JeremiĆ 

Toko faha-20

5 Ny haren'ny mponin'ity tanana ity sy ny vokatry ny asany ary ny zava-tsoa ananany, mbamin'ireo raki-tsarobidin'ny mpanjakan'i Joda dia samy hatolotro avokoa ho eo an-tanan'ny fahavalony, ka horobainy sy halainy ary ho entiny any Babilona.

6 Ary ianao koa, ry Pasehora, mbamin'izay rehetra mitoetra ao an-tranonao dia ho baboina. Ary rehefa tonga any Babilona ianao, dia ho faty any sy halevina any; ho faty sy halevina any ny tenanao mbamin'ny namanao rehetra izay naminanianao lainga."

7 TOMPO o, notaominao aho ka voataona; ary nahery tamiko Ianao ka resy aho. Fihomehezana aho isan'andro sady fanebaky ny olona rehetra.

8 Fa isaky ny tsy maintsy miteny aho, dia voatery miantso vonjy ary mihorakoraka hoe: Herisetra sy famoretana e! Satria ny fampitako ny teninao, TOMPO o, no anakorana sy ihomehezana ahy isan'andro.

9 Ary raha hoy aho anakampoko hoe: "Tsy hisaintsaina izany intsony aho na hiteny amin'ny anaran'ny Tompo intsony", dia misy toy ny afo mandoro ato am-poko, toy ny afo mihanaka ato anatin'ny tenako. Reraka mamono azy aho fa tsy vitako.

10 Reko ny besinimaro miteny ratsy ahy ka manome anaram-bosotra hoe: "Fihorohoroana hatraiza hatraiza ". "Torio izy", hoy ny sasany; "Eny, hotorintsika izy", hoy ny hafa. Ireo sakaiza tiako indrindra aza dia miandry kendry tohina hahavoa ahy: "Izay angamba no hahavoa fitaka azy sy haharesentsika azy, hoy ireo, ka hisamborantsika azy hanaovana valifaty

11 Kanefa Ianao, TOMPO o, dia miaraka amiko hatrany toy ny mpiady ikoizana. Koa ireo mpanenjika ahy no ho lavo fa tsy haharesy ahy. Ho menatra izy satria tsy hahomby; fahafaham-baraka mandrakizay tsy hohadinoina izany.

12 Ry TOMPOn'izao rehetra izao o, Ianao no mamantatra ny olo-marina sy mahita ny ao an'eritreriny sy ao am-pony. Ho hitako ny famalinao ireo mpanenjika ahy, satria efa nankiniko taminao ny adiko.

13 Mihira ho an'ny TOMPO; eny, ankalazao ny TOMPO, satria Izy no nanafaka ny malahelo teo an-tanan'ny olon-dratsy.

14 Ho voaozona anie ny andro nahaterahako , dia ny andro izay niterahan'i Neny ahy; eny, enga anie tsy hisy olona hilaza izany hoe ombam-pitahiana!

15 Ho voaozona anie ny olona izay nameno hafaliana ny raiko tamin'ny nitenenany hoe: "Tera-dahy ianao!"

16 Enga anie izany olona izany ho tahaka ireo tanana noravan'ny TOMPO fa tsy azo nivalozana. Aoka handre antso vonjy izy nony maraina, ary akoran'ady nony mitataovovonana.

17 Nahoana Andriamanitra no tsy namela ahy ho faty hatrany am-bohoka? Dia ho nahatonga an'i Neny ho fasako izany, ka ho izy no ilay Ambatobevohoka.

18 Nahoana ny tenako no tafavoaka avy tao an-kibon-dreniko, raha hahita fahoriana sy fijaliana aho ka ho voakikin'ny henatra isan'andro izao?

Toko faha-21

1 Hafatra nampitondrain'ny TOMPO an'i Jeremia ho an'i Tsedekia mpanjaka. Fa nirahin'ny mpanjaka hankany amin'i Jeremia i Pasehora zanakalahin'i Malkia ary koa i Tsefania mpisorona sady zanakalahin'i Mahaseia mba hangataka aminy hoe:

2 -Raha sitrakao, anontanio ny TOMPO re ny momba antsika, satria miady amintsika i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona. Angamba mety hanao zava-mahagaga indray ny TOMPO, ka hanainga ny Babilonianina handao antsika.

