IsaiĆ 

Toko faha-66

2 Fa izao rehetra izao dia nataon'ny tanako, ka dia Ahy avokoa izao rehetra izao ; teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Kanefa ny olona tsinjoviko dia ny mahantra sy ny torotoro fanahy ary ny mandray ny teniko amin-kovitra.

3 Ao ny manao sorona mamono omby, kanefa mamono olona koa; ao ny mamono zanak'ondry, kanefa mamono alika koa; ao ny manao fanatitra lafarinina, kanefa manolotra ran-kisoa koa; ao ny mandoro vovo-javamanitra ho Ahy, kanefa manaja sampy koa. Noho ireo nifidy izany lalana izany sady finaritra amin'ny zava-maharikoriko,

4 dia ho tahaka izany koa no hifidianako ny fampahoriana hampiharina aminy sy handatsahako ny loza mahatahotra azy. Satria niantso azy Aho fa tsy nisy namaly izy, ary niteny taminy Aho fa tsy nohenoiny akory. Izay ratsy eo imasoko ihany no nataony ary izay tsy sitrako no nofidiny. "

5 Mihainoa ny tenin'ny TOMPO ianareo izay mandray ny teniny amin-kovitra: "Misy mankahala anareo ny mpiray firenena aminareo ka manilika anareo noho ny fanajanareo Ahy, sady loa-bolana maneso anareo hoe: "Aoka ny TOMPO hampiseho ny voninahiny, dia hahita anareo mandresy izahay!" Kanjo ireny kosa no ho menatra."

6 Injany misy feo avy any an-tanana, misy feo avy ao amin'ny tempoly: dia feon'ny Tompo Izay mamaly ny nataon'ny fahavalony.

7 Mbola tsy nihetsi-jaza akory, dia niteraka; ary mbola tsy nanaintaina akory, dia velon-jaza!

8 Iza no efa nandre sy nahita zavatra toy izany? Tany anankiray ve hateraka indray andro monja? ary firenena iray ve ho azo atao indray miteraka? Kanefa izany no niseho tamin'i Tsiona: vao nihetsi-jaza izy, dia teraka ireo zanany.

9 Ka hoy ny TOMPO Andriamanitrao hoe: "Raha Izaho no nikarakara ny vehivavy iray nandritra ny fitondrany vohoka, dia tsy Izaho no hisakana ny hahaterahany. Raha Izaho no nanomana ny fahaterahana, dia tsy Izaho no hanao izay tsy hiterahany."

10 Ianareo rehetra izay tia an' i Jerosalema, miaraha mifaly aminy, eny, miravoravoa. Ianareo rehetra izay nisaona noho ny loza nanjo azy, aoka hiara-paly aminy tokoa!

11 Dia ho vokin'ny fampiononana omeny ianareo ary ho finaritra migoka ny zava-tsoa atosany, tahaka ny zaza minono voatambitambin-dreniny.

12 Fa izao tokoa no lazain'ny TOMPO:"Indro ho tarihiko hankao Jerosalema ny fiadanana ka hihanaka toy ny ony; ny haren'ny firenen-kafa ho tarihiko hankao ka ho tondraka toy ny renirano. Hikarakara fatratra anareo Aho toy ny ataon-dreny mampinono ny zanany ka mitondra azy eo an-trotroany sy mandrotsirotsy azy eo am-pofoany.

13 Eny, ho toy ny reny mampionona ny zanany no hampiononako anareo koa; ary ao Jerosalema no hampiononako anareo!

14 Dia ho tsapanareo amin'izany fa ho dibo-kafaliana ny fonareo, ary ny taolanareo efa maina hahazo hery indray tahaka ny ahitra mirobona. "Hataon'ny TOMPO fantatr'ireo mpanompo Azy ny fahefany; fa ho tezitra kosa amin'ny fahavalony Izy.

15 Satria indro ny TOMPO fa tamy ao anaty afo, miriotra toy ny rambon-danitra ny kalesiny. Misafoaka ery Izy mampihatra ny fahatezerany sy ny fandrahonany amin'ny lelafo miredareda.

