IsaiĆ
Toko faha-63
7 Hampahatsiaroviko ireo mari-pitiavan'ny TOMPO sy ireo antony tokony hiderantsika AZY, araka izay rehetra nataony tamintsika mbamin'ny soa be nafafiny ho an'ny taranak'Israely. Famindrampo sy fitiavana tsy hita lany no nanaovany an'izany ho azy.8 Hoy ny TOMPO ny amin'ny Israelita hoe: "Tena vahoakako tokoa ianareo, zanaka tsy handiso fanantenana Ahy. "Ka dia tonga Mpamonjy azy ny Tompo
9 tamin'ny fahoriana rehetra nanjo azy. Tsy solotena na anjely no namonjy azy fa ny tenan'ny Tompo mihitsy. Ny fitiavany sy indrafony no nanavotany azy, ka nivimbinany azy sy nitondrany azy nandritra ny androny rehetra fahiny.
10 Saingy nikomy tamin'ny TOMPO ireo ka nanome alahelo ny Fanahiny Masina; dia tonga fahavalon'ireo Izy sady niady taminy mihitsy.
11 Tamin'izay ny vahoakan'Andriamanitra dia nahatsiaro ny tantarany fahiny, dia izay tamin'ny andron'i Mosesy : "Nankaiza Ilay nampakatra avy ao amin'ny ony, Ilay ho mpiandry ny andianondriny? Nankaiza Ilay nametraka ny Fanahiny Masina tao aminy?
12 Izy no nampandroso ny sandriny mamirapiratra teo ankavanan'i Mosesy, ka nampisaraka ny ranomasina teo anoloan'ny vahoakany mba hananany laza mandrakizay.
13 Izy no nampandeha azy ireo teo amin'ny fanambanin'ny ranomasina; toy ny soavaly mikarenjy any an-taniefitra ireo ka tsy mba solafa-mamindra.
14 Toy ny biby fiompy midina an-dohasaha no nitondran'ny Fanahin'ny TOMPO azy ho amin'ny toerana fialan-tsasatra. "Tompo o, tahaka izany tokoa no nitarihanao ny vahoakanao mba hanananao laza mamirapiratra.
15 Mba mitsinjova avy eny an-danitra, TOMPO o; avy eo amin'ny fonenanao masina sy mamirapiratra mba jereo izay manjo anay. Nankaiza izao ny fitiavanao miredareda sy ny fahasahianao hiady ary ny fahaizanao mangoraka? Enga anie ny famindramponao,tsy ho sakantsakananao hihatra aminay!
16 Satria Ianao mihitsy no Rainay, fa i Abrahama tsy mahalala anay, ary i Jakoba tsy mahafantatra anay; eny, TOMPO o, Ianao no Rainay, Ianao ilay nantsoina hatrizay hatrizay amin'ny anaranao hoe "Mpanavotra anay."
17 TOMPO o, nahoana re izahay no avelanao haniasia lavitra ny sori-dalanao, sy hampikiry ny fonay tsy hanaja Anao? Miverena noho ny fitiavanao ny mpanomponao, dia izahay foko anjara fanananao.
18 Vahoaka natokana ho Anao izahay, saingy fotoana fohy no nanananay ny tany lovanay; fa nohitsakitsahin'ny fahavalonay ny Toeramasinao.
19 Efa ela izahay no vahoaka tsy nofehezinao sady tsy niantsoana ny anaranao intsony! Enga anie hotriarinao ny lanitra mba hidinanao, ka hihorohoro eo anatrehanao ny tendrombohitra!
Toko faha-64
1 Ho toy ny afo mampirehitra kitay rantsan-kazo na mampangotraka rano anie Ianao; ka ho fantatry ny fahavalonao ny lazanao ary hangovitra eo anatrehanao ny firenen-kafa,2 rehefa nanao zava-mahatahotra izay tsy nampoizinay akory Ianao. Eny, hidina tokoa Ianao, Tompo o, ka hihorohoro eo anatrehanao ny tendrombohitra.
3 Fa hatrizay hatrizay dia tsy mbola henon'ny olona na ren'ny sofiny na hitan'ny masony izay Andriamanitra hafa noho Ianao nahavita izany tamin'izay matoky Azy.
