IsaiĆ
Toko faha-57
8 Tao ambadiky ny tolam-baravarana no nametrahanao ny ody fampahatsiarovana anao. Fa lavitra Ahy kosa no nitanjahanao sy niakaranao hankeo am-pandrianao ary nanalalahanao ny toerana teo. Dia nividy sakaiza maro ianao, ka finaritra matory miaraka aminy; ary nobanjininao ilay rantsam-batany.9 Nivezivezy nankany amin'i Moloka ianao ka nitondra diloilo sy zava-manitra betsaka; nandefa solotena hatrany lavitra any ianao, ka moa va tsy hatrany amin'ny toeran'ny maty no nampietrenao ny tenanao.
10 Sasatra ianao tamin'ny lalan-davitra nalehanao, kanefa tsy loa-bolana hoe: "Kivy aho izany! "Nahazo hery indray aza ianao, ka tsy nahatsiaro reraka.
11 Fa iza no nahinao sy natahoranao no dia namadika Ahy ianao, ka tsy nahatsiaro Ahy intsony sy nandroaka Ahy tao am-ponao? Efa nangina hatry ny ela Aho, ka izany angaha no tsy anajanao Ahy?
12 Kanefa hovakiko bantsilana ny fihamboanao ho marina sy ny asanao; ka tsy hahasoa anao akory ireny.
13 Rehefa miantso vonjy ianao, dia aoka ireo sampinao no hamonjy anao, dia ireo sampy maro voaangonao. Kanefa hopaohin'ny rivotra ireny; tsio-drivotra mihelina dia hahalasa azy! Fa izay mialoka amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masina.
14 Ny TOMPO efa niteny hoe: "Ataovy mitovy tantana ny lalana, ataovy mitovy tantana ny lalana ka sokafy, esory ny sakantsakana amin'ny lalan'ny vahoakako."
15 Fa ankehitriny ilay Avo manerinerina, ilay mandrakizay ny fonenany sady masina ny anarany, dia manao izao teny izao: "Any amin'ny toerana avo sy masina no onenako, nefa koa ao amin'ny torotoro fo sy manetry tena mba hamelombelona ny fanahin'ireo manetry tena sy hamelombelona ny fon'ireo torotoro fo.
16 Fa tsy hanakiana lava Aho na ho tezitra hatrany; raha tsy izany dia ho faty eo anatrehako ny manam-pofonaina noariko.
17 Ny fahadisoan'ny vahoakako no nahatezitra Ahy vetivety. Noho Izaho tezitra no nikapohako azy sady tsy netezako hijery azy. Nefa nikomy hatrany izy ka nanaraka ny ditran'ny fony,
18 ary hitako ny fitondrantenany. Saingy izao no lazaiko: Hanasitrana ny vahoakako Aho, ka hitari-dalana sy hampahery azy. Ary ho an'ireo olony misaona kosa,
19 dia horakora-pifaliana no hataoko eo amin'ny molony. Ka hoy AHO hoe: Fiadanana hoan'izay lavitra, fiadanana ho an'izay akaiky ! Eny, hanasitrana ny vahoakako Aho."
20 Fa ny olon-dratsy kosa dia toy ny ranomasina misamboaravoara sady tsy afaka mitoetra milamina; fa mamoaka loto sy fotaka ny ranony.
21 Tsy misy fiadanana ho an'ny olon-dratsy, hoy ilay Andriamanitro.
Toko faha-58
1 Miantsoa mafy, fa aza atao malemy. Ataovy avo toy ny trompetra ny feonao. Vakio bantsilana amin'ny vahoakako ny fikomiany ary amin'ny taranak'i Jakoba ny fahotany.2 Isan'andro isan'andro dia mitady Ahy izy ary maniry hahafantatra ny lalako, tahaka ny firenena iray manao ny marina ka tsy nanary ny fitsipik'ilay Andriamaniny. Ny fitsarana araka ny rariny no angatahiny amiko ary ny fanatrehako azy no zavatra iriny.
3 Kanefa manontany Ahy izy manao hoe: "Soa inona ho anay ny mifady hanina, raha tsy hitanao akory izany? Soa inona ho anay ny mampahory tena, raha tsy ahoanao akory izany? "Izao kosa no amaliako azy: Indro fa amin'ny andro ifadianareo hanina dia manenjika ny tombontsoanareo ihany ianareo ka manjakazaka amin'ny mpiasa rehetra eo aminareo.