16 Fa amin'ny alalan'ny afo sy ny sabatra no hitsaran'ny TOMPO ny olombelona rehetra; ka maro no haringan'ny TOMPO,

17 dia ireo mihambo hidio manokana mba ho afa-miditra ao an-tanimboly sy hipetraka aorian'ilay eo afovoany , na koa ireo mihinana henakisoa sy voalavo mbamin'ny zava-maharikoriko. Ho indray levona avokoa ny fanao amam-pisainan'ireny. Izany no teny hentitry ny TOMPO.

18 Hoy koa ny TOMPO hoe: "Tonga Aho hanangona ny firenen-kafa rehetra sy ny samihafa fiteny rehetra, ka ho avy ireny mba hahita ny voninahitro.

19 Hapetrako eo anivony ny mariky ny fahefako. Ary ireo sisa velona tamin'ny fitsarako dia hirahiko ho any amin'ny vahoakan'i Tarsisy sy i Pola ary i Loda izay olona kinga amin'ny fandefasana zana-tsipika, na hirahiko ho any Tobala sy i Javana ary any amin'ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako sady tsy mbola nahita ny voninahitro. Dia hotorin'ireo irako any amin'ny hafa firenena ny voninahitro.

20 Ary hitondra ireo rehetra mpiray firenena aminareo avy amin'ny firenen-drehetra kosa ireto hafa firenena ireto. Mitaingin-tsoavaly ny mpiray firenena aminareo, entina an-kalesy na am-pilanjana, mitaingina boriky na rameva hatrany an-tendrombohitro masina any Jerosalema. Izany no ho fanatitr'ireo hafa firenena ho Ahy TOMPO, ka ho raisiko tahaka ny fanatitra entin'ireo Israelita ao anaty lovia madio hankao an-tranoko.

21 Ary amin'ireo hafa firenena ireo koa, hoy AHO, dia hisy hofidiko ho mpisorona sy levita."

22 Dia hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: "Ny taranakareo sy ny lazanareo dia haharitra eo anatrehako, tahaka ny haharetan'ny habakabaka vaovao sy tany vaovao izay hataoko.

23 Amin'izay, hoy AHO; isaky ny tonga ny tsinam-bolana sy ny sabata, dia ho avy hiankohoka eo anatrehako ny olombelona rehetra.

24 Ary raha sendra misy mivoaka ny tanana, dia hahita ny fatin'ny olona izay nikomy tamiko; fa ny kankana mihinana azy tsy ho faty, ary ny afo mandoro azy tsy ho levona , ka hahatsiravina ny olona rehetra ireo."

JeremiĆ 

Toko voalohany

1 Ity boky ity dia mirakitra ny asa sy teny nataon'i Jeremia, zanakalahin'i Hilkia isan'ny mpisorona tao Hanatota, tanana iray tamin'ny faritanin'i Benjamina.

2 Nampitondrain'ny TOMPO an'i Jeremia ireo hafatra ireo, nanomboka ny taona faha-13 nanjakan'i Josia, zanakalahin'i Amona sady mpanjakan'i Joda ,

3 sy tamin'ny andron'i Joiakima, zanakalahin'i Josia sady mpanjakan'i Joda, ka hatramin'ny taona farany nanjakan'i Tsedekia, zanakalahin'i Josia iray hafa koa; io taona io dia ny faha-11nanjakan'i Tsedekia tamin'ny volana fahadimy, fony lasan-ko babo ny mponina tao Jerosalema.

4 Nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

5 -Mbola tsy noforoniko tao an-kibon-dreninao akory ianao dia efa fantatro, ary mbola tsy teraka akory ianao dia efa natokako hanompo Ahy sy notendreko ho mpaminany ho an'ny firenena maro.

6 Ary namaly aho hoe:-Indrisy, ry Tompo ANDRIANANAHARY o, mbola tanora loatra aho ka tsy mahay mandaha teny.

7 Fa hoy ny TOMPO tamiko hoe:-Aza manao hoe "mbola tanora loatra aho "fa tsy maintsy handeha amin'izay rehetra hanirahako anao ianao ka hilaza aminy izay rehetra nandidiako anao.

8 Aza matahotra azy fa miaraka aminao Aho mba hanafaka anao. Izany no teny hentitry ny TOMPO tamiko.

9 Avy eo izy dia nandroso ny tanany ka nanendry ny vavako ary nilaza tamiko hoe:-Ianao no hanambara ny teniko.

10 Jereo fa omeko fahefana ianao anio amin'ireo firenena sy fanjakana mba hanongotra sy hanjera, hanapotika sy handrava, ary hanorina sy hamboly indray.

