IsaiĆ 

Toko faha-48

9 Fa satria Andriamanitra Aho, dia notoneko ny fahatezerako ary ho fitandroako ny voninahitro, dia nanda tsy handringana anareo Aho.

10 Indro nosedraiko ianareo, nefa tsy tamin'ny afo toy ny fanao amin'ny volafotsy; fa tamin'ny memin'ny fahoriana no nandiovako anareo.

11 Noho ny amiko no nanaovako izany, eny, noho ny amiko ihany, satria tsy zakako velively ny hanalam-baraka ny anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa.

12 Hoy ny TOMPO hoe: "Ry firenen'i Jakoba, ry vahoaka Israely izay nantsoiko, henoy Aho: Izaho no Ilay tsy miova, Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany.

13 Eny, ny tanako no nametraka ny fanorenan'ny tany; ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra. Raha antsoiko ireo, dia miara-miseho avokoa.

14 Mivoria ka mihainoa ianareo rehetra: Ilay tiako no hanatanteraka izay sitrapoko amin'i Babilona sy amin'ny taranaky ny Kaldeanina. Kanefa iza taminareo moa no nanambara izany? Tsy misy.

15 Izaho, eny, Izaho no niteny; Izaho mihitsy no niantso azy ka nanao izay hahatongavany sy hampahomby izay hataony.

16 Manatona Ahy ianareo ka henoy izao: Efa hatrany am-boalohany no nitenenako an-karihary; ary teo Aho hatramin'ny vaninandro izay nisehoan'izany zavatra izany." (Ankehitriny dia Ilay Tompo ANDRIANANAHARY mihitsy no naniraka ahy sy nanome ahy ny Fanahiny.)

17 Ry firenen'i Jakoba, ny TOMPO mpanavotra anao, Ilay Masin'i Israely dia miteny aminao hoe: "Izaho TOMPO Andriamanitrao no mampianatra anao izay mahasoa anao sy mitarika anao amin'ny lalana tokony halehanao.

18 Raha mba nihaino tsara ny didiko manko ianao, dia ho nikoriana toy ny ony ny fiadananao; ary ho toy ny onjan-dranomasina no fiavin'ny fanafahana anao!

19 Ny taranaka haloaky ny kibonao ho marobe toy ny fasika eny amoron-dranomasina; tsy ho tapaka na ho foana eo anatrehako ny anarany. "

20 Mivoaha avy ao Babilona , mandosira avy ao Kaldea! Amin'ny horakora-pifaliana no anambarao izao vaovao mahafaly izao, hatrany amin'ny faran'ny tany; torio ary aelezo izany, ka lazao hoe: "Ny TOMPO no nanavotra ny firenen'i Jakoba mpanompony!"

21 Tsy nangetaheta ireo olony tamin'ny nitondrany azy tany an-taniefitra. Nampiboiboika rano ho azy avy tamin'ny vatolampy Izy: eny, novakiny ny vatolampy ka nandriaka ny rano.

22 Tsy misy fiadanana ho an'ny olon-dratsy, hoy ny TOMPO.

Toko faha-49

1 Mihainoa ahy ianareo, ry mponina any amin'ny nosy any; ary atongilano ny sofinareo, ry firenena any lavitra. Ny TOMPO no niantso ahy hatrany am-bohoka; vao teraka aho, dia nantsoiny tamin'ny anarako.

2 Nataony toy ny sabatra maranitra ny teniko, sady arovany ao ambany aloky ny tanany aho; nataony toy ny zana-tsipika voarangitra tsara aho ka voaafiny tao amin'ny tranon-jana-tsipikany.

3 Hoy Izy tamiko: "Ianao no mpanompoko, ilay Israely entiko maneho ny voninahitro."

4 Fa izaho kosa manao anakampo hoe: Very maina ny nisasarako; zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko. Kanefa ny rariny ananako dia ao amin'ny TOMPO; ary Izy Andriamanitro no valisoako.

5 Ankehitriny kosa niteny tamiko ny TOMPO, Izay namorona ahy hatrany am-bohoka mba hahatonga ahy ho mpanompony ka hampodiako aminy ny taranak'iJakoba sy hamoriako ny vahoaka Israely ho eo anilany; fa mahazo voninahitra eo imason'ny TOMPO aho, ary Izy Andriamanitro no heriko.

