IsaiĆ 

Toko faha-45

12 Izaho no nanao ny tany sy nahary ny olona monina eo amboniny. Izaho no nanenjana ny lanitra tamin'ny tanako sy mibaiko ny planeta aman-kintana rehetra.

13 Izaho koa no nampipoitra io lehilahy io mba hitondra fanafahana ary Izaho no hanitsy ny lalany rehetra. Izy no hanangana indray an'i Jerosalema tananako sy handefa ny oloko izay babo, nefa tsy hampandoa vola na tamby, hoy Aho TOMPOn'izao rehetra izao."

14 Izao, ry vahoaka Israely, no lazain'ny TOMPO aminao: Ny vokatry ny asan'ny Ejiptianina, ny tombom-barotry ny Etiopianina sy ny an'ireo olona ranjanana avy any Seba dia handalo ao aminao avokoa, ka ho lasanao. Voafatotra ireny olona ireny no hanaraka anao ary hiankohoka handady eo anatrehanao sady hivavabavaka hifona aminao hoe: "Ato aminao tokoa tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy irery."

15 Kanefa marina fa Andriamanitra miafina Ianao, ry Andriamanitr'i Israely sady mpamonjy o!

16 Indro ny mpanamboatra sarivongan-tsampy fa ho indray menatra sy ho afa-baraka; mandeha mitanondrika izy rehetra.

17 Ianareo kosa, ry vahoaka Israely,dia nandray famonjena mandrakizay avy amin'ny TOMPO. Tsy ho menatra na ho afa-baraka na oviana na oviana ianareo.

18 Ny TOMPO no nahary ny lanitra, Izy no Andriamanitra namorona ny tany ka namolavola sy nanamafy azy, nefa tsy nahary azy ho foana fa nanao azy mba honenana. Io Tompo io dia indro milaza hoe: "Izaho no TOMPO, ary tsy misy hafa."

19 An-karihary no nitenenako fa tsy tao amin'ny toerana maizimaizina; tsy nampirisihiko ny taranak'i Jakoba hitady Ahy eo amin'ny toeram-poana. TOMPO Aho, ka ny marina nolazaiko ary ny mahitsy no ambarako!

20 Ianareo firenen-kafa sisa tavela, avia ka mivoria, manatona miaraka. Tsy mahalala na inona na inona akory ireo manandratra ny sampy hazo voasokitra, sy mivavaka amin'izay andriamanitra tsy mahavonjy.

21 Manaova fanambarana, ary ento ny porofo, manaova fikaonan-doha miaraka ianareo! Iza no nampahalala hatry ny ela izay mitranga ankehitriny? Iza no nanambara izany mialoha? Moa tsy Izaho TOMPO va? Koa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho no hany Andriamanitra marina sy mamonjy.

22 Mitodiha aty amiko, dia ho voavonjy ianareo, ry olona amin'ny vazan-tany rehetra; satria Izaho no Andriamanitra fa tsy misy hafa.

23 Nianiana tamin'ny tenako Aho, sady marina izay teny aloaky ny vavako ka tsy misy ivadihako: Izaho no handohalihan'ny olona rehetra ary hianianan'ny fiteny rehetra hoe:

24 Ao amin'ny TOMPO irery no ahitana hery sy fahamarinana!"Izay rehetra nifanohitra tamiko dia hankany amiko sady ho menatra.

25 Fa ny taranak'i Israely rehetra kosa dia Izaho TOMPO no hahazoany rariny sy hataony fireharehana.

Toko faha-46

1 Nihareraka i Bela, niletsy i Nebao. Napetraka teo ambony biby mpitondra entana ny sarivongan'ireo andriamanitr'i Babilona ireo; izay filanja tamin'ny laharam-pihobiana dia toy ny enta-mifatratra no fitondra azy, ka mavesatra amin'ireto biby efa reraka.

2 Niletsy sy nihareraka ireo andriamanitra ka tsy afa-mamonjy ny sarivongany intsony: na dia ny tenany aza lasan-ko babo.

3 Mihainoa Ahy TOMPO, ry taranak'i Jakoba, dia ianareo rehetra sisa velona amin'ny taranak'i Israely, ianareo izay nokarakaraiko hatrany am-bohoka sy notrotroiko raha vao teraka.