11 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanontany hoe:-Inona no hitanao, ry Jeremia? Dia novaliako hoe:-Rantsam-paiso na hazo mahatsiaro no hitako.

12 Ary hoy ny TOMPO tamiko: -Nahita tsara ianao, fa hahatsiaro Aho mba hanatanteraka izay lazaiko.

13 Dia mbola nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanontany hoe:-Ary inona no hitanao izao? Dia novaliako hoe:-Vilany mangotraka no hitako; avy any avaratra no mitongilana mankaty ny vavany.

14 Ary hoy ny TOMPO nanazava tamiko: -Avy any avaratra tokoa no hipoitra ny loza hamelezana ny mponina rehetra eto amin'ny tany.

15 Fa Izaho TOMPO dia miteny hentitra hoe: Hantsoiko ny fokom-pirenena rehetra amin'ireo fanjakana any avaratra. Ho avy ireny ka samy hametraka ny seza fiandrianan'ny mpanjakany avy eo anoloan'ny vavahadin' i Jerosalema. Hanodidina ny mandany rehetra izy ary hanafika ny tanan-dehibe rehetra any Joda.

16 Havoakako ny didim-pitsarana hamelezana ny mponin'ity tany ity noho ny ratsy rehetra izay nataony: nandao Ahy izy ka nanao sorona ho an'ireo andriamani-kafa, dia ny andriamanitra asan-tanany izay ivavahany!

17 Fa ianao kosa, ry Jeremia, misikina, mitsangana ka ambarao azy izay rehetra nandidiako anao. Aza matahotra azy ianao fandrao hataoko raiki-tahotra eo anatrehany.

18 Manomboka izao dia hataoko mafy toy ny tanana mimanda ianao sy toy ny andry vy ary toy ny manda halimo raha mifanandrina amin'ny mponina rehetra eto amin'ny tany, dia amin'ny mpanjakan'i Joda sy ireo mpitondra sy ny mpisorona ary ny sarambabem-bahoaka ao amin'ny tany.

19 Hiady aminao izy nefa tsy haharesy anao, fa miaraka aminao Aho mba hanafaka anao. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

Toko faha-2

1 Nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

2 "Ndeha ataovy antso avo ao Jerosalema fa izao no lazaiko: Tsaroako ny toetranao fahiny, ry Israely. Endrey izany fifikiranao tamiko fony ianao mbola tanora! Endrey izany fitiavanao Ahy fony ianao mbola fofombadiko ! Nanaraka Ahy hatrany an-taniefitra ianao, tany amin'ny faritany tsy nisy zava-maniry.

3 Voatokana ho Ahy irery ianao tamin'izay, ry Israely, toy ireo voaloham-bokatry ny tany. Izay rehetra nikasika anao dia nahita raharaha tamiko, ka niharan-doza avy hatrany. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

4 Ry taranak'i Jakoba sy ry fokon'i Israely rehetra, henoy ny tenin'ny TOMPO

5 fa izao no lazainy aminareo: Inona moa no hadisoana hitan'ny razanareo tamiko no dia nanalavitra Ahy TOMPO izy? Nandeha nanaraka zava-poana izy ka dia tonga zava-poana koa!

6 Tsy nanontany tena akory izy hoe:Mba aiza ary izao ny TOMPO izay nitondra antsika niala tany Ejipta sy nitarika antsika namakivaky ny taniefitra, faritany karankaina sy be hantsana, tany mangentana sy mampahatahotra fa tsy andalovan'olona sady tsy misy mponina?"""

7 Izaho no nampiditra anareo ho ao amin'ny tany lonaka mba hihinananareo ny vokatra tsara avy aminy; kanjo rehefa tafiditra tao ianareo dia nolotoinareo ny taniko ary ny fananako nametrahanareo zava-maharikoriko.

8 Tsy nanontany akory ny mpisorona hoe:"Mba aiza ary izao ny TOMPO? " Ny mpahay lalana kosa tsy nahalala Ahy, ireo mpitondra nikomy tamiko, ny mpaminany niteny tamin'ny anaran'i Bahala, ary izy rehetra samy nifikitra tamin'ny andriamani-tsiizy sady tsy mahasoa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9907