4 Indro sady mifady hanina ianareo no mbola miady sy mifanditra ihany ary mamely totohondry mahery vaika. Tsy ny fifadianareo hanina tahaka izany no handrenesako ny feonareo any amin'ny avo.
5 Moa fifadian-kanina toy izany ve no tiako, amin'ny andro ampahorin'ny olona tena? Ny hampiondrika ny loha toy ny zozorosy ny hitafy lamba fisaonana ary ny hatory mihosin-davenona: izany ve no ataonareo hoe fifadian-kanina sy andro ankasitrahina eo amikoTOMPO?
6 Tsia, fa ny fifadian-kanina tiako dia izao: ny mamaha ny olona voafatotra tsy an-drariny, ny manaisotra ny zioga mitambesatra aminy, ny manafaka ireo ampahorina ka manapatapaka izay zioga rehetra mangeja azy.
7 Ny hizaranao ny haninao ho an'ny noana sy hampiantrano anao ireo mahantra mirenireny, ny hampitafinao izay hitanao fa miboridana ka tsy hampihirimbelona anao eo anatrehan'ny namanao.
8 Amin'izay dia hiposaka toy ny maraina ny fahazavanao ary ho tonga haingana ny fahasitrananao. Ny fanafahana anao no hialoha lalana anao, ary ny TOMPO mihitsy no ho vodilalanao.
9 Rehefa miantso ianao, dia hamaly anao ny TOMPO; rehefa mitady vonjy ianao, dia hovaliany hoe: "Inty Aho. "Raha foananao eo aminao ny ziogam-pamoretana mbamin'ny fanendrikendrehana sy ny fitenenan-dratsy,
10 raha zarainao ho an'ny noana ny haninao ka manome sakafo ireo sahirana ianao, dia hamirapiratra ao amin'ny haizina ny fahazavanao ary ho toy ny mitatao vovonana ny haizim-pitonao.
11 Hitari-dalana anao hatrany ny TOMPO; na dia ao amin'ny tany karakaina aza ianao, dia hovokisany hanina sy hampahatanjahiny. Hanjary mahate hijery toy ny saha vonton-drano ianao na toy ny loharano miboiboika tsy mety ritra.
12 Noho ny ezakao, dia haorina indray ireo zavatra rava fahiny ary hatsangana indray ny fanorenana izay efa nilaozana hatry ny elabe; ary ianao dia hantsoina hoe:"Vahoaka mpamboatra ny manda simba sy mpamelona ny lalankely efa maty mba ho tsara honenana ao an-tanana."
13 Hoy koa ny TOMPO hoe: "Raha atsahatrao ny fanosihosena ny sabata, ka tsy ny tombontsoanao no enjehinao amin'ny andro voatokana ho Ahy, raha ny sabata no lazainao hoe andro mahafinaritra, raha ny andro voatokana ho Ahy no lazainao hoe mendrika hohajaina, raha hajainao tokoa izany ka fadinao ny fanaonao na ny manenjika ny tombontsoanao na ny miteniteny foana,
14 dia ho tonga loharanom-pifaliana ho anao Aho. Izaho TOMPO no hitondra anao ho mpandresy eny an-tendron-kavoan'ilay tany ka hampanaram-po anao amin'ny lovan'i Jakoba razanao. Fa ny vavako no mampanantena izany."
Toko faha-59
1 Tsia, tsy fohy ny tanan'ny TOMPO fa mahavonjy, tsy lalodalovana ny sofiny fa mahare.2 Saingy ny helokareo no mampisy efitra manelanelana anareo amin'Andriamanitrareo ary ny fahotanareo no manery Azy hanafin-tava, ho lavitra anareo ka tsy mahahaino anareo.
3 Satria voaloto amin'ny ra ny felatananareo ary voaloto amin'ny heloka ny rantsan-tananareo; lainga sy fanaratsiana no afafin'ny teninareo.
4 Tsy ara-drariny no itorianareo olona, tsy araka ny toetra mahatoky no iadianareo am-pitsarana; porofo tsy azo antoka no ianteheranareo, zavatra tsy marim-pototra no teniteneninareo; torontoronina ny ratsy ianareo ka miteraka loza.
5 Toa atodin'ny menarana no kotrehin'ny fikasanareo, ka izay manandrana amin'ireny dia maty: vao vaky iny, dia menarana no mivoaka avy ao.