4 Tsy hiova Aho, na dia mandra-pahantitrareo aza; hanohana anareo Aho mandra-pahafotsin'ny volonareo. Izaho no nanao anareo sy nitrotroanareo hatrany; eny, Izaho no hanohana anareo sy hamonjy anareo.

5 Iza moa no ampitovinareo amiko ary hanoharanareo Ahy? Iza no hampifandanjanareo amiko ka hahitana fifanahafana aminay?

6 Misy olona mandanilany foana ny volany; mandanja volamena sy volafotsy amin'ny mizana izy, dia manarama olona mpanefy firavaka mba hamboatra ireny ho andriamanitra izay hivavahany sady hiankohofany tokoa.

7 Izy ireo ihany no mibata ny andriamaniny sy mitondra azy eny an-tsoroka sady mametraka azy eo amin'ny toerany, dia mijanona eo iny fa tsy mahahetsika. Raha iantsoana vonjy izy, dia tsy mamaly sady tsy mahavonjy amin'ny fahoriana.

8 Ry mpikomy, izao no tsarovy ka ento manovo hery indray ary diniho tsara ao am-ponareo.

9 Tsarovy ny zavatra taloha teo am-piandohanareo: Eny, Izaho no Andriamanitra ka tsy misy hafa. Izaho no Andriamanitra; ka zava-poana avokoana inona na inona ampitahaina amiko.

10 Efa hatrany am-piandohana no nilazako ny zavatra hitranga aty aoriana; ary efa hatry ny ela be no nilazako ny zavatra tsy mbola niseho. Hoy Aho hoe: "Ny fikasako, dia ho tanteraka hatrany; ary izay rehetra sitrako dia hataoko."

11 Toy ny vorona mpihaza avy any atsinanana, avy any an-tany lavitra any, no niantsoako ilay lehilahy izay hanatanteraka ny fikasako. Fikasana noteneniko izany sady hotanterahiko, fikasana novolavolaiko sady hotontosaiko.

12 Mihainoa Ahy ianareo, ry olona mafy fo izay mihevi-tena ho lavitra ny fanafahana:

13 Hampanatoniko ny fanafahako fa tsy ho lavitra intsony. Tsy hitaraiky intsony ny famonjena, fa Izaho no hanome azy ao Tsiona; eny, zavatra mamirapiratra no homeko an'i Israely.

Toko faha-47

1 Midina ambany ka mipetraha amin'ny vovoka, ry vahoaka mponin'i Babilona, hoy ny TOMPO; mipetraha amin'ny tany, ry renivohitry ny Kaldeanina fa tsy misy sezafiandrianana ho anao intsony, satria ianao tsy hantsoina intsony hoe: "Babilona tsara tarehy" na "Babilona mirenty".

2 Maka vato fikoseham-bary ka mitotoa koba. Asehoy ny randranao, akaro ny morontongotr'akanjonao, asehoy ny ranjonao, hahazoanao mita ny renirano.

3 Aoka hiseho ny fitanjahanao ary ho hita izay mahamenatra anao. Hanao valifaty tokoa Aho ka tsy misy mahasakana Ahy ,

4 hoy Ilay Mpanavotra anay. Ny TOMPOn'izao rehetra izao no anarany, dia Ilay Masin'i Israely.

5 Mipetraha mangina ianao ary misitriha any amin'ny maizina, ry renivohitry ny Kaldeanina, satria ianao tsy hantsoina intsony hoe: "Tompovavin'ny fanjakana maro".

6 Tezitra mafy tamin'ny vahoakako Aho, ka navelako hotevatevaina ilay anjara fananako. Natolotro teo an-tananao izy, kanefa tsy mba namindranao fo fa nampitondrainao zioga mavesatra hatramin'ny beantitra aza.

7 Nihambo haharitra mandrakizay ianao ka ho tompovavin'izao tontolo izao hatrany, fa tsy noeritreretinao akory izay niseho ary tsy noheverinao akory izay hoavy aoriana.

