JeremiĆ 

Toko faha-11

1 Izao no hafatra avy amin'ny TOMPO nampitondraina an'i Jeremia:

2 -Hajaonareo ny tenin'ity fanekem-pihavanana ity! Hitenenanao kosa, ry Jeremia, ny olon'i Joda sy ny mponin'i Jerosalema

3 ka hilazanao hoe: "Izao no lazain'ny TOMPO, Andriamanitr'i Israely: Voaozona ny olona izay tsy manaja ny tenin'ity fanekem-pihavanana ity,

4 izay nandidiako ny razanareo. Fony izy navoakako avy tany Ejipta, avy tao amin'ny memy fandrendreham-by, no nilazako hoe: "Henoy ny feoko, ka araho izay rehetra andidiako anareo; dia ho vahoakako ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo.

5 Izany no hitanako ny fianianana izay nataoko tamin'ny razanareo, dia ny hanome azy ny tany tondra-dronono sy tantely izay misy anareo ankehitriny." Dia novaliako hoe:-Eny tokoa, ry TOMPO.

6 Fa hoy indray ny TOMPO tamiko: -Antsoy any an-tananan'i Joda sy eny an-dalamben'i Jerosalema izao hafatra rehetra izao hoe: "Henoinareo ny tenin'ity fanekem-pihavanana izay nampanaoviko anareo ity, ary tanteraho.

7 Fa nananatra mafy ny razanareo aho hatramin'ny andro izay nampiakarako azy hiala tany Ejipta ary manao izany mandraka androany; eny, nananatratsy an-kiato aho milaza hoe: henoinareo izay lazaiko.

8 Nefa tsy nihaino na niraharaha akory izy fa samy nikiry tamin'ny ditram-pony mahatsiravina ka nampiharako ny teny rehetra tao amin'ity fanekem-pihavanana ity, satria tsy nanatanteraka izay nodidiako ho tanterahiny izy."

9 Ary hoy koa ny TOMPO tamiko: -Misy tetika fikomiana hita ao amin'ny olon'i Joda sy ny mponin'i Jerosalema.

10 Niverina amin'ny fahadisoan'ireo razany taloha izay tsy mety nihaino ny teniko izy, ka lasa nanaraka andriamani-kafa mba hanompo azy. Nivadika tamin'ny fanekem-pihavanana izay nataoko tamin'ny razany ny olon'i Israely sy ny olon'i Joda.

11 Koa izao no lazain'ny TOMPO: "Indro Aho hahatonga loza aminy ka tsy ho azony ialana. Raha miantso vonjy amiko izy, dia tsy hihaino azy Aho.

12 Dia handeha hitaraina any amin'ireo andriamanitra izay nandoroany sorona hanetona ny mponina amin'ny tananan'i Joda sy i Jerosalema nefa tsy hahavonjy azy mihitsy ireny rehefa hiharan'ny loza izy.

13 Fa araka ny isan'ny tananany no isan'ireo andriamanitr'i Joda; ary araka ny isan'ny lalamben'i Jerosalema no isan'ny alitara naorinareo mba handoroana vovo-javamanitra ho an'i Bahala, ilay henatrareo."

14 Ary ianao, ry Jeremia, aza mivavaka amiko ho an'ity vahoaka ity intsony na manandratra fitarainana na fifonana ho azy; satria rehefa hiharan'ny loza izy, ka hiantso vonjy amiko ianao, dia tsy hihaino Aho."

15 Hoy ny TOMPO hoe: "Ilay vahoaka malalako dia manao zavatra tsy amin-kitsim-po. Inona moa no ataony aty an-tranoko? Moa ny voady sy ny sorona ataony amiko ve hampandositra ny loza hiala aminy ka hahafahany mihodivitra tsy ho azony ?

16 Izy io dia nataoko hoe "Hazo oliva maitso, misy voany mahafinaritra". Kanjo ao anatin'ny kotaba lehibe no andrehetako afo handoro ny raviny; ary dia ho tapatapahina ny rantsany."

