EksĂ´dy
Toko faha-7
25 Ary fito andro izay no lasa taorian'ny namelezan'ny TOMPO ny ony Neily.26 Taorian'izany, dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Mankanesa any amin'ny Farao, ka lazao aminy hoe: Asain'ny TOMPO alefanao ny vahoakany hanao fanompoam-pivavahana aminy.
27 Fa raha manda ianao, dia ho hitanao fa hasiany amin'ny sahona ny faritaninao manontolo:
28 Hitombo ao amin'ny ony ny sahona, dia hiakatra ka hiditra ao an-dapanao sy ao an'efitrano fandrianao ary ao am-parafaranao aza, hiditra any an-tranon'ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary koa any amin'ny lafaoro sy ny fanaova-mofonao.
29 Eny, hananika anao sy ny mpanomponao rehetra ary ny vahoakanao ireo sahona ireo.
Toko faha-8
1 Hoy koa ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Asaovy ahinjitr'i Ahar Hoy koa ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Asaovy ahinjitr'i Aharona ny tanany mitana ny tehinao ho eny ambonin'ny renirano sy ny lakan-drano ary ny farihy mba hiakaran'ny sahona ho eny amin'ny tany Ejipta.2 Dia nahinjitr'i Aharona tambonin'ireo rano tao Ejipta ny tanany; ka niakatra sady nandrakotra an'i Ejipta ny sahona.
3 Mba nanao toy izany tamin'ny fankatoavany koa ireo mpimasy: nampiakariny ho amin'ny tany Ejipta koa ny sahona.
4 Dia nampiantso an'i Mosesy sy i Aharona ny Farao ka nanao taminy hoe: -Mangataha amin'ny TOMPO mba hanesorany ny sahona amiko, dia halefako hanao sorona aminy ny Israelita.
5 Fa hoy i Mosesy tamin'ny Farao: -Raiso ho voninahitrao ny mametra ny fotoana hangatahako amin'ny Tompo ho anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao mba hanesorana ny sahona aminao sy amin'ny lapanao, ka tsy hisy havela afa-tsy ny ao Neily ihany.
6 Dia novalian'ny Farao hoe: -Rahampitso. Hoy kosa i Mosesy hoe: -Aoka ary dia ho araka ny teninao mba hahafantaranao fa tsy misy azo ampitahaina amin'ny TOMPO Andriamanitray.
7 Hialan'ny sahona ianao sy ny lapanao mbamin'ny mpanomponao ary ny vahoakanao ka tsy hisy havela afa-tsy ny ao Neily ihany.
8 Dia niala teo anatrehan'ny Farao i Mosesy sy i Aharona. Ary nitaraina tamin'ny TOMPO i Mosesy momba ireo sahona izay efa namelezany ny Farao;
9 ka notanterahin'ny TOMPO izay nangatahin'i Mosesy: maty ireo sahona tao an-trano sy teny an-tokotany ary tany an-tsaha.
10 Nangonina ho an-tokotokony maro ireny, ka nanamaimbo ny tany.
11 Nony hitan'ny Farao fa nisy hiainana, dia nanamafy fo izy araka izay efa nolazain'ny TOMPO, ka tsy nihaino ny fangatahan'i Mosesy sy i Aharona.
12 Ary hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Asaovy ahinjitr'i Aharona ny tehiny hikapohany ny vovo-tany dia ho tonga moka ao amin'ny tany Ejipta manontolo izany.
13 Dia notanterahin'izy mirahalahy izany: nahinjitr'i Aharona ny tanany ka nokapohiny tamin'ny tehiny ny vovo-tany; dia nisy moka nandrakotra ny olona sy ny biby fiompy. Ny vovo-tany rehetra dia tonga moka manerana ny tany Ejipta manontolo.
14 Mba nanao toy izany tamin'ny fitokavany koa ireo mpimasy handroaka ny moka, kanefa tsy nahomby, fa mbola nisy moka ihany teny amin'ny olona sy ny biby fiompy.
15 Dia hoy ireo mpimasy tamin'ny Farao: -Herin'Andriamanitra no ao amin'io tehina io! Kanefa ny Farao dia nanamafy ny fony, araka izay efa nolazain'ny TOMPO, ka tsy nihaino ny fangatahan'i Mosesy sy i Aharona.
16 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Mifohaza maraina ianao rahampitso, mandehana hiseho eo anatrehan'ny Farao amin'iny izy midina ho eo amoron-drano iny, ka lazao azy hoe: Izao no andidian'ny TOMPO anao: Alefaso ny vahoakako hanao fanompoam-pivavahana amiko;
17 fa raha tsy avelanao handeha izy, dia handefasako fihitra betsaka eny aminao sy ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary any an-dapanao. Ho feno fihitra ny tranon'ny Ejiptianina sy ny tany izay itoerany koa.
18 Kanefa, amin'izany andro izany, dia havahako ny faritany Gosena izay onenan'ny vahoakako ka tsy hisy fihitra mihitsy any. Amin'izay dia ho fantatrao fa Izaho TOMPO dia eo anivon'ny taninao koa.
19 Havahako tsy ho voan'ny loza hanjo ny vahoakanao ny vahoakako. Rahampitso no hiseho izany zava-mahagaga izany.
20 Dia nanao araka izay efa nolazainy tokoa ny Tompo, ka nisy fihitra nivangongo niditra tao an-dapan'ny Farao sy tao an-tranon'ireo tandapany ary manerana an'i Ejipta manontolo. Koa simba ny tany noho ny nataon'ny fihitra.
