afo izany sady tsy ho faty"

Toko faha-18

1 Nisy baiko avy amin'ny TOMPO ho an'i Jeremia nanao hoe:

2 Mitsangana, ary midina any an-tranon'ny mpanefy tanimanga, fa any no hampandrenesako anao ny teniko.

3 Dia nidina tao an-tranon'ny mpanefy tanimanga aho, ka indro izy nanao ny asany teo ambony kodia fanodinana.

4 Ary raha simba ny vilany ataony fa mety hitranga amin'ny tanimanga eo an-tanan'ny mpanefy ihany izany, dia anaovany vilany hafa indray iny araka izay tiany hanaovana azy.

5 Dia nanafatra ahy ny TOMPO hoe:

6 "Moa tsy afaka manao aminareo toy izay ataon'ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry olon'i Israely, hoy ny fanontaniana hentitra avy amikoTOMPO? Indro eo an-tanako ianareo, tahaka ny tanimanga eo an-tanan'ny mpanefy azy.

7 Indraindray dia milaza ny hanongotra sy hanjera ary handrava firenena iray na fanjakana iray Aho.

8 Nefa raha miala amin'ny ratsy izay nahatonga ny fandrahonako izy, dia hiova hevitra amin'ny loza izay nokasaiko hamelezana azy Aho.

9 Ary indraindray dia milaza ny hanorina sy hamboly firenena iray na fanjakana iray Aho.

10 Nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko, dia hiova hevitra Aho amin'ny soa izay nampanantenaiko hatao aminy.

11 Ankehitriny, ry Jeremia, mitenena amin'ny olon'i Joda sy ny mponin'i Jerosalema, ka ambarao aminy hoe: ""Izao no lazain'ny TOMPO: Indro efa namolavola loza hamelezana anareo Aho, ary eo am-panomanana ny tetika hampiharana izany. Koa samia miala amin'ny fitondrantena ratsy avy ianareo ary ovay ho tsara ny fitondrantenanareo sy ny asanareo."""

12 Kanjo nifikitra tamin'ny ditram-pony sy ny firehan-dratsiny izy ka namaly hoe: "Mamoiza! Izay efa tapakay ihany no hataonay. "

13 Noho izany dia izao no lazain'ny TOMPO: "Mba anontanio ange any amin'ny firenen-kafa raha mba nisy nandrenesana zavatra toy izao! Zava-mahatsiravina loatra ity nataon'i Israely.

14 Moa ve ny harambato eny an-tsaha mba ilaozan'ny oram-panalan'i Libano? Moa mba efa ritra ve ny rano izay mikoriana mangatsiatsiaka avy any an-tany hafa any? Tsia.

15 Fa ny vahoakako kosa nanadino Ahy, ka nandoro sorona hanetona tamin'ireo sampy tsinontsinona izay nandavo azy teny an-dalany mba hialany amin'ny lalana hatrizay ary nampandeha azy tamin'ny sakeli-dalana izay mbola tsy voasoritra akory.

16 Io vahoakako io no nahatonga ny taniny hampahonena sy hampivarahontsana mandrakizay. Ka ny olona rehetra mandalo azy dia mivanaka sady mihifikifi-doha.

17 Tahaka ny vovoka tsofin'ny rivotra avy any atsinanana no hampielezako ny vahoakako eo anoloan'ny fahavalony. Amin'ny androm-pahavoazany dia hiambohoako izy fa tsy hatrehiko!"

18 Dia hoy ny olona hoe: "Andeha isika hanao tetika hamelezana an'i Jeremia, fa tsy ho foana akory ny mpisorona hanome fampianarana, na ny olon-kendry hanolo-tsaina na ny mpaminany hampita ny tenin'Andriamanitra. Andeha hasiantsika amin'ny fanalam-baraka izy, ka tsy ho raharahaintsika akory izay lazainy."

19 TOMPO o, hevero tsara ny amiko ary henoy ny tenin'ireo miampanga ahy.

20 Moa tokony ho valiana ratsy ve ny soa? Nefa izy manomana fandrika hamely ahy. Ianao kosa, ry Tompo, aoka hahatsiaro fa nitsangana nitaraina teo anatrehanao aho mba hialan'ny fahatezeranao taminy.

21 Noho izany, avelao ny zanany ho fatin'ny mosary; ary ny tenan'ireo mpiampanga ahy poteho amin'ny sabatra. Aoka ny vadiny ho maty anaka sy ho tonga mpitondratena. Aoka ny lehilahy lehibe haripaky ny areti-mandringana ary ny zatovony ho faty an'ady.

22 Aoka ny fidradradradrana no ho re avy ao an-tranony, rehefa hataonao tonga tampoka ny andia-miaramila hamely azy! Fa namela-pandrika hisamborana ahy izy sy nanafina harato haningorana ny tongotro.

23 TOMPO o, fantatrao avokoa ny teti-dratsy nokotrehiny hamonoana ahy ho faty. Ka aza avelanao ny helony ary aza kosehinao ny hadisoany. Aoka ho lavo eo anatrehanao izy, ary hasianao amin'ny androm-pahatezeranao.

