JeremiĆ 

Toko faha-7

6 aza mitsentsitra ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondra tena; atsaharo ny famonoana ny tsy manan-tsiny eto sy ny fifikirana amin'ny andriamani-kafa izay mahatonga loza ho anareo.

7 Dia hamponeniko eto ianareo, eto amin'ity tany ity izay efa nomeko ny razanareo hatry ny ela ka ho mandrakizay.

8 "Kanefa teny fitaka sy tsy misy lanjany akory no ianteheranareo.

9 Hay ve ianareo mangalatra sy mamono olona, mijangajanga sy mianiana lainga, mandoro vovo-javamanitra ho an'i Bahala ary mifikitra amin'ireo andriamani-kafa izay tsy fantatrareo akory?

10 Nefa ianareo mbola miseho eo anatrehako eto amin'ity trano izay natokana ho Ahy ity ihany ka manao hoe: Voavonjy izahay""; ary avy eo dia tohizinareo indray ireo asa rehetra maharikoriko ireo."

11 Moa ataonareo ho zohy fieren'ny jiolahy ve ity trano izay natokana ho Ahy ity ? Fa izany no fahitako azy, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.

12 "Mankanesa any amin'ny toerako masina any Silao izay namponenako ny voninahitro fahiny, ka jereo izay nanaovako azy noho ny haratsian'ilay Israely vahoakako.

13 Ankehitriny dia manao ireny zava-dratsy rehetra fanaony ireny koa ianareo, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Efa nambarako sy naverimberiko taminareo izany nefa tsy nohenoinareo; efa nantsoiko ianareo nefa tsy namaly.

14 Noho izany ity trano izay natokana ho Ahy ity, ity trano izay ianteheranareo ity, ity toerana izay nomeko anareo sy ny razanareo ity dia hataoko tahaka ny nanaovako an'i Silao.

15 Ary ianareo kosa horoahiko lavitra Ahy tahaka ny nandroahako ny olona rehetra mpiray firenena aminareo, dia ny taranaka rehetra tao Efraima. "

16 "Ianao kosa, ry Jeremia, aza mivavaka amiko ho an'ity vahoaka ity intsony na mampakatra fitarainana sy fifonana ho azy, fa tsy hihaino anao Aho.

17 Tsy hitanao angaha izay ataony any amin'ireo tananan'i Joda sy eny an-dalamben'i Jerosalema?

18 Ny ankizy mifako kitay, ny rainy mandrehitra afo, ny vehivavy kosa mametafeta koba hatao mofo hatolotra ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra ; manao izay mahasosotra Ahy ireo fa manolotra fanatitra divay ho an'ny andriamani-kafa.

19 Koa mampahasosotra Ahy tokoa ve izy, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Tsia, fa ny tenany ihany no ampahasosoriny, ka hampahamenatra azy izany."

20 Noho izany dia izao no lazain'ny Tompo ANDRIANANAHARY: "Indro ny fahatezerako amam-pahavinirako hatobako amin'ity tanana ity, amin'ny olona sy ny biby fiompy, ary amin'ny hazo eny an-tsaha sy amin'ny vokatry ny tany; ka ho toy ny afo tsy mety maty izany."

21 Izao no lazain'ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: "Ny henan'ny sorona dorana manontolo dia ampio ny henan'ny sorom-pihavanana nataonareo, ka mahereza mihinan-kena.

22 Fa raha nitondra ny razanareo niala tany Ejipta Aho, dia tsy nilaza taminy akory na nangataka azy hanao sorona dorana manontolo na sorom-pihavanana.

23 Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy izay lazaiko, dia ho Andriamanitrareo Aho ary ianareo ho vahoakako. Araho ny lalana izay nandidiako anareo, dia hahita soa ianareo.

24 Kanjo tsy nihaino sady tsy niraharaha Ahy izy fa nanaraka ny heviny araka ny ditran'ny fony. Tsy nitodika tamiko izy fa niamboho Ahy.

