JeremiĆ 

Toko faha-8

22 Moa tsy misy balsama mampitony na dokotera ve any Gilehada? Nahoana no tsy mety sitrana ny ratran'ny fireneko?

23 Enga anie ka ho feno rano ny lohako ary ho loharanon-dranomaso ny masoko mba hitomaniako andro aman'alina ireo maty tao amin'ny fireneko!

Toko faha-9

1 Raha izao aho no manan-toerana any an-taniefitra tahaka ny fialofan'ireo mpivezivezy, dia hilaozako ny fireneko ka handeha lavitra azy aho. Satria samy mpijangajanga avokoa sy mpamadika mpiray tetika izy rehetra.

2 "Toy ny tsipika mihenjana ny lelany , hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Lainga fa tsy toetra mahatoky no anjakany eo amin'ny tany. Mandroso miharatsy hatrany izy, ary Izaho kosa tsy fantany.

3 Samia miaro tena amin'ny namany avy ianareo ary aza matoky olona na dia ny rahalahy aza; fa Jakoba vaovao mamitaka tokoa izy , ary na ny sakaiza aza manaratsy anareo.

4 Samy mamitaka ny namany izy fa tsy misy milaza ny marina, satria efa zatra mandainga. Nironany loatra ny fanaovan-dratsy ka tsy afaka hiverina amiko intsony izy.

5 Herisetra arahina herisetra , ary fitaka arahina fitaka! Tsy manaiky hahalala Ahy izy, hoy ny teny hentitra ambarako!"

6 Koa hoy ny TOMPOn'izao rehetra izao: "Hodioviko amin'ny afo izy ary hozahako toetra. Satria ahoana ny fomba hafa hataoko amin'ny faharatsian'ny vahoakako?

7 Toy ny zana-tsipika mahafaty ny lelany, ka lainga avokoa izay lazainy: Tsara vava amin'ny namany izy, fa ao anatiny manao otri-po.

8 Koa tsy hirotsaka ve Aho hamely ireny olona ireny, ka hamaly faty ny firenena toy izany , hoy ny teny hentitra ambarako?"

9 Noho ny amin'ny tendrombohitra no hitomaniako sy hitarainako, ary noho ny amin'ny kijana any an-taniefitra no hanaovako hira fisaonana, satria voadoro avokoa izy rehetra ka tsy andalovan'olona intsony. Tsy re any intsony ny fitrenan'ny andian'omby; ary samy lasa nandositra avokoa ny voro-manidina sy ny bibidia.

10 Dia hoy ny TOMPO hoe: "Hataoko korontam-bato i Jerosalema, ka ho fonenan'ny amboadia; ary ireo tananan'i Joda hataoko lao tsy misy mponina."

11 Mba misy olon-kendry anankiray ve mba afaka hahatakatra izao? Raha nitenenan'ny TOMPO izy, dia aoka mba hanambara izay antony nahasimba ny tany sy nahavoadoro azy ho tahaka ny taniefitra ka tsy andalovan'olona intsony.

12 Ary hoy indray ny TOMPO hoe: "Nandao ny fampianarana nomeko azy izy ary tsy nihaino nananaraka izay nolazaiko taminy;

13 nikiry tamin'ny ditram-pony hanao ratsy izy, ka nifikitra tamin'i Bahala izay efa nanazaran'ny razany azy.

14 Noho izany, hoy ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely, indro ho fahanako zava-mahafaty ity vahoaka ity, ary hampisotroiko rano misy poizina.

15 Haeliko any amin'ny firenen-kafa izay tsy fantany na fantatry ny razany izy, ka hoenjehiko amin'ny ady any ambara-pahalany ritra azy.

16 Izany no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao. "Tandremo, antsoy ho tonga ireo vehivavy mpitomany. Maniraha haka ireo efa za-draharaha;

17 aoka ho tonga faingana ireny ka hiredona hira fisaonana ho antsika! Aoka hijoy ny ranomasontsika ary ho kotsan-dranomaso ny hodi-masontsika!"

18 Misy feo mitaraina re any Tsiona: "Indrisy, rava isika sady afa-baraka tokoa satria voatery hamoy ity tany ity noho ny nandrodanana ny tranontsika!"

19 Ianareo vehivavy, mihainoa ny tenin'ny TOMPO, sokafy tsara ny sofinareo amin'izay lazainy: ampianaro hira fisaonana ny zanakavavinareo, samia ianareo mampianatra ny namany avy izao tononkira fitomaniana izao:

20 Mianika ny varavarankelintsika ny fahafatesana, ary miditra ao an-dapantsika; eny an-dalambe no andringanany ny ankizy ary eny an-kianja no andripahany ny zatovo.

21 Ambarao kosa, ry Jeremia, izao teny hentitry ny TOMPO izao: "Eny amin'ny tany eny no miampatrampatra ny fatin'olona, toy ny zezika aparitaka eny an-tanimboly; tahaka ny amboara voajinja sady efa nilaozan'ny mpijinja saingy tsy misy olona mpanangona." 22. Izao no lazain'ny TOMPO: "Aoka ny hendry tsy hirehareha amin'ny fahendreny, aoka ny mahery tsy hirehareha amin'ny heriny, ary aoka ny mpanankarena tsy hirehareha amin'ny hareny!