8 Ry tanana tia fahafinaretana sady mipetraka tsy manana ahiahy, ianao miteny anakampo hoe: "Izaho dia tsy manan-tsahala! Tsy ho mpitondratena mihitsy aho ary tsy ho faty anaka na oviana naoviana. "Fa ankehitriny henoinao kosa izao:

9 Amin'ny indray andro monja dia hihatra tampoka aminao ireto loza roa ireto: ho faty zanaka ianao sady hanjary mpitondratena. Eny, hihatra aminao avokoa ireo, na dia maro aza ny ody fampiasanao ary na dia zavontany aza ny fankatovanao.

10 Natoky ireo ody ratsy fanefitrao ianao, ka nanao hoe: "Tsy misy mahita ahy. "Nefa ny fahendrena sy ny fahalalana nihamboanao hananana ihany no nampivadika atidoha anao, ka nampiteny anao anakampo hoe: "Izaho dia tsy manan-tsahala!"

11 Koa indro hihatra aminao ny loza izay tsy hainao avily hidify anao; indro hiantonta aminao ny fahavoazana izay tsy azonao iarovan-tena; eny, hihatra tampoka aminao ny faharavana, dia faharavana izay tsy ampoizinao.

12 Tohizo ihany ary ny fitokavanao sy ny ody maro fampiasanao izay efa niezahanao hatry ny fahatanoranao; angamba hahazoanao tombontsoa izany na koa hampitahoranao izay mananontanona anao.

13 Vizana manontany ireo mpanandro ianao. Aoka hiseho sy ho avy hamonjy anao ireo mpamariparitra ny lanitra sy ireo mpandinindinika ny kintana ka mampahafantatra isaky ny tsinam-bolana izay zavatra tsy maintsy ho tonga aminao!

14 Ho toy ny mololo no hanjo ireo mpanandro ireo: ho main'ny afo izy ka tsy hahavonjy tena ho afaka amin'ny herin'izany lelafo izany; fa tsy ho vainafo kely hanendasa-mofo izany na ho fatan'afo tsotra natao hamindroana!

15 Izany, ry Babilona, no hanjo ireo mpimasinao izay efa nisasaranao nanontaniana hatry ny fony ianao mbola tanora. Samy handeha amin'izay halehany izy, fa tsy hisy na dia iray aza hahavonjy anao.

Toko faha-48

1 Henoy izao, ry firenen'i Jakoba, dia ianareo izay mitonon-tena ho Israely sy taranaka nipoitra avy tamin'i Joda, ianareo izay mianiana amin'ny anaran'ny TOMPO ka miantso ny anaran'Andriamanitr'i Israely nefa tsy araka ny fahamarinana sy ny fahitsiana.

2 Eny, ianareo izay mitonon-tena ho avy amin'ny tanana masina ka miankina amin'Andriamanitr'i Israely Izay "TOMPOn'izao rehetra izao" no anarany, henoy ary izao teniko izao:

3 Efa hatry ny ela no nanambarako ny zava-niseho voalohany ; Izaho no nampanantena ireny sy nampandre azy anareo. Tampoka no nihetsehako, dia tonga tokoa ireny.

4 Saingy fantatro fa maditra ianareo; miridiridy toy ny hoza-by ny hatokareo ary mafy toy ny halimo ny handrinareo.

5 Koa nambarako anareo hatry ny ela ireny zavatra ireny ary nampandrenesiko anareo talohan'ny nisehoany, sao lazainareo hoe: "Ny sampinay no nanao ireny; ny andriamanitray sarisokitra hazo na sarivongana halimo no nanome baiko toy izany."

6 Efa renareo izay nambarako mialohaka hitanareo fa tanteraka avokoa;moa tsy hotantarainareo ve izany? Manomboka androany ary dia hampandre anareo zava-baovao Aho, dia zavatra nafenina mbola tsy fantatrareo.

7 Vao izao ankehitriny izao fa tsy hatry ny ela no namoronako ireo zava-baovao ireo, Talohan'ny androany dia tsy mbola renareo izany sao ho lazainareo hoe: "Efa fantatray izany!"

8 Ianareo koa moa tsy nihaino sady tsy te hahalala no tsy nanokatra sofina hatry ny ela; Fantatro fa mpamadika hatrany ianareo sady nantsoina hoe mpikomy hatrany am-bohoka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.965