6 Dia nitenenany aho ka nataony hoe: "Tsy ampy raha tonga mpanompoko fotsiny ianao mba hampitraka ireo foko taranak'i Jakoba sy hampody ny sisa velona amin'ny vahoaka Israely. Fa omeko ho fanazavana ho an'ny firenen-kafa koa ianao mba hitaran'ny famonjeko hatrany amin'ny faran'ny tany."

7 Ny TOMPO Mpanavotra sady Masin'i Israely, dia miteny aminao, ry voaeson'ny olona sy ankahalain'ny firenen-kafa, ary andevozin'ireo mpanjakazaka; ka izao no lazainy aminao: "Raha vao mahita anao ny mpanjaka dia hitsangana hiala amin'ny seza fiandrianany; ary hiankohoka ny manampahefana, raha vao mahatazana anao. Izany no hanajany Ahy TOMPO mahatoky, dia Ilay Masin'i Israely efa nifidy anao."

8 Izao koa no lazain'ny TOMPO: "Tamin'ny fotoana mety dia namaly ny antsonao Aho, ary tamin'ny androm-pamonjena dia tonga namonjy anao Aho. Nokolokoloiko ianao mba hataoko ho antoky ny fanekem-pihavanako amin'ny olona. Noho izany, dia hanarina ny tany Aho sy hizara indray ny lova efa rava;

9 ka ny mpifatotra izay ao anaty haizina dia hitenenako hoe: "Mivoaha tao ianareo, misehoa". Eny an-dalana eny izy dia hahazo sakafo, ka ho tahaka ny andiam-biby fiompy mirao-bilona amin'ny havoana rehetra.

10 Tsy ho noana sady tsy hangetaheta ireo ary tsy hampaninona azy akory na ny rivo-mahamay na ny masoandro, satria am-pitiavana no hitarihako azy ary any amin'ny loharano miboiboika no hitondrako azy hiala hetaheta.

11 Ny tendrombohitra rehetra hasiako lalana; ary ny arabe kosa hataoko tsara voatra.

12 Indreny izy fa tonga avy any lavitra: ny sasany avy any avaratra; ny sasany avy any andrefana, avy any an-dranomasina; ny sasany avy any atsimo, avy any Ejipta."

13 Mifalia, ry lanitra, miravoravoa, ry tany; manaova horakora-pifaliana, ry tendrombohitra, fa ny TOMPO efa nampahery ny vahoakany ary naneho indrafo tamin'ny mahantrany.

14 I Tsiona nanao hoe: "Efa nandao sy nanadino ahy ilay ANDRIANANAHARY sady Tompo."

15 Fa ny Tompo kosa mamaly hoe: Moa manadino ny zanany minono ve ny vehivavy na tsy tia ny zaza naloaky ny kibony intsony? Na dia mety manadino aza izy, Izaho kosa tsy mba hanadino anao.

16 Indro efa vitako tombokavatsa eo am-pelatanako ny anaranao, ary eo imasoko hatrany ny mandanao.

17 Tamy faingana ireo mpanarina anao; fa miala manalavitra anao kosa ireo nandrava sy nanimba anao,

18 Atopazo ny masonao hijery manodidina, ny zanakao rehetra dia mivory mankeo aminao. Velona Aho, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, ka mianiana fa izy rehetra dia hataonao fihaingo toy ny firavaka ary hataonao fietra toy ny fehikibon'ny ampakarina.

19 Eny, toerana rava sy fonenana lao ary koa tany simba no fahitana anao izao; kanefa tsy ho omby mponina intsony ianao atsy ho atsy ary handositra lavitra ireo nandripaka anao.

20 Nihevi-tena tsy hanan-janaka intsony ianao, kanefa hiteny eo an-tsofinao indray ny zanakao hifampilaza hoe: "Tery ny toerako, fa mikisaha kely mba hipetrahako."

21 Ianao kosa, ry Tsiona, dia hanontany tena hoe: "Iza no nanome ahy ireto zanaka ireto? Maty anaka aho teo ary tsy mba nanantena ny hanan-janaka intsony, sady natao sesitany sy ankilabao. Koa iza no nahalehibe an'ireto? Indro aho navela hanirery, fa mba avy taiza kosa ireto?"