3 Dia hoy i Jeremia tamin'ireo iraka:-Ndeha ambarao amin'i Tsedekia

4 fa izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: "Indro hataoko miverin-dalana ireo miaramila izay miady any ivelan'ny manda amin'ny mpanjakan'i Babilona sy ny Kaldeanina noho ny fahirano ataony anareo, ka hampodiko ho ao afovoan-tanana.

5 Izaho mihitsy no hiady aminareo, ka hampiseho aminareo ny heriko sy ny fahaizako ao anatin'ny fahatezerako mirehitra mahatsiravina.

6 Hamely izay rehetra monina amin'ity tanana ity Aho, na olona na biby, ka ho fatin'ny areti-mandringana izy rehetra.

7 Aorian'izany, hoy ny teny hentitra avy amikoTOMPO, dia hatolotro eo an-tanan'ny mpanjakan'i Babilona i Tsedekia mpanjakan'i Joda sy ny manamboninahiny ary ny mponina tato an-tanana izay sisa velona tamin'ny areti-mandringana sy ny ady ary ny mosary. Eo an-tanan'ny fahavalony izay mitady hamono azy ho faty no hanolorako azy. Ka hasain'i Nebokadnetsara haripaka tsy misy antra na fangorahana na indrafo ireny."

8 Nisy hafatra hafa koa nampitondrain'ny TOMPO an'i Jeremia ho an'ny vahoaka hoe: "Izao no lazain'ny TOMPO: indreo ianareo apetrako eo an-tsampanan-dalana, ka eo anoloanareo ny fiainana sy ny fahafatesana.

9 Na iza na iza mijanona amin'ity tanana ity dia ho fatin'ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana ato. Fa izay mivoaka ny tanana kosa mba hitolo-batana amin'ny mpanafika dia hahavonjy ny ainy.

10 Fa tsy ny hitondra soa amin'ity tanana ity no kendreko, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, fa ny hitondra loza aminy; hatolotro eo an-tanan'ny mpanjakan'i Babilona izy ho dorany amin'ny afo."

11 Fa nambarana ho an'ny fianakavian'ny mpanjakan'i Joda. Mihainoa ny tenin'ny TOMPO,

12 ianareo taranak'i Davida. Izao no lazain'ny TOMPO: Fanaovana fitsarana ara-drariny no tontosay isa-maraina. Afaho eny an-tanan'ny mpitsentsitra ireo olona volosany, fandrao hitroatra ny fahatezerako ka ho afo mandoro tsy hay vonoina. Vokatry ny asa ratsy nataonareo izany.

13 Indro avy hamely anareo Aho, ry mponina ery ambanimbany , eo amin'ny vatolampy milembalemba, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO; hamely anareo Aho, dia ianareo izay mihambo fa tsy misy fahavalo afa-midina hatreny aminareo na hiditra amin'ny fisitrihanareo.

14 Izaho no hirotsaka hamely anareo, hoy ny teny hentitra avy amikoTOMPO, araka ireo vokatry ny ratsy nataonareo. Dia hodorako amin'ny afo ny andry sedera marobe eo aminareo; ka ny zavatra rehetra manodidina ireo andry ireo dia ho levon'izany afo izany.

Toko faha-22

1 Izao no voalazan'ny TOMPO tamin'i Jeremia: "Midina any an-dapan'ny mpanjakan'i Joda ianao ka ambarao any ity hafatra ity

2 ary lazao hoe: Mihainoa ny tenin'ny TOMPO ianao, ry mpanjakan'i Joda izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, dia ianao sy ny manamboninahitrao ary ny vahoakanao izay miditra amin'ireto vavahadin'ny lapa ireto."

3 Izao no lazain'ny TOMPO: Mampihara ny rariny sy ny hitsiny, afaho eny an-tanan'ny mpitsentsitra ireo olona volosany. Aza mampijaly na misetrasetra ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondra tena; ary aza mamono ho faty ny tsy manan-tsiny amin'ity toerana ity.

4 Raha manaraka tokoa izao teny izao ianareo, dia mbola hisy ihany mpanjaka hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, ka handehandeha mitaingin-tsoavaly na kalesy. Ho afaka mandalo hatrany amin'ny vavahadin'ity lapa ity izy sy ny manamboninahiny ary ny vahoakany.

5 Fa raha tsy hihaino izany hafatra izany kosa ianareo, dia ny tenako no ianianako ary Izaho TOMPO no miteny hentitra, fa ho rava tokoa ity lapa ity.