17 Ny TOMPOn'izao rehetra izao no namboly azy; fa ankehitriny Izy dia manambara ny loza hamelezana azy noho ny ratsy nataon'ny olon'i Israely sy ny olon'i Joda taminy. Nanao izay nampahasosotra Azy manko ireny tamin'ny nandoroany sorona ho an'i Bahala.

18 Nampahafantarin'ny TOMPO aho ka mahalala, ary nasehony ahy ankehitriny ny fanaon'ireo.

19 Fa toy ny Zanak'ondry bonaika nentina hovonoina aho ka tsy nahalala ny tetika nataony hamelezana ahy. Hoy ireo hoe: "Andeha ho simbantsika ny hazo ao anatin'ny fitsiriany; aoka ho fongorantsika hiala amin'ny tanin'ny velona izy, ka tsy hotsarovana intsony ny anarany."

20 Nefa Ianao, ry TOMPOn'izao rehetra izao, dia mitsara ara-drariny, ka mamantatra ny ao an'eritreritra sy ao am-po. Ho hitako hanafay azy Ianao, satria nankiniko taminao ny adiko.

21 Koa izao no lazain'ny TOMPO hamelezana ny mponin'i Hanatota izay nitady hamono ahy ka nanao tamiko hoe: "Aza maminany amin'ny anaran'ny TOMPO, fandrao ho fatin'ny tananay ianao."

22 Eny, izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao ny amin'ny mponin'i Hanatota: "Hirotsaka an-tsehatra hamely azy Aho: ho fatin-tsabatra ny tovolahiny, ary ho faty mosary ny zanany lahy sy vavy.

23 Tsy hisy sisa velona amin'ny mponin'i Hanatota amin'ny taona hirotsahako an-tsehatra hamely azy ka handefasako loza aminy.

Toko faha-12

1 TOMPO o, mpandala ny rariny Ianao ka tsy tokony hifandahatra aminao aho. Nefa ny amin'ireto toe-javatra ireto dia te hiady hevitra aminao aho. Nahoana no ahitam-pahombiazana ny lalana omban'ny olon-dratsy? Ary nahoana no miadam-pinaritra ireo rehetra mpivadika aminao?

2 Nambolenao izy dia niorim-paka, ka nitombo sy namoa. Tononin'ny vavany Ianao, fa ataony lavitry ny fony.

3 Ianao kosa, TOMPO o, mahalala ahy sady mahita ahy; nozahanao toetra ny foko fa miandany aminao. Avaho toy ny ondry hovonoina ireny olona ratsy fanahy ireny, atokany ho amin'ny andro fandringanana.

4 Mandra-pahoviana no hisaona ny tany ary ho maina ny ahitra eny an-tsaha rehetra eny? Ringana avokoa ny biby sy ny voromanidina noho ny faharatsian'ny mponina eo amin'ny tany, satria hoy izy hoe: "Tsy mahita izay ataontsika Andriamanitra."

5 Raha ny mpihazakazaka an-tongotra aza tsy arakao, hoy ny Tompo, ahoana, ry Jeremia, no hifaninananao amin'ny mpitaingin-tsoavaly? Raha amin'ny tany milamina ihany no anananao toky, ahoana kosa no hataonao rehefa ao anaty kirihitrala eny amoron'i Jordana?

6 Fa na dia ireo mpiray foko aminao aza, eny na dia ireo iray fianakaviana aminao aza, dia mamitaka anao ka miantso olona am-badika hanohitra anao. Aza matoky azy, na dia tsara vava aminao aza izy.

7 "Ilaozako ny tranoko ary afoiko ny fananako. Atolotro ho eo an-tanan'ny fahavalo ilay vahoaka izay notiaviko tamin'ny foko tokoa.