4 Mitsena izay mifaly hanao ny marina Ianao, dia izay mihevitra hanaraka ny sori-dalanao; koa raha tezitra Ianao, dia satria nanota izahay. Nefa ho voavonjy ihany izahay, rehefa ho voakosokao tanteraka ny otanay.
5 Samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-dra ny asa soa rehetra mba vitanay. Paohin'ny helokay izahay rehetra toy ny ravin-kazo maina paohin'ny tadio.
6 Tsy nisy niantso ny anaranao intsony na nahatsiaro hifikitra aminao, satria nanda ny hijery anay Ianao ary namela anay ho andevozin'ny helokay.
7 Na dia izany aza anefa, TOMPO o, Ianao no Rainay; tanimanga izahay, fa Ianao no mpanefy ary asan'ny tananao izahay rehetra.
8 TOMPO o, aza vinitra loatra aminay ary aza tsarovana hatrany ny helokay; mba tsinjovy re izahay vahoakanao rehetra.
9 Tonga aolo ireo tanananao masina, tonga taniefitra i Tsiona ary tonga lao i Jerosalema.
10 Ny tempoly masina sady mamirapiratra izay nanaovan'ny razanay hira fiderana Anao dia kilan'ny afo, ary ny zava-drehetra maminay indrindra dia rava avokoa.
11 Eo anoloan'ireo fahavoazana rehetra ireo, dia tsy hiraika aminay ve Ianao, TOMPO o? Mbola hangina ihany ve Ianao ka hampahory anay mafy loatra?
Toko faha-65
1 Dia hoy ny TOMPO hoe: Efa vonona hamaly Aho saingy tsy nisy nanontany; efa niandry Aho, saingy tsy nisy nitady fanampiana tamiko; koa firenena izay tsy niantso Ahy akory no nanambarako hoe: " Inty Aho! Inty Aho !"2 Nanolo-tanana hatrany Aho tamina vahoaka mpikomy, dia olona manaraka ny lalan-dratsiny sady mirona amin'ny saim-pantany.
3 Vahoaka mampahatezitra Ahy mandrakariva izany; sady eo imasoko no anaovany sorona eny an-tanimboly sy andoroany zava-manitra mifangaro eny amin'ny alitara tanimanga ho fanajana ny andriamani-kafa.
4 Mipetraka any am-pasana izy ireny na misitrika any an-dava-bato amin'ny alina, sady mihinana hena kisoa ary manisy ron-kena maloto ao an-doviany.
5 Ka hoy ireo amin'izay ifanenany: "Mihatakataha lavitra, aza mikasika ahy fandrao mahafaty anareo ny fahamasinako." Ireny fomban-tsampy isan-karazany ireny dia toy ny setroka mampirongatra ny hatezerako sy toy ny afo mampirehidrehitra azy isan'andro.
6 Indro voasoratra eto anatrehako avokoa ireny, koa tsy hangina Aho raha tsy voavaliko ny nataony, ary hovaliako mitafotafo mihitsy aza;
7 ka indray hatsingeriko aminy, hoy Aho, ny heloka vitany sy ny heloky ny razany. Satria ireto koa efa nandoro zava-manitra mifangaro ho an'ny sampy teny an-tendrombohitra sy nihantsy Ahy teny amin'ny havoana; ka dia ho fatra mitafotafo mihitsy no hasetriko ny fitondrantenany fahiny!
8 Izao no lazain'ny TOMPO: Rehefa ahitana sampaho mamy eo amin'ny rantsam-boaloboka iray dia ataon'ny olona hoe: "Aza simbana izany, fa misy fitahiana hahazoan-divay tsara eo aminy"; ho tahaka izany koa no hataoko amin'ny mpanompoko mba tsy ho simbako izy rehetra.
9 Homeko taranaka ny firenen'i Jakoba sy ny fokon'i Joda. Ireny no ho tompon'ny tendrombohitro: ireo voafidiko no ho tompony, ireo mpanompoko no honina eo.
10 Ho an'ny vahoakako izay nitady Ahy dia hanjary saha fiandrasana ondry i Sarona, ary hanjary valan'omby ny lohasaha Hakora.
