IsaiĆ 

Toko faha-50

11 Fa ny aminareo rehetra izay mandrehitra afo sy mirongo zana-tsipika mandoro, dia izao: ny afo natsanganareo ihany sy ny zana-tsipika narehitrareo no anjara omanin'ny TOMPO ho anareo. Ho faty amin'ny fahoriana mafy ianareo.

Toko faha-51

1 "Mihainoa Ahy ianareo mikatsa-panafahana, dia ianareo mitady Ahy, hoy ny TOMPO: Jereo ny vatolampy izay nangalana anareo sy ny ati-lavaka nisintonana anareo:

2 Hevero i Abrahama rainareo sy i Sara izay niteraka anareo. Mbola tsy nanan-janaka i Abrahama, fony nantsoiko; kanefa notahiko izy sy nohamaroiko!"

3 Eny, ny TOMPO tokoa no nampahery an'i Tsiona, nampahery azy teo anivon'ny faharavany rehetra. Ka izany toerana karankaina izany dia novan'ny TOMPO ho paradisa;ary izany tany ngazana izany dia novany ho zaridaina mahavariana. Fientanentanana sy firavoravoana no ho hita ao ary koa hira fiderana sy feon-java-maneno.

4 "Mandrenesa tsara ianareo vahoakako, hoy ny TOMPO, ary atongilano amiko ny sofinareo, ry fireneko. Satria Izaho no hamoaka ny lalana; ary ny fitsarana ataoko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenen-kafa

5 Efa akaiky ny fanafahako, efa hiseho ny famonjeko; ary ny fahefako no hitsara ny firenen-kafa. Koa ny mponina any amin'ny nosy any dia hanantena Ahy sy hiantehitra amin'ny fahefako.

6 Atopazo eny an-danitra ny masonareo, dia jereo koa ny tany ety ambany: ny lanitra ho levona toy ny setroka ary ny tany ho rotidrotika toy ny lamba, ka ho faty toy ny lalitra ny mponina eo aminy; fa ny famonjeko kosa haharitra mandrakizay ary ny fanafahako tsy mba ho rava.

7 Mihainoa Ahy ianareo izay mandala ny rariny, ianareo vahoaka mitana am-po ny lalanako; aza matahotra izay fanaratsian'ny olona na milefitra amin'ny fanalam-baraka ataony,

8 satria ho toy ny lamba lanin'ny kalalao ireny sy ho tahaka ny volonondry lanin'ny fositra; fa ny fanafahako kosa haharitra mandrakizay ary ny famonjeko ho amin'ny taonjato mifandimby. "

9 Mifohaza ianao, TOMPO o, mifohaza ka tafio indray ny herinao; mifohaza tahaka ny tamin'ny andro taloha, dia tamin'ny taranaka fahiny ela be. Moa tsy ianao no namotipotika an-dRahaba , sy nanagorobaka ilay dragona?

10 Moa tsy ianao no nahamaina ny ranomasina, dia ny rano ao amin'ny hantsana lalimbe, ka nahatonga ny fanambanin'ny ranomasina ho lalana hiampitan'ny voaavotra?

11 Eny, hiverina ireo nafahan'ny TOMPO ka hiditra ao Tsiona amin'ny hobim-pandresena; ary hafaliana mandrakizay no ho hita taratra eny an-tavany, fientanana sy firavoravoana no hanenika azy fa handositra ny alahelo sy ny fisentoana!

12 Izaho, eny, Izaho ihany no mampahery anao, hoy ny TOMPO. Ka inona no atahoranao ny olona mety maty, dia ny zanak'olombelona izay mihelina toy ny ahitra?

13 Hadinonao Izaho TOMPO, Ilay nahary anao, Ilay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany. Fa tsy mitsaha-mangovitra isan'andro ianao eo anoloan'ny fahatezeran'ny mpampahory, izay toy ny efa mikendry hanimba anao. Kanefa aiza izao ny fahatezerany?

14 Vetivety dia ho afahana ny gadra mitanondrika ka tsy ho faty ho any am-pasana ary tsy ho ory hanina intsony.

15 Satria Izaho TOMPO no Andriamanitrao, Ilay mamolaka ny ranomasina raha mirohondrohona ny onjany; Ny TOMPOn'izao rehetra izao no anarako.