Toko faha-19

1 Izao no voalazan'ny TOMPO tamin'i Jeremia: "Mandehana mividy siny tanimanga iray any amin'ny mpanefy tanimanga, dia maka loholona avy amin'ny vahoaka ary loholona avy amin'ny mpisorona hiaraka aminao.

2 Avy eo dia mivoaha mankany amin'ny lohasahan'i Bena-Hinoma, izay eo anoloan'ny vavahadin'ny vakim-bilany ary any no torio ny hafatra hambarako anao,

3 ka milaza hoe: "Mihainoa ny tenin'ny TOMPO ianareo, ry mpanjakan'i Joda sy ry mponin'i Jerosalema. Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: Indro hahatonga loza amin'ity toerana ity Aho, ka hampangintsingintsina ny sofin'izay rehetra mandre izany.

4 Fa ny olon'i Joda efa nandao Ahy ary nahatonga ity toerana ity ho very hasina, fa teo no nanolorany sorona ho an'ireo andriamani-kafa izay tsy nikarakara azy na ny razany na ny mpanjakan'i Joda; sady nataony feno ran'ankizy tsy manan-tsiny ity toerana ity.

5 Nanorina toeram-panasinana ho an'i Bahala izy mba handoroany ny zanany ho sorona dorana ho an'i Bahala eo. Nefa zavatra tsy nandidiako azy izany sady tsy noresahiko taminy na mba tonga tao am-poko velively.

6 "Noho izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia ho avy ny andro izay tsy hiantsoana ity toerana ity intsony hoe Tofeta na lohasahan'i Bena-Hinoma, fa hatao hoe lohasaha Famonoana.

7 Eto amin'ity toerana ity no hanafoanako ny politikan'i Joda sy i Jerosalema ka hataoko lavon-tsabatra eo anatrehan'ireo fahavalony izay mitady hahafaty azy ny mponina ao aminy, ary homeko ho sakafon'ny voromahery sy ny bibidia ny fatiny.

8 Hataoko lao sady ho fandatsa ity tanana ity; ka ny olona rehetra mandalo azy dia ho gaga sy hanao fandatsana eo am-pahitana ny faharavana rehetra nanjo azy.

9 Noho ny fahirano sy ny fampahoriana hafitsok'ireo fahavalony izay hitady hahafaty azy, dia hihinana ny nofon'ny zanany lahy sy ny nofon'ny zanany vavy ny olona ary hifampihinana koa aza.

10 Avy eo, ry Jeremia, dia poteho eo imason'ireo olona miaraka aminao ny siny,"

11 ka mitenena aminy hoe: "Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao: Hopotipotehiko ity vahoaka sy tanana ity tahaka ny anapotipotehina ny siny tanimanga, ka tsy hisy fanafana intsony." Ary ny amin'i Tofeta, dia any no handevenana fa tsy misy toerana handevenana intsony.

12 Koa ho tahaka izay nanjo an'i Tofeta no hataoko amin'ity tanana ity sy ny mponina ao aminy, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.

13 Ny trano eto Jerosalema sy ny tranon'ny mpanjakan'i Joda dia ho tonga maloto tahaka ny toerana ao Tofeta; eny, izany no hanjo ireo trano rehetra izay nandoroana vovo-javamanitra mifangaro teo an-tampony ho an'ireo andian-kintana eny an-danitra sady nandrarahana fanatitra divay ho an'ny andriamani-kafa."

14 Nony tafaverina avy any Tofeta izay nanirahan'ny TOMPO azy hampita hafatra iJeremia, dia nitsangana teo an-kianjan'ny tranon'ny TOMPO, ary nanambara tamin'ny vahoaka rehetra teo hoe:

15 Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: Indro hataoko tonga amin'ity tanana ity sy amin'ireo tanana madinika manodidina azy ny loza rehetra izay nambarako hamelezana azy, satria nanamafy hatoka izy ka tsy nihaino ny teniko."

Toko faha-20

1 Ary i Pasehora, zanakalahin'i Imera sady mpisorona mpiandraikitra ny tranon'ny TOMPO, dia nandre an'i Jeremia nanambara ireo hafatra ireo.

2 Koa namely tehamaina an'i Jeremia mpaminany izy sady namatotra azy tamin'ny tsatoka teo anilan'ny vavahadin'i Benjamina, dia ilay vavahady ambony mankao an-tranon'ny TOMPO.

3 Nony ampitso vao novahan'i Pasehora, teo amin'ny tsatoka i Jeremia. Ary hoy i Jeremia taminy: "Tsy i Pasehora intsony no anarana hiantsoan'ny TOMPO anao fa Magora-Misabiba, izany hoe "Fihorohoroana hatraiza hatraiza ".

4 Satria izao no lazain'ny TOMPO: "Indro hatolotro ho amin'ny fihorohoroana ianao sy ny namanao rehetra. Ho fatin'ny sabatry ny fahavalony manko ireo namanao; ary ny masonao no hahita izany. Hatolotro eo an-tanan'ny mpanjakan'i Babilona ny vahoakan'i Joda rehetra ka ho entiny ho babo any Babilona na ho vonoiny ho faty amin'ny sabatra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9799