22 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Indro hasandratro ny tanako hanatsika ny firenen-kafa; ary hatsangako ny fanevako ho hitan'ny vahoaka. Dia hotrotroiny no fitondra ny zanakao lahy; ary hoentiny an-tsoroka ny zanakao vavy.

23 Mpanjaka no ho mpanabe ny zanakao ary andriambavy no ho reny mpampinono azy. Hiankohoka eo anatrehanao ireo manankaja ireo ary hilelaka ny vovoka amin'ny tongotrao, dia hoekenao fa Izaho no TOMPO ka izay miandry Ahy tsy ho diso fanantenana.

24 Alaina amin'ny miaramila mahery ve ny rembiny? Sarihina amin'ny olon-doza ve ny babony?

25 Eny, hoy ny famalin'ny TOMPO, na dia ny babon'ny miaramila mahery aza dia halaiko aminy; ary hosarihiko amin'ny olon-doza ny rembiny. Fa Izaho mihitsy, ry Jerosalema, no hiady amin'izay miady aminao sady hanafaka ny zanakao.

26 Ireo olona mpampahory anao kosa hampihinaniko ny nofon'ny tenany ihany ary hataoko mamon'ny ran'ny tenany ihany toy ny mimamo amin'ny divay vaovao. Amin'izay dia ho fantatry ny olona rehetra fa Izaho TOMPO no mpamonjy anao, ary Izaho ilay Maherin'i Jakoba no mpanavotra anao."

Toko faha-50

1 Izao no fanontaniana ataon'ny TOMPO: "Aiza izay taratasy fisaoram-bady manaporofo fa noroahiko i Jerosalema reninareo? Sa iza no nivarotako anareo ho andevo mba ho fanefana ny trosako aminy? Indro ny helokareo ihany no nivarotana anareo ary ny fikomianareo ihany no nandroahana an-dreninareo.

2 Nahoana, fony tonga Aho, no tsy nahita olona; nahoana, fony niantso Aho, no tsy nisy namaly? Ny tanako ve no fohy loatra ka tsy mahavonjy? Sa Izaho no tsy manan-kery hoenti-manafaka? Indro mandrahona fotsiny Aho, dia maina ny ranomasinana manjary taniefitra ny ony. Amin'izay, noho ny tsy fisian'ny rano, dia matin-ketaheta ny trondro ka maimbo.

3 Azoko atao ihany koa ny mandrakotra mainty ny lanitra ka mampitafy azy lamba fisaonana.

4 Ny Tompo ANDRIANANAHARY no nampianatra ahy izay tokony ho lazaiko, mba hahaizako mamoaka teny hampahery ny reraka. Isa-maraina Izy dia manabe ahy hatrany hihaino araka izay tokony hataon'ny mpianatra.

5 Ny Tompo ANDRIANANAHARY no nanokatra ny sofiko, ka tsy manohitra Azy aho ary tsy mihemotra.

6 Ny lamosiko atolotro amin'ireo mpikapoka ahy, ary ny takolako amin'ireo mpanongo-bolom-bava. Ny tavako tsy nafeniko ho difin'ny fanevatevana sy ny fandrorana natao tamiko.

7 Ny Tompo ANDRIANANAHARY no hamonjy ahy, koa tsy resin'ny fanevatevana aho; ary nohamafisiko ho toy ny afovato ny tavako, satria fantatro fa tsy ho menatra Aho.

8 Eo akaikiko ny TOMPO, Ilay mpanamarina ahy. Iza no hiady amiko? Andeha isika hiara-miseho eo anoloan'ny mpitsara! Iza no ho mpanohitra ahy? Aoka izy hanatona hifanatrika amiko!

9 Eny, ny TOMPO ANDRIANANAHARY no hamonjy ahy, ka iza no hanameloka ahy ? Indro izy rehetra mpanohitra ahy fa hihasimba toy ny lamba mihatonta, toy ny lamba lanin'ny kalalao.

10 Iza aminareo no manaja ny TOMPO? Aoka izy hihaino ny feon'ny mpanompony! Raha misy mandeha amin'ny maizina tsy ahitam-pahazavana mihitsy, ao ka izy hitoky sy hiankina amin'ny TOMPO Andriamaniny!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9044