16 Hamelatra ny lanitra indray Aho sady hanorina indray ny tany, ka hilaza amin'i Tsiona hoe: "Vahoakako ianao. Ataoko eo am-bavanao ny teniko; ary arovako eo ambany aloky ny tanako ianao."

17 Mifohaza ianao, ry Jerosalema, mifohaza ka mitsangana! Nampisotroin'ny TOMPO anao ny tsatokaty feno ny fahatezerany, dia tsatokaty misy fisotro mahafanina izay notrohinao hatramin'ny faikany.

18 Tsy nisy nanohana anao na iray aza ireo zanaka rehetra naterakao; ary tsy nisy nitantana anao na iray azany ankizy rehetra notezainao.

19 Tonga namely anao tsiroaroa ny loza; fahasimbana sy faharavana, ary ady sy mosary. Kanefa iza moa no hitsetra anao, iza moa no hampahery anao?

20 Eny an-joron-dalambe rehetra eny no mitorevaka sy miampatrampatra ny zanakao tahaka ny diera voafandrika harato; fa rakotry ny fahatezeran'ny TOMPO ireo sady iharan'ny fandrahonan'ilay Andriamanitrao.

21 Noho izany, ry ilay Jerosalema ory ka mivembena tsy mamon-divay, henoy izao teny ataoko izao:

22 Ny Tomponao, ilay ANDRIANANAHARY sady Andriamanitrao, dia mandaha-teny hiaro ny vahoakany ka milaza aminao hoe: "Indro ho esoriko eny an-tananao ilay tsatokaty misy fisotro mahafanina, dia tsatokaty feno ny fahatezerako; ka tsy hisotroanao intsony izany.

23 Io tsatokaty io dia hatolotro eo an-tanan'ny nampahory anao,dia ireo olona nilaza taminao hoe:"Miankohofa amin'ny tany mba ho hitsahinay"; ka voatery ianao nanolotra ny lamosinao ho tahaka ny tany eny an-dalambe natao hohitsahin'ireo mpandalo."

Toko faha-52

1 Mifohaza ianao, ry Tsiona o, mifohaza ka tafio indray ny herinao; tafio indray ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema tanana masina! Satria tsy hiditra ao aminao intsony ny tsy mifora sy ny olona maloto ara-pivavahana.

2 Ahintsano ny vovoka nandrakotra anao, ka mitsangana; dia aoka ho amin'ny sezafiandriananao indray no hipetrahanao, ry Jerosalema o! Ny fatorana mangeja ny tendanao dia aoka ho vahanao, ry Tsiona babo!

3 Fa izao no lazain'ny TOMPO amin'ny vahoakany: "Maimaimpoana no nanolorana anareo handevozina, ka tsy handaniana vola ny hanavotana anareo."

4 Izao koa no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Tamin'ny voalohany dia nidina tany Ejipta ny vahoakako mba hivahiny; avy teo dia ny Asirianina no nampahory azy tsy amin'antony.

5 Ary amin'izao toe-javatra ankehitriny eto izao, inona no tombony azoko? "Ka hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: "Natao babo maimaimpoana ny vahoakako. Mirehaka manakora ny mpanjakazaka mampahory azy; ary hamavoina isan'androny anarako.

6 Noho izany, dia ho avy ny andro hahalalan'ny vahoakako ny anarako; ka amin'izay no hahafantarany fa Izaho mihitsy no Ilay miteny hoe: Inty Aho. "

7 Endrey tsara tokoa ery an-tendrombohitra ny famindran'ilay mpitondra hafatra , izay manambara fiadanana sy mampita hafatra mahasambatra ary manambara famonjena,ka manao amin'i Tsiona hoe: "Mpanjaka ny Andriamanitrao."

8 Injany ny feon'ireo napetrakao ho mpitily! Manandra-peo izy ka miara-mihorakoraka-pifaliana, satria mahita maso ny fiverenan'ny TOMPO ao Tsiona.

9 Manaova horakora-pifaliana ka redony ny hiram-pihobiana, ry toerana rava ao Jerosalema, satria efa nampahery ny vahoakany ny TOMPO sady efa nanavotra an'i Jerosalema!