8 Niova ho masiaka tamiko toy ny liona any an'ala ilay anjara fananako; nierona tamiko izy ka halako.

9 Moa ve ilay anjara fananako ankehitriny dia tahaka ity vorona anankiray misoratsoratra iantorahan'ireo vorona mpihaza manodidina azy? Ndeha vorio ny bibidia rehetra, ka ento mankao amin'ny fanasana!

10 Mpitondra maro no nanimba ny voaloboko, nohosihoseny ny anjara fananako. Faritra mahafinaritra izany, nefa nataony taniefitra lao,

11 dia taniefitra lao mahonena ahy. Lao sy rava ny tany manontolo, kanefa tsy misy olona mitsetra azy."

12 Eny amin'ireo havoana ngazana rehetra any an-taniefitra any no mipoitra ireo mpandroba. Hatreo amin'ny sisintany an-kilany ka hatrany amin'ny sisintany an-daniny no andripahan'ilay sabatry ny TOMPO ka tsy misy olona tsitsiny.

13 Vary no nafafinareo, nefa tsilo no jinjainareo. Nisahirana mafy ny tenanareo, fa tsy nisy tombontsoa akory izany. Aoka ho menatra ianareo amin'ny vokatra azonareo! Fa ny fahatezeran'ny TOMPO no mirehitra mamely anareo.

14 Izao no lazain'ny TOMPO ny amin'ireo ratsy fanahy rehetra mpifanila fonena na amin'ny fireneko: "Mikasikasika ny zaratany nomeko an'i Israely vahoakako ireo, ka dia hongotako hiala amin'ny taniny, ary hongotako hiala eo anivony koa ny vahoakan'i Joda.

15 Nefa rehefa voaongotro izy, dia hamindrako fo indray ka samy haveriko ao amin'ny anjara fananany ao amin'ny taniny avy.

16 Nampianatra ny vahoakako hianiana amin'ny Bahala ireo ratsy fanahy ireo; kanefa raha mianatra tsara ny fanaon'ny vahoakako izy ka hianiana amin'ny anarako hoe: "Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa...", dia hanam-ponenana indray eo anivon'ny vahoakako.

17 Fa raha misy kosa firenena iray tsy mety mihaino Ahy, dia hongotako tanteraka izy sady haringako. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO."

Toko faha-13

1 Izao no voalazan'ny TOMPO tamiko: "Mandehana mividy fehikibo rongony ho anao ka afehezo ny kibonao izany, nefa aza alona rano."

2 Dia nividy fehikibo araka izay nolazain'ny TOMPO aho ka nafehiko ny kiboko.

3 Ary nisy tenin'ny TOMPO fanindroany nanao tamiko hoe:

4 Ento ny fehikibo izay novidinao ka afehinao ny kibonao, ary mankanesa any Fara ka afeno ao an-tsefatsefaky ny harambato any izy.

5 Dia nankany Fara aho ary nafeniko tany ilay fehikibo araka izay nandidian'ny TOMPO ahy.

6 Nony afaka andro maro dia hoy ny TOMPO tamiko: "Mankanesa indray any Fara ianao ary alao ilay fehikibo nasaiko nafeninao tany."

7 Dia niverina tany Fara aho mba hamongatra sy haka ilay fehikibo tao amin'ny toerana izay nanafenako azy. Kinanjo indro efa lo tanteraka, tsy azo ampiasaina intsony ilay fehikibo.

8 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

9 "Izao no lazain'ny TOMPO: Hataoko lo tahaka ity fehikibo ity ny zavatra mampirehareha an'i Joda sy mampirehareha fatratra an'i Jerosalema.

10 Fa vahoaka ratsy tsy mety mihaino izay lazaiko izy, mikiry amin'ny ditram-pony, mifikitra amin'ireo andriamani-kafa ka manompo azy sy miankohoka eo anatrehany. Koa ho tahaka io fehikibo tsy azo ampiasaina intsony io anie ity vahoaka ity!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9605