6 "Eny, izao no lazaiko momba ny lapan'ny mpanjakan'i Joda: Na dia tsara tahaka ny alan'i Gilehada,sy ny tendron'i Libano aza ianao amiko, dia hataoko tonga taniefitra sy tanana tsy misy mponina.

7 Hanetsika mpandrava hamely anao Aho, dia mpandrava izay samy ary fitaovana. Hokapainy ny sederanao voafantina ka hatsipiny any anaty afo.

8 Firenena maro no handalo eo akaikin'ity tanana ity ka hifanontany hoe: ""Inona no antony nahatonga ny TOMPO hamely ity tanana ity tahaka izao?"""

9 Dia hovaliana hoe: "Satria nandao ny fanekem-pihavanan'ny TOMPO Andriamaniny izy, ka niankohoka tamin'ny andriamani-kafa sady nivavaka tamin'ireny."

10 Ry olon'i Joda, aza itomanianareo ny maty, dia i Josia mpanjaka; ary aza anaovanareo fisaonana izy; fa itomanio dia itomanio kosa ilay handeha, dia i Saloma mpanjaka, satria tsy hiverina intsony izy ka tsy hahita intsony ny tany nahaterahany.

11 Eny, izao no lazain'ny TOMPO ny amin'i Saloma mpanjakan'i Joda izay nandimby an'i Josia rainy ary vao nandao ity toerana ity: "Tsy hiverina intsony izy.

12 Ho faty any amin'ny toerana izay nitondrana azy ho babo any izy, fa tsy hahita ity tany ity intsony."

13 "Lozanao, ry Joiakima , fa nanorina ny lapanao ianao nefa tsy araka ny hitsiny, ary nanampy rihana ianao nefa tsy araka ny rariny fa nampiasainao maina ny namanao ka tsy nomenao ny karamany.

14 Hoy ianao anakamponao hoe: Manorina lapa miezinezina ho ahy aho miaraka amin'ny rihana malalaka"". Dia loahanao hisy varavaran-kely izy sady petahanao valin-drihana sedera ary nasainao nolokoana mena ny rindriny."

15 Te haneho ny maha mpanjaka ve ianao ka nifidy ny hazo sedera mba hampaningana anao? Moa tsy nihinana sy nisotro tahaka ny besinimaro ve ny rainao sady nampihatra ny rariny sy ny hitsiny? Ary nahitany hasambarana izany.

16 Notsarainy ara-drariny tokoa ny mahantra sy ny malahelo; ary nahitany hasambarana izany. Moa tsy izay manao toy izany ve no tena mahalala marina Ahy TOMPO, hoy ny teny hentitra ambarako?

17 Fa ianao kosa tsy nijery afa-tsy ny tombontsoanao, ianao kosa tsy nieritreritra afa-tsy ny hamono ny tsy manan-tsiny ho faty ary ny hanao famoretana sy herisetra."

18 Noho izany, dia izao no lazain'ny TOMPO ny amin'i Joiakima, zanakalahin'i Josia sady mpanjakan'i Joda: "Raha maty izy, dia tsy hisaonana, na hifampitenenan'ny olona hoe: "Loza ity, ry rahalahy! Loza ity, ranadahy!" "Loza ity, ry rahavavy! Loza ity, ranabavy!" Tsy hisy hitomany azy ka hanao hoe: "Indrisy, ry tompokolahy!" "Indrisy, ry ilay hajaina!"

19 Halevina toy ny fandevina boriky izy; ka ny fatiny ho taritarihina sy hariana any ivelan'ny vavahadin'i Jerosalema."

20 "Miakara any an-tampon'i Libano ka manaova koka lava, ry Jerosalema; ataovy re any Basana ny feonao manaova koka lava eny amin'ny havoanan'i Habarima fa potika ny sakaizanao rehetra.

21 Efa nampitandrina anao Aho fony ianao nandry fahalemana nefa novalianao hoe: Tsy te hihaino aho."" Fanaonao hatramin'ny fahazazana izany ka tsy nety nihaino ny feoko mihitsy ianao."

22 Indaosin'ny rivotra ny mpitondra anao rehetra ary lasan-ko babo ireo sakaizanao. Ho menatra sy ho afa-baraka ianao noho ny ratsy rehetra nataonao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.0073