6 Toa ladin-kala ny lamba tenominareo ka tsy natao ho tafina na hirakofana izany satria zavatra mampidi-doza. Herisetra no asa vokarin'ny tananareo.
7 Mihazakazaka ery ianareo hanao ratsy ary mirohotra hamono ny tsy manan-tsiny. Ny hanisy ratsy ny hafa ihany no kendrenareo; fandravana sy fandringanana no eo amin'ny alehanareo.
8 Tsy fantatrareo ny lalan'ny fiadanana, ary tsy misy rariny eo amin'izay andalovanareo; lalana miolakolaka no tianareo hosoritana, ka tsy hahita fiadanana izay mandia izany.
9 Noho izany, dia lavitra antsika ny rariny ary tsy tonga amintsika ny hitsiny. Nanantena hahita fahazavana isika, kanjo indro haizina mikitroka; hazavan'ny maraina no nandrandraintsika, kanjo haizim-pito no andehanantsika.
10 Mandeha mitsapatsapa manara-drindrina toy ny olona jamba isika ary miraparapa toy ny tsy mana-maso. Antoandro mitatao vovonana dia tafintohina isika tahaka ny efa amin'ny maizimaizina; ary salama be izao isika nefa toy ny olona maty.
11 Mierona sahala amin'ny orsa isika rehetra na mitolokoloko tahaka ny voromahailala. Nanantena ny rariny isika, nefa tsy nisy; niandrandra famonjena, nefa lavitra antsika izany.
12 TOMPO o, imbetsaka izahay no efa nikomy taminao tokoa; miampanga anay ny helokay ary manjohy anay ny otanay, ka fantatray tsara ny hadisoanay.
13 Eny, nikomy sy nivadika taminao izahay ka tsy nanaiky hanaraka Anao Andriamanitray. Famoretana sy fikomiana no resakay ary lainga fotsiny no foroninay ao am-po sy avoakan'ny teny ataonay.
14 Noho izany, dia mihemotra ny rariny ary mijanon-davitra ny hitsiny, satria eny an-kianja malalaka no voatohintohina ny fahamarinana ary tsy mahazo miditra ny hitsim-po.
15 Tsy eo tokoa ny fahamarinana; ary izay miala amin'ny ratsy dia mitolo-tena ho voaroba. Hitan'ny TOMPO izany rehetra izany, ary ratsy eo imasony ny tsy fisian'ny rariny.
16 Hitan'ny TOMPO fa tsy nisy niraika akory, gaga Izy fa tsy nisy olona mpanelanelana; koa ny fahefany ihany no nentiny hamonjy ary ny fahamarinany no nandrisika ny tenany.
17 Eny, ny fahamarinana no nakanjoin'ny TOMPO ho tahaka ny akanjo vy fiarovan-tena ary ny famonjena no nataony ho satro-by fiarovan-doha. Ny famaliana no toy ny fitafiana nanaovany ary ny fitiavana miredareda manentana Azy no toy ny lamba nisalorany.
18 Hamaly ny olona araka ny nataony Izy, dia valifaty mirehidrehitra tokoa ho an'ny mpanohitra Azy sy ho an'ny fahavalony; hatramin'ireo any amin'ny nosy lavitra aza! dia hiharan'izany valifaty izany.
19 Amin'izay dia ho hajaina ny anaran'ny TOMPO hatrany amin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatrany amin'ny filentehany; ho hajaina ny fanatrehany be voninahitra, rehefa ho avy Izy toy ny ranomaria asesiky ny tafio-drivotra goavana.
20 Ho avy ny TOMPO hanavotra an'iTsiona sy hanavotra ireo anisan'ny firenen'i Jakoba miala amin'ny fahadisoany. Izany no teny hentitry ny TOMPO.
21 Dia hoy koa ny TOMPO hoe: "Izaho kosa hanao izao fanekem-pihavanana izao aminy: ny Fanahiko hitoetra eo aminareo ary ny teniko dia efa teo am-bavanareo, ka samy tsy hiala aminareo hatramin'izao ka ho mandrakizay. Ny Fanahiko sy ny teniko dia tsy hiala aminareo na amin'ny zanakareo na amin'ny taranaky ny taranakareo. Izaho TOMPO no mampanantena izany."
Toko faha-60
1 Mitsangana, ry Jerosalema o, mamirapirata, satria tonga ny famirapiratanao: ny voninahitry ny TOMPO no manazava anao toy ny masoandro miposaka.