10 Nahariharin'ny TOMPO teo imason'ny firenen-kafa rehetra ny hery maneho ny fahamasinany ka hahita ny famonjen'Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra.

11 Miala ianareo mpitondra ny fanaky ny TOMPO, miala, mivoaha avy ao Babilona. Aza mikasika izay maloto , fa aoka hadio ianareo no mivoaka tao!

12 Satria tsy hikoropaka ianareo raha miainga hivoaka ny tanana, ary tsy hihorohoro raha miala teto; fa ny TOMPO no hialoha lalana anareo ary ny Andriamanitr'i Israely no hovodilalanareo.

13 Indro fa hahomby ny Mpanompoko; hisandratra ho avo izy ka hapetraka eo amin'ny toeram-boninahitra ambony indrindra.

14 Marobe ny olona no tsiravina raha nijery azy satria niova loatra ny endriny ka tsy toy ny endrik'olona akory; ary ny tarehiny tsy toy ny tarehin'olombelona intsony.

15 Firenen-kafa maro kosa no ho talanjona ny aminy; ka hitampim-bava eo anatrehany aza ireo mpanjaka, satria izay tsy mbola notantaraina taminy no hitany ary izay tsy mbola reny akory nosaintsaininy.

Toko faha-53

1 Iza no nino ny fanambarana natao taminay? Ary iza no nampisehoana ny herin'ny TOMPO ?

2 Naniry toy ny solofon-kazo madinika teo anatrehan'ny TOMPO ilay Mpanompony; naniry toy ny fakan-kazo mitrebona eo an-tany karakaina. Tsy nanana endrika na bika nanintona antsika izy, na koa hatsaran-tarehy haniriantsika azy.

3 Notsiratsiraina sy nolavin'ny olona izy; lehilahy tototry ny fahoriana sady ilomam-pijaliana tahaka izay tsy tian-ko jerena akory. Eny, notsiratsiraina izy ka tsy mba nahoantsika.

4 Nitondra ny aretintsika tokoa izy sady nivesatra ny fahoriantsika; saingy isika no nihevitra azy ho nofaizin'Andriamanitra Izay nikapoka sy nampietry azy.

5 Kanefa voalefona noho ny helotsika izy sady notorotoroina noho ny fahadisoantsika; ny famaizana antoky ny fiadanantsika no nihatra taminy, ary ny ratra nahazo azy no nahasitrana antsika.

6 Isika rehetra dia tahaka ny ondry nania, fa samy efa nandeha tamin'ny lalantsika avy; ka nahatran'ny TOMPO tamin'ilay Mpanompony avokoa ny vokatry ny fahadisoantsika rehetra.

7 Nampahorina ny Mpanompon'ny TOMPO, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava akory, tahaka ny Zanak'ondry entina hovonoina sy tahaka ny ondrivavy eo anatrehan'ny manety azy. Eny, tsy niloa-bava akory izy.

8 Nosamborina izy, dia nohelohina mafy ary novonoina;ka, tamin'ireo mpiara-belona taminy, iza moa no mba nieritreritra ny nanjo azy. Fa nofongorana teo amin'ny tanin'ny velona izy; ary ny heloky ny mpiray firenena aminy no nikapohana azy ho faty?

9 Nokasaina hiray fasana amin'ny olon-dratsy izany Mpanompon'ny Tompo izany; kanefa teo anivon'ny mpanankarena no nandevenana azy, satria tsy nanao ratsy akory izy ary tsy nisy fitaka teo am-bavany.

10 Fa sitraky ny TOMPO ny hahatorotoro ilay mpanompony ka izany no nampiaretany azy fangirifiriana. Fa rehefa nanolo-tena hosorom-panorenana izy, dia hahita taranaka sy ho ela velona; ary amin'ny alalan'io mpanompony io rahateo no hahatanteraka ny sitrapon'ny TOMPO.

11 "Niaritra fahoriana mafy ny Mpanompoko, hoy ny TOMPO, ka dia hahita ny taranaka sy ho lava andro iainana. Ho fantatry ny olona fa marina io Mpanompoko io; ka dia Izy no hahatonga ny besinimaro ho marina ,satria ny tenany no mivesatra ny helok'ireo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9127