21 Nampiantso an'i Mosesy sy i Aharona ny Farao ka niteny hoe: -Mandehana manatitra sorona amin'ny Andriamanitrareo, kanefa eto amin'ny tany ihany!
22 Fa novalian'i Mosesy hoe: -Tsia, tsy afaka hanao izany izahay satria ny sorona haterinay amin'ny TOMPO Andriamanitray dia fady amin'ny Ejiptianina; koa raha mahita anay hanao sorona toy izany izy ireo, dia hitora-bato anay.
23 Fa handeha lalana telo andro any an-taniefitra izahay, ka any izahay no hanao sorona amin'ny TOMPO Andriamanitray araka izay hotondroiny aminay.
24 Koa niteny indray ny Farao hoe: -Eny ary, halefako handeha hanao sorona amin'ny TOMPO Andriamanitrareo any an-taniefitra ianareo. Kanefa aza mandeha lavitra loatra ianareo, ary mivavaha ho ahy.
25 Dia hoy i Mosesy hoe: -Raha vao miala eto aminao aho, dia hangataka amin'ny TOMPO. Rahampitso ihany dia hoesoriny tsy ho eo aminao sy ny tandapanao ary ny vahoakanao ny fihitra. Fa izao kosa, aoka ianao tsy hamitaka anay intsony ka tsy handefa ny Israelita hanao sorona aminy indray.
26 Niala avy tao amin'ny Farao i Mosesy ary nangataka tamin'ny TOMPO.
27 Nataon'ny TOMPO izay nangatahin'i Mosesy taminy: nesoriny ny fihitra, ka tsy nisy fihitra tavela intsony na iray aza.
28 Kanefa tamin'ity indray mandeha ity koa dia nanamafy fo ihany ny Farao ka tsy nandefa ny Israelita.
Toko faha-9
1 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy. -Mankanesa any amin'ny Farao ka lazao aminy hoe: Ny TOMPO Andriamanitry ny Hebreo dia mandidy anao mba handefa ny vahoakany hanao fanompoam-pivavahana aminy.2 Fa raha manda tsy handefa azy ianao ka mbola miziriziry ihany,
3 dia hamely ny biby fiompinao any an-tsaha ny TOMPO: hisy areti-mandringana mahery vaika hamely ny soavaly sy ny boriky, ny rameva sy ny omby, ary ny ondry aman'osy.
4 Saingy havahan'ny TOMPO ny biby fiompin'ny Israelita sy ny an'ny Ejiptianina, ka tsy hisy ho faty ny an'ny Israelita!
5 Ary nanondro fotoanandro ny TOMPO ka nanao hoe: -Rahampitso no hanatanterahako izany zavatra izany eto Ejipta.
6 Nony ampitso dia notanterahin'ny TOMPO izay efa nambarany, ka maty avokoa ny biby fiompin'ny Ejiptianina; fa ny an'ny Israelita kosa dia tsy nisy maty na iray aza.
7 Dia mamotopototra ny Farao, ka fantany fa tsy nisy maty tao amin'ny biby fiompin'ny Israelita na dia iray aza. Kanefa mbola nanamafy fo ihany ny Farao, ka tsy nandefa ny Israelita.
8 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy sy i Aharona: -Maka molaly eran'ny tanan-droanareo avy ao an-dafaoro, dia aoka hatsipin'i Mosesy savoan-danitra eo anatrehan'ny Farao izany.
9 Hitora-jofo manerana ny tany Ejipta izany, ka ho tonga vay mipoipoitra eny amin'ny olona sy ny biby fiompy eran'i Ejipta manontolo.
10 Dia nalain'i Mosesy sy Aharona ny molaly tao an-dafaoro, ka lasa izy mirahalahy niseho teo anatrehan'ny Farao. Natsipin'i Mosesy savoan-danitra ny molaly, ka nisy vay nipoipoitra teny amin'ny olona sy ny biby fiompy.
11 Tsy afaka niseho teo anatrehan'i Mosesy ireo mpimasy noho ny vay, fa rakotry ny vay toy ireo Ejiptianina rehetra izy.
12 Ary ny TOMPO nanamafy ny fon'ny Farao; koa arak'izay efa nambaran'ny TOMPO tamin'i Mosesy, dia tsy nihaino ny fangatahan'i Mosesy sy i Aharona izy.
13 Hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy: -Mifohaza maraina ianao rahampitso, mandehana miseho eo anatrehan'ny Farao ka lazao aminy hoe: Izao no lazain'ny TOMPO, Andriamanitry ny Hebreo, aminao: ?Alefaso handeha ny vahoakako mba hanao fanompoam-pivavahana amiko.
14 Fa amin'ity indray mandeha ity dia halefako hamely anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao ny loza rehetra mba ho fantatrao fa tsy misy tahaka ahy eto ambonin'ny tany.
15 Ankehitriny, raha naninji-tanana namely anao sy ny vahoakanao tamin'ny areti-mandringana Aho, dia efa levona teto ambonin'ny tany ianareo.
16 Saingy navelako ho velona ianao mba hahitanao ny heriko sy hitantarana ny lazako any amin'ny tany rehetra.
17 Na izany aza, dia mbola manao zinona ny vahoakako ihany ianao, ka tsy mety mandefa azy.