IsaiĆ
Toko faha-60
2 Ny haizim-pito manarona ny tany, ary ny alina mandrakotra ireo firenena; fa ianao kosa iposahan'ny hazavan'ny TOMPO sady isehoan'ny voninahiny.3 Ireo firenena hanatona ny fahazavanao ary ny mpanjaka ho voasariky ny famirapiratana izay vao miposaka eo aminao.
4 Topazo maso ny manodidina anao ka jereo: Indreny izy rehetra fa mivory hankeo aminao. Ny zanakao lahy dia tonga avy lavitra, ary ny zanakao vavy kosa trotroina.
5 Ho miramirana ianao hahita izany ka ho tohina mafy sy hibita-ka hafaliana ny fonao, fa ny haren'ny ranomasina ho entina eo aminao ary ny fananan'ny firenen-kafa hatolotra anao.
6 Rameva maro no handrakotra ny taninao, dia andian-drameva avy any Midiana sy Hefa; tonga koa ny olona rehetra avy any Saba. Volamena sy vovo-javamanitra no ho entiny ary ny fiderana ny TOMPO no hafatra soa hambarany.
7 Hangonina ao aminao avokoa ny ondry aman'osin'ny Kedarita, ary haroso amin'ny fanompoam-pivavahanao ny ondrilahin'ny Nebaiota ; hakarina eo amin'ny alitara ireny ho sorona ankasitrahin'ny Tompo. Dia izany no hampamirapiratany an'ilay tempoly itoeran'ny famirapiratany.
8 Iza ary ireto olona ireto? Manidina toy ny rahona na toy ny voromahailala mody any an-tranony ireo.
9 Sambo avy any amin'ny nosy lavitra any ireo no mitangorona tarihin'ny sambo vaventy. Avy lavitra tokoa no nitondrany ny zanakao miaraka amin'ny volafotsy sy ny volamenany: tonga izy hankalaza ny TOMPO Andriamanitrao, dia ilay Masin'i Israely Izay nampamirapiratra anao.
10 Ny hafa firenena no hanamboatra indray ny mandanao, ary ny mpanjakany hanompo anao, hoy ny Tompo. Nikapoka anao Aho fony mbola tezitra fa mahafaly Ahy kosa ankehitriny ny haneho famindrampo aminao.
11 Hivoha hatrany ny vavahadinao ka tsy hakatona na andro na alina mba hampidirana hankao aminao ny fananan'ny firenen-kafa sy ireo mpanjakany efa voababo.
12 Ho levona ny firenena sy fanjakana izay tsy mety hanompo anao; ho ringana tokoa ireny firenena ireny.
13 Ny voninahitry ny hazo rehetra any Libano, dia ny kipreso sy ny sapay ary ny bokso, no indray ho tonga ao aminao mba handravahana ny Toeramasiko. Izany no hanomezako voninahitra ny trano misy ny fitoeran-tongotro.
14 Hanatona hiondrika eo anatrehanao ireo olona nampahory anao, ary handohalika eo am-paladianao ireo rehetra naneso anao ka hiantso anao hoe: "Tananan'ny TOMPO" I Tsiona-n'ilay Masin'i Israely."
15 Nafoy ianao teo ka tsy nisy tia anao na mba nandalo nijery anao akory, fa izao dia hataoko foto-pireharehana ianao ho an'ny taonjato mifanesisesy ary hataoko foto-pifaliana ho an'ny taranaka mifandimby.
16 Ny firenen-kafa sy ny mpanjakany no hamahana sy hamelona anao; ka ho fantatrao fa Izaho TOMPO no mpamonjy anao, Izaho ilay Maherin'i Jakoba no Mpanavotra anao.
17 Volamena no hoentiko ao aminao, volamena ho solon'ny halimo, ary volafotsy ho solon'ny vy; halimo no hoentiko ho solon'ny hazo, ary vy ho solon'ny vato. Satria ny fahefana amam-pitondrana haoriko ao aminao dia ny fiadanana sy ny fahamarinana no hiompanany.
18 Tsy ho re ao amin'ny taninao intsony ny fampahoriana na ao amin'ny faritaninao ny faharavana sy fahasimbana. Fa ny mandanao hantsoinao hoe: "Famonjena"; ary ny vavahadinao hantsoinao hoe: "Fiderana an'Andriamanitra."