25 Hatry ny nialan'ny razanareo tany Ejipta ka mandraka androany, dia tsy nitsahatra Aho naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra tany aminareo isan'andro tsy tapaka.

26 Nefa tsy nihaino Ahy ianareo sady tsy niraharaha Ahy fa nanamafy hatoka sy nanao ratsy mihoatra noho ny razanareo aza.

27 "Ary ianao, ry Jeremia, na dia hilaza izany teny rehetra izany aminy aza, dia tsy hihaino anao izy; ary na dia hampita ny antsoko aminy aza ianao, dia tsy hamaly anao akory izy.

28 Koa ambarao aminy hoe: Ianareo no firenena tsy mba mihaino ny feon'ny TOMPO Andriamaniny sady tsy mety mandray anatra. Efa very teo aminareo ny toetra mahatoky ary efa niala teo am-bavanareo izany."" "

29 Hoy ny TOMPO hoe: "Ry vahoakan'i Joda, hetezo ka ario ny volo lava izay marika fa voatokana ho Ahy ianareo. Manaova hira fisaonana eny amin'ny havoana mangadihady; fa hariako sady holaviko ianareo, satria taranaka mahatezitra Ahy.

30 "Nanao izay ratsy eo imasoko ny vahoakan'i Joda, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Nametraka sampy maharikoriko tao amin'ny trano izay natokana ho Ahy izy, ka nandoto azy.

31 Nanorina toeram-panasinana atao hoe Tofeta tao amin'ny lohasahan'i Hinoma izy mba handoroany ho sorona ny zanany lahy sy ny zanany vavy. Nefa zavatra tsy nandidiako azy akory izany, sady tsy mba tonga tao am-poko velively.

32 Noho izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, indro avy ny andro izay tsy hilazana intsony hoe ""Tofeta"" na ""Lohasahan'i Hinoma"" fa ""Lohasaha Famonoana"". Ao no handevenana ireo maty fa tsy misy toerana intsony any an-kafa."

33 Ny fatin'ireo olona ireo dia ho sakafon'ny voromahery sy ny bibidia izay tsy hisy hanaitaitra hampiala azy.

34 Ary eny an-tanan-dehiben'i Joda sy eny an-dalamben'i Jerosalema dia hatsahatro ny kotabam-pifaliana amin'ny fety sy ny horakora-piravoana ary ny hiran'ireo mpanambady satria ho lao ny tany.

Toko faha-8

1 "Amin'izany fotoana izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia hofongarina avy ao am-pasana ny taolan'ireo mpanjakan'i Joda sy ny an'ireo lehibeny, ny taolan'ireo mpisorona sy ny an'ireo mpaminany ary ny an'ireo mponina tao Jerosalema,

2 ka avela hiparitaka eo anatrehan'ny masoandro sy ny volana ary ny andian-kintana eny amin'ny lanitra izay notiavin'ireny olona ireny ka nivavahany sy niraiketany, ary nanontaniany hilan-kevitra sy niankohofany. Tsy hangonina na halevina intsony ireo taolana ireo fa ho tonga zezika eny ambonin'ny tany.

3 Ary ny sisa tavela rehetra amin'izao taranaka ratsy izao, ka mbola velona any amin'ny toerana izay nanelezako azy any, dia haniry kokoa ny ho faty toy izay ny ho velona. Izany no teny hentitr'ilay TOMPOn'izao rehetra izao. "

4 "Hoteneninao amin'ny vahoakan'i Jerosalema, ry Jeremia, fa izao no lazain'ny TOMPO: Izay mianjera ve dia tsy miarina intsony? Izay miodina ve dia tsy miverina intsony?

5 Koa nahoana ary ity vahoaka ity, no niodina, ry Jerosalema, ka mikiribiby amin'izany fiodinany izany? Mifikitra amin'ny andriamani-tsiizy ry zareo ka tsy mety miverina amiko.