11 Ianareo izay nandao Ahy TOMPO kosa ka nanadino ny mankeny an-tendrombohitro masina, ianareo izay nandroso sakafo ho an' i Gada sady nanatitra divay voaharoharo ho an'i Meny ,
12 dia hatolotro ho voan'ny sabatra ianareo ka haringana avokoa eo am-pandohalehana, satria nantsoiko ianareo fa tsy namaly ary nitenenako fa tsy nihaino. Izay ratsy eo imasoko no nataonareo, ary izay tsy sitrako no nofidinareo.
13 Koa hoy Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY hoe: Indro ny mpanompoko hihinana, fa ianareo kosa ho mosarena; indro ny mpanompoko hisotro fa ianareo kosa ho main-ketaheta; indro ny mpanompoko hifaly, fa ianareo kosa ho menatra.
14 Indro ny mpanompoko hihorakora-pifaliana noho ny hasambarana ao am-pony, fa ianareo kosa hiantsoantso noho ny alahelom-po sy hikiakiaka noho ny fanahy torotoro.
15 Eo amin'ny olom-boafidiko dia hatao ohatra ny anaranareo amin'ny fomba fanozonana toy izao: "Hovonoin'ny Tompo ANDRIANANAHARY tahaka an-dRanona na Ranona anie ianao! "Ho fanasoavana ny mpanompoko kosa dia anarana hafa no hotononina aminy.
16 Fa izay hifampirary fitahiana eto amin'ity tany ity, dia hifanao izany ao amin'Andriamanitra hany mahatoky; izay hianiana eto amin'ity tany ity, dia hanao izany ao amin'Andriamanitra hany mahatoky. Hoy kosa ny TOMPO hoe: Eny, ireo fahoriana taloha dia ho hadinoina sy ho voakosoka tanteraka tsy ho eo imasoko.
17 Fa indro Aho mahary habakabaka vaovao sy tany vaovao ka tsy ho tsarovana intsony ny habakabaka sy tany taloha na ho mby ao an-tsaina akory aza.
18 Fa mifalia sy miravoravoa hatrany ianareo ny amin'ny zavatra izay hoariko: dia i Jerosalema heni-karavoana ary ny vahoakany heni-kafaliana.
19 Izaho koa hiravo amin'i Jerosalema sy hifaly amin'ny vahoakako. Fa tsy ho re ao Jerosalema intsony na ny tomany na ny kiakiakam-pitarainana.
20 Tsy hisy ao intsony ny zaza minono izay ho faty anatin'ny andro vitsivitsy na ny antitra tsy hahatapitra ny androny; fa ho maty tanora izay maty zato taona, ary heverina ho olona voaozona izay tsy mahatratra zato taona.
21 Hanao trano ny vahoakako, ka hitoerany tokoa izany; hamboly voaloboka izy ka hihinana tokoa ny vokany.
22 Tsy hanao trano hitoeran'ny hafa intsony izy na hamboly zavatra hohanin'ny olon-kafa; fa ho tahaka ny andro hiainan'ny hazo ny andro hiainan'ny vahoakako, ary ny olom-boafidiko hanaram-po amin'ny vokatry ny asa vitany.
23 Tsy hisasatra foana intsony izy na hitera-jaza ho fatin'ny loza tampoka; fa fianakaviana izay notahiko izy, na ny tenany na ny zanany naterany.
24 Mbola tsy miantso akory izy, dia efa hamaly azy Aho; ary mbola tsy tapi-miteny izy, dia efa azoko ny tiany ho lazaina.
25 Hiara-miraoka ahitra ny amboadia sy ny zanak'ondry; ny liona hihinam-bilona toy ny omby, ary ny menarana kosa dia vovoka no ho fihinany. Tsy hisy fanaovan-dratsy intsony, hoy AHO, na fanimban-javatra intsony, manerana ny tendrombohitro masina !
Toko faha-66
1 Izao no lazain'ny TOMPO: "Ny lanitra no seza fiandrianako ary ny tany no fitoeran-tongotro. Koa trano toa inona moa no hataonareo ho Ahy? Ary toerana toa inona no hialako sasatra?