19 Tsy mba ny masoandro intsony no ho fanazavana anao amin'ny andro; tsy mba ny volana mangarangarana intsony no ho fanazavana anao amin'ny alina; fa Izaho TOMPO Andriamanitrao no ho fanazavana anao mandrakizay sy ho famirapiratanao.
20 Tsy hilentika intsony toy ny masoandro ny fanazavana anao amin'ny andro, tsy hisoka intsony toy ny volana ny fanazavana anao amin'ny alina satria Izaho TOMPO mihitsy no ho fanazavana anao mandrakizay ; ka hifarana hatreo ny andro fisaonanao.
21 Ny vahoakanao rehetra hanjary olo-marina ka hanana ny tany ho fananany mandrakizay. Noforonin'ny tanako haneho ny famirapiratako izy ka ho toy ny voly mandrobona eo amin'ny sahako.
22 Ny fianakaviana kely indrindra ho tonga olona arivo, ary ny fianakaviana osa indrindra hanjary firenena mahery. Izaho TOMPO mihitsy no hanafaingana izany amin'ny fotoana tokony hahatongavany.
Toko faha-61
1 Ny Fanahin'ny TOMPO ANDRIANANAHARY no ato amiko, satria efa nanosotra ahy ny TOMPO ka naniraka ahy mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin'ny malahelo, hanasitrana ny olona torotoro fo, hanambara fanafahana ho an'ireo babo sy famoahana ireo gadra avy ao am-ponja,2 hanambara ny taona hanehoan'ny TOMPO fanambinana sy ny andro hanafaizan'Andriamanitra ny fahavalony ary hitondra fampaherezana ho an'ny misaona rehetra.
3 Manao fisaonana an'i Tsiona ireo, kanefa hirahina aho hanome azy riba fehiloha ho solon'ny lavenona amin'ny lohany, hanome diloilo manitra ho solon'ny alahelo sy fitafiana fitondra amin'ny fety ho solon'ny toetra manjoretra. Amin'izay no hiantsoana azy ireo hoe: "Hazo vokatry ny fitahiana, saha nambolen'ny TOMPO mba hanehoany ny famirapiratany."
4 Haorina indray ireo zavatra rava fahiny, hatsangana indray ny trano nirodana taloha; ho havaozina ny tanana rava, dia ireo efa simba hatry ny ela be.
5 Vahiny no hitsangana hiandry ny ondry aman'osinareo, olona avy any an-kafa no hiasa ny tany sy hamboly voaloboka ho anareo.
6 Ianareo kosa dia hantsoina hoe: " Mpisorona ho an'ny TOMPO", na holazaina koa hoe: "Mpanao fanompoam-pivavahana ho an'ny Andriamanitsika. "Hanasoavana anareo ny fananan'ny firenen-kafa; ary ianareo no higalabona amin'ny voninahiny.
7 Efa nizaka henatra indroa heny ianareo sady afa-baraka sy nandroran'ny olona. Ka ho solon'izany, dia hoy IzahoTompo hoe: Handova anjara indroa heny eo amin'ny taniny ianareo ary hanana fifaliana maharitra mandrakizay.
8 Satria Izaho TOMPO dia tia rariny ka mankahala ny fandrobana an-kafetsena; homeko onitra ara-pahamarinana ianareo ary hanaovako fanekem-pihavanana mandrakizay."
9 Ho fantatra any amin'ny firenen-kafa ny taranakareo, ary eo anivon'ireo vahoaka ny solofonareo; izay rehetra mahita azy dia hiaiky fa taranaka tahin'ny TOMPO izy.
10 Hifaly dia hifaly amin'ny TOMPO aho; eny, hiravoravo amin'ny Andriamanitro satria ny famonjena no toa akanjo nampiakanjoany ahy ary ny fahamarinana no toa lamba nampitafiany ahy; ka faly toy ny mpampakatra misatroka fehiloha aho na toy ny ampakarina miraratra ny firavany.
11 Fa tahaka ny tany mampitrebona ny tsimoka eo aminy na tahaka ny zaridaina mampitsimoka ny voa nafafy no hampitsimohan'ny Tompo ANDRIANANAHARY ny fahamarinana sy ny fiderana eo anatrehan'ny firenena rehetra.
Toko faha-62
1 Tsy hangina aho noho ny fitiavako anao, ry Tsiona o, ary tsy hitsaha-miteny aho noho ny fitiavako anao, ry Jerosalema, mandra-piposaky ny fanafahana anao ho tahaka ny masoandro mamiratra, ary mandra-pibaliaky ny famonjena anao ho tahaka ny fanilo mirehitra.2 Ny firenen-kafa hahita ny fanafahan'ny TOMPO anao ary ny mpanjaka rehetra hahita ny voninahitrao; anarana vaovao no hiantsoana anao, dia izay ho tononin'ny vavan'ny TOMPO.