6 Nohenoiko tsara izay nolazainy fa tsy mitombina velively. Tsy misy mba manenina amin'ny haratsiany izy na mba manontany tena hoe: Inona ity nataoko?"" Fa samy mivily amin'izay maharevo azy avy izy tahaka ny soavaly miriotra amin'ny ady."

7 Na dia ny vano aza dia mahalala ny fotoanandro fifindrany lasy; ary ny domohina sy ny sidintsidina mbamin'ny tsikorovana koa samy mitandrina ny fotoana fiverenany, fa ny vahoakako kosa tsy mahalala ny fitsipiko. "

8 Ianareo mihambo hoe: "Hendry izahay, sady ato aminay ny lalanan'ny TOMPO. "Ahoana no ahazoanareo mihambo toy izany, raha ireo mpahay lalana aza manao fanoratana diso ka mahatonga azy hivaona?

9 ahazo henatra ny hendry ary ketraka satria voafandrika; nanamavo ny tenin'ny TOMPO izy ka inona indray no mahahendry azy?

10 "Ary noho izany, hoy ny TOMPO , dia homeko ny hafa ny vadiny ary ny sahany ho an'izay maka azy. Satria izy rehetra na ny kely na ny lehibe dia samy mitady tombontsoa avokoa. Na ny mpaminany na ny mpisorona dia samy mpamitaka avokoa.

11 Alasafay fotsiny no nitsaboany ny fahavoazan'ny vahoakako tamin'ny nilazany hoe: Fiadanana, fiadanana!""; kanjo tsy misy fiadanana akory."

12 Tokony hahamenatra azy ny zava-maharikoriko nataony; nefa tsy menatra akory izy sady tsy mahatsapa ny hadisoany. Noho izany, hoy ny TOMPO, dia ho isan'ireo ho lavo izy; ka amin'ny andro hamaliako azy, dia hitrosina amin'ny tany izy. "

13 Nony tena hioty vokatra teo aminy Aho, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia tsy nisy voany teo amin'ny voaloboka ary tsy nisy voany koa teo amin'ny aviavy, fa nalazo ny raviny; koa avelako ho an'ny mpandalo izy."

14 "Nahoana no mijanona eto isika? Andeha hifamory isika ka hiditra ao amin'ny tanana mimanda ary dia miandry ny ho faty ao, satria ny TOMPO Andriamanitsika no manendry antsika ho faty ka mampisotro antsika rano voapoizina, noho isika efa nanota taminy:

15 Nanantena fiadanana isika, nefa tsy nisy soa akory. Nanantena fotoam-panasitranana isika kanjo indro zava-mampihorohoro.

16 Efa ao Dana ny fahavalo ka re avy any ny fiefonefon'ny soavaly. Mihorohoro ny tany manontolo noho ny fanenon'ireo soavaly haingam-pandeha. Avy izy handripaka ny tany sy izay mameno azy, dia ny tanana sy ny mponina ao aminy."

17 Indro bibilava misy poizina no halefako hamely anareo, dia menarana tsy azon'ody; ka hanaikitra anareo tokoa izy, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.

18 Marary mikainkona ny foko; tsy misy fanafody hahasitrana ny alaheloko.

19 Injany! Re hatrany amin'ny faritra lavitra any ny antso vonjy ataon'ny vahoakako hoe: "Tsy ao Tsiona intsony ve ny TOMPO, ary tsy ao aminy intsony ve ny mpanjakany?" Nahoana moa izy no nahatezitra Ahy tamin'ireo sarivongan-tsampiny, dia ireo zava-poana avy any an-kafa?"

20 Efa lasa ny fararano ary efa tapitra ny fotoam-pijinjana, nefa tsy mbola misy famonjena ho anay!

21 Noho ny fahavoazan'ny vahoakako dia torotoro tanteraka aho; misaona aho, azon'alahelo mafy!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9632