23 Fa raha misy te hirehareha, dia aoka izy hirehareha ho afaka mahafantatra Ahy sy mahalala fa Izaho TOMPO dia mampihatra ny fitiavana ary ny rariny sy ny hitsiny eto an-tany. Eny, ny olona toy ireny no sitrako ; teny hentitra avy amiko TOMPO izany." 24. "Indro avy ny andro, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, izay hirotsahako an-tsehatra hamely ireo voafora ivelany fotsiny:

25 na ny Ejiptianina, na ny Jodeanina, na ny Edomita, na ny Hamonita, na ny Moabita na ireo mponina any an-taniefitra izay miharatra fihirifana. Satria izy rehetra ireo, eny na dia ny Israelita koa aza, dia tsy voafora fo ho an'ny TOMPO."

Toko faha-10

1 Mihainoa ny hafatra izay nambaran'ny TOMPO momba anareo, ry olon'i Israely.

2 Izao no lazain'ny TOMPO: "Aza ianaranareo ny fomban'ny firenen-kafa; ary aza atahoranareo ny famantarana izay miseho eny an-danitra, fa ny firenen-kafa no matahotra ireny.

3 Ny fanaon'ny firenen-kafa dia zava-poana ihany. Hazo any an'ala no kapainy, dia sokirin'ny mpandrafitra ho sampy.

4 Ravahany volamena na volafotsy izany, hamafisiny amin'ny tantanana sy ny fantsika mba tsy hampihetsiketsika azy.

5 Toy ny kalo eny an-tanin-kokombra ireo andriamanitra sampy ireo ka tsy miteny akory; entina izy fa tsy mba afa-mandeha. Aza matahotra azy ianareo, fa tsy afaka manisy ratsy izy ary tsy afaka manisy soa ihany koa."

6 Tsy misy tahaka Anao, ry TOMPO, fa lehibe Ianao ary lehibe ny lazanao amin'ny asa mahery nataonao.

7 Iza no tsy hanaja Anao, ry Mpanjakan'ireo firenena, fa mendrika anao izany. Ny hendry rehetra amin'ireo firenena sy ao amin'ireo fanjakana rehetra dia tsy misy mitovy aminao.

8 Fa adala sy very saina izy rehetra: zava-poana ny fampianarany fa tapa-kazo ihany izany.

9 Ireo sampy ireo dia ravahana takela-bolafotsy avy any Tarsisy na volamena avy any Ofira , izay namboarin'ny mpanao asan-tananasy ny mpanefy firavaka; ary lamba jaky sy volomparasy no nampitafiana azy. Asan'ny mpahay taozavatra avokoa ireny sampy rehetra ireny.

10 Fa ny Tompo kosa no tena Andriamanitra, Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay. Rehefa tezitra Izy, dia mihorohoro ny tany; ary ny firenena dia tsy mahatanty ny fahavinirany.

11 Izao ary no holazainareo aminy: ireo andriamanitra tsy nanao ny lanitra sy ny tany ireo dia holevonina tsy ho ety an-tany intsony, sady tsy hanan-toerana aty ambanin'ny lanitra.

12 Tamin-kery no nanaovan'ny TOMPO ny tany, tamim-pahendrena no nanorenany izao tontolo izao, ary tamim-pahaizana no namelarany ny habakabaka.

13 Baikony no mampitoby ny ranobe any an-danitra any sy mampiakatra ny rahona matevina avy any am-paravodilanitra, ary andatsahan'ny tselatra ny ranonorana sy ivoahan'ny rivotra avy amin'ny fitoerany.

14 Ketrina avokoa ny olona rehetra ka tsy mahatakatra ny hevitr'izany. Ireo mpandasitra sarivongan-tsampy dia menatra avokoa tamin'ny nataony; satria fitaka ireo sarivongana ireo fa tsy manam-pofonaina akory.

15 Zava-poana sy asa mahatsikaiky ireny; fa amin'ny andro hamaizana azy, dia ho levona izy.

16 Fa tsy mitovy amin'ireo ny TOMPO, ilay Anjaran'i Jakoba, satria Izy no mpamorona ny zava-drehetra; ary ny vahoaka Israely dia fananany. Ilay TOMPOn'izao rehetra izao no anarany.

17 Angony hiala teo ny entanao, ry Jerosalema voafahirano.

18 Fa izao no lazain'ny TOMPO: "Amin'ity indray mandeha ity dia horoahiko ny mponina eo amin'ny tany; hotemeriko akaiky izy mba tsy hisy ho afa-mitsoaka."

19 Hoy kosa i Jerosalema hoe: "Indrisy ity fahavoazako e! Lalina ny ratra mahazo ahy. Nefa anjara-fahoriako izao, hoy aho, ka dia hozakaiko ihany.

20 Rava ny laiko, tapaka avokoa ny tadiny. Tsy manan-janaka intsony aho fa lasa ireo. Tsy misy hanangana ny laiko intsony na hanorina indray ny fialofako."

21 Hadalan'ny mpitondra izao: Tsy nanontany ny TOMPO izy. Izany no tsy nahombiazany, ary niparitahan'izay rehetra nandrasany.

22 Injany misy feon-javatra mirohondrohona sy mihamanatona, dia fanakorontanana goavana avy any amin'ny tany avaratra any, mba hahatonga ny tananan'i Joda ho lao sy ho fonenan'ny amboadia.

23 TOMPO o, fantatrao fa ny olombelona tsy mahafehy ny toetrany, ary tsy mahay mizotra manitsy ny diany.

24 Koa faizo aho, ry TOMPO, nefa araka ny antonony ihany fa tsy araka ny fahatezeranao fandrao hataonao tonga tsinontsinona aho.

25 Ny firenen-kafa izay tsy mahalala Anao, dia ny vahoaka izay tsy mivavaka aminao, no aoka hisafoahan'ny hatezeranao. Fa nandripaka an'i Jakoba ireo, eny, nandripaka azy hatramin'ny farany ary nandrava ny toeram-ponenany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9596