3 Eo an-tanan'ny TOMPO Andriamanitrao dia ho tonga satroboninahitra mamirapiratra sy hanjary diademan'ny mpanjaka ianao.
4 Ianao tsy hatao intsony hoe " ilay tanana nafoy" ary ny taninao tsy hatao intsony hoe " ilay tany lao"; fa ianao dia hantsoina hoe " ilay sitraky ny TOMPO", ary ny taninao hatao hoe "ilay vady ampakarina. "Satria ho sitraky ny Tompo ianao ary ny taninao hanana vady mpampakatra.
5 Tahaka ny tovolahy mampakatra virijiny ho vady, dia hampakatra anao toy izany koa ilay Mpanorina anao, ry Jerosalema; ary tahaka ny fifalian'ny mpampakatra amin'ny tovovavy ampakariny no hifalian'ilay Andriamanitrao aminao.
6 Ry Jerosalema o, efa nametrahako mpiambina eny ambonin'ny mandanao eny, ka tsy mahazo mangina ireo na andro na alina: "Ianareo izay mampahatsiaro ny TOMPO, aza mitsaha-manao izany ianareo!
7 Aza avela hitsahatra Izy mandra-panarenany azy indray ka hametrahany an'i Jerosalema ho voninahitra manerana ny tany."
8 Dia nataon'ny TOMPO izao fianianana izao: "Araka ny hery amam-pahefana feno ananako, dia mianiana aminao Aho, ry vahoakako, fa tsy hamela ny vary novolenao ho sakafon'ny fahavalonao intsony, ary tsy hamela ny divay nisasaranao hosotroin'ny vahiny intsony;
9 fa izay mijinja ny vary ihany no hihinana azy ka hidera Ahy TOMPO, ary izay nioty ny voaloboka ihany no hisotro ny divay eo an-kianjan'ny tempoliko."
10 Ry mponin'i Jerosalema, mivoaha tao an-tanana, mivoaha amin'ny vavahady, anokafy lalana ny vahoaka mody, ataovy mitovy tantana ny arabe ka esory ny vato eo aminy ary atsangano ny faneva hanaingana ireo firenena.
11 Injay nisy baiko nampitain'ny TOMPO hatrany amin'ny faran'ny tany! Koa lazao amin'ny olona ao Tsiona hoe: "Indro tonga ny Mpamonjinareo, indro entiny miaraka aminy ny karama azony ary eo anoloany ny valin-kasasarany."
12 Ny besinimaro, na ianareo na iretsy, dia hantsoina hoe " ilay vahoaka masina", " ireo olona navotan'ny TOMPO "; ary ianao, ry Jerosalema, dia hatao hoe: " ilay irina", " ilay tanana tsy foy."
Toko faha-63
1 Iza ary ity tonga avy any Edoma, avy any Botsera renivohiny, ka manao fitafiana miloko mena? Izato izy miraratra amin'akanjo marevaka, mijaridina amin'ny haben'ny heriny!-Izaho izany, hoy ny Tompo, dia Izaho izay mitory ny fanafahana sady manan-kery hamonjy !2 -Nahoana no mena ny akanjonao ary nahoana ny fitafianao no tahaka ny an'ny mpanosihosy voaloboka ao amin'ny famiazam-boaloboka?
3 -Izaho irery no nanosihosy ny famiazam-boaloboka fa tsy nisy niaraka tamiko na dia iray aza ireo olona avy tamin'ny vahoakako. Nanosihosy hafa firenena tamin'ny fahatezerako Aho ary nanitsakitsaka azy tamin'ny fahavinirako; dia nipitipitika tamin'ny fitaf
4 Fa efa tao am-poko tao izao andro famaliana izao, satria tonga ny taona hanavotako ny vahoakako.
5 Dia nijerijery olona Aho, kanefa tsy nisy afaka hanampy Ahy. Gaga Aho satria tsy nisy nanohana, koa ny fahefako ihany no nentiko hamonjy ary ny fahavinirako no nandrisika Ahy.
6 Dia nentanim-pahatezerana Aho ka nanamontsana ireo hafa firenena; nataoko boboky ny fahavinirako ireny, sady napariakako tamin'ny tany ny rany.